Tokinao

Ankamantatra vinaninany ;-) ?
2011/06/17,10:24

Ankamantatra vinaninany Laughing :

Nankao amin'ny tranonkalan'ny lemizo.com (jereo etsy ambany ny momba ity site ity, fa aza andramana sokafana eto amin'ny aterineto) aho teo, ka nanontany azy hoe : iza avy no blaogera mavitrika 'zao ? Dia ity no navaliny ahy :

"Tokony hiresaka ny avy eto an-toerana ary tsy hibetroka na hitoraka blao izay mahery. Tsiky dia ampy ho fialamboly ka ndao mba hiara-mita fa ny aro fanin'io zao dia ho dangy raha vao torahana paiso gasy."

 

Ny momba ny lemizo.com :site extraterresetre izy io, izany hoe tsy hitanao eto @ aterineto. Ny teny hoe "lemizo" dia kilalao fanaon'ny namanay taloha : rehefa avy manonona anaran'olona dia tsy maintsy miteny hoe lemizo raha tsy izany dia voa-daka vody, ary rehefa avy miteny ratsy dia miteny hoe "dôty".

Koa ny site lemizo.com koa dia tsy mahazo manonona anarana blaogera mihitsy, fa raha te hanondro olona izy dia ataony ankolaka. Noho izany, iza àry hono no blaogera mavitrika ? hihihi.

 

 

 

 

 

 

valiny : jereo ato

Iriko fa tsy hahatezitra olona ity ... satria lalao fotsiny. Sa ahoana ... pissoa ?  Wink

Mbola hiresaka politika tokoa ve?
2011/06/14,21:58

Samala daholo,

Avy namaky ny lahatsoratr'i Jentilisa aho teo (izay mitondra ny lohateny hoe : Mbola Hiresaka Politika Ihany Ve?) , ka dia tafamaky indray ity tononkalon'i Rado ... izay zaraina ho antsika ity :

BOBOKA AHO RY TANINDRAZAKO

Boboka aho ry tanindrazako
Ka avela ianao ho eo
Ka izaho sy ny hazakazako
Handositra fa efa leo 
‘Zato fahorianao
Sy ny fijalianao
‘Zay nanjary fahoriako
Ary lamba fitafiako.

Aiza ve k’izaho irery
Sisa no natao hijery
Izato endrikao mirava
Sy ny hasoanao voarava ?
Fa ny maro dia efa tola :
Ao ny lasa babom-bola
Tao ny reraky ny tolona
Ka nahazo famololona
Tao ‘reo lasana sahady
Fa trotraky ny lazon’ady
Tao ireo tsy nahasehaka
Resin’horaka sy tehaka
Nisy matin-kenamaso
Tamin-tsiri-tsaramaso
Tao ‘reo lavo tsy tafarina
Nivaro-bob’irony marina

O, mihidy izao ny vazako
K’eo hianao ry taninndrazako
Avela hianao ho potipotika
Avela hianao ho rotidrotika
Izay mianjera avela hianjera
Izay te-hitsetra anao : mitsera
Lasana aho, Veloma hianao
Izay mitranga : anao ny anao

RADO

 Misaotra antsika

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype