Elaela izay tsy nidirako blaogy izay. Tsy sanatria nanadino akory fa dia sahirankirana nivezivezy. Tany amin'izay nalehako rehetra kosa anefa aho dia nieritreritra lalandava izay zavatra hataoko anatin'ity blaogy ity hatrany. Io moa dia aretina ( sa "drogue" hihihi ) ikambanana amin'ny mpanao blaogy rehetra. Ny nampalaelo ahy dia nisy ny fotoana tena naniriako fatratra hanaovana lahatsoratra nefa dia tratran'ny tsy fahafahana aho : dia ny tamin'ny 29 matsa izay andro lehibe ho antsika Malagasy. Ny manetsa be tokoa mbola ho avy hoy ny fitenenana e!
Eto dia asaiko ianareo hijery ny sary izay nalaiko tany am-pandehandehanana tany. dia tsy iniona fa :
Maty nahanton'ny tompon'andraikim-panjakana irakiana tamin'ny 30 desambra 2006 teo Andriamatoa Saddam Hussein, izay nofaritana ho "mpanao didy jadona" sy "mpitondra nahavita habibiana", rehefa avy nandalo fitsaràna. Marihina fa io andro namonoana azy io moa dia "fetin'ny ondry" ( jour des moutons ) ho an'ny silamo : izany hoe fahatsiarovana ny namonoan'i Abrahama ondry ho sorona atolotra ho an'i Allah : tantara voarakitra ao amin'ny Korano, sy baiboly izy io.
Hiverina amin'i saddam isika : nahavono "silamo shiita" sy korda maro izy fahavelony, ary nanao ankasoparana maro koa tamin'ireo firenena maro manodidina azy : Kowety, sy Iran. "Silamo sonita" moa ny lehilahy. Ka izany maha-"sonita" hiringiriny azy izany, mazava ho azy, no nitarika azy hanao habibiana maro toy izany, fahavelony. Ireo karazana silamo roa ireo moa, ( ny shiita sy ny sonita no tiko tenenina ), dia vahoaka arabo nifandrafy hatrany hatrizay : nanomboka tamin'ny fotoana nanendrena izay ho solon'ny "Mpaminany Mahomed".
Raha ny toetran'io lehilahy io izany no dinihana dia azo lazaina fa mety ahavitàna zava-dratsy tsy pesipesenina mihitsy ity fifandrafiana ara-pinoana ity. Soa ihany fa, ho antsika Malagasy dia haintsika ny miaina am-pilaminana tsara na dia samy manana ny finoany avy aza ny tsirairay. Asa ... izay tokoa angaha no vokatr'ilay fandalàna ny fihavanana ?!!!
Ireto misy teknika fanomezan'endrika ( fanaovana "mise en forme" ) ny hevitra ato amin’ny blaogy :
- Teny tianao hatevina :
Raha misy teny tianao hatevina ( “bold script” na “caractère gras” ) dia ataovy ao anatin’ireto balizy roa ireto : Rehefa tafapetraka moa ny hafatrao dia toy izao no hiseho : soratra tiana hatevina.
- Teny misompirana :
Raha misy teny tianao hisompirana ( “italic script” na “caractère en italic” ) dia ataovy ao anatin’ireto balizy roa ireto :. Rehefa tafapetraka moa ny hafatrao dia toy izao no hiseho : soratra tiana hisompirana.
- Fomba fidìnana andàlana :
Raha te-hidina an-dàlana moa dia soraty ny hoe .
- Raha te-hametraka rohy ianao :
Raha te hametraka rohy ianao amin'ny alalan'ny fanindriana teny iray dia manorata toy izao :. Ataovy eo amin’ny toeran’ny “www.rohy.com” ilay rohy tianao handehanan’ny mpanao aterineto ; ary ataovy eo amin’ny toeran’ilay hoe “tsindrio eto” ny teny tianao ho hita sy afaka tsindrin’ny mpanao aterineto.Ireo aloha no hitako fa azo ampiharina eto amin’ny blaogy. Fa raha mahita teknika hafa ianao dia isaorana mialoha mampahalala izany antsika. Raha sanatria ka misy tsy fihetezana kosa ireto nolazaiko ireo dia lazao anay koa .
Isan’ny vaovao faheno sy fahita matetika amin’ny haino aman-jery ankehitriny ny momba ny fidiran’i Torkia ao @ U.E. (Fikambanam-be Eropeana ). Betsaka tokoa ny manalasala raha ny momba izany no resahina :
Voalohany, raha ara-jeografika, dia eo anelanelan’I Azia sy Eropa izy. Ara-tantara moa dia tsy eropeana velively ny mponina ao Torkia : hatramin’ny taon-jato faha-15 dia ny fitondran’i “Contantin” no nisy tao, avy eo dia ny fanjakana Mongola ( royaume mongole ). Ny Fanjakana “Constantin” moa dia avy any Rosia, ary ny “Mongole” kosa dia avy any Sina ( Chine ).
Fanampin’izany dia silamo ny ankamaroan’ny torka ( turque ). Ry zareo eropeana kosa dia kristiana amin’ny ankapobeny, ary nanana kolo-tsaina nolovaina avy amin’ny grika sy Rômana. Izay no azo lazaina raha any ara-tantara, fiaviana, ary finoana no jerena.
Eo amin’ny lafiny foto-kevitra indray kosa dia mampiavaka an’I Torkia ny fandraisan’Anjara lehiben’ny tafika eo amin’ny fitondrana. Ohatra voalohany, dia ny fandraisan’izany tafika izany anjara hatrany isaky ny misy revolisiano, na fanonganam-panjakana. Ohatra faharoa, izay tsy adinon’ny eropeana sy ny mpanaraka tantara maro, dia ny fandarohan’ny tafika torka ny Armeniana tamin’ny taona 1915 . Araka ny hevitr’ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny Fikambambe Eropeana moa dia tsy afaka raisina ho mpikambana I Torka raha tsy miaiky izany famonoan’olona nataony izany. Manampy izany dia tsy dia azoazon’ny eropeana maro ny tsy famelàn’i Torka an’i Sipra mba hahaleo tena.
Isan’ny ahiahin’ny eropeana maro koa, raha toa ka ho raisina ho mpikambana i Torkia dia ity : noho ny fari-piainan-dry zareo mbola mareforefo, dia tsy haharaka mihitsy izay fanapahan-kevitra raisina ao @ Fikambanam-be Eropenana izy. Fanapahan-kevitra isan-tsokajiny no tiana tenenina eto : fanalalahana ny varotra, ady amin’ny fampiorohorona, fanarahana fenitra mba hahatsara laza ny vokatra eropeana, sns. Koa raha toa ka voaray ao anatin’ity fikambanam-be ity izany ry zareo dia ho betsaka ny mpifindra monuina torka no hameno ny Eropa. Ary hitombo ny salan’isan’ny tsy an’asa amin’ny firenena eropeana maro. Farany dia hanahirana ny eropena ny hiditra an-tsehatra amin’ny ady ao “Proche Orient” satria mety ho voakasika mivantana, na koa hanana ny tombotsoany manokana amin’izany i Torkia
Na izany na tsy izany aza anefa dia misy lafiny itiavan’ny firenena eropeana maro ny fidiran’I Torkia ho ao amin’io Fikambanam-be io. Voalohany, dia hahatonga ny Fikambana-be ho tsy mialon-jafy ara-pinoana izany. Faharoa dia ilain’ny firenena eropeana ihany ireo tanora maro tsy an’asa ao Torkia.
Ary mba manao ahoana I Madagasikara kely!
Raha any fijeriko manokana dia tombony lehibe ho antsika ny tsy izaràna sisin-tany amina firenena hafa. Hitantsika amin’i Torkia fa maro ny olana mety aterak’izany. : ady, fahatongavan’ny karazam-poko samy hafa tanteraka. Ny vahoaka Malagasy moa, raha tsahivina antsika, dia efa aman-jato taonany maro no niforona : dia avy amin’ny firaisan’ny ireo vazimba tompon-tany, ary koa ireo mpiavy maro isan-karazany efa ho taon-jato maromaro izay.
Saritanin'i Eropa sy Torkia :
Fototra :
- gazety "le monde",
- "les dessous de la carte" : fandaharana mandeha ao amin'ny fahitalavitra "Arte",
- fikarohana eto amin'ny aterineto.
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |