Tokinao

Mbola hiresaka politika tokoa ve?
2011/06/14,21:58

Samala daholo,

Avy namaky ny lahatsoratr'i Jentilisa aho teo (izay mitondra ny lohateny hoe : Mbola Hiresaka Politika Ihany Ve?) , ka dia tafamaky indray ity tononkalon'i Rado ... izay zaraina ho antsika ity :

BOBOKA AHO RY TANINDRAZAKO

Boboka aho ry tanindrazako
Ka avela ianao ho eo
Ka izaho sy ny hazakazako
Handositra fa efa leo 
‘Zato fahorianao
Sy ny fijalianao
‘Zay nanjary fahoriako
Ary lamba fitafiako.

Aiza ve k’izaho irery
Sisa no natao hijery
Izato endrikao mirava
Sy ny hasoanao voarava ?
Fa ny maro dia efa tola :
Ao ny lasa babom-bola
Tao ny reraky ny tolona
Ka nahazo famololona
Tao ‘reo lasana sahady
Fa trotraky ny lazon’ady
Tao ireo tsy nahasehaka
Resin’horaka sy tehaka
Nisy matin-kenamaso
Tamin-tsiri-tsaramaso
Tao ‘reo lavo tsy tafarina
Nivaro-bob’irony marina

O, mihidy izao ny vazako
K’eo hianao ry taninndrazako
Avela hianao ho potipotika
Avela hianao ho rotidrotika
Izay mianjera avela hianjera
Izay te-hitsetra anao : mitsera
Lasana aho, Veloma hianao
Izay mitranga : anao ny anao

RADO

 Misaotra antsika

"Mpino & Darwin" # "Tsy mpino & darwin"
2011/03/23,00:53

Salama daholo o!

Mba hanoratra indray aho anio. Tsy izany fa izao : nisy lahatsoratry ny namana iray izay tatsy novakiako satria nahaliana ahy. Dia avy eo novaliako. Dia avey eo ... hitako ho tsara tehiriziko ny zavatra nosoratako.

Ho vokatr'izany dia : tsaratsara raha vakianareo aloa (eny fa na dia ambangovangony fotsiny aza) ilay lahatsoratr'olona atsy :NY TSY MPINO SY I DARWIN  Ary avy eo ianareo vao miverina mamaky eto, raha hamaky Smile. Satria (indramiko ny tenin'izay olona iray izay hoe) : tsy natao loatra hovakian'olona no tanjoko, fa kosa ny hanana arsivan'ny zavatra noeritreretiko. Ny fanatsarana zavatra mivaingana mantsy dia tsy maintsy mianga amin'ny eritreritra. Raha tsy misy ny eritreritra dia tsy misy fanovàna sy fanatanterahana.

 


 Rehefa novakianareo moa ilay lahatsoratra etsy ambony, dia izao no fijeriko (eto ambany eto ... dia miresaka amin'ilay mpiblaogy nanoratra ilay lahatsoratra aho) :

Tiako mihitsy ity lahatsoratrao ity satria milaza ny zavatra mba nanitikitika ny saiko hatry ny ela, sady milaza koa ny zavatra efa saika lazaiko.

Raha tsorina, dia efa ela koa aho no saika hanakiana an'ilay fomba fijerintsika gasy izay azo atao hoe : donton'ny fivavahana (izay manamarina ilay hoe :  religion, opium du peuple. maherihery ihany io fiteny io, ka mangataka ny mpamaky aho mba hamaky hatramin'ny farany). Betsaka ny itovizantsika hevitra (ankoatran'izay ho lazaiko etsy ambany). Ny mba tsikaritro dia ity : betsaka ny malagasy no tsy mahay mandray ny fivavahana : lasa vato misakana amin'ny lafiny rehetra ilay izy matetika. Ohatra fotsiny : 

- eo @ fomba fiakanjo, sy fihetsika : misy ny fomba fiakanjo lazaina fa tsy maontina ara-pivavahana. Ny marina anefa dia ny saina no tsy mahatanty ilay zavatra. (ny fiakanjo sexy no teneniko eto. Heverina manko matetika fa mpivaro-tena ihany no mpanao ireny).

- eo @ lafiny ara-politika, sy fiaraha-monina (tsy asiako ohatra eto satria tsy te hiresaka politika aho aloha).

- eo amin'ny resaka siantifika : indraindray dia lasa vato misakana tsy ahatakarana zavatra ilay finoana (zonareo ny tsy hitovy hevitra amiko amin'ity). Ohatra fotsiny : izaho manokana dia mahita fa mifanaraka tsara ny lazain'ny genesisy na genezy sy i Darwin. Jereo ange ilay filaharan'ny fipoiran'ny zava-manan'aina e : ny trondro aloha, izay vao ny vorona, izay vao ny biby an-tanety, ary farany ny olombelona:  samy milaza an'io na i darwin na ny baiboly (jereo ny an'ny katolika na koa protestà). Fa ny mahasamihafa azy fotsiny dia ny fomba filazan-javatra : ny genesisy somary misarin'angano, fa ny iray kosa siantifika. (Mamaky an'ity zao ny olona sasany dia mety hilaza fa siansa koa ny finoana, na koa hoe : ny finoana dia ambony noho ny siansa rehetra. Ny hevitro amin'io dia aleoko tsy teneniko eto satria : ho lasa lava ny fanazavana. Ny azoko tenenina angaha dia ny hoe : sasanangy samihafa ireo, ka tsy azo ampitahaina, ary tsy mifanimba. Andriamanitra no nanome saina antsika hahay siansa). Ny matetika mpitranga dia : vao maheno fotsiny ny mpivavaka sasany hoe : "avy amin'ny gidro ny olona", tonga dia manidy ny varavaran-tsainy, satria mifanohitra amin'ilay hoe : "natao ho tahaka an'Andriamanitra isika". Ho ahy manokana dia ny fandraisako ny an'i Darwin dia hoe : ny gidro no nisy taloha, izay vao ny olona. Fa ny fomba nipoiran'ny olona kosa indray dia, avelako io ho misiterin'Andriamanitra. Mety ho nataony, "par mutation" haingana na miadam-piova (aman-tapitrisan-taonany), mety ho nataony niforona amin'ny alalan'ny tsy misy (io dia inoako fa hain'Atra, satria na ny olombelona aza dia nahita fa afaka mamboly mikroba avy amin'ny mololo : tamin'ny nahitàna ny mikroba voalohany. Mety ho nataon'Atra ho avy amin'ny reaction chimique-na matière minerales koa. Tsy voazavako io "partie fiforonan'olombelona io" no tena marina ka ao no ametrahaka ny finoana.

Ity "finoana lasa vato misakana" ity moa dia efa mpitranga hatramin'izay naha-tany ny tany. Fony faha-moyen age, dia tsy navelan'ny fivavahana (fa fady hono) ny mianatra ny ao anatin'ny fatin'olona. Izany dia nahatonga ny olona tsy hahay fitsaboana, sns. Taloha ela be koa dia fady ny izao sy izatsy raha tsy izany dia ilatsahan'ny andriamanitra "varatra", sns.

Ary izaho manokana dia mbola mieritreritra fa betsaka ny azo kianina amin'ny fomba fampiasantsika  olombelona (izany hoe ny malagasy koa) ny resaka "finoana" ankehitriny. Ho sarotra amin'ny olona anefa ny hahatakatra izany satria : efa zatra an'ilay zavatra ilay olona, ary teraka tao anatin'izany fahazarana izany. Io no tahaka ilay tantaran'ny olona iray teraka tao anaty lava-bato, ary mbola tsy nivoaka tao : tsy fantany hoe anaty maizina izy satria mbola tsy nahita ny mazava (eto koa dia aza malaky mitsara ny mpamaky sasany hoe : ampitahaiko amin'ny haizina ny finoana. Tsy izany velively). Ny tiako tenenina dia ny hoe : tsy ho hain'ny olona iray velively ny hitsara ny tenany raha mbola tsy nahita ny hafa izy, na koa : tsy afaka atao mihitsy ny hamaritra ny zavatra iray raha tsy efa misy "reference, na koa répère".

 

Hiverina amin'ny resaka Darwin sy Andriamanitra aho. Izaho dia "mino" fa samy marina ireo. (Ampiako fotsiny hoe : mety somary hisy diso ny an'i Darwin, ary ny hoe :mety ho "imagée" ny an'Atra, ary koa "notsotsorina" mba ho takatry ny olombelona. Eto indray dia aza tenenin'ny sasany aho fa hoe manompo Andriamanitra 2. Tsy izany fa izao : ny iray Andriamanitro, ary ny iray Théorie. Heveriko fa ny théorie dia inoana na ekena no filaza azy satria tsy nisy vavolombelona nanatrika izany).

 

Tohizako ny resako : mitovy ireo hoy aho. Ny Genezy fotsiny no somary endrik'angano. Ary hitako ho rariny izany satria : ataon'ny olombelona fahiny ahoana moa no hahazo ny resak'Andriamanitra raha toa ka nataony ara-tsiantifika izany. tsy ho azon'ny olona mihitsy. Ary na dia ankehitriny aza, dia tsy ho azontsika olombelona mihitsy ny resak'Andriamanitra raha ataony fanazavana siantifika. Bitika sy kely ny fahaizan'olombelona na dia amin'izao fotoana izao aza (ampitahao fotsiny ny angezan'ny olona iray, sy ireo kintana aman-tapitrisany : na ny lalànan'ny kintana iray aza tsy voafehintsika) : izany fahabitihan'ny fahalalantsika izany anefa dia tsy takatry ny saintsika, satria efa zatra niaina tao isika. Eny, mety ho heverintsika ho goavana be aza isika satria ny tenantsika ihany no hitantsika hatramin'ny naha-isika antsika. Toy ilay olona ao anaty lava-bato maizina : na dia ao anaty maizina aza izy dia heveriko fa mety hanana ny "notion"-na hazavana ihany : ohatra hoe : heveriny ho hazavan'ny masoandro ny fanjelatry ny vaingam-pasika kely iray monja.

 

Raha fintinina dia izao :

- Ekeko tokoa ilay fijery hoe : tsara ny mifanaja fomba fijery, sy tsy malaky manakiana. Eny fa na dia ny hevitra mifanipaka tanteraka @'ny an'ny tena aza.

- Izaho manokana dia mino an'Atra, nefa koa dia manaiky sy manaja ireo hafa finoana rehetra, hatramin'ny tsy mino koa. Ary maniry aho mba hiparitaka izany fijery izany.

Mety tsy hazava ny resako satria filozofika, nefa ... io no mba takatro hanazavàna azy.

Ahoana ny hevitrao ?

Misaotra indrindra e!

Misaotra anareo mametraka fanakianana momba ity fijeriko ity Smile (Eny fa na dia ny tsipelina, filazan-kevitra aza). Ny teny ratsy ihany no aza apetraka llooll.

PS : Aleo azavaiko fohy ilay hoe "donton'ny fivavahana", na koa ilay hoe "religion, opium du peuple" sao tsy mazava. Tsy sanatria ny fivavahana akory no hitako ho mahadonto, fa isika indraindray no manadonto ny saintsika. Ary tsy ny fivavahana akory no drogue, fa isika no lasa mandray azy ho "drogue".  Aleo nazavaiko tsara io ... sao heverin'ny olona ho mpaniratsira fivavahana aho.

Tsy ny fivavahana no toheriko, fa ny fomba sasany hanarahana azy.


Raha nahaliana anao ity dia jereo koa ange ato e : How Darwinism and Faith Can Coexist

 

Madagasikara tena lomorina
2009/10/01,10:44

Tsy dia mahita hosoratana ka dia ny lahatsoratra farany no novaina dia averina aseho. Ny fanovana "goavana" dia : tsy "Madagasikara lomorina" intsony ny lohateny fa "Madagasikara tena lomorina" :).

Tamin'ity herinandro faran'ny volana jolay ity dia nila nikarakara "taratasy" teny amin'ny ministera iray aho. Tamin'ny talata aho no teny voalohany, koa dia nahazo ny toro marika rehetra, ny taratasy ilaina, sns , ary nasiany niverina omaly zoma (asabotsy 1 aogositra moa anio). Tamin'ny 8ora omaly ny fotoana nomeny, ary nasain'ilay tompon'andraikitra tonga alohaloha satria ho betsaka hono ny filaharana.

Koa dia tonga aho tamin'ny 7ora, tamin'izay anefa dia efa ho maromaro izahay no tao. "Tsy maninona" hoy aho tany an-tsaiko satria tiako ho faranana anio ilay taratasy amboariko. Koa dia nilahatra ampilaminana izahay.

Niandry ka niandry ... Tamin'ny 8ora sasany no tonga ny tompon'andraikitra. Nihabetsaka hatrany izahay

Niandry ka niandry ... Tamin'ny 8ora 30 teo ho eo no nisy olona nizara nomerao. Mba faly kely aho satria heveriko ho afaka miala kely aho rehefa avy nahazo nomerao, ary miverina rehefa akaiky ho anjarako ny miditra ao amin'ilay birao. Mba nampahery kely ny tenako aloha ny fisian'io fomba fitantanana mahafinaritra io, na dia tsy mba am-panajàna tanteraka aza ny nizàrana izany nomerao izany. Sanatrian'izany ... toy ny mizara taolana amin'ny alika ny fomba nanomezan'ilay rangahy motomototra ny nomeraonay : "'ty"  "ty ny anao", sns...

Niandry ka niandry ... Tamin'ny 9ora mahery kely vao nanomboka nandray olona ilay tompon'andraikitra. Amin'io dia efa feno be ny efitra fiandrasana (salle d'attente), ny marimarina kokoa dia làlan-tsara fiandrasana. Feno olona ny manodidina ahy : aloha, sy aoriana, ankavia sy ankavanana ... toy ireny hifanisika hiakatra fiara fitanteram-bahoaka ireny. Fa izahay koa aloha tsy mifanosika satria mila ho in-1 isaky ny antsasak'adiny vao misy olona iray ampandrosoana ao amin'ity "fiara fitateram-bahoakanay" ity : laozan'ilay tompon'andraikitra mihodina ankavia sy ankavanana foana. Ny mahagaga ahy dia betsaka ireo namany manana birao eo akaikiny no tsy manao n'inon'inona akory nefa tsy mba manampy azy : ny sasany moa dia mahavita mivoaka matetika satria hifoka sigara, sady leon'ny mijery olona milahatra koa angamba.

Niandry ka niandry ... tonga ny amin'ny 12 ora dia noteneniny izahay fa hihidy kely aloha satria hisakafo, ary hisokatra amin'ny 2ora. Ny hakiviako amin'io efa tsy haiko intsony ny mitantara azy. Efa adin'ny 5 manko aho no nijoro teo. Betsaka koa moa no tsy nahandry dia nandeha, ka faly kely aho isaky ny misy mandeha satria mihavitsy 'zany izahay. Nefa izao dia tsy maintsy hiala kely indray.

Dia nanao kibo an-tsena aloha, satria ny toerana fodiako dia alavidavitra ihany, sahabo ho 10km miala eo Anosy, izany hoe adiny iray raha mitaingina fitanteram-bahoaka.

Tonga ny folakandro dia tafaverina indray ireo mpilahatra : dia ny tamin'ny maraina sy olona vaovao hafa maro be koa, olona nahazo fotoana (rdv) ny folakandro hono.

Dia niandry ka niandry hatrany. Mihamifanetiety hatrany izahay, satria tsy maintsy tazomina ny filaharana eo an-dalan-tsara (izay tsy hitako intsony izay maha filaharana azy). Ilay nomerao nozaraina koa manko toa tsy nampiasain'ilay tomponandraikitra intsony koa, ka izay tandrify ny varavarana dia ampidiriny. Izy amin'io dia misinda matetika any amin'ny biraon'ny namanay any : mety vizaka angamba na koa leo mandray olona.

 Fa izany rehetra izany eo ihany fa ny tena tsy laitrako dia ny mahita olona mangata-dàlana aminay mba hiditra. Tamin'ny voalohany, dia tsy nomenay làlana satria tsy adala izahay milahatra eo. Rehefa hitan'ilay tompon'andraikitra anefa ilay olona mangata-dàlana dia "avelao izy handroso" hoy izy. Ny teny ratsy sisa no tsy mivoaka aminay mpilahatra.

Maromaro ny olona tonga dia nahazo niditra toy izany : ao ny zanaka karana, ao ny olona hita fa ho tsaratsara akanjo sy mihaja.

Marary mihitsy ny foko mahita ireo.

- "Andao ho'ahy isika tsy hanaiky izao zavatra izao" ho aho tamin'ireo mpilahatra namako.

- "Aoka ho izao ihany" hoy ilay iray izay. Voa maika tsy ho vita eo ny taratasintsika raha manao izany hoy izy. Ny sasany mody tsy maheno ahy daholo, na dia marary fo aza isaky ny mahita olona tsy nilahatra nefa tonga dia miditra. Betsaka taminay nilahatra teo no hitako ho olona tsotsotra (ratsy akanjo, sy toa avy any ambanivohitra koa aza).

Ny niafarako moa dia voaray ihany, efa ho tamin'ny 4ora hariva tany ho any. Tena olona tsy mahalala fomba ilay lehilahy tompon'andraikitra : na ny "arahaba" aza tsy ataony fa dia "inona ny anao?", "ny anarana?", sns fotsiny hoy izy sady mikitakita izy. Nanokatra "tiroir" kely izy dia navoakany avy tao ny taratasiko. Dia izay monja dia vita. Tsy misy "veloma" koa fa dia "ny manaraka" ho izy toa sady mandroaka.

Kivy aho. Marihiko fa tamin'ny fiantomboan'ny herinandro dia nisy namako izay efa nilazako fa hanao io taratasy io aho ; ary dia hoy izy : "miasa ao i dadatoanay, sao dia tianao ny hampifandraisako anareo?". Tonga dia azoko ny ny tiany ho tenenina. Toa niteny tamiko izy hoe : sarotra be ny manao zavatra ao amin'io ministera io, fa miresaha amin'i dadatoanay, dia mba omeo kely koa izy mazava ho azy.

"Aoka ho izao ihany" moa ny valin-teniko. Zavatra tsy tiako mihitsy izany manao risoriso izany.

Eto anefa dia iharan'ny risoriso ataon'ny hafa aho. Ka dia kivy sy lasa eritreritra :

Tena tsy misy dikany intsony ny maha malagasy ny olona maro : sady efa mahantra ara-materialy no mbola mahantra ara-panahy sy ara-tsaina koa. Raha mba mahantra ara-materialy fotsiny moa haninona : mbola mety ho eo ny haja sy rehareha fa tsy mbola mpangataka na koa mpangalatra. Fa ankehitriny dia simba sy lomorina tanteraka ny maha-olona azy. Ary dia ny gasy samy gasy no mifamely, sy mifamono.

Tsy mahagaga ahy mihitsy ny hanambanian'ny vazaha sasany antsika : na samy isika aza tsy mahay mifanaja. Izany tsy fahaizantsika miara-miaina izany koa moa dia manamora ny fanambaniana sy fanandevozan'ny vazaha antsika. Koa aza gaga mihitsy ianareo rehefa tsy asian'ny vazaha sira rehefa mila zavatra aminy.

Ka dia miala tsiny aminao aho raha hiteny fa : tsy mirehareha intsony amin'ny mahagasy ahy. Tsy hitako intsony izay ilàna ny toe-tsaina malagasy. Tena tsy hipetraka eto Madagasikara aho. Taloha aho rehefa miteny hoe "andeha hody, dia ny ao Madagasikara izay ny ao an-doha, fa ankehitriny dia ny tranoko any an-dafy no tena tranoko". Fialan-tsasatra ihany no tsara atao ao Madagasikara, ary fadio ny mikarakara taratasy raha tsy te hanimbasimba foana ny fialan-tsasatra.

Manomboka anio dia tsy gasy intsony aho. Aleoko ny zom-pirenena maha-vazaha ahy no asehoko olona. Ny gasy dia "sauvage", tsy mahalala fomba intsony koa : na ny arahaba aza tsy hain'ny mpitàna birao sy ny mpivarotra intsony.

Koa ny hafatro aminao izay any an-dafy dia ny hoe : "tena tsy misy fanafana intsony i dago! ... satria ny vahoaka mihitsy no lomorina toe-tsaina. Na ho i Obama, na ho iza na ho iza no ho filoha dia tsy hisy raharaha ho vanona eo. Adabohy izany tetik'asanao eto Madagasikara izany satria efa simba ny fomba fihariana eto. Tsy maintsy manao risoriso ianao amin'ny ambaratonga rehetra vao mahavita zavatra. Koa raha tsy kinga amin'ny fanaovana risoriso dia ho maty antoka fotsiny, eny fa na dia tsara paika aza ny tetik'asa. Ho lany fotoana arirariran'ny birao fotsiny ianao, arirarirany amin'ny lalàna izay tsy ampihariny intsony akory.

Ny hafatro aminao eto Madagasikara kosa dia ny hoe : "Tena ataovy izay hialàna eto. Ozinina famonoan'olona sisa i Madagasikara : famonoana ara-batana à "long terme", ary koa famonoana fanahy. Raha tafiditra ao amin'io ozinina io dia tsy maintsy manaraka ny kodiara "engrénage" ao raha tsy izany dia "maty haingana". Koa ataovy izay ivoahana : na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana.

A partir d'aujourd'hui, je ne reconnais plus mon pays. Car je deteste la corruption

Tapitra ny fitantaràna Wink. Io nosoratako volomparasy io no zavatra notantarain'ny namako iray ahy vao omaly zoma hariva. Dia tanteriko eto koa. Anjaranao ankehitriny ny mitsara azy sy ny fomba fijeriny. Aza maika miaro, sy manadio tena fa diniho hoe : inona amin'ny noteneniny no marina sy zava-misy tokoa.

Misaotra anareo namaky i Tokinao.

PS: tsikaritrareo fa gasy manao fialan-tsasatra ao Madagasikara io olona nitantara tamiko io. Ny nambarako azy moa dia ny hoe : tsy vao izao no misy ireo zava-misy ireo ao Madagasikara, sy ny hoe : aza tsaraina loatra amin'ny fiainan'ny eny andrenivohitra ny momba ny malagasy rehetra.

Война является ускорение истории
2009/03/12,01:40

Eny, nahateny vazaha mihitsy RaToky noho izao zava-miseho eo amin'ny firenena izao. Tsy noforoniko anefa io lohateny io fa tenin'i Lénine "Teorisianina sosialita malaza". ( nasosoko anio 8aprily2009 : Azoko antoka fa diso tsipelina izy io satria boky amin'ny teny malagasy no nangalàko azy, ary noezahiko navadika ho teny rosiana).

Raha resahina fohy ny fankasitrahako io teorisianina malaza io, dia izao : isan'ny nanandratra avo ny sosialisma izy tany am-panombohan'ity firehan-kevitra iray ity. (izay fomba fitondrana amim-piraisankina : miasa ho an'ny tanindrazana daholo ny tsirairay, ary avy eo dia zarain'ny fanjakana ny tombony). Na dia tsy nahomby aza io petraka nataony io dia hitako ho mifono fahamboniana tanteraka. Ny tsy nampahomby azy moa (araka ny fijeriko) dia noho ny antony maro :

- alaim-panahy hanararaotra ny mpitondra,

- tsy mazoto loatra mba hivoatra ny mponina satria tsy ho azy mivantana ny tombontsoa.

- sns.

Hatrany am-boalohany anefa dia tsy ireo mihitsy no nokasain'i Lénine, fa ny mba hahavitana asa goavana (ny firaisan-kina mantsy no hery), ary ny mba hikarakaran'ny Fanjakana ny tsirairay. 

Tsetsatsetsa tsy aritra ihany iny resaka "Lénine" iny. Fa hiverina amin'ilay fehezanteniny etsy amin'ny lohateny aho : rehefa nandinika ny fivoaran'ny tantaran'ny vahoaka maro maneran-tany i Lénine dia nahita fa "ny ady dia manafaingana ny tantara". (Izany hoe fahatsapana ihany no nataony fa tsy mamporisika velively ny olona hiady akory izy).

Izaho manokana dia mbola mahita fa tena marina io fehezanteny io, satria :

- raha tianao ny hampanan-javatra anao "haingana", dia mangalara, sy manaova fandrobàna. Mba tsy ahafahan'ny tompon-javatra hiteny fotsiny dia: mila matanjaka sy be sandry ianao.

- raha tianao ny ho lasa mpitondra ao anatin'ny fotoana fohy, dia mampiasà hery sy fanonganam-panjakana. Ary mba hahatonga izany hetsika izany hahomby dia entano sy fitaho ny vahoaka mba hanohana anao. Ataovy izay ahazoana ny fanohanan'ny firenena mikambana, eny fa na dia fanambaràna tsy ampiheverana aza izany.

Boribory tokoa ry 'zareo ny tany, ary na dia miova aza ny taon-jato iainana, na dia nivadibadika aza ny arivotaona maro, dia toa miova endrika fotsiny kosa ireo fomba fiainana ratsy : dia ny fomba fanaovana didin'ny be sandry, ny fomba fanararaotana, sns. Taloha manko raha mikasa hanitatra ny fanjakany ny mpanjaka iray, dia mila manafika ny foko manodidina azy. Ankehitriny kosa, raha te ho mpitondra ny olona iray, dia mila manongam-panjakana fotsiny : tsy misy foko havory sy hatambatra intsony fa tonga dia mandray vita :).

Tsy mahagaga, raha io no jerena, ny zava-misy ankehitriny ao Madagasikara. Ny mahagaga dia, ny tsy hisian'izany intsony any aoriana any : Tena ho fahagagana lehibe miposaka ao Madagasikara.

Kely fotsiny moa sisa no saika tsy anoratako ny votoatin'ity lahatsoratro ity amin'ny teny gasy. Ny tenim-pirenena iray manko dia reharehan'ny tompony. Io teny io no mampiseho fa vahoaka lehibe sy manana ny maha-izy azy ny vahoaka iray. Ankehitriny anefa dia tsapako fa resaka be fotsiny ireo heverina ho reharehan'ny Malagasy : 

- ny fihavanana : resaka fotsiny io amiko, satria mbola misy ny fanavaham-poko ao Madagasikara. Disoy aho raha misy milaza ny mifanohitra amin'izany ireo mpandehandeha ao Madagasikara. Aleo koa hono very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola" hoy i Besapaka ao amin'ny bokin'ANDRIAMANGATAHIANA izay, satria "ny havana mandany vola"

- ny firaisan-kina : tena tsy hita taratra intsony, ankoatran'ireo mbola manao valin-tànana any ambanivohitra. Raha mba hita taratra ihany kosa, dia vao mainka ratsy satria: miray hina hiady sy hifamono fotsiny.

- ny fahaizana mandray vahiny : misy ihany izy ity ... fa ny fijeriko dia satria noho ny mampahantra ny Malagasy no antony mahasariaka azy amin'ny vahiny. Jereo ange ireny mpivaro-tena tsy mila gasy ireny e! Ny vola no tena tiana ho azo.

Aleo taperiko eo ny lisitra satria ...

te hatory aho :). 

Nofinofy revirevy I : ny zanako :).
2009/02/01,11:42

Mba tsy hampiakatrakatra ny tosi-drà amin'ny tsy antony amin'izao zava-manjo ny firenena izao dia tapa-kevitra aho ny hieritreritra zavatra hafa mihitsy :). Asa ... nofinofy ihany ve sa vinavina mba ho azo tanterahina. Miankina  amin'ny fitantanan'Ilay Nahary daholo manko ny zava-drehetra.

Vinavina (sa nofinofy Laughing) voalohany :  Rehefa manan-janaka aho any aoriana any dia izao no eritreretiko hitaizàna azy  [aza ihomehezana e Tongue out]: 


- fomba fitaiza amin'ny alalan'ny fanomezan'andraikitra : satria ho zariko omena andraikitra izy raha vao manomboka ho lehibebe ka mahatsiaro tena. Miainga amin'ny fiainana keliny amin'ny andavanandro izany. Ohatra : rehefa avy milalao dia tsy maintsy alamina ny kilalao, rehefa avy misakafo dia izy ihany no mandroaka ny ota navelany, sns. Arakaraky ny taonan'ny ankizy koa dia ampanaovina raharaha sahaza azy izy, ary ampiharina amin'ny ankizy rehetra ao an-trano io. Rehefa feno 8 taona ohatra dia tokony handamina lovia isan'andro. Rehefa zokinjokiny kokoa indray dia asaina manadio trano sy ny sisa. Marihiko fa mitovy ny lahy sy ny vavy ao an-trano : rehefa anjaran'ny vehivavy ohatra ny manao zaridaina dia tokony handray angady izy, ary rehefa andraikitry ny lahy ny manasa lamba sy mipasoka dia tsisy an-kitaraina eo. Tsy ferako kosa ny fifanarahana satria tokony ho tsapany fa ilaina ny izany, sy ny fizaràna andraikitra araky ny manavanana ny tsirairay avy.

Ny tena tanjona amin'izay fanomezan'andraikitra izany moa dia ny hizàrana an-dry zareo hanara-dalàna eo amin'ny fiaraha-monina, mba ho tompon'andraikitra amin'izay atao, ary mba hahaleo tena. Antenaiko fa ahafahana misoroka ny toetran'ankizy "mihanta", sy "miankin-doha" amin'ny ray aman-dreniny io fomba fitaizàna io.

- fomba fitaiza hentitra : Rehefa nanome toky ny ankizy iray fa hanao raharaha iray dia tokony ho vitainy izany. Rehefa ifanarahana aminy fa tokony hody ao an-trano izy amin'ny ora voatondro iray dia tokony harahiny izany. Ny famitahana sy ny tsy fanarahan'anatra dia toetra tsy azo leferina velively, fa dia sazy no sahaza izany. Isan-tsokajiny ny sazy omena ny ankizy tsirairay arakaraka ny taonany sy ny fahatsiarovany tena. Raha ankizy eo ho eo amin'ny 2 na 3 taona ohatra no mianatry ny miteny ratsy dia ny kapoka kely no sazy sahaza. Tsy mbola mandray anatra am-bava loatra manko izy. Na izany aza anefa, ny kapoka dia tsy natao hampaharary fa ho endrika (symbolique) fotsiny. Ny manambitamby zaza avy nanao fahadisoana sy avy nokapohina moa dia fadïna, satria io no fomba fampihantàna zaza mahomby indrindra.

"Ny tahotra no voaloham-pahendrena" hoy ny baiboly sy ny fahendrena malagasy ... koa aza mitsitsy rotsa-kazo raha tianao hanam-pahendrena ny zanakao. 

- am-pitiavana anefa : ireo fomba fitaiza voalaza etsy ambony moa dia "vokatry" ny fitiavana ary "atao am-pitiavana" hatrany. "Vokatry ny fitiavana" daholo ; eny fa ny sazy sy ny kapoka. Tiana izy ka tsy avela hivily ho amin'ny lalàn-dratsy. "Amim-pitiavana" koa fa tsy an-katezerana : tsy asïko resa-be satria inoako fa ananan'ny ray aman-dreny ho azy (tsy novolena) izany fitiavan-janaka izany.

- Ny ho fialamboliny ve : maro ankehitriny ireo zava-manintona ny ankizy, raha tsy hilaza afa-tsy izay hitantsika any an-dàlana rehefa fotoanan'ny noely : dia ny kilalao maro isan-karazany sy isan-tsokajiny. Na eo aza anefa ireo rehetra ireo, dia ireto ny ahy no kilalao sy fialam-boly hitako ho idealy : 

# lalao mampiasa vatana, izay mahafaoka koa ny fanatanjahan-tena. Ankoatran'ny fampiasam-batana dia mitaiza ny saina izy io : ka hisy ohatra izany tsony!!! Ny fampiasam-batana dia ilain'ny ankizy fatratra (sy ny olombelona rehetra amin'ny ankapobeny) noho ny vatany mbola eo am-pitomboana tsara. Izany koa dia miaro azy mba ho salama lalandava  : mandritra ny fahazazany sy mba tsy hanany areti-mitaiza rahatrizay. Ny ankabeazan'ny areti-mitaiza mantsy dia vokatry ny fahazaran-dratsy fony faha-tanora : fifohana sigara na zava-mahadomelina, fisotroana alikaola, tsy fihetsiketsehan'ny vatana, fahazarana mihinanana sakafo miteraka aretina, sns. Koa ny fampiasam-bantana dia fanafody sy fanefitra lehibe hialàna amin'ireo. Ankoatran'ireo moa dia tsy laviko fa eo koa ny areti-mitaiza manaranaka, sy ny areti-mitaiza mpahazo tsotra izao (tsy misy hoe nahoana). Hiverina amin'ny lohahevitra aho, dia ilay fampiasam-batana : betsaka ny lisitra raha hotanisaina : satria miainga amin'ny fanenjika, hazakazaka, sabaka, ka miafara amin'ny lomano, karaté :).. Tsy amporisihiko loatra kosa anefa izy ireo hanao "baodybaoldinina" Tongue out satria fampijaliana ny vatana indray ireny amiko (mba hampihomehy anao ny tanjoko teto).

## fialamboly mampivelatra talenta. Ny tiako lazaina eto dia ny lalao izay, raha ampiroboroboina, dia hanjary talenta sy asa fiveloman'ilay ankizy (eny fa na dia hanome antoka ny ampahan'ny vola hiditra fotsiny aza). Ny ohatra ve hoy ianareo :
>ny fanaovana mozika : afaka ampiroboroboina dieny mahakely azy io amin'ny alalan'ny fanomezana azy zava-maneno faran'izay tsotra : kiririoka (sifflet), kabaosy, gitara gasy (6.000Ar io dia mahazo any amin'ny faritry Betsileo izay be hazo) sns... Tsara ampianarina hirahira koa ny ankizy mba hamantarana sao talentany koa izany. Izany fiainana tia hira izany koa moa dia ho "ampinga" lehibe eo amin'ny fiainany raha toa ka sendra fahasahiranana ny fiainany any aoriana.
>> ny zava-kanto hafa : toy ny fanaovan-tsary (na hosodoko io, na sary hitatra), ny fikarakarana tanimboly na zaridaina, ...
>>>ny fanaovan-tao zavatra : tsara ampanatrehana olona mpanao tao-zavatra ny ankizy raha mbola kely. Izany dia mety hampifoha ny talenta miafiny tsinona. Retsïka matetika eo amin'ny fiaraha-monina ny hoe olona nahazohazo taona (efa olon-dehibe) vao nahita fa hay misy zavatra manavanana azy kokoa. Ny antony dia satria tsy fantany (na koa tsy hitany) ny fisian'izany (na koa ny fahaizany izany) tamin'ny fahatanorany. Noho izany : dia tsara entina mamangy havana na olom-pantatra manan-talenta ny ankizy. Ohatra : olona mahay mandrafitra, manao sary sikotra, manao elektrônika, manefy, sns. Tsy terena izy anefa hanao izany fa tokony ho amin-tsitrapony : izay no maha-fialamboly ny fialamboly.

### Ny famakiam-boky : Vao miresaka boky dia ny tantara foronina no matetika ho ao an-tsain'ny maro. Tsy fahadisoana izany nefa koa tsy azo fintinina amin'ny tantara foronina ny boky. Maro ireo karazam-boky izay hitako ho tsaratsara kokoa noho ny tantara foronina (hevitro manokana io ka zonao ny hanakiana azy) : ny boky fianaran'asa, ny boky manampy eo amin'ny olana andavanandro [olan'ny tanora, olan'ny vehivavy, sns], ny boky ara-teknika (fanaovana brikôlazy, zaitra, sakafo, ...), ny boky ara-pianarana. Ireo dia azo ampiharina mivantana eo amin'ny fiainana andavanandro. Ilay karazamboky kianiko etsy ambony kosa, na dia ahazoana misintona anatra aza (izay tsy laviko velively), dia mety hampanonofy koa, indrindra ho an'ny ny ankizivavy, raha diso tafahoatra.
Etsy andanin'ireo, dia tsara ezahina ampanalavirina ny ankizy ny fialamboly mampikombon-tsaina sy manasaraka azy amin'ny fiaraha-monina : dia itony ataon'ny tanora ankehitriny hoe : pilaisitasiônina Wink, tsatitsaty, ary ny lalao harifomba lafo dia lafo nefa tsy mampivelatra akory. Ny fanomezana diso tafahoatra an'ireo lalao ireo ho an'ny ankizy dia sady hampikombona ny sainy, no mety hiteraka aretina ho azy [areti-maso, sns], ary mety hiteraka toetra mihanta sy zatra ampiadanina loatra koa : koa rehefa tonga ny andro tsy ahafahanao manome fahafaham-po azy dia tsy hahay hihonona izy ; ka na "hijaly" [frustré] izy, na hangalatra. Tsy manao be filaza aho fa tsy aleo ve maminavina ny ratsy mba hiavian'ny soa e. Ny fiainana manko haintsika ihany fa mivadibadika be ihany Smile.

Aleo faranako amin'io ny resadresaka sy nofinofy androany Cool. Izao tokoa angamba ny hoe : nofinofy ambony latabatra. Izay hevitry ny renin'ankizy tsinona tsy mbola hay, moa ny vola ho enti-mamelona an'izany ankizy izany koa tsy misy tokotaniny akory hihihi. Etsy ankilany : enga anie ka tsy ho momba RaTokinao Embarassed. Raha sanatria moa ka izany dia efa "adie vô vasy kôsô kové" (adieu veau, vache, cochon, couvée).

Ireo fomba fijeriko ireo moa dia vokatry ny fandinihiko ny manodidina ahy, ary koa vokatry ny asa-soratra taoriam-pahalasàn'i Maurice Tièche (oeuvres posthumes de Maurice Tièche) izay hitako ho tena volamena tokoa satria tsy mba lany daty. Efa ho 5 na 6 taona izay no namakiako azy, nefa dia betsaka ireo fehezanteniny izay tsy miala ao an-dohako. Raha liana hikaroka izany boky izany ianao dia karohy any amin'ny fivarotam-boky tranainy :GUIDE PRATIQUE D'EDUCATION FAMILLIALE , L'EDUCATION PORTERA SES FRUITS, GUIDE PRATIQUE D EDUCATION FAMILLIALE

Isaorako mialoha ianareo izay hitondra fanakianana sy fanamarihana : na avy aminareo efa manan-janaka izany, na avy amin'ny tsy mbola. Asa ... mety ihany ve ry zareo ilay maminavina toy izao, sa dia izao tokoa no atao hoe manisy sira ny valala am-panidinana hihihi.

Araka ny maha "voalohany" ity revirevy ity moa dia kasaina havoaka amin'ny manaraka ny "revirevy faharoa".

Ny tokony hiblaogevana momba an'i Afrika ve ?
2008/11/27,18:48

Tsotra ny fijeriko :)  :

Afrika dia kontinanta

- isan'ny lehibe,

- fahiny indrindra satria nahitàna ny dian'ny olombelona voalohany indrindra (araka ny fijerin'ny siantifika),

- mbola sahirana : noho ny antony anatiny (tsy fahaiza-mitantana, ady an-trano, sns.), sy noho ny antony hafa tsy azo idovirana : ny fanatontoloana.

 Noho ireo dia tsy tokony ho latsa-danja amin'ny sehatry ny blaogy, sy ny sehatra iraisam-pirenena hafa io Kontinanta io.

Afaka adidy aho ô :). Maimaika ka dia tsy dia nataoko be resaka. tsy dia ho afaka hamaly ara-potoana izay hafatrareo koa satria sahirana kely :).

 Mazotoa daholo ô ;). Ny mpiblaogy ho tagevana dia ialan-tsiny fa tsy mahita. Tsy maintsy mitety ireo blaogy isan-karazany mantsy vao hahita hoe : iza no efa nanao sy ny hoe iza no mbola tsy nanao). Ny tenako anef tsy dia afa-miserasera ato ato :(.

 Mandrapiblaogy e :)!

Ahoana ny hevitrao ?
2008/11/05,22:14

Raha misy olona milaza ny tenany ho "mpanetry tena sy tsy tia sehoseho" ary matetika averimberiny izany isaky ny miresaka izy. Tena manetry tena ve izany olona izany sa kosa tiany ho izany toetra izany no ahafantaran'ny olona azy ?

Raha sary vitsy no ananako momba ny morontsirak'i Madagasikara, satria avy ao afovoan-tany aho ... mpanavakavaka foko ve aho?

Raha lehibe tamina toerana iray aho, ary tsy mba nahita tany hafa. Midika ve izany fa tsy ampy fitaizana aho? 

Betsaka ireo karazana dinika eto amin'ny aterineto, ary misy ny lohavevitra sasany no efa tranainy dia tranainy sy mampisara-bazana fotsiny ; Mampisara-bazana satria dia ompa sy teny ratsy no iafarany. Mampandroso ve ireny hoy 'nareo ?

Raha mba mizara izay hainy ny olona iray ... fireharehana ve izany ?

Ahoana ny hevitrao ?
Resaka teny malagasy hatrany.
2008/10/19,12:34

 

Mandehandeha ratsy Cool ny zavatra ataoko ka dia mangala-potoana hiblaogy aho na dia efa nilaza ho "sahirana aza". Izany moa dia noho i finoanaranoray ihany hihihi : naveriny napetraka mantsy ilay lahatsorany mitondra ny lohateny hoe " afaka 50 taona ... foana ny teny gasy, hoy di ...". Nokitihiny ilay kilemako (resa-pitiavana teny malagasy) ka dia tsy naharay lamba tsy fidiny RaToky Wink. Novaliako sy nanaovako fanamarihana io lahatsorany io. Lasa lavalava anefa ny resako tao, ka mba tiako hotahirizina ato amin'ny blaogiko koa. Izay no ela, fa dia ndao hatao ady vomangan'Ikirijavola e, ka ny voamasony no 'ndeha hopotserina avy hatrany :

Raha fintinina ny zava-dresahan'i finoanaranoray ao dia ny hoe : aza mihevi-tena ho mpindrana na mpangalatra isika rehefa miteny ireo teny vahiny nogasiana izay efa ofisialy sy ny hoe mitenena teny gasy raha mbola azo atao.

Mitovy hevitra tanteraka aminy aho, ary ho fanohanako ny heviny dia notsahiviko ireto manaraka ireto :

Ny teny dia mivoatra. "Ary ny teny tsy mivoatra dia ho faty" : tenina mpandinika iray io. Raha mandinika ny teny vahiny matanjaka isika dia hita fa tsy mitovy ny fahiny sy ankehitriny. Ary nisy fivoarana im-betsaka vao tody tamin'izao ry 'zareo. Ary na dia amin'ireo teny vahiny matanjaka ireo aza, dia tsy ny voasoratra loatra intsony no resahina amin'ny andavanandro (izany dia ahafahana milaza fa eo an-dalam-pivoarana hatrany ny teny iray). 

Ohatra : Amin'ny teny anglisy, ny teny hoe "you" (adika hoe ianao na ianareo) dia vao haingana mihitsy ; ary efa teny ho amam-polony no nampiasaina talohan'izany : jereo ato. Ohatra fotsiny io fa midira ato raha te hahita ny lisitra fenon'ireo teny anglisy fahiny : http://wandership.ca/projects/eow/.

Ireo fiovoarana ireo moa dia vao tsy ela satria tamin'ny taonjato faha-VIII tany ho any. (jereo  A T O ny tantaran'ny teny anglisy). "Vao tsy ela" raha oharina amin'ny maridrefin'ny tantaran'ny zanak'olombelona.

Ohatra hafa amin'ny teny frantsay : "je ne suis pas malade" no fanoratra. Rehefa miteny anefa dia tsy misy frantsay hiteny an'io fa "suis pas malade" hoy izy. Ao koa ny "il y a ..." izay lasa "y a ..." fotsiny.

Toy izany koa ny teny hafa marobe : ny italiana, ny frantsay, ny alemà, sns. Ny nampiavaka ireo teny ireo fotsiny dia noho ny fananan'ny tompony finiavana handrindra (initiative de rationnalisation) azy. Izany fandrindràna izany dia niainga amin'ny dingana maro :
---------------
1°- fanoratana an-tsoratra ireo teny fampiasa amin'ny andavanandro. Tsy tokony hiala lavitra amin'ny fampiasa andavanandro ny teny soratan'ny akademia, raha tsy izany manko dia tsy hisy hampiasa akory.
---------------
2°- fampidirana ireo teny vahiny (ny teny rômana tamin'izany fotoana no niandohana, izay fototry ny teny erôpeana rehetra). Io findraman-teny io no mahatonga ny teny rômana, grika ary arabo ho betsaka amin'ny teny erôpeana sy ny tenin'izao tontolo izao. Rehefa novainy hifanaraka amin'ny fiteniny avy anefa izany dia lasa teniny. ohatra :ny hoe psychology (teny anglisy), sy psychologie (teny frantsay), dia samy nalaina avy tamin'ny teny latina "psychologia" (taonjato xvi), izany moa dia nalain'ny latina tamin'ny grika "ψυχή « fanahy » sy λόγος « fahaiza-miteny ». Fototra : jereo http://www.cnrtl.fr/etymologie/psychologie.
(ato misy lisitra feno ho an'izay liana amin'ny etimolojian'ny teny frantsay : http://www.cnrtl.fr/etymologie/)

-------------
3°- fikarohana ny lalàna izay mifehy izany teny vaovao izany : ny fitsipi-pitenenana, sns.

Ireo rehetra ireo dia tokony hitarika antsika :
- hiteny ny tenin-drazantsika hatrany.
- tsy hihevi-tena ho mpangalatra na mpindrana rehefa mampiditra teny vahiny ho gasiana.
- handinika ny lalànan'ny tenintsika : ireo mpandinika ny teny sy ny akademia moa no tena tompon'andraikitra mivantana amin'ity farany ity. Nefa tokony ho ampiasaintsika koa izany voka-pikarohan-dry zareo izany ho fandrisihina azy hatrany.

Tsy ny tenintsika no tsy ampy, fa maro amintsika no tsy dia mbola miezaka hampivoatra azy.


 "Andrianiko ny teniko , ny an'ny hafa koa feheziko".

CSS @ teny gasy II
2008/09/15,20:00

Noho ny fanontanian'i Kdaombaramita (tatsy) momba ny fanovàna ny templetany ao amin'ny blaoginy (izay tsy mitovy *.css amin'ny ahy sy ry news2dago), dia ireto indray no tokony hataony :

1-Jereo ny fisie *.css ampiasain'ilay blaogy. Izany hoe : Midira ao @ "pejy fototr'(page source) ilay blaoginao. Karokarohy etsy amin'ny "barre des menus" Arakaraky ny navigateranao (internet explorer, mozilla, opera, na netscape sns...) ny misy azy io. Raha Mozilla Firefox moa no ampiasainao dia toy ity ny toerana misy azy io :

Rehefa misokatra izany dia karohy ilay fisie *.css ampiasain'ny blaoginao. tsindrio ny Ctrl+F, ary soraty ny hoe .css  dia alefaso ny fikarohana. Ho hitanao ao moa ilay fisie .css ampiasain'ny blaoginao, ary koa ny toerana misy izany eto amin'ny aterineto. Raha ny blaogin'i Kdaombaramita no anaovana an'ireo dia hita fa ny "http://kdaombaramita.blaogy.com/templates/connections/style.css" no ampiasain'ny blaoginy :

2- Ataovy dika-petaka io adiresy io (http://kdaombaramita.blaogy.com/templates/connections/style.css) ary sokafy ao amin'ny navigateranao : toy ity.

3-  Karohy izay tampleta tianao hovainao ao. Marihina fa ny "templeta" iray dia manomboka amin'ny songasasaka (sharp, dièse, #), arahin'ny anaran'ny "id", ary ireo toetoetrany rehetra voafono anaty fonosam-be (accolade). Ohatra ireto :

 4-Ataovy ny fanovàna ny toetoetran'ny templeta (proprietés du template) izay tianao hovaina : raha tian'i Kdaombaramita hovaina ohatra 'zao ilay sary "ria-drano" ao amin'ny blaoginy dia mila soloiny ho adiresina sary hafa ilay "img/top.jpg" etsy ambony. Izany sary izany moa dia tokony hirefy 760px x 183px mba hampipoitra azy. Raha ity sary ity* 'zao no tiana hasolo izany dia ity ny kaody ampidirina ao amin'ny toerana "fanovàna css" -n'ny blaogy : 

#header {
background:#fff url
(http://blogsimages.skynet.be/images_v2/000/012/764/20060504/dyn006_original_760_183_gif_12764_800d786f0ac5399dc95359aa87b45b51.gif
) no-repeat bottom;
height: 183px;
margin: 0 auto;
width:760px;
padding:0;
border:#fc9 0px solid;
}

 Dia toy izany hatrany. Marihina fa tsy ny sary ihany no toetoetra afaka ovaina fa ny halehibe (dimensions), ny toerany (position), ny loko fanambaniny raha misy, ny toetoetran'ny soratra, raha misy soratra ao, ets.

 Dia izay ;). Tsy mora ny manazava an'ilay izy moa ny tenanay koa tsy dia hoe mahay be, ka dia mety tsy hazava. Ity resako ity moa dia natao ho an'ny olona tena mbola tsy mahay mihitsy a :). Aza iomehezana raha efa tsisy dikany aminao Smile. Tsy natao ho an'ny oebmestra akory hihihi

*:sary notsiponiko teto amin'ny aterineto io fa tsy ahy a Cool. Hitako ho mirefy 760px - 183px dia notsiponiko hihihi.

CSS amin'ny teny gasy
2008/09/07,18:44

Vitsy amin'ny fanazavana informatika (vulgarisation) no amin'ny teny gasy. Noho izany dia ity mba apetrako eto ny css ampiasaiko amin'ity blaogiko ity, ary ataoko amin'ny teny gasy ny fanazavana tsotsotra.
Voalohany, ny CSS (Cascading Style Sheets, feuilles de style en cascade) dia teknika iray ahafahana manatsara endrika ny tranonkala iray, na blaogy iray. Isan'ny fomba fanoratra tsotra indrindra izy io raha oharina amin'ny html, javascript, sy ny sisa.
Ny tombotsoany lehibe dia ity : atao indray manoratra ny kaody css iray, ary dia mihatra amin'ny vohikala manontolo. Ohatra :  Raha html 'zao no nampiasaina mba hampiseho an'ilay sariko etsy ambony sy ilay sary voninkazo dia mila manoratra kaody html isaky ny pejy aho. Soa ihany fa azo ampiasaina eto amin'ny blaogy.com ny css ka dia ahafahako manoratra kaody css iray monja : 
 #Title {
        background:url(http://tokinao.blaogy.com/gallery/78/Toki1.jpg)
        #fff no-repeat;
        width : 770px;
        height : 138px;
}

Ary dia mipoitra foana izy io isaky ny manokatra pejy ato amin'ny http://tokinao.blaogy.com (pejin'ny tahirintsary, sns.)  ianao.
 Izay no ela fa ireto nyampiasaiko :

Ny kaody

Fanazavana

#Title {
       background:url(http://tokinao.blaogy.com/gallery/78/Toki1.jpg)
       #fff no-repeat;
       width : 770px;
       height : 138px;
}

Mampipoitra ilay sariko
etsy ambony, sy ilay sary ravina.

#Topmenu {
       background :  #fff        url(http://tokinao.blaogy.com/gallery/78/4700-nao.jpg)
       no-repeat;
       width : 565px;
       height : 110px;
       text-align : center;
       color : #895929;
       font-weight : bold;
}

 Mampipoitra ilay tapany ambany amin'ny sariko

#topic {
       width : 493px;
       height : 37px;
       background : #fff 
      url(http://img183.imageshack.us/img183
       /2307/bgtitlhc1.jpg) no-repeat;
       float : left;
       margin-left : 10px;
}

 background : Mampipoitra ilay sary maitso fanambanin'ny lohatenina lahatsoratra

body {
       color:black;
       background-color:white;
       background-image:url(http://tokinao.blaogy.com/get/78/mkar%20BgFAAFFAANA.JPG);
       margin:20;
       cursor : url(http://tokinao.blaogy.com/gallery/78/soavaly.ani);

scrollbar-3dlight-color:yellow;
       scrollbar-arrow-color:black;
       scrollbar-base-color:#CBFFCB;
       scrollbar-darkshadow-color:pink;
       scrollbar-face-color:#FF9595;
       scrollbar-highlight-color:lime;
       scrollbar-shadow-color:white;
       scrollbar-track-color:#DDFFE8;
}

 background-image : Raha fafaina ilay hoe "FAFANA" dia hisy sary hipoitra ho fanambanin'ny blaogiko (image de fond). Mbola tsy nahita sary anefa aho ka avelako ho diso aloha ilay kaody mba tsy hipotràny.
 cursor : io fomba fanovana ny kirsora
scrollbar : io no fomba fanovana ny lokon'ny fametrahan-kafatra
 
 

#Content {
       width : 600px;
       float : left;
       text-align : left;
       background : #fff        url(http://img250.imageshack.us/img250/2629/linevyq9.gif) right top repeat-y;
       color : #333;
}

background : io no fomba fanovana ilay sary mijadona ahitantsika ny sarin'i Mkara, sary gidro, ravinala, vorona. Ilay  "repeat-y" no mahatonga azy hiverimberina amin'ny fangitra faharoa (y-axis, axe desordonnées)

#calendar_title {visibility: hidden;}
#Title h1 {visibility: hidden;}
#syndicate_title { visibility : hidden; }
#Title h2 { visibility: hidden; }
#Topmenu h1 {visibility : hidden; }
#Recently {visibility: hidden;}
#recently_title {visibility: hidden;}
#links_title{visibility : hidden;}
#Links {visibility : hidden;}
#search_title {visibility: hidden;}
#Search {visibility: hidden;}
#archives_title {visibility: hidden;}
#Nextpost {visibility: hidden;}

 Ireto kosa no fomba fanovana, na fomba atao mba tsy hampipoitra ireo zavatra hafa maro ao amin'ny blaogy.
 hidden : tsy tiako hipoitra izy ireto satria : 

  • na teny vahiny,
  • na tsy ilaiko,
  • na teny diso (tsy tiako loatra no marina kokoa)

Ok! Raha nifidy ny endrika maitsokely (spring) ianao eto amin'ny blaogy.com dia mba andramo ampidirina ao amin'ny toeran'ny css ao amin'ny blaoginao ange reo e :). [izay blaogy nifidy ny endrika maitsokely ihany a! Mety tsy hety mantsy ny blaogy sasany raha tsy misy ovaina kely ireo kaody etsy ambony iretsy]. Ry news2dago zao afaka manandrana tsara hihihi

Hiram-pirenena gasy sy frantsay
2008/07/26,08:47

 

Nisy resaka naroson'olona izay tatsy @ dinika serasera, milaza fa : "Ry Tanindrazanay malala" hono dia natao akaiky kokoa ny hiram-pirenena frantsay "La Marseillaise"ary nahatsiaro tena "voatsindrona kely" mihitsy hono ny fony tamin'izany.

Tsy dia mitovy hevitra amin'izany loatra aho ka novaliako io lohahevitra io, ary nataoko dika-petaka ato ny valiny narosoko. Ny ekeko dieny ety am-piandohàna dia ny hoe "samy vokatry ny tantaram-pirenena, ary taratry ny vanim-potoana namoronana azy hatrany ny hiram-pirenena iray".

'Ndao ange ampitahaina ireo hiram-pirenena roa ireo e :

hiram-pirenena Malagasy : RY TANINDRAZANAY MALALA O!

I-
Ry Tanindrazanay
malala ô
Ry Madagasikara soa.
Ny
fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.


Fiverenana :
Tahionao ry Zanahary
'Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He sambatra tokoa izahay.

II-
Ry Tanindrazanay
malala ô
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo fanahy anananay
'zay sarobidy sy mendrika tokoa.
--->Fiverenana

III-
Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba
hitahiana anao,
Ka Ilay
Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan'ny satanao.
--->Fiverenana

Fanadihadiana fohy:

    Ny teny hoe "malala", "fitiavana" amiko dia mitory fifikiram-po.Itarafana io fa olon'ny fo ny malagasy.
    Ny hoe "doria", kosa dia milaza fanantenana alavitra be, izany hoe finoana. 
"Tahionao ry Zanahary" : milaza mivantana fa olon'ny finoana ny malagasy. Amin'ny- lafiny iray hafa koa dia mitory "tsy fahafaha-manotra" koa izy io, na koa fiantorahana amin'ny hery iray tsy takatry ny saina. "Bibilava hazan'olona hoy ny ntaolo, tsy tànana hamely, tsy tongotra hitsipaka fa Andriamanitra no andrasana".
 

Raha ireo no jerana dia :

Tsy hita taratra ao mihitsy izany hoe "herisetra izany", eny fa na dia ny "valifaty aza". Ary ny Ny Malagasy dia miandrandra fanavotana avy any amin'Andriamanitra (asa raha mbola voamarikareo izy eo @ fiainantsika ankehitriny) fa tsy amin'ny alalan'ny ady. Ny mifanohitra amin'izany ady aza no zava-tra andrasantsika : diany fitalahoana hatrany amin'ireo vazaha, ny fiandrandràna fahagagana avy amin'ireo mpitondra (hitantsika taratra ity rehefa fotoanan'ny fampielezan-kevitra). Marihiko fa fandinihina faobe ity ka tsy marina amin'ny malagasy rehetra Wink.

xxxxxxxxxxxxxxx--------------------------------xxxxxxxxxxxxxxx

hiram-pirenena frantsay : LA MARSEILLAISE

1er couplet :


Allons enfants de la Patrie,
Le jour de gloire est arrivé !

Contre nous de la tyrannie = ho toherintsika ny didin'ny be sandry sy ny fanjakazakàna
L'étendard sanglant est levé, (bis) = atsangana izao ny saina voahoso-drà.
                                                                                            Izany hoe : mahazo mandatsa-drà daholo isika.

Entendez-vous dans les campagnes = miparitaha ianareo any ambanivoitra
Mugir ces féroces soldats ? = ataovy izay hampikonaina ireo miaramila fahavalo
Ils viennent jusque dans vos bras = izay tsy misalasala manatona antsika
Égorger vos fils, vos compagnes ! = ary manapaka ny tendan'ny zanakareo  sy vadinereo.

------->Refrain :

Aux armes, citoyens = raiso ny basy ry olom-pirenena
Formez vos bataillons
= mamorona antoko mpiady
Marchons, marchons ! = andao andao
Qu'un sang impur = Mba ho rà maloto
Abreuve nos sillons !
= no hamelombelona sy hameno ny sahantsika.

            Ajanoko eo @'io andininy voalohany io ny fandikàna sy fanazavana. Hita ao fa mifanohitra be amin'ny "Tanindrazanay malala ô" ny votoatiny :
               Hita taratra ao ny finiavan'ny frantsay "hamaly faty" ireo fahavalony (izay ny anglisy tamin'izany vaninandro izany). Ireo teny maro, toy ny "rà" (sanglant), basy na fitaovam-piadiana" (armes), kosa dia mitory fa "ny ady" na koa "famonoan'olona" dia vahaolana andrandrain'ny frantsay mba hanavotany ny Tanindrazany. Fa tsy ny fiandrandrana an'Andriamanitra toa ny antsika

            Maro ireo teny maherihery na/sy mitory herisetra ao amin'ny andiny sasany, ka diniho ange e! Nataoko sora-matevina izy ireo.


Couplet 2 :
Que veut cette horde d'esclaves, : izany hoe andevony hono ireo mpanafika
De traîtres, de rois conjurés ? : sady mpamadika
Pour qui ces ignobles entraves,
Ces fers dès longtemps préparés ? (bis)
Français, pour nous, ah ! quel outrage : ry frantsay, fahafaham-baraka sy tsy azo leferintsika izany
Quels transports il doit exciter !
C'est nous qu'on ose méditer
De rendre à l'antique esclavage !


------->Refrain.

Couplet 3 :
Quoi ! des cohortes étrangères
Feraient la loi dans nos foyers !
Quoi !
ces phalanges mercenaires
Terrasseraient nos fiers guerriers ! (bis)
Grand Dieu ! par des mains enchaînées
Nos fronts sous le joug se ploieraient
De vils despotes deviendraient
Les maîtres de nos destinées !

------->Refrain.

Couplet 4 :

Tremblez, tyrans et vous perfides
L'opprobre de tous les partis,
Tremblez ! vos projets parricides
Vont enfin recevoir leurs prix ! (bis)
Tout est soldat pour vous combattre,
S'ils tombent, nos jeunes héros,
La terre en produit de nouveaux,
Contre vous tout prets à se battre !

------->Refrain.

Couplet 5 :

Français, en
guerriers magnanimes,
Portez ou retenez vos coups !
Epargnez ces tristes victimes,
A regret s'armant contre nous. (bis)
Mais ces despotes sanguinaires,
Mais ces complices de Bouillé,
Tous ces tigres qui, sans pitié,
Déchirent le sein de leur mère !
------->Refrain.

Couplet 6 :
Amour sacré de la Patrie,
Conduis, soutiens nos bras vengeurs
Liberté, Liberté chérie,
Combats avec tes défenseurs ! (bis)
Sous nos drapeaux que la victoire
Accoure à tes mâles accents,
Que tes ennemis expirants
Voient ton triomphe et notre gloire !
------->Refrain.


Couplet 7 (dit couplet des enfants) :
Nous entrerons dans la carrière
Quand nos aînés n'y seront plus,
Nous y trouverons leur poussière
Et la trace de leurs vertus (bis)
Bien moins jaloux de leur survivre
Que de partager leur cercueil,
Nous aurons le sublime orgueil
De les venger ou de les suivre
------->Refrain :

Dia izay . Fanadihadiana ihany ny ahy ... ka inona no hanampianareo azy ? 

Lalao : "aza ampijaliana ny tenintsika"
2008/03/29,22:15

 

Ho fandraisana anjara amin'ilay lalao "aza ampijaliana ny tenintsika" izay fariparitan'i lapino, dia hosoratako eto ambany eto ireo fahadisoana mateti-pitranga rehefa manoratra. Marihiko fa ny teny ofisialy lazaiko eto dia marina tamin'i Tokinao nianatra malagasy farany (taona 1998). (mety ho resadresahiko eto ihany ny antony anamarihako an'io daty io, na dia efa natsipitsipiko tatsy amin'ny blaogin'i Pissoa aza). Izay no ela fa ireto avy izany :

1°- (napetraka androany zoma faha-28 martsa 2008):

*toy ny fa tsy toin'ny no fanoratra ofisialy.
*tahaka ny fa tsy tahakan'ny no fanoratra ofisialy.
*sahala ny
fa tsy sahalan'ny no fanoratra ofisialy.
*ohatra ny fa tsy ohatran'ny no fanoratra ofisialy.
--> Raha fintinina dia tsy azo tovanana ireo teny ireo, ary tsy  azo ovaina ho -y ny -a faran-teny.

2°- (napetraka androany asabotsy faha-29 martsa 2008):

*"sns." na koa "sy ny sisa" na koa "..." no ofisialy fa tsy "sns..." na koa "sy ny sisa..."("pléonasme" moa iantsoan'ny vazaha an'io fahadisoana io).
*Manao ahoana fa tsy manaôna, na koa manaona, sns.

- Aza ampifamadihana koa ireto : manatona sy manantona.

*manatona = Approach (uk) = s'approcher (fç). ohatra : manatòna aty fa horohiko ise, manatona dokotera i Bema fa marary, sns. Ny fototeny moa dia "hatona", ary milatsaka ny "h" rehefa asiana tovona [préfixe].
*manantona = to hang (uk) = suspendre (fç). ohatra : ahantòny ny akanjonao fa mafana ny andro, Nahanton-doha ilay mpangalatra rehefa tratra. Ny foto-teny dia "hantona", ary milatsakany "h" rehefa misy tovona.

- Fomba ahafantarana raha tokony hisy "h" na tsia ny fototenin'ny teny iray : karohy ny teny rehetra avy aminy (ataovy miverindroa, asio tovona [préfixe], sns.) na koa asio teny iray eo alohany mba hifampitohy aminy,  ka raha misy "k" mipoitra ao dia misy "h" izany ilay fototeny.

ohatra :

*aingo sa haingo ? valiny : haingo no fanoratra satria fiteny ny hoe : "haingonkaingon-javatra"
*aina
sa haina ? valiny : aina no fanoratra satria tsy fiteny ny hoe :  fanomezan-kaina. fanomezan'aina no fiteny.
*ena sa hena ? valiny : hena no fanoratra satria toto-kena no fiteny fa tsy toton'ena. Mitadiava teny maro sao voafitaky ny hoe mopivarotr'ena izay diso Smile. Mpivarotra hena no marina

Miala tsiny amin'i Hery fa  efa voasoratro ity vao hitako ny azy izay mitovitovy amin'ny ahy Smile. Tsy sahala anefa ny resakay fa mifameno.

([Lisitra mbola hiampy. Lainga lainga fa tsy mora ny teny malagasy :-) ].

Te hahita vazah manambola ve ?
2008/03/27,21:08

 

 Mahagaga tokoa, asa raha tsikaritrareo fa dia betsaka ireo vehivavy mora voasinton'ny vazaha! Misy amin'izy ireny ny tena avy amin'ny fitiavana madio, fa tsy io tranga io no horesahiko eto.

Misy ankizivavy roa izay any Mkara any, ary mazoto manoratra aty amiko 'zareo. Ny tena antony hanoratany moa dia ny hoe : mba hitadiavako vady hono Embarassed. Ka dia nalefa ny sary, matetika koa dia lavalava ny taratasy satria nofariparitany tsara ilay olona tadiaviny, izay ahitàna ny hoe : "vazaha tsy dia reraka loatra fa mba manam-bola".

Dia tena vaka mihitsy aho isaky ny mahazo taratasy satria sarotra ho ahy ny hitady an'izany, ary tsy sahiko ny hampifandray azy amin'olona sao hiteraka fijaliana ho azy, ary izaho indray no homeny tsiny any aoriana. Manaraka izany dia talanjona aho,... dia ny resa-bola ve no hifantenana izay ho andefomandry e, sa koa ny lokon-koditra...sa ilay hoe hankaty an-dafy no tena lasa nofinofy tian-ko tanterahina ... asa loatra re.

Tena izany tokoa no amin'ilay lazain'ny hainteny hoe : "ny an-karo-misarona toa ho inona ihany". Ataon-draFahantrana mikaikaika ny malagasy, ka dia mitady izay fomba rehetra ialàna amin'izany. Koa dia heveriny ho tsara daholo izay fomba rehetra ahafahana miala amin'izany fahantrana izany, na koa izay fomba rehetra hanadinoana izay fahadisoam-panantenana mety ho nahazo azy fahiny.

Koa eto dia aleo mba hampatsiahiviko antsika zazavavy malagasy ny zava-dratsy mety hahazo anareo raha "miroboka tsy am-pieritreretana" ao anatin'izany fitiavana vazaha izany isika. Ny tsy fitovizam-pomba fijery eo amin'ny kolo-tsaina malagasy sy tandrefana (occidental) no tena hasiako resaka.

Aty an-dafy dia samy maka ho azy ny olona (individualiste), koa ho anao maniry hanambady vazaha sy te hanaraka azy aty an-dafy dia adinoy ny fomba fiainana arahina vangivangy sy serasera isan-takariva mampalaza antsika malagasy (marihiko moa fa i Tokinao rehefa miteny hoe malagasy dia ny tantsaha izay no tiany teneniny voalohany, ireo no maro an'isa tsinona ). manaraka izany dia tsy mitovy ny fomba fijery ny fanambadiana. Somary ho lalao ihany no handraisain'ny vazaha azy (fisaikaizàna na fi-sipàna) raha mbola tanora. Fa rehefa manomboka mahatratra ny faha-28 sy faha-30 taona any vao tena vonona hanorin-tokantrano ny ankamaroan'ny vazaha! jereo ato ny statistika.

Ka ny teniko dia ny hoe "diniho tsara ihany fa sao hanenenana". Lazaiko ary tsindrìko eto am-pamaranana koa anefa fa misy fanambadiana vazaha-gasy tena mahomby, sy miaina amim-pitiavana hatrany. Deraiko manokana ireny satria mahay mifampizatra sy mifandefitra tokoa na dia eo aza ny fomba fitaiza tsy nitovizana! Lehibe tokoa ny fitiavana ka mahavita zavatra maro Smile.

*Ny iray amin'ireo ankizivavy roa lazaiko etsy ambony moa, rehefa tsy nahìtako izay notadiaviny, dia mifankatia amina vazaha iray izy izao, ka irìko mba hahasambatra azy hatramin'ny farany izany.  Ilay tovovavy moa dia havana ihany fa noho ny fanajàko ny fiainany manokana dia tsy lazaiko eto ny rohy misy aminay.

Farany dia misaotra an'i Helisoa nanome aingam-panahy,  hevitra no marimarina kokoa Smile, tatsy. Mba tsidiho koa ange ny tranonkalany fa mahafinaritra e : http://rahelys.unblog.fr

Olana @ fametrahan-kafatra
2008/03/15,16:33
 
 
                  Betsaka isika manana blaogy eto amin'ny blaogy.com no nahatsikaritra ity olana lazaiko manaraka ity. Matetika rehefa mametraka fanamarihana (antsointsika koa hoe hafatra, "comment", "commentaire", sns.) amin'ny blaogin'olona isika dia tsy mety mipetraka izany, eny fa na dia nadìka tsara aza ny tarehimarika fanamarinana (authentification code).Koa ho antsika tompona blaogy dia jereo ao amin'ny blaogintsika ireo fanamarihana voasakana ireo, ary esory izany sakana izany (raha tianao hipoitra ny fanamarihan'ilay olona mazava ho azy Smile). Izany hoe araho ity torolalana kely ity :
  1. Midira ao amin'ny toerana fandrindrana ny blaoginao (mampidira solonanarana sy tenimiafina ao amin'ny toerana sahaza izany).
  2. Tsindrio ilay hoe "hevitra". Hisy toerana fisafidianana hipoitra ao (optionnel), koa dia :
  3. Fidio ilay hoe "comment_status_spam", ary tsindrio ilay hoe "montrer". Dia ho hitanao ao daholo ireo fanamarihan'olona voasakana tsy hay hoe nahoana Smile.
  4. Farany dia tsindrio ilay bokotra fanalàna sakana ery amin'ny sisiny ankavanana. Dia izay Smile.
Ho hitantsika ao amin'ny blaoginao amin'izay ireo hafatra ireo Smile.

Ny teny malagasy : ampiasao.
2008/01/23,20:23

 

Ho valin'ny lahatsoratra nosoratan'i "gazetyavylavitra" tao amin'ny blaoginy ity lahatsoratro ity : vakio ange ato e

Raha fintinina ny lazainy ao dia izao : tsikerainy ny gazety malagasy manao tsipelin-diso, sy tsy mandray fanakianana. Io lahatsorany io moa dia nametrahako fanamarihana, izay lasa lava be, ka dia aleoko koa nampidiriko ho lahatsoratro ilay izy

 Miombon-kevitra aminy 100% aho!!! (mba tsy hitenenana hoe 200% toy ny "fihenam-bidy" any an-tanàna :-) ).  Lavalava ity lahatsoratro ity ka dia zaraiko telo :
I- Ny fijeriko ny tokony ho andraikitry ny gazety,
.
II- fomba fijeriko an'ilay mailaky ny gazety iray izay mamerin-kafatra ary ny
III- fanaovana tsinontsinona ny teny malagasy amin'izao vanin'androntsika izao

Koa dia mazotoa mamaky e Smile!


       
Izaho dia tsy mba isan'irony nandalina teny na 'littéraire" irony, ary tsy mahafehy tanteraka ny teny malagasy. Nefa dia mahita diso marobe koa rehefa mamaky gazety malagasy. Aty ivelany aho ankehitriny, ary tsy hoe  manindrahindra ny an'ny hafa fa : ny gazety vazaha dia vitsy no diso tsipelina (mba tsy ilazàna hoe tsy misy tsipelin-diso). Ka lasa ny eritreritro amin'ireo gazety malagasy hoe : iza ary no tadiavin'izy ireo  hanaja ny teny malagasy raha tsy manomboka amin-dry zareo izany. Dia sanatria ve ka hatao toy ny valalan'alika izy ity.
    Amiko mantsy dia isan'ny anjara asan'ny gazety (ankoatran'ny filazàm-baovao) ireto rantsa-mangaika (éléments) lehibe ireto :

  1. mitaiza ny tanora ( sy ny vahoaka amin'ny ankapobeny ) : amin'ny fomba fiteny sy fanoratra, ary amin'ny maha-olom-banona, ary koa ny
  2. fampivoarana sy fanindraindràna ny tenim-pirenena.

II)
Momba ilay "mailaka gazety" izay mamerin-kafatra indray, amiko, dia :
- na "tsy fahafehezana ny imailaka" : raha misy voakitikitika manko ny baiko ao amin'ireny mailaka ireny dia mamerin-kafatra toy io izy.
- na koa "fanaovana an-tsirambina tsotra" izao : mampalahelo raha gazety malaza toy io no tsy mahatsapa fa ilaina ny fanakianana. Raha izaho no teo amin'ny toerany dia nampahereziko izay mpanakiana mba hazoto hitsikera hatrany.

( Tsy nanandrana nanoratra tany aho, fa dia mitoky tanteraka amin'i Avylavitra ny amin'ny fahamarinan'izany. ).


III)
        Farany : izaho manokana dia mankasitraka tanteraka an'ireo gazety manoratra amin'ny teny malagasy, eny fa na dia "mbola" misy diso tsipelina aza ("mbola" hoy aho satria mino aho fa "afaka hatsaraina" izy io). Amiko dia tokony ampaherezin'ny fitondràna ny gazety mba hanoratra amin'ny teny "malagasy" : satria ireny no sehatra iray mampiseho ny maha-izy azy antsika.

       Aty frantsa aho izao: ary tsy mbola nahita gazety amin'ny teny ankoatran'ny teny frantsay. Efa tany an-tany hafa koa ary dia nahatsikaritra an'izany hatrany. Rehefa any MKara anefa dia inona ? ... (hainareo ny zava-misy any : ny gazety miteny vahiny no betsaka, raha oharina amin'ny teny malagasy).

       Rehefa miresaka toy izao aho dia misy ny manakiana foana hoe : ka ny teny malagasy ange ka tsy mahalaza hevitra e, ny teny malagasy ange ka tsy mampivoatra e : nosy ny tanintsika, sns. Izao anefa no tsy hain'ireny olona ireny, dia ny hoe : ny teny iray raha tiana hivoatra sy hatanjaka, dia ny olona mampiasa azy no tokony ho tia sy ampiasa azy voalohany.
       Ny frantsay ankehitriny dia mirehareha fa manana ny teny iraisam-pirenena faharoa lehibe indrindra (manarakaraka ny teny anglisy). Raha zohìna anefa ny tantara dia vokatry ny fanjanahan-tany izany zavatra izany, ary mbola mitohy izany fanaparitahana ny teny frantsay izany amin'ny alalan'ny "fanalehibiazana ny vondron-tany miteny frantsay" (francophonie).  Izany hoe : nanana ary manana finiavana lehibe ry zareo hanaparitaka sy hampanankarena ny teniny. Fahiny moa, ny teny frantsay dia tenina tambanivohitra na "langue barbare" : fony izy vao nisintaka tamin'ny latina (taon-jato faha-5). Fa dia niady ry zareo : izany dia nanomboka tamin'ny fampiasana ny teny frantsay tany am-pianarana, tany ampiangonana, ary tamin'ny gazety sy boky fianarana. Izany finiavana izany dia hitantsika amin'ny boky tahiry marobe, na koa eto amin'ny aterineto :

i Du Bellay, mpanoratra frantsay fahiny, moa dia nilaza mihitsy fa "te hampivoatra an'io teny frantsay io, izay  tenina "tambanivohitra sy tsy misy dikany " ho lasa teny manana ny maha-izy azy".

Du Bellay veut faire de la langue française « barbare et vulgaire » une langue élégante et digne. Il lui faudra l'enrichir avec ses camarades de la Pléiade pour en faire une langue de référence et d’enseignement. Nalaina tao amin'ny:  "Défense et illustration de la langue française" (wikipédia)

 Koa ny hafatro dia ny hoe:  aza afangaro ny anton-javatra syny vokany : diso ny hoe " tsy mahalaza hevitra ny teny malagasy ka tsy tokony hampiasaina loatra". Amiko dia "TOKONY HAMPIASAINA IZY IO MBA HAMPIVOATRA AZY, ARY HAHATONGA AZY HO TENY MATANJAKA".

Misaotra tompoko :-).
Voan-dàlana an-tsoratra
2007/11/25,09:58

     'Zao ndray vao tafa-blaogy ô!!

     Efa ho iray volana no nahatongavako avy any M.kara, nefa izo vao tafanoratra ato amin'ny blaogy: tsy hita fa sahirana e . Ny zavatra afaka tantaraina dia maro satria betsaka ny zavatra hita tany.

     Ny lehibe indrindra dia ny fanatrehana ny Lalaon'ny nosy. Izaho sy ny namana iray mpanao blaogy eto mihitsy moa no niara nijery ny fanokafana azy io. Ka dia nahafinaritra mihitsy. Manaraka izany dia nanararaotra nandehandeha satria efa ela izay naniriana hahita an'i M.kara izay : ny tena tiako dia ny nandeha tany amorondranomasina, sy ny nandeha tany ambanivohitra. Tena kanto ilay mahita tendrombohitra malagasy, ireto tanety midadasika aman'hektarany (toa an'i Tampoketsa, sns), ireo mponina ao : izay samy manana ny fomba fiainany sy firòkiny. Eny fa na dia ny mahita ireo trano bongo sy falafa aza, ireo tambohon'ny ntaolo any ambanivohitra, ny mandinika ny fiainan'ny tantsaha : ny mpiandry omby, sns. Hitako ho nahazo tsirony ery aho.

     Amin'ny ara-tsakafo moa dia natao izay nahafa-po : mofo gasy, "caca pigeon", lasary manga, mokonazy, sns hihihi Im-betsaka no saika narary kibo nefa tsy mampaninona izany hoy aho : impiry hihinana an'itony anefa e .

     Ankoatra an'ireo zavatra nahafinaritra ireo dia nisy koa ny mampalahelo : dia ny fahantrana izay mahazo ny malagasy. Lafo ny vidin'entana, nefa ny vola miditra kely. Betsaka ireo tsy an'asa, ireo miasa anefa dia kely karama : ny mpiasan'ny "zone franche" izao dia misy mikarama 60.000Ar (300.000fmg). Inona anefa izay izany rehefa esorina ao ny vidim-bary, ny fanafody raha marary, sns. Izaho aloha dia malahelo e! Eto aho dia mahatsiaro an'izay sarin-teny nataon'ny vazaha iray izay raha mahita ny fahantran'ny gasy, hoy izy : "fa dia ahoana loatra ny hafetsen'ny malagasy e : ahoana no mbola ahavelomany amin'izao tsy fisiana mahazo azy izao ?",  raha jerena tokoa mantsy dia efa ambanin'ny "seuil de survie" isika. Hoy ny olona iray ao amin'ny wikipédia :

"Selon le seuil de pauvreté de 1 dollar par jour en PPA 1985, la majorité des pauvres se trouvent en Asie du sud (39%), Asie de l'est (33%) et en Afrique sub-saharienne (17%). Les pays comptant plus de la moitié de leur population sous le seuil de pauvreté sont: Guatemala, Guinée-Bissau, Inde, Kenya, Lesotho, Madagascar, Népal, Niger, Sénégal, et Zambie."

Marina fa efa tamin'ny 1985 io, nefa mbola tsy niova io raha ny fandinihako : latsaky ny 2.000Ar mantsy ny karaman'ny lehilahy mpiasa tany ao anatin'ny iray andro ao Imerina ao. Ara-tsiantifika dia tokony tsy ho velona intsony ny olona tsy ampy sakafo toa antsika Malagasy. Izaho manokana moa dia efa hatramin'ny nahakely aho dia tsy haiko ny tsy hijery ireny fahantran'ny olona ireny, eny fa na dia tsy mbola nahakasika ahy aza izany. Ary isan'ny tanjoko ny hanampy azy ireny amin'ny famoronana asa rahatrizay ka tafaverina any an-tanindrazana aho.

Manaraka izany: isan'ny nahakivy koa, dia ny habetsaky ny risoriso any amin'ny ministera : ao amin'ny Topo sy Domaine indrindra indrindra. Raha sendra niditra tao aho, ka nankeo amin'ny "fandraisana" dia tsy noraisin'ny tompon'andraikitra velively. Arirarirany amin'ny hoe : miandrasa kely, sns aveo dia asainy miverina afaka 15 andro. Reko taman'olona avy eo (ary efa haiko ihany taloha Smile ) fa tsy maintsy mahalala olona raha te hanao zavatra ao. Dia mbola mampalahelo tokoa e. Ny mba mahagaga ahy dia ireto :

- Malaza ho mivavaka ny malagasy (ary izany rahateo koa no tsapa aloha e, raha oharina amin'ny tandrefana mazava ho azy). Ny mahagaga anefa dia tsy hita taratra mihitsy izany any amin'ny sehatry ny asa. Ka mba lasa ihany ny saiko hoe : "am-bava fotsiny ihany ve ity fivavahan-draMalagasy ity raha izao no dinihina, ary fomba fotsiny ve ilay fankanesana any am-piangonana". Sa ahoana hoy nareo ?

- Manaraka izany : reko tamin'izaho taty Frantsa fa efa miasa ny BIANCO. Toa fomba fiasan'izy io hono ny midina mankany amin'ny ministera ary mitily raha manao kolikoly ny mpiasa iray. Mody mandefa olona hìla "service" any izy ary mitsapa raha manao kolikoly ilay mpiasa. Ka raha io no ampiharina amin'iretsy ministera roa nolazaiko tetsy ambony ireo dia ho betsaka ireo ho voagadra. Koa lasa saina aho hoe : maninona no dia hodian'ilay Bianco tsy hita ireo zava-mamoehitra ao amin'ireo ministera ireo. Sa kosa, sao ny ao amin'ilay Bianco no tokony hodiovina voalohany ?

Dia izay ny anio fa mangataka anareo hilaza hevitra e. Misaotra ô

Vaovaon'ny fandehandehanako
2007/08/04,08:25

Miarahaba antsika indray aloha. Nisinisy ihany izay tany hita tao anatin'ity volana jolay ity ka izay no mba vaovaoko androany. Tany Russie ( môsko, saint peterboro, vladivôstôka ), Japana aho. Ary aty Mkara ankehitriny. Raha asesiko ny fitantarana fohy an'ireo diako ireo dia toy izao :

  • ROSIA

tany midadasika be izy io satria mipàka hatrany eropa ka hatrany amin'ny pasifika ( i Vladivostoka moa dia tanana faran'ny atsinanan'i Rosia ka mifanakaiky amin'i Japana mihitsy ).

Voalohany dia hafa mihitsy ny tontolo any satria hafa ny teniny, syny fomba fanorany. . Koa rehefa eny an-dàlana dia sahirana amin'ny fitadiavana toerana na mpivarotra.

Raha mankatsy alemana mantsy ohatra dia mitovyamin'ny fampiasantsika ihany ny abidia ao.

Betsaka mozea sy toerana manantantara any satria nisy ny fanjakana rosiana izay natanjaka be fahiny. Ahitana olona maro fiaviana koa : eropena, ny avy ao "moyen orient", "extrême orient", aryireo tena teratany. Fa ny tsikaritro dia vitsy afrikana.

Zavatra nanamarika ahy koa dia ny fanavakavaham-bolon-koditra ao. Maro ny foko mifandrafy ao Rosia. Ary ilay foko atao hoe "kôkaziana" dia halan-dry zareo rehetra rehetra mihitsy. Tonga dia darohin-dry zareo rehefa hita eny an-dalana. Raha izaho manokana dia mbola tsy nahita toerana ka ahitana fanavakavaham-bolon-koditra toy izany, fa dia mampalahelo. Izaho aza moa tamin'ny tany dia noheverin-dry zareo ho kôkaziana dia tratran'ny daroka indray mandeha izay : teny an-dàlana izy io, ary harivariva mbola misy masoandro. Tonga dia daka sidina be izao no azoko avy ao amin'ny lamosiko : tsy misy antony hoe nahoana akory. Olona ampolony zareo no tao aorinako, ka dia lasa nitsoaka haingana aho, soa fa tsy alavitra ny hotely nipetrahako ary tsy naninona aho.

  • Tany Japana indray

 Amin'ny maha-tatsinana koa dia miavaka ny tontolo any. Vao maika tena hafa ny eny an-dàlana syny soratsoratra rehetra eny an-dàlana.Fa zareo kosa dia betsaka ny mahay teny anglisy. Fanampin'izany : fatra-panaja olona be ry zareo : asiany an'ilay miondrikondrika toy ny"saôlina mivavaka" iny foana rehefa raisiny ao amin'ny trano fisakafoanana iray ianao.

Mahatalanjona koa ny haavon'ny teknolojia, sy ny hamoran'ny zavatra elektronika. Kapoakany tokoa moa io katsy mahagaga. Na ry zareo namako eropeana aza moa dia nitondra fitaovana elektronika ho voandalana avokoa : ipod, finday,sns.

  •  Aty an-tanindrazana :

Vao tsy ela aho no tonga ka tsy dia mbola nahita tany firy. Ny efa tsikaritro anefa dia ity : tsy niova ny fahantran'ny gasy. Betsaka koa ireo ezaka fanatsarana tanàna noho ny fikarakarana ny lalaon'ny nosy. Marihiko moa fa 2 taona izay no tsy naha teto Mkara ahy.

Momba ny fari-piainana dia "lafo" : noheveriko ho afa-manao izay tiako ery aho amin'ny euro izay nentiko kay inona akory Wink. Ny frais bus : 300A na 1500f, ny lasantsy : 2000A na 10.000f/litatra. Ny frais tanà-diego : 350.000f ny olona iray mandroso fotsiny ( mikasa ny hamangy havana any mantsy e ). Tena mila hitovy amin'ny any an-dafy ny vidin'entana majinika aty, ny fidirambolan'ny olona anefa ambany dia ambany.

Na izany na tsy izany anefa dia mahatsiaro sambatra aho aty: hafa ihany ny Tanindrazantsika e : tsy mba misy fanavakavaham-bolon-koditra toa ny any amin'izay tany rehetra efa hitako. (ekeko fa misy ihany izy io, ary resahina matetika, nefa kosa maivana raha oharina amin'ny any eropa sy rosia. Ny fijeriko aza dia olom-bitsy mpanan-korontana ihany no matetika mpivoy azy io).

Aleo aloha ho izay ny androany fa misaotra anareo namaky. Ialàna tsiny fa tsy afa-nametraka sary satria ambany be ny "connexion" e.

Veloma sy masìna daholo isika ô
2007/07/12,23:16

 

                    Zavatra maro no hamamarika ity volana jolay ity amiko.

Voalohany dia nifindra trano androany aho, ary tsy misy aterineto intsony ny tranoko. Ho vokany dia tsy ho afa-manao serasera sy blaogy matetika intsony izany.

Manaraka izany dia hanao fialantsasatra kely ivelan'i laFrantsa ka tsy ho hita tabilao eto amin'ny aterinet mihitsy atoato. Toa malahelo sahady anareo namana rehetra aho izany :(. Etsy andaniny dia ho any Madagasikarara kely koa moa aho, ka toa tsy andriko koa izay ahatongavako any hihihi. Tsy hita e :).

Pitsony iray farany : alaheloviko koa ny voninkazokeliko izay tsy maintsy halazo amin'izany fandehanako miala sasatra izany. maro ny eny an-tsena fa hafa ihany ilay efa nokarakaraiko hatrizay.

Eto koa dia ialàko tsiny isika satria raha ny nampanantenaiko tatsy ambadika dia tokony ho tatitry ny vaky boky nataoko tamin'ny 26jona no lahatsoratro manaraka. Mety tsy ho vitako anefa izany ka dia miala tsiny indrindra zareo a.

sms tsy andoavam-bola azo alefa n'aiza n'aiza* ( resaka matotra* )
2007/07/12,07:50

      

                Mety efa ho be ny nahita ity fomba fandefasana hafatra kely tsy andoavam-bola ity  ( SMS na koa short message system ). Na dia izany aza dia zaraiko ihany ho an'izay mbola tsy nahatsikaritra.

1° mampidira skype ao amin'ny solosainanao. Izany hoe :midira ao amin'ny  www. skype . com ary manaova "téléchargement".

2° sokafy io "skype" io avy eo. Tokony hipetraka eo amin'ny desktop ( na biraon'ny solosainanao ) ny rohy "S"izay mankany amin'ny "skype"

3° mamorona kaonty ao : araho fotsiny izay teneniny ao. dia izay

4°  afaka mandefa sms 2 avy hatrany ianao. Ny antony dia izao : rehefa avy nanokatra kaonty ianao dia tonga dia omen'i skype "crédit" 0.14€. Io écredité io dia ahafahana mandefa sms 2 any Mkara : na "orange" io  na "celtel".

Raha te-handefa mihoatra ny sms 2 ianao dia mamorona kaonty hafa indray, ary dia hahazo crédit 0.14€ indray ianao. dia toy izay hatrany. marihiko fa ny ps-nao no ho hitan'ilay olona andefasanao sms, koa tokony hisy ifandraisany amin'ny anaranao izany izy io mba ahafantarany anao.

                         Ny tombontsoan'izy ity : Izy ity dia mandaitra foana, ary tsy misy fetrany ny isan'ny sms azo alefanao. Ny an'ny celtel mantsy dia 5 isan'andro ihany, ary tsy ahafahana mandefa any amin"ny "orange". Ny an'ny "orange" indray dia sms 5 isam-bolana ihany raha tsy diso aho. Farany dia tsy andoavam-bola izy ity, fa mila mampiasa io hafetsena kely io fotsiny.


* nataoko anaty fonosana ilay hoe "resaka matotra" sao dia heverinareo ho hatsikana tahaka ilay atsy ambadika atsy

* Ny marina dia firenena amam-polony maromaro fa tsy dia ny firenena rehetra akory.

* Marihiko fa efa nisy toy ity noresahin'i voromailala ao amin'ny blaoginy, fa mikasika ny antso indray ny azy, ary efa tsy mandaitra intsony ankehitriny. Ity atoroko anareo ity kosa dia sms, ary mandaitra foana ( efa aman-taonany no nampiasako azy ).

 

Ny 26 jona-ko
2007/06/30,21:29

          Voalohany dia miarahaba antsika nahatratra ny 26 jona lasa teo. Aleo hono tara toy izay tsisy Smile. Raha izaho manokana dia tsy afaka nandeha tamin'ireny fety na takariva fanaon'ny diaspora malagasy tamin'io andro io. Na dia izany aza anefa dia nahatsiaro tsara an'i Madagasikara aho io andro io.

          Noho ny embona, voalohany indrindra dia lasa niditra tamin'irony efitra famakiam-boky irony ny tenako, ary namaky sy nindrana an'ireo boky rehetra miresaka momba an'i Madagasikara. Fanampin'izany dia nihaino mozika gasy : nataoko ampoton-tsofina mihitsy satria nampiasa "écouteurs" aho Smile. Tsy inona moa ireo boky  nolazaiko tetsy ambony fa ireto avy : 

  • Madagascar, l'île aux sorciers, 2001, 199pejy, nosoratan'i Nicole Vileteau, edisona "Arthaud",
  • Madagascar, 1964, 192pejy, nosoratan'i Claude janicot, edisiona "Rencontre",
  • à Madagascar, 1985, 172 pejy, nosoratan'i Bernard Planche & namany, edisiona "HACHETTE",
  • Madagascar, 2000, 270 pejy , nosoratan'i Pierre Vérin, edisiona "KATHALA", ary
  • à Madagascar, 1997, 175 pejy, nosoratan'i Geoffroy Morhain & namany, edisiona "HACHETTE".

 

Ny tanjoko voalohany moa tamin'izany dia ny mba hahalala hoe : "raha misy vazaha iray te hahalala an'i Madagasikara amin'ny alalan'ny boky dia endrika inona no ho azony". Faharoa dia tiako ny mahalala ireo fahasamihafàna ara-ekôlôjika sy ara-olona ao Madagasikara. Na dia mpandehandeha manko aho tany fahiny dia betsaka ny mbola tsy haiko momba an'io tany be harena io. ( Harena manko hono ny fahasamihafàna ).

Akory anefa ny hafaliako fa misy zava-tsarobidy maro tokoa 'kay ao amin'ireo boky ireo. Izany dia ho hitantsika amin'ilay boky mitondra ny lohateny hoe :"Madagascar" ( 1964, 192pejy, nosoratan'i Claude janicot, edisiona "Rencontre" ). Io boky io dia ahitàna :

  • ny tantaran'i Madagasikara, na koa tahiry maro momba ny tantaran'i Madagasikara,
  • ny fijerin'ny vazaha iray an'i Madagasikara sy ny foko 21,
  • sary tena izy maro tamin'ny faha-mpanjaka : ny rova, mahamasina fony tsisy "gradin", famonoan'olona tamin'ny andron-dRanavalona I, taratasy fitarainan'ny miaramila frantsay noho ny tsy fahombiazan'ny fanafihana voalohany, taratasy arabo iray nosoratana mpivarotra andevo iray, sns

Koa dia mazotoa mamaky ny lahatsoratra manaraka izay hivoaka tsy ho ela e Smile.

Izao indray vao tafa-blaogy e
2007/04/26,00:43

 

 

                Elaela izay tsy nidirako blaogy izay. Tsy sanatria nanadino akory fa dia sahirankirana nivezivezy. Tany amin'izay nalehako rehetra kosa anefa aho dia nieritreritra lalandava izay zavatra hataoko anatin'ity blaogy ity hatrany. Io moa dia aretina ( sa "drogue" hihihi ) ikambanana amin'ny mpanao blaogy rehetra. Ny nampalaelo ahy dia nisy ny fotoana tena naniriako fatratra  hanaovana lahatsoratra nefa dia tratran'ny tsy fahafahana aho : dia ny tamin'ny 29 matsa izay andro lehibe ho antsika Malagasy. Ny manetsa be tokoa mbola ho avy hoy ny fitenenana e!

 

                Eto dia asaiko ianareo hijery ny sary izay nalaiko tany am-pandehandehanana tany. dia tsy iniona fa :

  1. ny sary tany ampanaovana ski, febroary 2007
  2. ny fitsidihako an'i Arles, tanana aty atsimon'i laFrantsa, izany hoe tsy lavitra an'i Marseille,
  3. ny fitsidihako an'i Air France ao Paris : ahtanao sarina fiaramanidina, sy ny ao anatin'ny efitra fibaikona izany (cokpit)
  4. ny fitsidihako ny Musée du Louvre : misy vakoka malagasy iray ao ka mba jereo ny sary raha tsy ho any iany ianao :-)
  5. ny fitsidihako ny " Musée de l'air et de l'espace" ao Paris. ahitana fiaramanidina isankarazany, ary
  6. ny " Musée des invalides".
                Dia mazotoa mijery sary fa ireo no voan-dàlana e Wink. Ny hevitra na fanamarihana aza adino Smile
fialàn-tsasatra desambra 2006
2007/01/13,10:01

 

           Nandalo tao Paris indray aho tamin'ny fialàn-tsasatra farany teo ka dia nanandrana an'ity atao hoe "patinage" ity. Gorisagorisa amin'ny ranomandry ("glace". Fa tsy oram-panala na "neige" akory) moa izy ity. Koa mba tsy araka ny nahiana, fa dia mba mora nahay aho, ary tsy nianjera mihitsy :). Asa noho izaho efa nanao "ski" angamba. 
          Tao "MontParnasse-bienvenue" (anaran-tanàna ao Paris io) moa no toerana nanaovako ity gorisagorisam-bazaha ity . 5€ isan'olona no fidirana ( io 'zany no ofan'ny kiraro ), ary tsy voafetra ny ora ahafahana milalao.
                                         

io ilay kiraro ra hi-paty an'azy nareo. hihihi

          Nisy radio frantsay iray izay koa nanasa ahy mba hiresadresaka momba ny kolo-tsaina malagasy, sy ny fomban'ny malagasy amin'ny andro fety toy izao ka dia nankany koa aho. Tsy ho lazaiko ny anaran'ilay radio, na koa ny anaran'ny fandaharana fa ny azoko tenenina dia ny hoe : ""radio parisienne" ilay izy ary mandefa mivantana  ny fandaharany amin'ny aterineto. Koa dia raikitra indray ny fakàna sary rehefa vita ny resadresaka e : toy ity 'zao ny toeran'ny teknisianina.eto no toeran'ny teknisianina! 
Ity kosa ny toeran'ny vahiny, mpanentana, na mpilaza vaovao :eto kosa ny toeran'ireo vahiny ampiresahina, na koa mpanentana.
raharaha Saddam: mety ho loza ity finoana ity a!
2007/01/04,17:09

          Maty nahanton'ny tompon'andraikim-panjakana irakiana tamin'ny 30 desambra 2006 teo Andriamatoa Saddam Hussein, izay nofaritana ho "mpanao didy jadona" sy "mpitondra nahavita habibiana", rehefa avy nandalo fitsaràna. Marihina fa io andro namonoana azy io moa dia "fetin'ny ondry" ( jour des moutons ) ho an'ny silamo : izany hoe fahatsiarovana ny namonoan'i Abrahama ondry ho sorona atolotra ho an'i Allah : tantara voarakitra ao amin'ny Korano, sy baiboly izy io.

sarin'i Tompokolahy SaddamHiverina amin'i saddam isika : nahavono "silamo shiita" sy korda maro izy fahavelony, ary nanao ankasoparana maro koa tamin'ireo firenena maro manodidina azy : Kowety, sy Iran. "Silamo sonita" moa ny lehilahy. Ka izany maha-"sonita" hiringiriny azy izany, mazava ho azy, no nitarika azy hanao habibiana maro toy izany, fahavelony. Ireo karazana silamo roa ireo moa, ( ny shiita sy ny sonita no tiko tenenina ), dia vahoaka arabo nifandrafy hatrany hatrizay : nanomboka tamin'ny fotoana nanendrena izay ho solon'ny "Mpaminany Mahomed".

          Raha ny toetran'io lehilahy io izany no dinihana dia azo lazaina fa mety ahavitàna zava-dratsy tsy pesipesenina mihitsy ity fifandrafiana ara-pinoana ity. Soa ihany fa, ho antsika Malagasy dia haintsika ny miaina am-pilaminana tsara na dia samy manana ny finoany avy aza ny tsirairay. Asa ... izay tokoa angaha no vokatr'ilay fandalàna ny fihavanana ?!!!

fanomezan'endrika ireo hafatra
2007/01/03,23:37

Ireto misy teknika fanomezan'endrika ( fanaovana "mise en forme" ) ny hevitra ato amin’ny blaogy :

                     - Teny tianao hatevina :
Raha misy teny tianao hatevina ( “bold script” na “caractère gras” ) dia ataovy ao anatin’ireto balizy roa ireto  : Rehefa tafapetraka moa ny hafatrao dia toy izao no hiseho : soratra tiana hatevina.


                               - Teny misompirana :
Raha misy teny tianao hisompirana ( “italic script” na “caractère en italic” ) dia ataovy ao anatin’ireto balizy roa ireto :. Rehefa tafapetraka moa ny hafatrao dia toy izao no hiseho : soratra tiana hisompirana.

                         - Fomba fidìnana andàlana :
Raha te-hidina an-dàlana moa dia soraty ny hoe .

                         - Raha te-hametraka rohy ianao :

Raha te hametraka rohy ianao amin'ny alalan'ny fanindriana teny iray dia manorata toy izao :. Ataovy eo amin’ny toeran’ny “www.rohy.com” ilay rohy tianao handehanan’ny mpanao aterineto ;  ary ataovy eo amin’ny toeran’ilay hoe “tsindrio eto” ny teny tianao ho hita sy afaka tsindrin’ny mpanao aterineto.

                        Ireo aloha no hitako fa azo ampiharina eto amin’ny blaogy. Fa raha mahita teknika hafa ianao dia isaorana mialoha mampahalala izany antsika. Raha sanatria ka misy tsy fihetezana kosa ireto nolazaiko ireo dia lazao anay koa .

Torkia sy ny U.E.
2006/12/16,17:37

            Isan’ny vaovao faheno sy fahita matetika amin’ny haino aman-jery ankehitriny ny momba ny fidiran’i Torkia ao @ U.E. (Fikambanam-be Eropeana ). Betsaka tokoa ny manalasala raha ny momba izany no resahina :
            Voalohany, raha ara-jeografika, dia eo anelanelan’I Azia sy Eropa izy. Ara-tantara moa dia tsy eropeana velively ny mponina ao Torkia : hatramin’ny taon-jato faha-15 dia ny fitondran’i “Contantin” no nisy tao, avy eo dia ny fanjakana Mongola ( royaume mongole ). Ny Fanjakana “Constantin” moa dia avy any Rosia, ary ny “Mongole” kosa dia avy any  Sina ( Chine ).
            Fanampin’izany dia silamo ny ankamaroan’ny torka ( turque ). Ry zareo eropeana kosa dia kristiana amin’ny ankapobeny, ary nanana kolo-tsaina nolovaina avy amin’ny grika sy Rômana. Izay no azo lazaina raha any ara-tantara, fiaviana, ary finoana no jerena.
            Eo amin’ny lafiny foto-kevitra indray kosa dia mampiavaka an’I Torkia ny fandraisan’Anjara lehiben’ny tafika eo amin’ny fitondrana. Ohatra voalohany, dia ny fandraisan’izany tafika izany anjara hatrany isaky  ny misy revolisiano, na fanonganam-panjakana. Ohatra faharoa, izay tsy adinon’ny eropeana sy ny mpanaraka tantara maro, dia ny fandarohan’ny tafika torka ny Armeniana tamin’ny taona 1915 . Araka ny hevitr’ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny Fikambambe Eropeana moa dia tsy afaka raisina ho mpikambana I Torka raha tsy miaiky izany famonoan’olona nataony izany. Manampy izany dia tsy dia azoazon’ny eropeana maro ny tsy famelàn’i Torka an’i Sipra mba hahaleo tena.

            Isan’ny ahiahin’ny eropeana maro koa, raha toa ka ho raisina ho mpikambana i Torkia dia ity : noho ny fari-piainan-dry zareo mbola mareforefo, dia tsy haharaka mihitsy izay fanapahan-kevitra raisina ao @ Fikambanam-be Eropenana izy. Fanapahan-kevitra isan-tsokajiny no tiana tenenina eto : fanalalahana ny varotra, ady amin’ny fampiorohorona, fanarahana fenitra mba hahatsara laza ny vokatra eropeana, sns. Koa raha toa ka voaray ao anatin’ity fikambanam-be ity izany ry zareo dia ho betsaka ny mpifindra monuina torka no hameno ny Eropa. Ary hitombo ny salan’isan’ny tsy an’asa amin’ny firenena eropeana maro. Farany dia hanahirana ny eropena ny hiditra an-tsehatra amin’ny ady ao “Proche Orient” satria mety ho voakasika mivantana, na koa hanana ny tombotsoany manokana amin’izany i Torkia

            Na izany na tsy izany aza anefa dia misy lafiny itiavan’ny firenena eropeana maro ny fidiran’I Torkia ho ao amin’io Fikambanam-be io. Voalohany, dia hahatonga ny Fikambana-be ho tsy mialon-jafy ara-pinoana izany. Faharoa dia ilain’ny firenena eropeana ihany ireo tanora maro tsy an’asa ao Torkia.

                                   Ary mba manao ahoana I Madagasikara kely!
            Raha any fijeriko manokana dia tombony lehibe ho antsika ny tsy izaràna sisin-tany amina firenena hafa. Hitantsika amin’i Torkia fa maro ny olana mety aterak’izany. : ady, fahatongavan’ny karazam-poko samy hafa tanteraka. Ny vahoaka  Malagasy moa, raha tsahivina antsika, dia efa aman-jato taonany maro no niforona : dia avy amin’ny firaisan’ny  ireo vazimba tompon-tany, ary koa ireo mpiavy maro isan-karazany efa ho taon-jato maromaro izay.

Saritanin'i Eropa sy Torkia :

saritanin'i Torkia

          Fototra :

- gazety "le monde",

- "les dessous de la carte" : fandaharana mandeha ao amin'ny fahitalavitra "Arte",

- fikarohana eto amin'ny aterineto.

Malgachoscopie*
2006/11/17,20:09

Noho ny fanentanan'i Tattum,  namana mpanao blaogy, dia androany no hamoahan'ireo mpanoratra blaogy malagasy ny fomba fijeriny ny tenany avy sy ireo malagasy manodidina azy. Koa dia indro araraotiko izany ilazàko ny fomba fijeriko ny malagasy aty ivelany. Ary ho resahako amin'izany ny malagasy ao Afrika (Tsady sy Kamerona) sy ny eto Frantsa, izay samy toerana efa nipetrahako.

Gasy any Afrika

Ny zavatra ho tantaraiko eto dia ny ampahan'ny zavatra niainako nandritra ny enim-bolana nanaovako fiofanana arak'asa tany "Tsady" sy "Kamerona". Firenena tsy dia ahitàna malagasy firy moa izy ireo. Ary ny sokajina malagasy hita any, dia ireo tonga mandrato fianarana, ireo irahin'ny asa aman-draharaha, ary ireo efa nipetraka naharitra tany ( ireo aloha no sokajy sendra ahy, fa mety hisy hafa ).

"Le blanc" : izany no anarambositra azoko tany. Eny fa na dia zarazara hoditra aza ny tenako dia "Lefotsy" hoy zareo. Toy ireny fandraisan'ny malagasy maro ny "vazaha" ireny no fandraisana ahy (sy ireo malagasy any an-toerana). Rehefa mankeny an-tsena ohatra dia itangoronan'ny mpangataka, ary any amin'ny izay toeram-panjakana aleha dia raisin'ny olona tsara. Rehefa any am-piangonana, na any am-pamonjena fety izany moa dia miady haka sary miaraka aminay daholo izy ireo. Mila mitandrina koa anefa rehefa eny an-dàlana fa matetika dia lasibatry ny mpangalatra ny "fotsy" any. Ohatra amin'izany dia tsy tsara andehanan'ny "fotsy" an-tongotra ny "avénue" ao Njamenà ( renivohitr'i Tsady" ). Ny tena atahorana amin'izany toerana izany moa dia ireo tsadiana silamo mahery fihetsika izay mivimbina antsy be hatrany any anaty akanjony, ary mankahala vahiny. Raha fintinina dia hajahajain'dry zareo tsara ny malagasy, ary heveriny ho mpanam-bola be hatrany . Raha izay ny fifandraisana aman'olona dia manao ahoana kosa ny fiainana ao an-tranon'ireo malagasy atsy Afrika.

Ara-tsakafo aloha dia tsy afa-miala tanteraka amin'ny vary ny fianakaviana malagasy. Fa ho fanampin'izany dia zatra mihinana ireo foto-tsakafon'ny tompon-tany 'zareo : voamanga, saonjo, akondro, ovy, voanjo, izay matetika miharo hena hatrany. Ry zareo tsadiana sy kamerone dia tsy mihevitra velively ireo sakafo ireo ho sakafon'ny "mafy ady" ; tahaka izay fihevitry ny maro ao Madagasikara. Hitako ho tsara halain-tahaka izany satria raha ireo sokajin-tsakafo notanisaiko ireo dia azo lazaina ho ampy ara-otrikaina ihany raha hay ny mikarakara azy. Etsy andanin'izany manko dia, efa iarahantsika mahalala ny olantsika amin'ity voly vary ity : dia ny tsy famokaran'ny tanimbary ho toy ny taloha intsony.

Fihaonan'ny samy malagasy : noho ny fahavitsian'ny malagasy any an-toerana dia malaza be ny malagasy raha vao tonga any, ary ezahin-dry zareo tompon-tany hampihaonana hatrany. "Misy malagasy mipetraka atsy sy aroa ka oviana ianao no ho entina any" hoy zareo,  ary dia entiny any tokoa. Hafaliana tokoa izany mahita mpiray tanindrazana any izany, satria tsy dia mpitranga matetika. Dia raikitra ny "teny malagasy". Raha izaho manokana dia nahatsiaro ho sambatra ery mampiasa ilay tenin-drazana satria efa ho amam-bolana no tsy nivolanana na dia teny malagasy iray aza.( telo volana eo hoe eo no tsy nahitako malagasy, sady tsy nitenenako malagasy noho ny fiofanana tsy namela ahy handeha lavitra loatra). Mahatsiaro ho maivamaivana ery ny saiko rehetra rehefa miteny satria tsy mila mikaroka teny lavitra intsony, tahaka ny fanaoko amin'ny teny vahiny ( frantsay sy anglisy ). Ny zava-nampiomehy ahy fotsiny dia izao : nony hariva hody iny ny tenako dia nila niditra "cybercafé" iray (fotoana tokony hijereko mailaka mantsy tamin'izay). Ary asa loatra fa dia tafa-teny gasy tampoka aho raha nanontany ny sarany fanaovana izany "internet" izany. Hoy aho mantsy ilay kamerone tompon'ny "cybercafé" hoe : "ôtrinona kay azafady ny manao internet e!" hihihi   . Gagagaga izy, izaho kosa tonga saina no sady te-hiomehy tany an-tsaiko, ka dia navadiko anglisy haingana ny fiteniko. Raha toy izany  ny tany amin'ny firenena afrikana dia manao ahoana kosa ireo gasy any amin'ny firenena matanjaka ( matanjaka noho i Madagasikara mazava ho azy   )

Gasy ao Frantsa


Frantsa, firenena mandroso : Zavatra iray manaitra sy mahatalanjona aoka izany, indrindra ho an'ny malagasy mbola tsy nandia tany mandroso toa ahy, ny fahitàna ireo "zava-tsara" maro eto Frantsa. Ho ahy, dia niatomboka tamin'ny fitaingenako ny fiaramanidina "air bus"-n'i "air France" izany. Avo lenta tokoa ny tolotra ( services ) hita mandritra izany sidina izany, raha tsy hilaza afa-tsy ireo  "écran tactil" isaky ny seza ( karazana fahitalavitra hary fomba )  ahafahana manao zavatra isan-karazany : fijerena "films"sy "dessins animés",  fihainoana mozika isan-karazany, lalao ( toy ny échec, sns ), ary zavatra hafa maro. Tsy lazaiko intsony ny fahagagàna mahita ireo trano manan-tantara sy drafitr'asa maro manerana an'i Paris : ny halehibiazan'ny aéroport "Charles de Gaulle", ny fijoalajoalan'ny trano, ny hadion'ny zaridaina sy toeram-pitsangatsanganana ( ny madio mantsy aloha no nitondràn'ny namako ahy voalohany   ). Fanampin'izany dia mba isan'ny mpivahiny malagasy tsara vintana ny tenako ( izay lazaiko am-panetren-tena ), ka dia voakarakara tsaran'ny toeram-piasàna mpandray ahy.

Frantsa be malagasy : Ankoatran'i Madagasikara dia i laFrantsa no firenena faharoa ahitana malagasy be indrindra. Ary eto dia sokajìko ho roa ny malagasy hita aty : ao ireo malagasy efa niaina naharitra tany Madagasikara vao nankaty Frantsa, ary ao kosa ireo izay lehibe taty Frantsa. Ao Paris moa dia ahitàna toby roa lehibe fonenan'ny malagasy : dia ilay ao "Cachan" sy ilay ao "Arago". Ireo immeubles roa ireo dia tsy ahitàna afa-tsy malagasy ny monina ao. Ny ankabeazan-dry zareo moa dia mpianatra avokoa. Maro koa ireo fiangonana malagasy ato frantsa ; ary izany dia saiky ho isaky ny tanàna lehibe ( Paris, Marseille, sns ). Ao Paris ohatra dia ahitàna ny fiangonana advantista malagasy, fiangonana katôlika malagasy, fiangonana loterana malagasy, fiangonana prôtestanta malagasy, fiangonan'ny vavolombelon'ny Jehovah malagasy, sns.  Ary dia maro mpanatrika hatrany ny fotoam-pivavahana isan-kerinandro amin'izany. Ny hira fanao sy ny fomba rehetra moa dia amin'ny tenin-drazana avokoa, afa-tsy ny mandritra ny fotoana sasany ihany. Hita eto Frantsa koa ireo karazam-pikambanana malagasy maro : "fikambanan'ny mpiray sekoly taloha" (toy ny "lycée" ohatra). Ary vao tafajoro vao tsy ela ny magazay "bazar be" ao paris : fivarotana sakafo malagasy.

Miavona hoe ny malagasy ao Paris ?
Valiny : Sady marina izy io no diso, ka enao no hitsara. Noho ny habetsahan'ny malagasy ao Paris, dia tsy afaka ny hifampanasa hisakafo daholo izay gasy rehetra sendra mifanena eny an-dàlana. Koa ny  matetika dia ny fiarahabana no atao rehefa mifanena amina gasy eny an-dàlana. Ny zava-misy koa anefa aloha dia misy ireo malagasy tsy miraharaha intsony izany arahaba izany : noho ny firotoroton'ny fiainana angaha sa noho ny fahaverezan'ilay toe-tsaina malagasy tia fihavanana ?!


"Ahoana no tetika atao ahazoako "papier" "? :
Noho ny haavon'ny fari-piainana aty Frantsa dia tsy vitsy ireo malagasy no alaim-panahy  tsy te-hody rehefa tonga aty Frantsa. Raha tsy diso aho dia mahery kelin'ny 1000 euros ny SMIG ( karama ambany indrindra ). Misy amin'izy ireo no tsy manana taratasy ara-dalàna hijanonana eto Frantsa intsony. Koa dia olana saro-bahàna miverina ao an-tsaina foana ny hoe "Ahoana no tetika atao ahazoako "papier" ? . Ny fomba fataon'ny maro moa mba entina hamahàna izany olana izany dia izao :  miezaky ny manao fisoratana anarana amin'ny sekoly hatrany ( ho an'ny mpianatra ), na koa miezaky ny mitady asa ara-dalàna ahafahana mijanona eto Frantsa, na koa manambady vazaha   !

Ady ny fiainana aty!
Lafo fiainana eto Frantsa. Koa na ny mpianatra na ny efa mpiasa dia mikolay daholo amin'izany, raha ratsy "situation". Ho an'ny malagasy mpandrato fianarana aty moa dia matetika zareo no voatery miasa, raha mahita. Ankehitriny tokoa mantsy dia ftafakatra ho ambony be ny salan'isan'ny tsy an'asa eto Frantsa ; tsy resahina intsony moa ny fanavakavaham-bolon-koditr'ireo tompon'orinasa sasany. Koa ho an'ny mpianatra mahita asa dia feno be ny fandaharam-potoana amin'izany fanenjehana bitro roa izany : ny mpianatra sasany ohatra dia miasa amin'ny alina, ary mianatra amin'ny atoandro. Ny sakafo moa amin'izany dia zara raha mahasalama. Raha ny hoe "sakafo ampy otrik'aina" aloha dia ekeko ihany fa izao : sakafo avy amin'ny vata fanpangatsiahana avokoa no hanina, ary sakafo masaka notahirizina ( conserves ) avokoa fa tsy avy nandrahoina.

Koa izay sy izay zareo no azoko lazaina fa dia misaotra anareo namaky .

*Malgachoscopie : teny nampiasain'i Tattum ilazana  ny fomba fijerin'ny malagasy iray ny tenany sy ireo malagasy hafa manodidina azy.

Lisitr'ireo mpanoratra blaogy hafa nandray anjara tamin'ny "malgachoscopie" :

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype