Ry sampikely mahay raha,
vatakely ahafantaran-javatra,
omeo ahy ity, dia nomenao,
lazao ahy itsy, dia nolazainao.
Tonga anefa ity ny fotoana,
hiatòn'ny fanompoako anao sesehena.
Ry paoma eo an'ivon'i edena,
izay indrisy fa saba-droa lela,
ialàko ianao, isintahako,
satria maro ireo voly,
mbola miantso ahy ao an-tsahako.
mandrapihaona kely ry aterineto sakaiza hatrizay,
satria injao ny andraikitro, ny havako, sy ny ho aviko
izay miantso mafy anay.
Noho ny ny adidy aman'andraikitra, dia tsy afaka hanao aterineto sy hiblaogy i Tokinao atoato. Misaotra anareo namana sy mpitsidika hatrany anefa. "Internet on stand by" hoy ny vazaha .
Ialàn-tsiny koa ny fikorontanan'ny blaogy fa misy ny olana ny CSS-ny.
Kirin'ny te-hanan-tiana
- Diavolana am-batolampy,
mangoratsaka an-keniheny,
na dia hitampesona* aza ianao,
an'ny hafa ny foko fa tsy anao
- Fodilahy mena volo,
voro-mena fandia,
na maro aza ny lava volo, ianao ihany no foto-dia.
Raha tantely no homeko anao,
eny, mamy ihany iny,
fa misy faikany ;
raha voasary no homeko anao
eny, mamy ihany iny,
fa miendri-bato ;
raha fary no homeko anao
eny, mamy ihany iny
fa sary hazo ;
fa ny tiako homena sy atolotra
dia ny fifankatiavana tsy ho ritra
ary ny fisakaizana tsy ho lany ;
ary vavolombelon'izany :
iny ny lambako ho anao,
fa izaho hanao lamba rivotra,
iny ny peratro ho anao,
fa izaho hanao peratra ahitra
J.R.b.n.n.
( Nivoaka tao amin'ny gazety "vaovao frantsay-malagsy", ny23 marsa 1900 )
Fisaorana
Sitraka leiretsy,
telina leiretsy,
mamy leiretsy,
lehibe ka tsy azo atelina ianareo!
mamy ny tantely fa misy faikany,
mamy ny sira fa mitarehim-bato,
mamy ny fary fa toa hazo,
fa ny soa nataonareo,
no tsy ara-javatra!
Izany no rano androana mahafa-tseroka,
menaka ihosorana mahamandimandina,
lamba itafina mahafa-kenatra!
...
notsongaina tao @ "firaketana" ary nangonin'i François RAKOTONAIVO
Ny tia resy
Fandrotrarana* anie aho ka fandrotrarana*,
tsy hamingana anao ho lavo,
fa manasa anao mba hidinidinika,
ny hazo tokana hono tsy mba ala,
ary ny fiainana, lakan-tsy voizin-tsy olon-droa
koa lazalazao re ry Rasoamandimandinandrandrain'i foko,
ambarambarao raha ianao no Rasoanandrasakohatriniela,
tongotra mby an-dàkana ny ahy,
ary fitia vokatry ny hanina,
ny tia tokoa hono mantsy resy,
ka dia lavonao izany tenako
Tokinao
* Ny fandrotrarana moa, ho antsika tsy mahalala dia karazana bozaka fahita eny an-tanety, na koa eny an-tany haolo eny. Izy io dia mandady be rehefa maniry, hany ka mila hamingana hatrany ny mpandeha an-tongotra.
Tsy tsipolitra ery an-tany ngazana,
ka hihatsampy amin’ny olo-mandalo,
tsy maniry fanambatambazana,
fa fitiavana tsy atakalo
‘Zany elatra no ento mikopaka,
làlan-kafa no ‘ndeha mba hizory,
fa ny aty tsy mba taitra koropaka
toa voahirana anaty kamory
Tsy hiraraka mantsy ny kintana,
na (dia)* ho reraka foana (aza)* ny maso,
ny anjara voatendrin’ny vintana,
( tsy handositra anao fa andraso ) x2
Fototra : Ity hainteny ity dia nohirain’i Bodo, amina ngadon-kira ( rythme ) « kalon’ny fahiny ». Ny tena nanoratra azy kosa dia nokarohiko ihany fa tsy hitako. Koa raha mba fantatrao mpitsidika dia dia isaorana mialoha ianao milaza izany ao amin’ny fametrahan-kafatra.
Ny zavatra resahina ao : mirakitra ny fandàvan’ny vehivavy iray ny fitoriam-pitiavana nataona lehilahy iray izy ity. Ary tahaka ny hainteny rehetra dia ahitàna sarin-teny maro ao. Ary izany indrindra no mahatonga azy haha-te hihaino. Ireo fanoharana maro ireo dia nalaina avokoa avy amin’ny zava-boahary : tsipolitra, elatra, voahirana, kamory, kintana, …
Ny tsara no tahafo
Aza atao tera-piso,
ka taranaka velon-kanao " omeo " mandra-pahafaty ;
fa ataovy tera-pangaraka,
ka na kely andilana aza mahalevin-dreny ;
Aza atao tera-balala,
ka mpianakavy iray hevitra hamafy mosary amin’ny tany !
fa ataovy tera-dandy
ka sady mahafono tena tsy misy mpanampy
no mbola mahatafy sy mahafono olombelona
hatramin’ny fara aman-dimbiny.
Aza atao tera-tsahona,
ka sady sima vava no be taria,
no mitsipitsipika tsy valala ;
fa ataovy tera-tàna tsy matoky tena
ka mandinika ny eo aloha
sy mibanjina ny aoriana
vao mandingana indray mandeha.
Aza atao tera-jorery,
ka lany andro am-pitomaniana ;
fa ataovy tera-bitsika zatra miasa,
ka ny votry itoerana miezinezina,
ny hanin-ko hanina feno sompitra ;
Ny reni-manditra kamovelona ihany
no maty an-davaka velomin’ny bitika noho izy.
Charlotte A. RAZAFINIAINA
Fitia voatavo
Tiako hianao,
sanatria ho fitia vola,
ka raha noana dia hatakalo hanina,
na koa fitia varavarana,
tiana nefa atositosika,
tsy ataoko tahaky ny paraky,
tiana nefa ombàna rora,
tsy ohariko amin'ny jiafotsy,
intelo tafina,
ka mievotra ihany,
tsy hampitahaiko amin'ny lambamena,
ka rehefa maty vao ihaonana
Ho hitantsika ato :
Famaritana :
Ny hainteny dia endrika literatiora mampiavaka antsika Malagasy. Mampiasa ”sarin-teny” matetika izy io, sahala amin’ny ”ankamantatra”, ary manana andàlana (lignes) sy andininy (paragraphes) maromaro toy ny tononkalo. Ny mampiavaka azy amin’ny tononkalo anefa dia ireto :- tsy voatery hiady rima ny hainteny,
- tsy voatery hitovy koa ny vaninteny isan’andàlana, ary
- tsy ny isan’ny andàlana ao anatin’ny andininy tsirairay.
Manakaiky ny kabary koa anefa ny hain-teny satria feno ohabolana, sy fomba fiteny maro, ary mety hisy fifamalian’olona maro ( dialogues, ... )
Zavatra resahiny :
Resa-pitiavana no raketin'ny hainteny maro. Ankoatra io anefa dia miresaka zavatra hafa eo amin’ny fiainana an-davanandro koa ny hainteny : ny fiainana, ny fananarana, ny fahafatesana, ny namana, ny fianakaviana, ny tanindrazana, sns..
Ara-tantara :
Ny fotoana tena nampalaza ny hainteny dia tamin’ny vanim-potoana ”embona sy hanina” ( voalohandohan’ny taon-jato 1900 ). Izany hoe tao anatin’ny fotoana nampijalian’ireo mpanjanaka ny mpitolona malagasy. Rehefa natao sesin-tany ( exil ) tany ampitan-dranomasina manko ireo mpitolona ireo dia tsy nanan-katao firy loatra afa-tsy ny hanoratra. Koa nasehony indrindra tamin’izany asa sorany izany ny embona, ny alahelo, ary ny hanina* an’ireo zavatra niraiketany fahiny : ny olon-tiany, ny fianakaviany ary i Madagasikara. Io no antony lehibe mahatonga ny hainteny hiresaka fitiavana matetika.
Hanina* : teny malagasy fampiasa fahiny izy ity. Io no fototeny nahatonga ny hoe “manina”, na koa “manimanina”. Koa ny ”olona manana hanina” izany, dia ny ”olona manimanina
Antom-pisian’ny hainteny eto amin’ny blaogy Tokinao :
Voalohany, ny tenako izay miseho amin’ity solon’anarana Tokinao ity dia tsy ao an-tanindrazana fa aty am-pita. Tsapako tokoa aty fa vitsy ( mba tsy hilazàna hoe tsy misy ) mpahala ny zava-kanto, na koa ny literatiora malagasy. Ireo zavatra roa ireo anefa rehefa dinihana dia hitako ho tsy latsa-danja na koa ho mena-mitahy amin’ny an-dry zareo aty ivelany. Mifono fomba fisainana ambony tokoa amiko ny literatiora malagasy, ohatra amin’izany :
- ny maha-zava-dehibe ny fihavanana raha oharina amin’ny zavatra maro ( aleo hono very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-bola, ary aleo koa hono halam-andriana toy izay halan’bahoaka, sns)
- ny maha-zava-dehibe ny fananam-panahy ( Ny fanahy mantsy no maha-olona,...)
- ny fahatahorana an’Andriamanitra, ny tody, ary ny tsiny ( Aza ny lohasahy mangina hono mantsy no jerena fa andriamanitra ao antampon’ny loha, sns.
Ekeko fa mety ho vato misakana amin’ny fandrosoana ny fanarahana ambokony an’ireo fomba fisainana ireo. Nefa kosa, ataoko fa tsy iadian’kevitra ny voka-tsoany marobe eo amin’ny fiaraha-monina : na eo filaminana izany, na eo fifanajana, sns…. Koa io no amin’ilay hoe : “Ataovy voankazo an’ala e, ny mamy atelemo, ny mangidy aloavo”.
Farany, Tsy misy olona tapi-pahalalàna hoy ny fitenenana, ary ny fiainana dia fianarana hatrany. Koa raha misy fanakianana na fanontaniana tianao apetraka momba ny teny sarotra ao amin’ny hainteny, dia vonona isika ( ny mpitsidika hafa sy i Tokinao ) hamaly izany. Ny isan’ny tanjona moa dia ny fianarana ny teny Malagasy, indrindra fa ireo izay efa mitady ho very.
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |