Tokinao

Apetrako kely ianao RaNety :-).
2008/04/04,20:08



Ry sampikely mahay raha,
vatakely ahafantaran-javatra,
omeo ahy ity, dia nomenao,
lazao ahy itsy, dia nolazainao.
Tonga anefa ity ny fotoana,
hiatòn'ny fanompoako anao sesehena.

Ry paoma eo an'ivon'i edena,
izay indrisy fa saba-droa lela,
ialàko ianao, isintahako,
satria maro ireo voly,
mbola miantso ahy ao an-tsahako.

mandrapihaona kely ry aterineto sakaiza hatrizay,
satria injao ny andraikitro, ny havako, sy ny ho aviko
izay miantso mafy anay.

Ratoky zoma 04/04/82

 

Noho ny ny adidy aman'andraikitra, dia tsy afaka hanao aterineto sy hiblaogy i Tokinao atoato. Misaotra anareo namana sy mpitsidika hatrany anefa. "Internet on stand by" hoy ny vazaha Wink.

 

Ialàn-tsiny koa ny fikorontanan'ny blaogy fa misy ny olana ny CSS-ny.

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype