Tokinao

Hilentika kely Ra-Toky :-).
2008/09/29,18:50

 

:) Tsiky aloha e! Ny tiana hotenenina amin'ny lohateny dia ny hoe : tsy ho afaka hiserasera sy hiblaogy indray raToky ato ato. Koa alohan'izany fahabangàko kely izany dia ireto zavatra mampihomehy vitsivitsy. Raha ny tena marina dia tsy hatsikana izy ireo fa tena nisy. Ny tantara dia mikasika ny filoham-pirenena Tôgôle farany teo (izay efa Tompokolahy moa ankehitriny. Malaza ho tsy dia mivelatra loatra amin'ny teny vahiny izy ity ka dia anaovan'olona resaka :


1°- Indray andro hono ny anao lahy nasain'ny filoham-pirenena sinoa hisakafo ; tany Shina mazava ho azy. Koa alohan'ny fampiakaram-bera àry dia hoy ny filoha sinoa hoe : "Tsin tsin". Noheverin'Ingah rainy tôgôle ho "shina shina" no notenenin'ilay filoha sinoa ka dia hoy koa izy : "Tôgô Tôgô" Wink. Tena zava-nisy io a! (araka ny tenin'ilay Tôgôle namako).


2°- Indray mandeha koa dia nanova ny mpikambana ao amin'ny governemantany izy. Izany hoe hosoloina ny minisitra rehetra. Koa dia nampanantsoiny daholo ireo eritreretiny hapetraka amin'izany toerana izany, ary nanaovany resadresaka manokana mba hitsapàny ny fahaizany avy. Indray andro àry dia Lehilahy malazalaza roa no nampanantsoiny ... ary natomboka tamin'ilay iray ny resadresaka sy fanadihadiana. Novelabelarin'Ingah filoham-pirenena ny ho andrikitr'ity lehilahy ity raha toa ka lasa minisitra izy. Rehefa vita izany famelabelarana izany dia naka toky ny Filoham-pirenena hoe : "Tu pourras ou tu pourras pas ?"

- hoy ilay ranamana voalohany : "oui, je pourra" Laughing. Nihomehy ny Filoha ... ary dia nasainy nivoaka ilay lehilahy voalohany. Vao lasa anefa ity lehilahy ity dia hoy izy mantsy ilay faharoa : "tsy mba horaisiko ilehiny fa na dia ny mitanisa ny "verbe pourrir" aza ve rangah dia tsy hainy Laughing.

Vita ny tantara faharoa. Koa ny hafatra dia ny hoe : mba ianaro ihany ny teny vazaha. Ry 'zareo tôgôle moa dia tsy mba manana fahasoavana tahaka antsika, satria dia teny frantsay no hany ahazoan-dry 'zareo mifampiresaka ; ny tenim-poko aman-jatony ananan-dry zareo manko dia tsy misy ifandraisany mihitsy. Ity indray ny tantara manaraka :

3°- Nisy fotoana nanasàn'Andriamatoa filoha olona maromaro tao an-dapany (olona tsotra sy tompon'andraikitra majinika). Nahafinaritra àry ny koràna, ary mafilotra tokoa ny sakafo. Ireo vahiny nasaina koa ... tsy nihafahafa fa dia nanao izay ho afany amin'ny fankafizana izany sakafo izany. Mba nampiresaka an'ity lehibena fokontany iray, izay niray latabatra taminy, àry Ingahy Filoham-pirenena :

- "Ahoana ... Afa-po ve ianao amin'ny sakafo ?". Hoy kosa ity filoham-pokontany :

- "Eny Andriamatoa filoha hajaina". Ary nampiany ohabolan-drazana Tôgôle iray : "rehefa misotro rano ange ny akoho, mba maka ny anjarany koa ny katsatsaka e". (ny katsatsaka dia biby mitovitovy amin'ny tanalahy). Ny tian'izany ohabolana izany tenenina moa dia ny hoe : rehefa mifaly ny olobe dia mba maka izay voatsirambiny koa ny majinika. Izany hoe mitory fanetren-tena io ohabolana io. Na izany aza anefa dia sendaotra be ny Filoham-pirenena raha vao naheno an'io ohabolana io. Hoy ny anao lahy :

- Inona no tian'ialah tenenina amin'izany ohabolana izany ? Yell. Iza no ataon'Ialah ho akoho Yell?.
Taitra be sady natahotra ilay filoham-pokontany ... koa dia hoy izy, sady mitsiky tsy fidiny :

- Izaho no akoho 'ka Embarassed.

- "Ary iza àry no ampitahain'ialahy amin'ny katsatsaka e Yell?" hoy indray ity Filoham-pirenena, sady tezitra be izy.

- "Mbola izaho ihany e Cry." hoy ilay filoham-pokontany Laughing.

- "haaay" hoy ny Filoham-pirenana. "Tohizo ny sakafo àry" hoy izy sady nitsikitsiky Laughing

Tapitra. Ity ny tantara farany : 


4°- Indray andro dia niharan-doza ny fiaramanidina notaingenan'Ingahy filoham-pirenena. Isan'ireo nieren-doza anefa izy (izany hoe tsy maty). Koa tong ny mpanao gazety haka azy am-bava (ataoko môtamô satria 'zah tsy mahay teny faran'ny tsy haiko a Wink) :

- kel est votre version concernant ce krash méssé le presida ?
Dia namaly Andriamatoa filoha. Hoy izy :

- En fait, je suis tombé de bas-en haut ... mon pataloha s'est krashé, l'aviô dechiré Laughing. Raha adîka dia toy izao : "nianjera tany ambony aho, nitrosona ny patalohako, ary rovitra ny rôplan". Vita tompoko Tongue out.


Betsaka moa ny hatsikana sy tantara mampihomehy ifanaovanay mpiara-miasa ka dia ireo mba zaraina amintsika ireo ny santionany. Fa ity mba misy zavatra voamariko iray :

- ny blagy ataon'ny olona tatsinanana sy tatsimo (fa tsy tandrefana) dia mampihomehy kokoa ary koa madio (izany hoe tsy misy resaka mamoafady).

- ny an'ny tandrefana indray dia miresaka "seksa" daholo ny 90% (izay hitako aloha no tateriko a). Tsy mahita resaka ihomehezana 'zareo raha tsy miresaka an'io. Indraindray anefa dia marikoriko be Foot in mouth.

Isika gasy dia misy itovizana amin'iretsy sokajy voalohany (tatsinanana sy tatsimo). Ho porofo tsotsotra : jereo ange ao amin'ny hatsikana ao amin'ny namana serasera e! Hatsikana madio no betsaka ... soa ihany. Mba mijere kosa ange hatsikana vazaha e! Aleo tsy apetrako eto ny rohy Wink fa mba ho ahy samirery hihihi. Resaka izany fa izao : manorata fotsiny hoe "blagues" ao amin'ny "google-images" dia ho hitanao ny sary mipoitra ao : tsiriho ato; dia jereo koa ny hoe "blague" ao amin'io "google-images" io ihany ... vao pejy voalohany dia efa ao ny sarin-tseksa Wink asio maso ato Innocent. Tsy ihatsara ivelatsihy akory aho, na koa hiroso amin'ny ady hevitra hoe : "tsara ve ny blagy ara-tseksa " fa izao angamba no iaraha-manaiky : "tsy tsara ho an'ny ankizy sy malemy fanahy ireny zavatra ireny". o.k.


Fanazavana momba an'ilay "Oui je pourra"*: Ho an'ny tsy mahay teny frantsay ohatra anay Smile : tokony hoe "je pourrai" no navalin'ilay filoham-pokontany. Izany dia avy amin'ny "verbe pouvoir" (izay midika hoe "afaka atao") hono, fa tsy "pourrir" (izay midika hoe "masiso"). Koa ity misy hafatra e: rehefa tsy hay ilay teny faran'ny tsy hay, mba ianaro ny hafa e Wink. ok! My article's over Wink. Thanks for reading.

P.S. ("Post-scriptum" hoy ny teny mora hay sasany Smile hihihi) : miala tsiny amin'ireo nandefa hira "Ry Tanindrazanay Malala ô!" (i p., k. sy i c.) fa hiato kely ny fandrindràko azy. Rehefa mba malaladalaka dia hotohizako io fa aza manahy Wink. Izay vao tena tapitra. Elaela tsy hiblaogy ka dia betsaka ny zavatra tian-kosoratana e! Masîna daholo isika mianakavy ... ho salama, sy ho ambinina amin'izay atao. Allah Akhbar, God is great, lehibe Zanahary, Tititangôla Cool.

CSS @ teny gasy II
2008/09/15,20:00

Noho ny fanontanian'i Kdaombaramita (tatsy) momba ny fanovàna ny templetany ao amin'ny blaoginy (izay tsy mitovy *.css amin'ny ahy sy ry news2dago), dia ireto indray no tokony hataony :

1-Jereo ny fisie *.css ampiasain'ilay blaogy. Izany hoe : Midira ao @ "pejy fototr'(page source) ilay blaoginao. Karokarohy etsy amin'ny "barre des menus" Arakaraky ny navigateranao (internet explorer, mozilla, opera, na netscape sns...) ny misy azy io. Raha Mozilla Firefox moa no ampiasainao dia toy ity ny toerana misy azy io :

Rehefa misokatra izany dia karohy ilay fisie *.css ampiasain'ny blaoginao. tsindrio ny Ctrl+F, ary soraty ny hoe .css  dia alefaso ny fikarohana. Ho hitanao ao moa ilay fisie .css ampiasain'ny blaoginao, ary koa ny toerana misy izany eto amin'ny aterineto. Raha ny blaogin'i Kdaombaramita no anaovana an'ireo dia hita fa ny "http://kdaombaramita.blaogy.com/templates/connections/style.css" no ampiasain'ny blaoginy :

2- Ataovy dika-petaka io adiresy io (http://kdaombaramita.blaogy.com/templates/connections/style.css) ary sokafy ao amin'ny navigateranao : toy ity.

3-  Karohy izay tampleta tianao hovainao ao. Marihina fa ny "templeta" iray dia manomboka amin'ny songasasaka (sharp, dièse, #), arahin'ny anaran'ny "id", ary ireo toetoetrany rehetra voafono anaty fonosam-be (accolade). Ohatra ireto :

 4-Ataovy ny fanovàna ny toetoetran'ny templeta (proprietés du template) izay tianao hovaina : raha tian'i Kdaombaramita hovaina ohatra 'zao ilay sary "ria-drano" ao amin'ny blaoginy dia mila soloiny ho adiresina sary hafa ilay "img/top.jpg" etsy ambony. Izany sary izany moa dia tokony hirefy 760px x 183px mba hampipoitra azy. Raha ity sary ity* 'zao no tiana hasolo izany dia ity ny kaody ampidirina ao amin'ny toerana "fanovàna css" -n'ny blaogy : 

#header {
background:#fff url
(http://blogsimages.skynet.be/images_v2/000/012/764/20060504/dyn006_original_760_183_gif_12764_800d786f0ac5399dc95359aa87b45b51.gif
) no-repeat bottom;
height: 183px;
margin: 0 auto;
width:760px;
padding:0;
border:#fc9 0px solid;
}

 Dia toy izany hatrany. Marihina fa tsy ny sary ihany no toetoetra afaka ovaina fa ny halehibe (dimensions), ny toerany (position), ny loko fanambaniny raha misy, ny toetoetran'ny soratra, raha misy soratra ao, ets.

 Dia izay ;). Tsy mora ny manazava an'ilay izy moa ny tenanay koa tsy dia hoe mahay be, ka dia mety tsy hazava. Ity resako ity moa dia natao ho an'ny olona tena mbola tsy mahay mihitsy a :). Aza iomehezana raha efa tsisy dikany aminao Smile. Tsy natao ho an'ny oebmestra akory hihihi

*:sary notsiponiko teto amin'ny aterineto io fa tsy ahy a Cool. Hitako ho mirefy 760px - 183px dia notsiponiko hihihi.

CSS amin'ny teny gasy
2008/09/07,18:44

Vitsy amin'ny fanazavana informatika (vulgarisation) no amin'ny teny gasy. Noho izany dia ity mba apetrako eto ny css ampiasaiko amin'ity blaogiko ity, ary ataoko amin'ny teny gasy ny fanazavana tsotsotra.
Voalohany, ny CSS (Cascading Style Sheets, feuilles de style en cascade) dia teknika iray ahafahana manatsara endrika ny tranonkala iray, na blaogy iray. Isan'ny fomba fanoratra tsotra indrindra izy io raha oharina amin'ny html, javascript, sy ny sisa.
Ny tombotsoany lehibe dia ity : atao indray manoratra ny kaody css iray, ary dia mihatra amin'ny vohikala manontolo. Ohatra :  Raha html 'zao no nampiasaina mba hampiseho an'ilay sariko etsy ambony sy ilay sary voninkazo dia mila manoratra kaody html isaky ny pejy aho. Soa ihany fa azo ampiasaina eto amin'ny blaogy.com ny css ka dia ahafahako manoratra kaody css iray monja : 
 #Title {
        background:url(http://tokinao.blaogy.com/gallery/78/Toki1.jpg)
        #fff no-repeat;
        width : 770px;
        height : 138px;
}

Ary dia mipoitra foana izy io isaky ny manokatra pejy ato amin'ny http://tokinao.blaogy.com (pejin'ny tahirintsary, sns.)  ianao.
 Izay no ela fa ireto nyampiasaiko :

Ny kaody

Fanazavana

#Title {
       background:url(http://tokinao.blaogy.com/gallery/78/Toki1.jpg)
       #fff no-repeat;
       width : 770px;
       height : 138px;
}

Mampipoitra ilay sariko
etsy ambony, sy ilay sary ravina.

#Topmenu {
       background :  #fff        url(http://tokinao.blaogy.com/gallery/78/4700-nao.jpg)
       no-repeat;
       width : 565px;
       height : 110px;
       text-align : center;
       color : #895929;
       font-weight : bold;
}

 Mampipoitra ilay tapany ambany amin'ny sariko

#topic {
       width : 493px;
       height : 37px;
       background : #fff 
      url(http://img183.imageshack.us/img183
       /2307/bgtitlhc1.jpg) no-repeat;
       float : left;
       margin-left : 10px;
}

 background : Mampipoitra ilay sary maitso fanambanin'ny lohatenina lahatsoratra

body {
       color:black;
       background-color:white;
       background-image:url(http://tokinao.blaogy.com/get/78/mkar%20BgFAAFFAANA.JPG);
       margin:20;
       cursor : url(http://tokinao.blaogy.com/gallery/78/soavaly.ani);

scrollbar-3dlight-color:yellow;
       scrollbar-arrow-color:black;
       scrollbar-base-color:#CBFFCB;
       scrollbar-darkshadow-color:pink;
       scrollbar-face-color:#FF9595;
       scrollbar-highlight-color:lime;
       scrollbar-shadow-color:white;
       scrollbar-track-color:#DDFFE8;
}

 background-image : Raha fafaina ilay hoe "FAFANA" dia hisy sary hipoitra ho fanambanin'ny blaogiko (image de fond). Mbola tsy nahita sary anefa aho ka avelako ho diso aloha ilay kaody mba tsy hipotràny.
 cursor : io fomba fanovana ny kirsora
scrollbar : io no fomba fanovana ny lokon'ny fametrahan-kafatra
 
 

#Content {
       width : 600px;
       float : left;
       text-align : left;
       background : #fff        url(http://img250.imageshack.us/img250/2629/linevyq9.gif) right top repeat-y;
       color : #333;
}

background : io no fomba fanovana ilay sary mijadona ahitantsika ny sarin'i Mkara, sary gidro, ravinala, vorona. Ilay  "repeat-y" no mahatonga azy hiverimberina amin'ny fangitra faharoa (y-axis, axe desordonnées)

#calendar_title {visibility: hidden;}
#Title h1 {visibility: hidden;}
#syndicate_title { visibility : hidden; }
#Title h2 { visibility: hidden; }
#Topmenu h1 {visibility : hidden; }
#Recently {visibility: hidden;}
#recently_title {visibility: hidden;}
#links_title{visibility : hidden;}
#Links {visibility : hidden;}
#search_title {visibility: hidden;}
#Search {visibility: hidden;}
#archives_title {visibility: hidden;}
#Nextpost {visibility: hidden;}

 Ireto kosa no fomba fanovana, na fomba atao mba tsy hampipoitra ireo zavatra hafa maro ao amin'ny blaogy.
 hidden : tsy tiako hipoitra izy ireto satria : 

  • na teny vahiny,
  • na tsy ilaiko,
  • na teny diso (tsy tiako loatra no marina kokoa)

Ok! Raha nifidy ny endrika maitsokely (spring) ianao eto amin'ny blaogy.com dia mba andramo ampidirina ao amin'ny toeran'ny css ao amin'ny blaoginao ange reo e :). [izay blaogy nifidy ny endrika maitsokely ihany a! Mety tsy hety mantsy ny blaogy sasany raha tsy misy ovaina kely ireo kaody etsy ambony iretsy]. Ry news2dago zao afaka manandrana tsara hihihi

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype