Nisy resaka naroson'olona izay tatsy @ dinika serasera, milaza fa : "Ry Tanindrazanay malala" hono dia natao akaiky kokoa ny hiram-pirenena frantsay "La Marseillaise"ary nahatsiaro tena "voatsindrona kely" mihitsy hono ny fony tamin'izany.
Tsy dia mitovy hevitra amin'izany loatra aho ka novaliako io lohahevitra io, ary nataoko dika-petaka ato ny valiny narosoko. Ny ekeko dieny ety am-piandohàna dia ny hoe "samy vokatry ny tantaram-pirenena, ary taratry ny vanim-potoana namoronana azy hatrany ny hiram-pirenena iray".
'Ndao ange ampitahaina ireo hiram-pirenena roa ireo e :
hiram-pirenena Malagasy : RY TANINDRAZANAY MALALA O!
I-
Ry Tanindrazanay malala ô
Ry Madagasikara soa.
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.
Fiverenana :
Tahionao ry Zanahary
'Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He sambatra tokoa izahay.
II-
Ry Tanindrazanay
malala ô
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo fanahy anananay
'zay sarobidy sy mendrika tokoa.
--->Fiverenana
III-
Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba
hitahiana anao,
Ka Ilay Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan'ny satanao.
--->Fiverenana
Ny teny hoe "malala", "fitiavana" amiko dia mitory fifikiram-po.Itarafana io fa olon'ny fo ny malagasy.
Ny hoe "doria", kosa dia milaza fanantenana alavitra be, izany hoe finoana. "Tahionao ry Zanahary" : milaza mivantana fa olon'ny finoana ny malagasy. Amin'ny- lafiny iray hafa koa dia mitory "tsy fahafaha-manotra" koa izy io, na koa fiantorahana amin'ny hery iray tsy takatry ny saina. "Bibilava hazan'olona hoy ny ntaolo, tsy tànana hamely, tsy tongotra hitsipaka fa Andriamanitra no andrasana".
Tsy hita taratra ao mihitsy izany hoe "herisetra izany", eny fa na dia ny "valifaty aza". Ary ny Ny Malagasy dia miandrandra fanavotana avy any amin'Andriamanitra (asa raha mbola voamarikareo izy eo @ fiainantsika ankehitriny) fa tsy amin'ny alalan'ny ady.
Ny mifanohitra amin'izany ady aza no zava-tra andrasantsika : diany fitalahoana hatrany amin'ireo vazaha, ny fiandrandràna fahagagana avy amin'ireo mpitondra (hitantsika taratra ity rehefa fotoanan'ny fampielezan-kevitra). Marihiko fa fandinihina faobe ity ka tsy marina amin'ny malagasy rehetra .
xxxxxxxxxxxxxxx--------------------------------xxxxxxxxxxxxxxx
hiram-pirenena frantsay : LA MARSEILLAISE
1er couplet :
Allons enfants de la Patrie,
Le jour de gloire est arrivé !
Contre nous de la tyrannie = ho toherintsika ny didin'ny be sandry sy ny fanjakazakàna
L'étendard sanglant est levé, (bis) = atsangana izao ny saina voahoso-drà.
Izany hoe : mahazo mandatsa-drà daholo isika.
Entendez-vous dans les campagnes = miparitaha ianareo any ambanivoitra
Mugir ces féroces soldats ? = ataovy izay hampikonaina ireo miaramila fahavalo
Ils viennent jusque dans vos bras = izay tsy misalasala manatona antsika
Égorger vos fils, vos compagnes ! = ary manapaka ny tendan'ny zanakareo sy vadinereo.
------->Refrain :
Aux armes, citoyens = raiso ny basy ry olom-pirenena
Formez vos bataillons = mamorona antoko mpiady
Marchons, marchons ! = andao andao
Qu'un sang impur = Mba ho rà maloto
Abreuve nos sillons ! = no hamelombelona sy hameno ny sahantsika.
Ajanoko eo @'io andininy voalohany io ny fandikàna sy fanazavana. Hita ao fa mifanohitra be amin'ny "Tanindrazanay malala ô" ny votoatiny :
Hita taratra ao ny finiavan'ny frantsay "hamaly faty" ireo fahavalony (izay ny anglisy tamin'izany vaninandro izany). Ireo teny maro, toy ny "rà" (sanglant), basy na fitaovam-piadiana"
(armes), kosa dia mitory fa "ny ady" na koa "famonoan'olona" dia
vahaolana andrandrain'ny frantsay mba hanavotany ny Tanindrazany. Fa
tsy ny fiandrandrana an'Andriamanitra toa ny antsika
Maro ireo teny maherihery na/sy mitory herisetra ao amin'ny andiny sasany, ka diniho ange e! Nataoko sora-matevina izy ireo.
Couplet 2 :
Que veut cette horde d'esclaves, : izany hoe andevony hono ireo mpanafika
De traîtres, de rois conjurés ? : sady mpamadika
Pour qui ces ignobles entraves,
Ces fers dès longtemps préparés ? (bis)
Français, pour nous, ah ! quel outrage : ry frantsay, fahafaham-baraka sy tsy azo leferintsika izany
Quels transports il doit exciter !
C'est nous qu'on ose méditer
De rendre à l'antique esclavage !
------->Refrain.
Couplet 3 :
Quoi ! des cohortes étrangères
Feraient la loi dans nos foyers !
Quoi !
ces phalanges mercenaires
Terrasseraient nos fiers guerriers ! (bis)
Grand Dieu ! par des mains enchaînées
Nos fronts sous le joug se ploieraient
De vils despotes deviendraient
Les maîtres de nos destinées !
------->Refrain.
Couplet 4 :
Tremblez, tyrans et vous perfides
L'opprobre de tous les partis,
Tremblez ! vos projets parricides
Vont enfin recevoir leurs prix ! (bis)
Tout est soldat pour vous combattre,
S'ils tombent, nos jeunes héros,
La terre en produit de nouveaux,
Contre vous tout prets à se battre !
------->Refrain.
Couplet 5 :
Français, en
guerriers magnanimes,
Portez ou retenez vos coups !
Epargnez ces tristes victimes,
A regret s'armant contre nous. (bis)
Mais ces despotes sanguinaires,
Mais ces complices de Bouillé,
Tous ces tigres qui, sans pitié,
Déchirent le sein de leur mère !
------->Refrain.
Couplet 6 :
Amour sacré de la Patrie,
Conduis, soutiens nos bras vengeurs
Liberté, Liberté chérie,
Combats avec tes défenseurs ! (bis)
Sous nos drapeaux que la victoire
Accoure à tes mâles accents,
Que tes ennemis expirants
Voient ton triomphe et notre gloire !
------->Refrain.
Couplet 7 (dit couplet des enfants) :
Nous entrerons dans la carrière
Quand nos aînés n'y seront plus,
Nous y trouverons leur poussière
Et la trace de leurs vertus (bis)
Bien moins jaloux de leur survivre
Que de partager leur cercueil,
Nous aurons le sublime orgueil
De les venger ou de les suivre
------->Refrain :
Dia izay . Fanadihadiana ihany ny ahy ... ka inona no hanampianareo azy ?
Ho fandraisana anjara amin'ilay lalao "aza ampijaliana ny tenintsika" izay fariparitan'i lapino, dia hosoratako eto ambany eto ireo fahadisoana mateti-pitranga rehefa manoratra. Marihiko fa ny teny ofisialy lazaiko eto dia marina tamin'i Tokinao nianatra malagasy farany (taona 1998). (mety ho resadresahiko eto ihany ny antony anamarihako an'io daty io, na dia efa natsipitsipiko tatsy amin'ny blaogin'i Pissoa aza). Izay no ela fa ireto avy izany :
1°- (napetraka androany zoma faha-28 martsa 2008):
*toy ny fa tsy toin'ny no fanoratra ofisialy.
*tahaka ny fa tsy tahakan'ny no fanoratra ofisialy.
*sahala ny fa tsy sahalan'ny no fanoratra ofisialy.
*ohatra ny fa tsy ohatran'ny no fanoratra ofisialy.
--> Raha fintinina dia tsy azo tovanana ireo teny ireo, ary tsy azo ovaina ho -y ny -a faran-teny.
2°- (napetraka androany asabotsy faha-29 martsa 2008):
*"sns." na koa "sy ny sisa" na koa "..." no ofisialy fa tsy "sns..." na koa "sy ny sisa..."("pléonasme" moa iantsoan'ny vazaha an'io fahadisoana io).
*Manao ahoana fa tsy manaôna, na koa manaona, sns.
- Aza ampifamadihana koa ireto : manatona sy manantona.
*manatona = Approach (uk) = s'approcher (fç). ohatra : manatòna aty fa horohiko ise, manatona dokotera i Bema fa marary, sns. Ny fototeny moa dia "hatona", ary milatsaka ny "h" rehefa asiana tovona [préfixe].
*manantona = to hang (uk) = suspendre (fç). ohatra : ahantòny ny akanjonao fa mafana ny andro, Nahanton-doha ilay mpangalatra rehefa tratra. Ny foto-teny dia "hantona", ary milatsakany "h" rehefa misy tovona.
- Fomba ahafantarana raha tokony hisy "h" na tsia ny fototenin'ny teny iray : karohy ny teny rehetra avy aminy (ataovy miverindroa, asio tovona [préfixe], sns.) na koa asio teny iray eo alohany mba hifampitohy aminy, ka raha misy "k" mipoitra ao dia misy "h" izany ilay fototeny.
ohatra :
*aingo sa haingo ? valiny : haingo no fanoratra satria fiteny ny hoe : "haingonkaingon-javatra"
*aina sa haina ? valiny : aina no fanoratra satria tsy fiteny ny hoe : fanomezan-kaina. fanomezan'aina no fiteny.
*ena sa hena ? valiny : hena no fanoratra satria toto-kena no fiteny fa tsy toton'ena. Mitadiava teny maro sao voafitaky ny hoe mopivarotr'ena izay diso . Mpivarotra hena no marina
Miala tsiny amin'i Hery fa efa voasoratro ity vao hitako ny azy izay mitovitovy amin'ny ahy . Tsy sahala anefa ny resakay fa mifameno.
([Lisitra mbola hiampy. Lainga lainga fa tsy mora ny teny malagasy :-) ].
Mahagaga tokoa, asa raha tsikaritrareo fa dia betsaka ireo vehivavy mora voasinton'ny vazaha! Misy amin'izy ireny ny tena avy amin'ny fitiavana madio, fa tsy io tranga io no horesahiko eto.
Misy ankizivavy roa izay any Mkara any, ary mazoto manoratra aty amiko 'zareo. Ny tena antony hanoratany moa dia ny hoe : mba hitadiavako vady hono . Ka dia nalefa ny sary, matetika koa dia lavalava ny taratasy satria nofariparitany tsara ilay olona tadiaviny, izay ahitàna ny hoe : "vazaha tsy dia reraka loatra fa mba manam-bola".
Dia tena vaka mihitsy aho isaky ny mahazo taratasy satria sarotra ho ahy ny hitady an'izany, ary tsy sahiko ny hampifandray azy amin'olona sao hiteraka fijaliana ho azy, ary izaho indray no homeny tsiny any aoriana. Manaraka izany dia talanjona aho,... dia ny resa-bola ve no hifantenana izay ho andefomandry e, sa koa ny lokon-koditra...sa ilay hoe hankaty an-dafy no tena lasa nofinofy tian-ko tanterahina ... asa loatra re.
Tena izany tokoa no amin'ilay lazain'ny hainteny hoe : "ny an-karo-misarona toa ho inona ihany". Ataon-draFahantrana mikaikaika ny malagasy, ka dia mitady izay fomba rehetra ialàna amin'izany. Koa dia heveriny ho tsara daholo izay fomba rehetra ahafahana miala amin'izany fahantrana izany, na koa izay fomba rehetra hanadinoana izay fahadisoam-panantenana mety ho nahazo azy fahiny.
Koa eto dia aleo mba hampatsiahiviko antsika zazavavy malagasy ny zava-dratsy mety hahazo anareo raha "miroboka tsy am-pieritreretana" ao anatin'izany fitiavana vazaha izany isika. Ny tsy fitovizam-pomba fijery eo amin'ny kolo-tsaina malagasy sy tandrefana (occidental) no tena hasiako resaka.
Aty an-dafy dia samy maka ho azy ny olona (individualiste), koa ho anao maniry hanambady vazaha sy te hanaraka azy aty an-dafy dia adinoy ny fomba fiainana arahina vangivangy sy serasera isan-takariva mampalaza antsika malagasy (marihiko moa fa i Tokinao rehefa miteny hoe malagasy dia ny tantsaha izay no tiany teneniny voalohany, ireo no maro an'isa tsinona ). manaraka izany dia tsy mitovy ny fomba fijery ny fanambadiana. Somary ho lalao ihany no handraisain'ny vazaha azy (fisaikaizàna na fi-sipàna) raha mbola tanora. Fa rehefa manomboka mahatratra ny faha-28 sy faha-30 taona any vao tena vonona hanorin-tokantrano ny ankamaroan'ny vazaha! jereo ato ny statistika.
Ka ny teniko dia ny hoe "diniho tsara ihany fa sao hanenenana". Lazaiko ary tsindrìko eto am-pamaranana koa anefa fa misy fanambadiana vazaha-gasy tena mahomby, sy miaina amim-pitiavana hatrany. Deraiko manokana ireny satria mahay mifampizatra sy mifandefitra tokoa na dia eo aza ny fomba fitaiza tsy nitovizana! Lehibe tokoa ny fitiavana ka mahavita zavatra maro .
*Ny iray amin'ireo ankizivavy roa lazaiko etsy ambony moa, rehefa tsy nahìtako izay notadiaviny, dia mifankatia amina vazaha iray izy izao, ka irìko mba hahasambatra azy hatramin'ny farany izany. Ilay tovovavy moa dia havana ihany fa noho ny fanajàko ny fiainany manokana dia tsy lazaiko eto ny rohy misy aminay.
Farany dia misaotra an'i Helisoa nanome aingam-panahy, hevitra no marimarina kokoa , tatsy. Mba tsidiho koa ange ny tranonkalany fa mahafinaritra e : http://rahelys.unblog.fr
Ho valin'ny lahatsoratra nosoratan'i "gazetyavylavitra" tao amin'ny blaoginy ity lahatsoratro ity : vakio ange ato e
Raha fintinina ny lazainy ao dia izao : tsikerainy ny gazety malagasy manao tsipelin-diso, sy tsy mandray fanakianana. Io lahatsorany io moa dia nametrahako fanamarihana, izay lasa lava be, ka dia aleoko koa nampidiriko ho lahatsoratro ilay izy
Miombon-kevitra aminy 100% aho!!! (mba tsy hitenenana hoe 200% toy ny "fihenam-bidy" any an-tanàna :-) ). Lavalava ity lahatsoratro ity ka dia zaraiko telo :
I- Ny fijeriko ny tokony ho andraikitry ny gazety,.
II- fomba fijeriko an'ilay mailaky ny gazety iray izay mamerin-kafatra ary ny
III- fanaovana tsinontsinona ny teny malagasy amin'izao vanin'androntsika izao
I°
Izaho dia tsy mba isan'irony nandalina teny na 'littéraire" irony, ary tsy mahafehy tanteraka ny teny malagasy. Nefa dia mahita diso marobe koa rehefa mamaky gazety malagasy. Aty ivelany aho ankehitriny, ary tsy hoe manindrahindra ny an'ny hafa fa : ny gazety vazaha dia vitsy no diso tsipelina (mba tsy ilazàna hoe tsy misy tsipelin-diso). Ka lasa ny eritreritro amin'ireo gazety malagasy hoe : iza ary no tadiavin'izy ireo hanaja ny teny malagasy raha tsy manomboka amin-dry zareo izany. Dia sanatria ve ka hatao toy ny valalan'alika izy ity.
Amiko mantsy dia isan'ny anjara asan'ny gazety (ankoatran'ny filazàm-baovao) ireto rantsa-mangaika (éléments) lehibe ireto :
II)
Momba ilay "mailaka gazety" izay mamerin-kafatra indray, amiko, dia :
- na "tsy fahafehezana ny imailaka" : raha misy voakitikitika manko ny baiko ao amin'ireny mailaka ireny dia mamerin-kafatra toy io izy.
- na koa "fanaovana an-tsirambina tsotra" izao : mampalahelo raha gazety malaza toy io no tsy mahatsapa fa ilaina ny fanakianana. Raha izaho no teo amin'ny toerany dia nampahereziko izay mpanakiana mba hazoto hitsikera hatrany.
( Tsy nanandrana nanoratra tany aho, fa dia mitoky tanteraka amin'i Avylavitra ny amin'ny fahamarinan'izany. ).
III)
Farany : izaho manokana dia mankasitraka tanteraka an'ireo gazety manoratra amin'ny teny malagasy, eny fa na dia "mbola" misy diso tsipelina aza ("mbola" hoy aho satria mino aho fa "afaka hatsaraina" izy io). Amiko dia tokony ampaherezin'ny fitondràna ny gazety mba hanoratra amin'ny teny "malagasy" : satria ireny no sehatra iray mampiseho ny maha-izy azy antsika.
Aty frantsa aho izao: ary tsy mbola nahita gazety amin'ny teny ankoatran'ny teny frantsay. Efa tany an-tany hafa koa ary dia nahatsikaritra an'izany hatrany. Rehefa any MKara anefa dia inona ? ... (hainareo ny zava-misy any : ny gazety miteny vahiny no betsaka, raha oharina amin'ny teny malagasy).
Rehefa miresaka toy izao aho dia misy ny manakiana foana hoe : ka ny teny malagasy ange ka tsy mahalaza hevitra e, ny teny malagasy ange ka tsy mampivoatra e : nosy ny tanintsika, sns. Izao anefa no tsy hain'ireny olona ireny, dia ny hoe : ny teny iray raha tiana hivoatra sy hatanjaka, dia ny olona mampiasa azy no tokony ho tia sy ampiasa azy voalohany.
Ny frantsay ankehitriny dia mirehareha fa manana ny teny iraisam-pirenena faharoa lehibe indrindra (manarakaraka ny teny anglisy). Raha zohìna anefa ny tantara dia vokatry ny fanjanahan-tany izany zavatra izany, ary mbola mitohy izany fanaparitahana ny teny frantsay izany amin'ny alalan'ny "fanalehibiazana ny vondron-tany miteny frantsay" (francophonie). Izany hoe : nanana ary manana finiavana lehibe ry zareo hanaparitaka sy hampanankarena ny teniny. Fahiny moa, ny teny frantsay dia tenina tambanivohitra na "langue barbare" : fony izy vao nisintaka tamin'ny latina (taon-jato faha-5). Fa dia niady ry zareo : izany dia nanomboka tamin'ny fampiasana ny teny frantsay tany am-pianarana, tany ampiangonana, ary tamin'ny gazety sy boky fianarana. Izany finiavana izany dia hitantsika amin'ny boky tahiry marobe, na koa eto amin'ny aterineto :
i Du Bellay, mpanoratra frantsay fahiny, moa dia nilaza mihitsy fa "te hampivoatra an'io teny frantsay io, izay tenina "tambanivohitra sy tsy misy dikany " ho lasa teny manana ny maha-izy azy".
Du Bellay veut faire de la langue française « barbare et vulgaire » une langue élégante et digne. Il lui faudra l'enrichir avec ses camarades de la Pléiade pour en faire une langue de référence et d’enseignement. Nalaina tao amin'ny: "Défense et illustration de la langue française" (wikipédia)
Koa ny hafatro dia ny hoe: aza afangaro ny anton-javatra syny vokany : diso ny hoe " tsy mahalaza hevitra ny teny malagasy ka tsy tokony hampiasaina loatra". Amiko dia "TOKONY HAMPIASAINA IZY IO MBA HAMPIVOATRA AZY, ARY HAHATONGA AZY HO TENY MATANJAKA".
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |