'Zao ndray vao tafa-blaogy ô!!
Efa ho iray volana no nahatongavako avy any M.kara, nefa izo vao tafanoratra ato amin'ny blaogy: tsy hita fa sahirana e . Ny zavatra afaka tantaraina dia maro satria betsaka ny zavatra hita tany.
Ny lehibe indrindra dia ny fanatrehana ny Lalaon'ny nosy. Izaho sy ny namana iray mpanao blaogy eto mihitsy moa no niara nijery ny fanokafana azy io. Ka dia nahafinaritra mihitsy. Manaraka izany dia nanararaotra nandehandeha satria efa ela izay naniriana hahita an'i M.kara izay : ny tena tiako dia ny nandeha tany amorondranomasina, sy ny nandeha tany ambanivohitra. Tena kanto ilay mahita tendrombohitra malagasy, ireto tanety midadasika aman'hektarany (toa an'i Tampoketsa, sns), ireo mponina ao : izay samy manana ny fomba fiainany sy firòkiny. Eny fa na dia ny mahita ireo trano bongo sy falafa aza, ireo tambohon'ny ntaolo any ambanivohitra, ny mandinika ny fiainan'ny tantsaha : ny mpiandry omby, sns. Hitako ho nahazo tsirony ery aho.
Amin'ny ara-tsakafo moa dia natao izay nahafa-po : mofo gasy, "caca pigeon", lasary manga, mokonazy, sns hihihi Im-betsaka no saika narary kibo nefa tsy mampaninona izany hoy aho : impiry hihinana an'itony anefa e .
Ankoatra an'ireo zavatra nahafinaritra ireo dia nisy koa ny mampalahelo : dia ny fahantrana izay mahazo ny malagasy. Lafo ny vidin'entana, nefa ny vola miditra kely. Betsaka ireo tsy an'asa, ireo miasa anefa dia kely karama : ny mpiasan'ny "zone franche" izao dia misy mikarama 60.000Ar (300.000fmg). Inona anefa izay izany rehefa esorina ao ny vidim-bary, ny fanafody raha marary, sns. Izaho aloha dia malahelo e! Eto aho dia mahatsiaro an'izay sarin-teny nataon'ny vazaha iray izay raha mahita ny fahantran'ny gasy, hoy izy : "fa dia ahoana loatra ny hafetsen'ny malagasy e : ahoana no mbola ahavelomany amin'izao tsy fisiana mahazo azy izao ?", raha jerena tokoa mantsy dia efa ambanin'ny "seuil de survie" isika. Hoy ny olona iray ao amin'ny wikipédia :
"Selon le seuil de pauvreté de 1 dollar par jour en PPA 1985, la majorité des pauvres se trouvent en Asie du sud (39%), Asie de l'est (33%) et en Afrique sub-saharienne (17%). Les pays comptant plus de la moitié de leur population sous le seuil de pauvreté sont: Guatemala, Guinée-Bissau, Inde, Kenya, Lesotho, Madagascar, Népal, Niger, Sénégal, et Zambie."
Marina fa efa tamin'ny 1985 io, nefa mbola tsy niova io raha ny fandinihako : latsaky ny 2.000Ar mantsy ny karaman'ny lehilahy mpiasa tany ao anatin'ny iray andro ao Imerina ao. Ara-tsiantifika dia tokony tsy ho velona intsony ny olona tsy ampy sakafo toa antsika Malagasy. Izaho manokana moa dia efa hatramin'ny nahakely aho dia tsy haiko ny tsy hijery ireny fahantran'ny olona ireny, eny fa na dia tsy mbola nahakasika ahy aza izany. Ary isan'ny tanjoko ny hanampy azy ireny amin'ny famoronana asa rahatrizay ka tafaverina any an-tanindrazana aho.
Manaraka izany: isan'ny nahakivy koa, dia ny habetsaky ny risoriso any amin'ny ministera : ao amin'ny Topo sy Domaine indrindra indrindra. Raha sendra niditra tao aho, ka nankeo amin'ny "fandraisana" dia tsy noraisin'ny tompon'andraikitra velively. Arirarirany amin'ny hoe : miandrasa kely, sns aveo dia asainy miverina afaka 15 andro. Reko taman'olona avy eo (ary efa haiko ihany taloha ) fa tsy maintsy mahalala olona raha te hanao zavatra ao. Dia mbola mampalahelo tokoa e. Ny mba mahagaga ahy dia ireto :
- Malaza ho mivavaka ny malagasy (ary izany rahateo koa no tsapa aloha e, raha oharina amin'ny tandrefana mazava ho azy). Ny mahagaga anefa dia tsy hita taratra mihitsy izany any amin'ny sehatry ny asa. Ka mba lasa ihany ny saiko hoe : "am-bava fotsiny ihany ve ity fivavahan-draMalagasy ity raha izao no dinihina, ary fomba fotsiny ve ilay fankanesana any am-piangonana". Sa ahoana hoy nareo ?
- Manaraka izany : reko tamin'izaho taty Frantsa fa efa miasa ny BIANCO. Toa fomba fiasan'izy io hono ny midina mankany amin'ny ministera ary mitily raha manao kolikoly ny mpiasa iray. Mody mandefa olona hìla "service" any izy ary mitsapa raha manao kolikoly ilay mpiasa. Ka raha io no ampiharina amin'iretsy ministera roa nolazaiko tetsy ambony ireo dia ho betsaka ireo ho voagadra. Koa lasa saina aho hoe : maninona no dia hodian'ilay Bianco tsy hita ireo zava-mamoehitra ao amin'ireo ministera ireo. Sa kosa, sao ny ao amin'ilay Bianco no tokony hodiovina voalohany ?
Dia izay ny anio fa mangataka anareo hilaza hevitra e. Misaotra ô
« | Novambra 2007 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | ||||
4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |