Tokinao

Ny teny malagasy : ampiasao.
2008/01/23,20:23

 

Ho valin'ny lahatsoratra nosoratan'i "gazetyavylavitra" tao amin'ny blaoginy ity lahatsoratro ity : vakio ange ato e

Raha fintinina ny lazainy ao dia izao : tsikerainy ny gazety malagasy manao tsipelin-diso, sy tsy mandray fanakianana. Io lahatsorany io moa dia nametrahako fanamarihana, izay lasa lava be, ka dia aleoko koa nampidiriko ho lahatsoratro ilay izy

 Miombon-kevitra aminy 100% aho!!! (mba tsy hitenenana hoe 200% toy ny "fihenam-bidy" any an-tanàna :-) ).  Lavalava ity lahatsoratro ity ka dia zaraiko telo :
I- Ny fijeriko ny tokony ho andraikitry ny gazety,
.
II- fomba fijeriko an'ilay mailaky ny gazety iray izay mamerin-kafatra ary ny
III- fanaovana tsinontsinona ny teny malagasy amin'izao vanin'androntsika izao

Koa dia mazotoa mamaky e Smile!


       
Izaho dia tsy mba isan'irony nandalina teny na 'littéraire" irony, ary tsy mahafehy tanteraka ny teny malagasy. Nefa dia mahita diso marobe koa rehefa mamaky gazety malagasy. Aty ivelany aho ankehitriny, ary tsy hoe  manindrahindra ny an'ny hafa fa : ny gazety vazaha dia vitsy no diso tsipelina (mba tsy ilazàna hoe tsy misy tsipelin-diso). Ka lasa ny eritreritro amin'ireo gazety malagasy hoe : iza ary no tadiavin'izy ireo  hanaja ny teny malagasy raha tsy manomboka amin-dry zareo izany. Dia sanatria ve ka hatao toy ny valalan'alika izy ity.
    Amiko mantsy dia isan'ny anjara asan'ny gazety (ankoatran'ny filazàm-baovao) ireto rantsa-mangaika (éléments) lehibe ireto :

  1. mitaiza ny tanora ( sy ny vahoaka amin'ny ankapobeny ) : amin'ny fomba fiteny sy fanoratra, ary amin'ny maha-olom-banona, ary koa ny
  2. fampivoarana sy fanindraindràna ny tenim-pirenena.

II)
Momba ilay "mailaka gazety" izay mamerin-kafatra indray, amiko, dia :
- na "tsy fahafehezana ny imailaka" : raha misy voakitikitika manko ny baiko ao amin'ireny mailaka ireny dia mamerin-kafatra toy io izy.
- na koa "fanaovana an-tsirambina tsotra" izao : mampalahelo raha gazety malaza toy io no tsy mahatsapa fa ilaina ny fanakianana. Raha izaho no teo amin'ny toerany dia nampahereziko izay mpanakiana mba hazoto hitsikera hatrany.

( Tsy nanandrana nanoratra tany aho, fa dia mitoky tanteraka amin'i Avylavitra ny amin'ny fahamarinan'izany. ).


III)
        Farany : izaho manokana dia mankasitraka tanteraka an'ireo gazety manoratra amin'ny teny malagasy, eny fa na dia "mbola" misy diso tsipelina aza ("mbola" hoy aho satria mino aho fa "afaka hatsaraina" izy io). Amiko dia tokony ampaherezin'ny fitondràna ny gazety mba hanoratra amin'ny teny "malagasy" : satria ireny no sehatra iray mampiseho ny maha-izy azy antsika.

       Aty frantsa aho izao: ary tsy mbola nahita gazety amin'ny teny ankoatran'ny teny frantsay. Efa tany an-tany hafa koa ary dia nahatsikaritra an'izany hatrany. Rehefa any MKara anefa dia inona ? ... (hainareo ny zava-misy any : ny gazety miteny vahiny no betsaka, raha oharina amin'ny teny malagasy).

       Rehefa miresaka toy izao aho dia misy ny manakiana foana hoe : ka ny teny malagasy ange ka tsy mahalaza hevitra e, ny teny malagasy ange ka tsy mampivoatra e : nosy ny tanintsika, sns. Izao anefa no tsy hain'ireny olona ireny, dia ny hoe : ny teny iray raha tiana hivoatra sy hatanjaka, dia ny olona mampiasa azy no tokony ho tia sy ampiasa azy voalohany.
       Ny frantsay ankehitriny dia mirehareha fa manana ny teny iraisam-pirenena faharoa lehibe indrindra (manarakaraka ny teny anglisy). Raha zohìna anefa ny tantara dia vokatry ny fanjanahan-tany izany zavatra izany, ary mbola mitohy izany fanaparitahana ny teny frantsay izany amin'ny alalan'ny "fanalehibiazana ny vondron-tany miteny frantsay" (francophonie).  Izany hoe : nanana ary manana finiavana lehibe ry zareo hanaparitaka sy hampanankarena ny teniny. Fahiny moa, ny teny frantsay dia tenina tambanivohitra na "langue barbare" : fony izy vao nisintaka tamin'ny latina (taon-jato faha-5). Fa dia niady ry zareo : izany dia nanomboka tamin'ny fampiasana ny teny frantsay tany am-pianarana, tany ampiangonana, ary tamin'ny gazety sy boky fianarana. Izany finiavana izany dia hitantsika amin'ny boky tahiry marobe, na koa eto amin'ny aterineto :

i Du Bellay, mpanoratra frantsay fahiny, moa dia nilaza mihitsy fa "te hampivoatra an'io teny frantsay io, izay  tenina "tambanivohitra sy tsy misy dikany " ho lasa teny manana ny maha-izy azy".

Du Bellay veut faire de la langue française « barbare et vulgaire » une langue élégante et digne. Il lui faudra l'enrichir avec ses camarades de la Pléiade pour en faire une langue de référence et d’enseignement. Nalaina tao amin'ny:  "Défense et illustration de la langue française" (wikipédia)

 Koa ny hafatro dia ny hoe:  aza afangaro ny anton-javatra syny vokany : diso ny hoe " tsy mahalaza hevitra ny teny malagasy ka tsy tokony hampiasaina loatra". Amiko dia "TOKONY HAMPIASAINA IZY IO MBA HAMPIVOATRA AZY, ARY HAHATONGA AZY HO TENY MATANJAKA".

Misaotra tompoko :-).
2007 an-tsary
2008/01/11,16:19

Taona vaovao indray isika ity ... na dia tsy niova aza ny zava-drehetra. Izaho moa dia mbola hametraka ny sariko sasantsasany tamin'ny 2007 Cool. Tsy dia hita tsinona izay ho resahina ka dia io aloha no aroso e. Ka dia ankafizo e ... Sary efa nalaina tamin'ny fialan-tsasatra 2007 izy ireto. Mba nahita tany vitsivitsy aho, ary naka samy maromaro ( mba tsy ilazàna hoe : be dia be Wink ).

Ny dia natao moa dia : Marsey ->Môskoa ->St Petersboro ->Vladivôstôka ->Tokyo ->Marsey ->Ivato (via La Réunion) ->Marsey

 

Efa nolazalazaiko tatsy ambadika tatsy ambadika tatsy ihany ny momba izany.

 

--> Tsindrio eto dia ho hitanao ny tahirin-tsary tany Rosia.

Tao Petersboro moa dia maromaro koa ny sary azo ka dia nanaovako tahirin-tsary hafa mihitsy : tsindrio ange eto e.

 Ho hitanao koa :

  1. Tokinao an'habakabaka Japana-Frantsa (sary 37)
  2. Tokinao an'habakabaka Mkara-Frantsa via LaReunion
  3. Sidina LaReunion-Frantsa 2007 
  4. Sary 10 tany aminay (Mkara), ary
  5. Sary 17 nosambosamborina tao Imerina 2007.

Dia izay ny anio fa dia misaotra e.

Saika adino : niova fiaramanidina indray ny tenanay ka dia napetrako koa ny sary : jereo fiaramanidin'i Socota.

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype