31/03/09 :
Ho fanohanako ilay lahatsoratr'i randria2009 : izay nilazany (na koa nampahatsiahiviny) ny vono moka nataon'ny frantsay tamin'ny 29 martsa 2009 dia indro apetrako eto ity horonantsary ity :
Raha tsy mandeha ny horonantsary etsy ambony dia midira ato mivantana.
29/03/09 :
Ela ny ela ka sendra olona tia mihira, sy tia ny gadon-kira tiako aho, nanomboka nihirahira izahay omaly hariva ary efa hira 6 sahady no voarakitra ho anaty solosaina. Na izany aza, dia aleo ho ity "Zanahary ô, tahio ny Tanindrazanay" ity ihany aloha no hozaraina amintsika anio : ny antony dia ho fahatsiarovana ny 29 martsa 1947 (62 taona lasa izay). (tsindrio ilay rohy etsy aloha : dia hisokatra ny varavarankely misy feo mp3 maharitra 1'55 ary milanja 400Ko) : (->mba ilazao ange aho raha mandeha io player io azafady).
Tonony :
Zanahary ô tahio Ny Tanindrazanay
I- Zanahary ô tahio ny Tanindrazanay,
Handroso lalandava,
Handry fahizay.
Enga anie hanjaka ao
ny saina mahay miray,
Dia ho tany sambatra ilay Madagasikaranay
II- Ireo mpitondra anay arovy lalandava koa,
Toloro saina hendry, kinga sy mahay.
Ka ny marina anie no
mba hanjaka ao tokoa,
Dia ho tany sambatra
Ilay Madagasikaranay
III- Ny taranakay tahio ho
vanona tokoa ;
Ireo no solofo,
dimby rahatrizay.
Mba ho tena mahatoky,
feno fahendrena koa,
Dia ho tany sambatra
Ilay Madagasikaranay.
noforonina sy narindran'i G. Ramiarison.
Ara-tantara kosa :
Noforonin'i G. Ramiarison ity hira ity tamin'ny taona 1919 ary isan'ny saika hatao ho hiram-pirenena (miaraka amin'ilay "Ry Tanindrazanay malala ô"). Ara-lova-tsofina dia : tsy tapaky ny malagasy teto an-tanindrazana izay hatao hiram-pirenena amin'izy roa ireo. Ka ny depiote malagasy tany am-pita no nasaina nisafidy. Dia ilay "Ry Tanindrazanay malala ô" no lany. Misy moa no milaza fa lafrantsa no nanapa-kevitra. Ary naleony izay heveriny ho mitovitovy kokoa amin'ny "ilay vehivavy marseiezy". Amiko manokana dia tsy midika velively izany fa nalain-tahaka ny "Ry tanindrazanay malala ô". Ny tsara ho tsiahivina dia fahaleovan-tena sarintsariny no antsika tamin'izany fotoana : satria na dia i Philbert Tsiranana aza dia
napetraky ny frantsay fa tsy nofidiam-bahoka.
Ho fehiny dia olon-droa no nihira azy io. Ny manana sofina mozikaly dia hahita kilema majinijinika, nefa dia ataovy toy ny mihina-poza e : ankafizina na dia be faikany. Tsy nisy famerenana koa taloha'ny fandraisam-peo fa tonga dia natao ady vomangan'Ikirijavola ka ny voamasony no nopotsirina :). Aleo ho hatreo ny ohabilana sao hiteniteny foana ny hiafarako .
Tsikeran-tena :
Apetrako ity mba hanakianako ny feonay. Izaho manko tsy mba mety afa-po izany mihitsy amin'ny hirako. Ngah hita fa ratsy feo nefa te hihira e . Koa ireto àry ny hitako ho tsinin'ny feonay :
1°-tsy heno tsara ny feoko (basy sy tenor).
2°-misy vanineny diso kely ny an'i Noro : "fahizay" fa tsy "fehizay"
3°-msy naoty diso madinidinika kely.
dia miandry ny tsikera avy aminao koa e :).
Eny, nahateny vazaha mihitsy RaToky noho izao zava-miseho eo amin'ny firenena izao. Tsy noforoniko anefa io lohateny io fa tenin'i Lénine "Teorisianina sosialita malaza". ( nasosoko anio 8aprily2009 : Azoko antoka fa diso tsipelina izy io satria boky amin'ny teny malagasy no nangalàko azy, ary noezahiko navadika ho teny rosiana).
Raha resahina fohy ny fankasitrahako io teorisianina malaza io, dia izao : isan'ny nanandratra avo ny sosialisma izy tany am-panombohan'ity firehan-kevitra iray ity. (izay fomba fitondrana amim-piraisankina : miasa ho an'ny tanindrazana daholo ny tsirairay, ary avy eo dia zarain'ny fanjakana ny tombony). Na dia tsy nahomby aza io petraka nataony io dia hitako ho mifono fahamboniana tanteraka. Ny tsy nampahomby azy moa (araka ny fijeriko) dia noho ny antony maro :
- alaim-panahy hanararaotra ny mpitondra,- tsy mazoto loatra mba hivoatra ny mponina satria tsy ho azy mivantana ny tombontsoa.
- sns.
Hatrany am-boalohany anefa dia tsy ireo mihitsy no nokasain'i Lénine, fa ny mba hahavitana asa goavana (ny firaisan-kina mantsy no hery), ary ny mba hikarakaran'ny Fanjakana ny tsirairay.
Tsetsatsetsa tsy aritra ihany iny resaka "Lénine" iny. Fa hiverina amin'ilay fehezanteniny etsy amin'ny lohateny aho : rehefa nandinika ny fivoaran'ny tantaran'ny vahoaka maro maneran-tany i Lénine dia nahita fa "ny ady dia manafaingana ny tantara". (Izany hoe fahatsapana ihany no nataony fa tsy mamporisika velively ny olona hiady akory izy).
Izaho manokana dia mbola mahita fa tena marina io fehezanteny io, satria :
- raha tianao ny hampanan-javatra anao "haingana", dia mangalara, sy manaova fandrobàna. Mba tsy ahafahan'ny tompon-javatra hiteny fotsiny dia: mila matanjaka sy be sandry ianao.
- raha tianao ny ho lasa mpitondra ao anatin'ny fotoana fohy, dia mampiasà hery sy fanonganam-panjakana. Ary mba hahatonga izany hetsika izany hahomby dia entano sy fitaho ny vahoaka mba hanohana anao. Ataovy izay ahazoana ny fanohanan'ny firenena mikambana, eny fa na dia fanambaràna tsy ampiheverana aza izany.
Boribory tokoa ry 'zareo ny tany, ary na dia miova aza ny taon-jato iainana, na dia nivadibadika aza ny arivotaona maro, dia toa miova endrika fotsiny kosa ireo fomba fiainana ratsy : dia ny fomba fanaovana didin'ny be sandry, ny fomba fanararaotana, sns. Taloha manko raha mikasa hanitatra ny fanjakany ny mpanjaka iray, dia mila manafika ny foko manodidina azy. Ankehitriny kosa, raha te ho mpitondra ny olona iray, dia mila manongam-panjakana fotsiny : tsy misy foko havory sy hatambatra intsony fa tonga dia mandray vita :).
Tsy mahagaga, raha io no jerena, ny zava-misy ankehitriny ao Madagasikara. Ny mahagaga dia, ny tsy hisian'izany intsony any aoriana any : Tena ho fahagagana lehibe miposaka ao Madagasikara.
Kely fotsiny moa sisa no saika tsy anoratako ny votoatin'ity lahatsoratro ity amin'ny teny gasy. Ny tenim-pirenena iray manko dia reharehan'ny tompony. Io teny io no mampiseho fa vahoaka lehibe sy manana ny maha-izy azy ny vahoaka iray. Ankehitriny anefa dia tsapako fa resaka be fotsiny ireo heverina ho reharehan'ny Malagasy :
- ny fihavanana : resaka fotsiny io amiko, satria mbola misy ny fanavaham-poko ao Madagasikara. Disoy aho raha misy milaza ny mifanohitra amin'izany ireo mpandehandeha ao Madagasikara. Aleo koa hono very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola" hoy i Besapaka ao amin'ny bokin'ANDRIAMANGATAHIANA izay, satria "ny havana mandany vola"
- ny firaisan-kina : tena tsy hita taratra intsony, ankoatran'ireo mbola manao valin-tànana any ambanivohitra. Raha mba hita taratra ihany kosa, dia vao mainka ratsy satria: miray hina hiady sy hifamono fotsiny.
- ny fahaizana mandray vahiny : misy ihany izy ity ... fa ny fijeriko dia satria noho ny mampahantra ny Malagasy no antony mahasariaka azy amin'ny vahiny. Jereo ange ireny mpivaro-tena tsy mila gasy ireny e! Ny vola no tena tiana ho azo.
Aleo taperiko eo ny lisitra satria ...
te hatory aho :).
Eny, misy fomba mahomby mety ho ilain'ny mpiandry omby ity arosoko anareo ity; koa dia mazotoa mamaky daholo e! Tsoriko eto am-boalohany aloha fa betsaka ny tsaho miely ankehitriny, ary mba tsaho foroniko koa ity manaraka ity hihihi. Ady ankehitriny izany milaza vaovao izany, koa iangaviako ianao izay marary fo tsy hamaky izay soratako manaraka eto.
Hiditra amin'ny votoatiny isika. Ny tanjoko amin'iretsy teny fampidirana etsy ambony iretsy moa dia ny hamakianao ny redirediko hihihi. Mahomby kosa a?!! hehehe
Izao àry: nandritra ilay fotoana nifanarahana fa hitsaharan'ny tolona (na "niatòn'ny tolona" raha izay no tianao kokoa), dia niely ny filazàna fa nisy olo-malaza telo izay tapa-kevitra fa hiara-hiala sasatra kely, ka mba nankany atsimon'i Madagasikara. Tsy iza moa izany fa i "valo", i "roa", ary i "iray" (iray monja) :
Dia roso àry ny dia. Ireny fiara 4x4 ireny moa no notaingenana.
Rehefa tonga tao Isalo (any akaikin-dry Kitjo hihihi. namana mpiblaogy izay efa tranainy) ry 'zareo dia nisy omby marobe nibahana ny arabe. Niandry ka niandry ry zareo, fa dia tena nibodo arabe ny anao biby.
Farany dia velom-pitenenana i "valo" :
- "Ry roa a! Ndehana leiroa mba roahy ireo fa toa ho tapitra eto ampiandrasana eto ny fialan-tsasatra a!"
Dia nidina ny fiara i Roa ary nanao izay ho afany tao mba androahina ilay omby marobe.
Indrisy anefa fa dia nitokona hatrany ireo omby. Nobahanany hatrany ny làlana. Ary dia niverina tao amin'ny 4x4 i Roa.
- "Fa dia ahoana loatra no nataon'ialahy no tsy nahavoaroaka an'ireo biby ireo ialahy e?!" hoy i Valo.
- "very hevitra aho" hoy Roa. Hoy ihany izy nanohy : "Betsaka ny tetika nampiasaiko fa tsy nahomby avokoa" "Efa nampitahoriko mihitsy ry 'zareo hoe : Manome baiko aho ... euh ...toromarika mantsy e! mialà eto amin'ny arabe ianareo raha tsy izany dia asaiko doran'olona ... fa dia tsy nampiala azy ireo izany". tsss
Koa dia hoy i Valo : "ialahy koa tena tsy ampy tetika mihitsy". "Ao hanaovako azy" hoy izy. Dia nidina avy tao amin'ny fiara i Valo, ary nanao tetika isan-karazany.
Fa dia eeee
Nitokona hatrany ireo omby. Nobahanany hatrany ny làlana. Ary dia niverina nankao amin'ny 4x4 i Valo.
- "Zah ange l'ty efa nilaza tamin'ialahy fa sarotra roahina ireo omby ireo e!" hoy i Roa.
- "very hevitra aho" hoy Valo. Hoy ihany izy : "betsaka ny tetika nampiasaiko fa tsy nahomby avokoa" "Efa nampitahoriko mihitsy ry 'zareo hoe : ataoko tery omby tokoa ange ny nononareo izay mbola mijanona eo e!. Hanaovako aorta boara tsaratsara mihitsy". Ny omby vavy mazava ho azy no tena mampitahoriko tamin'io hoy i Valo hihihi". Fa dia eeee
Koa dia nifanakiana teo izy roalahy. "Izaho no lazain'ialahy ho izao sy izao, nefa kay ialahy tsy mahay akory, sns."
Farany dia niteny i Ray : "mangiana ialahy isany, ary aleo anaovako azy". Dia nivoaka avy tao amin'ny fiara i Ray.
Inona tokoa hoy 'nareo!! "Fehezanteny iray monja" no noteneniny, ary avy hatrany dia nitsoaka, tsy hita popoaka ireto omby.
Rehefa tafaverina tao anaty 4x4 moa izy dia tsy andrin'i Roa sy Valo mihitsy ny hahafantatra ilay fehezanteny mahomby amin'ny fandroahana omby.
Inona hoy 'nareo ilay fehezanteny?
.
.
.
.
(etsy ambanimbany ny valiny. Mba mikaroha aloha )
.
.
.
.
(etsy ambanimbany kokoa e )
.
.
.
.
Tsy inona akory ilay fehezanteny fa ny hoe :
"Iza aminareo no mazoto hataoko minisitra?" hehehehehe
Tapitra.
Tapitra ho'ahy ô! Ny hany ampahatsiahiviko dia ny hoe :ato amin'ny sokajin-dahatsoratra "hatsikana" ity lahatsoratra vakianao ity ;).
« | Martsa 2009 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 |
8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 |
15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 |
22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 |
29 | 30 | 31 |