Tokinao

Fianarana Solfa voalohany eto @ aterineto!
2008/10/30,01:04

Ho fanomezako fahafaham-po an'ireo manontany ahy ny fomba fihiràna amin'ny solfa dia indro atoroko eto izany :

Raisintsika ohatra ilay solfa napetrak'i pkm atsy. Tsy ho hiraina manontolo anefa, fa ilay "refy" enina voalohany ihany no ampiharantsika izany. Ny "refy" iray moa dia manomboka amin'ny "fefy" iray ary mifarana amin'ny "fefy" manaraka (jereo ny sary etsy ambany). Noho Izany, ny refy enina tiako lazaina dia manomboka amin'ny voalohany ka hatramin'ilay hoe "tony ny fo" no hohiraintsika :

Izay no ela fa ireto no dingana raha hihira an'io solfa io :

1°- Fantarina ny gadona. Eto dia 6/4 ny "gadona" satria voazarazaran'ny ":" sy ny "!" ho enina ny refy iray (na koa fefy roa mifanaraka). Izany moa dia midika fa toy izao ny gadon'ity hira ity :alaivo ato ny fomba fanisana ny gadona 6/4. (Ny ankabeazan'ny hira tsotsotra moa dia marihiko fa 4/4)

2°-  Manaraka izay dia jereo ireo pitsopitson'ny solfa hahafahanao mampitsatotsatoka ilay hira. Raha ny ohatra etsy ambony, dia ireto no ilaina ho fantatra (raha sarotra ny fanazavàko dia dingano fa ho hainao etsy ambany izany rehefa misy feony Cool) :

*6/4 no "gadona" : izany hoe mitovy faharetana @ "mainty" enina ny ao anatin'ny "fefy" ("|" na "barre" hoy ny vazaha) roa mifanesy.

-------------raha tsy azonao ireto dia tsy manakana anao hianatra an'ity hira ity-------------

[Niresaka "mainty" aho etsy ambony Undecided. Izay mahay tain-dalitra (solfège) dia mahalala izany. Ho an'ny tsy mahay tain-dalitra dia izao : raha 6/4 ny hira iray dia misy mainty 6 (na feo mitovy faharetana amin'ny mainty enina) ao anatin'ny refy iray. Raha 4/4 ny hira iray dia misy mainty 4 (na feo mitovy faharetana amin'ny mainty 4) ao anatin'ny refy iray. Dia torak'izany hatrany ny 3/4, 12/4, sns]

Ohatra hafa : |d:r:m!f:s:l| : 6/4 io satria misy mainty enina ao.  |d:r:m:m!f:t:s:l| : 8/4 io satria misy mainty valo ao.

Tsy atoroko kosa intsony angamba fa : d=dô, r = re, m=mi, f=fa, s=sô, l=la, t=ti. Raha te haheno ny feon'ireo tsirairay avy ianareo dia manendre zava-maneno iray. Ny ampatsiahiviko momba ny fanoratana solfa (na dia tsy hitantsika eto aza) dia ireto :

d' = dô ambony,  r'=re ambony, sns

d1=dô ambany, r1=re ambany, sns

di=dô "misongasasaka" (sharp re=dô dièse),  ri=re "misongasasaka" (sharp re=re dièse)=mi "mijotsosasaka" (flat re = re bémol), Sns. ary li=ta="la misongasasaka" (sharp la=la dièse)="ti mijotsosasaka" (flat ti = ti bémol).

Ho ahy, sy ny mpamoron-kira maro dia "ti", fa tsy "si" no fiteniko sy fampiasako mba tsy hampifangaro azy amin'ny si="so misongasasaka" (sharp so = so dièse)

 ------------------tapitra tamin'iny ilay resaka mety tsy ho azonao Smile-------------------

**ny "tsoraka" (!) dia manasaraka ny "refy" iray ho roa. Izany hoe ahitàna mainty telo eo anelanelan'ny "!" sy ny "fefy" (|). (satria 6/4 ny gadona eto)

***ny "teboka" roa (:) dia manasaraka ny fotoana mitovy faharetana amin'ny mainty tsirairay ho roa. Izany hoe misy ":" roa eo anelanelan'ny "fefy" (|) sy "tsoraka" (!) satria 6/4 ity hirantsika ity.

Oh: |d:d:d!r:m:s|

****ny "teboka" (.) dia manasaraka  ny fotoana mitovy faharetana amin'ny mainty ho roa. Ahazoana "crochet" (♪) zany io. ohatra hafa : |d.d:d:d!d:d:d|


*****ny tsipi-panohizana (-) dia midìka fa ilay naoty farany teo aloha no taritina.

Raha ity hira ity 'zany dia manome toy izao (averiko adìka fotsiny ilay etsy ambony):

|s : s :-.s!s : f : m|l :s :-.m!m:f:m|r:-:-! : :r.m|
|f  : f :-.f !f : m: r |f :-  :f.s !l :s :f |m:-:-! : : |

3°- ianaro ilay fitsatoky ny "naoty" rehetra. Ny fanaovana izany dia : vakio ny naoty, aza asiana feony, ary araho ny fitsatotsatoky ny feo rehetra (araho ny ":", "!", sns). Raha sarotra azo io dia henoy ity  (1SolfaTsisyFeony.MP3).

4°-Avy eo dia asio feony ilay solfa (naoty) tetsy ambony. Ary mba hahaizanao ny naoty marina (note juste) dia mampiasà zava-maneno iray. izaho moa dia tsy manana ka dia mety hisy diso ny feo ataoko :). henoy ato  (2SolfaManarakaGadonasy Feony.MP3).

5°- eto dia soloy ho "la la la ..." ilay solfa etsy ambony. Hahazo an'ity ianao : henoy ity. (3lalalalaMisyFeonyMP3.MP3). Averimbereno io, ary ezaho tsy jerena ilay solfa, mba hahaizanao tsianjery an'ilay feon-kira. Farany dia (alohan'ny farany manko e Cool) :

6°- Aza atao "la la la" intsony fa ataovy tena "tonony" no hiraina. Hahazo an'ity ianao : henoy ity (4GadonaSyTononyAryFeony.MP3 ). Vitanao izay ilay hira Smile. Fa ho farany dia (izay vao tena farany hihihi) : 

7°- Ampiharo ireo torolàlana nomen'ny mpamoron-kira. Amanjatony mahery ny torolàlana ampiasaina amin'ny mozika ka tsy ho vitako ho tanisaina eto! Raha ilay hoe "ad libitum" hita ao amin'ny refy alohan'ny faran'ilay "Hay teo foana Kristy" zao dia midika fa atao araka izay itiavana azy ny fiadanan'ny hira eo amin'io refy io. Ilay hoe "andante" atsy kosa dia midika fa atao mitomany (na misaona)  ny fomba fihira ilay hira.

Dia izay tompoko ô!

Ny tiako marihina eto ampamaranana dia ity : "teny ofisialy malagasy ara-mozika" daholo ireo nataoko anaty farango sosona ireo fa tsy izaho akory no namorona. ohatra : refy (mesure), fefy (barre), songasasaka (dièse), sns.

(nofinofiko manaraka : ny hanazava na/sy handìka ireo "torolàlana ampiasaina amin'ny mozika rehetra". Tsy ny rehetra no nofisiko hadìka satria misy tsy ho voadìka mihitsy ireo izay amin'ny teny latina. "Nofinofy" :) satria tiako hatao be nefa tsy ho vitako hihihi).

 

Misaotra e

Vita ihany ity 'lah. Tsy ho sahirana hamaly an'izay mpanontany intsony aho fa dia alefako ato ny olona hihihi. Na izany aza anefa dia anontanio raha misy tsy azo, ary kiano izay diso : na tsipelina io, na fanazavan-diso, sns.

Nosoratana anio 03 nov 08 : Rehefa olona tsara feo moa no mihira ilay hira etsy ambony iry, dia izao no fivoakany : 


Ny tonony moa dia :

Hay teo foana i Kristy

Taona sy taona nisesy nitadiavan - tsoa
Niodikodina anefa tsy nety nitony ny fo
Ireo izay nitokina nandao avokoa
Tany efitra sady nangina no niainako

Refrain :
Hay teo foana iKristy( X2)
Mitady ahy izay nania
Hay teo foana i Kristy

Foana izao ny fotoana izay laniko
Andro mirana soa lohataona 'zao ny androko
Tojo izay nantenaina ka dia afa-po
Ilay fiainako teo karakaina niova ho soa

Hay teo foana i Kristy ... (Ref:X3)
 

Raha te hihaino fotsiny kosa dia angataho atsy amin'ny radiovazogasy : "'hay teo foana i Kristy" - Chorale Fiderana.

Ria-drano Lilia, ao Ampefy.
2008/10/24,23:01

Ria-dranon'i Lilia, ao Ampefy (« Chute d’eau de la Lili » ao Ampefy). (lahatsoratra tranainy nosoratako t@ 30/03/06. Noho ny tsy fisian'ny fanamarihana sy ny mpanao fanamarihana tamin'izany dia indro averiko avoaka Smile hihihi. Ataoko fa azonareo 'zany ny zavatra andrasako aminareo a! Cool)

 

Aiza tsara hoe e Wink: Toerana iray any amin’ny faritr’i Soavinadriana ity hitantsika amin’ny sary ity, izany hoe eto Madagasikara fa tsy any ivelany akory. Sahabo ho antsasak’adiny tsy hidirana ao an-tanànan’Ampefy, raha mandeha fiara avy ao Antananarivo ianao, no misy azy ity. “Chute d’eau de la Lili” no anarana nomen’ny frantsay azy, ary nataon-dry zareo mpanjanaka ho toeram-pitsangatsanganana izy io fahiny. Tanàna kely ambanivohitra  ny tanànan'i Riakan-dranon’i Lilia (io no andikàko ny anarany amin’ny teny Malagasy),  zara raha ahitana tafo miisa 20 ao. Toy ny ambanivohitra rehetra ao afovoan’tanin’i Madagasikara dia trano bongo tafo bozaka no ipetrahan’ny mponina ao. Tongan’ny fiara tsara ity tanàna ity na dia misy lavadavaka maro aza ny arabe mankany.

Ria-drano toy inona : Ao antsimokelin’ny tanàna no ahitàna ny ria-drano ( na “chute d’eau” hoy ny frantsay ) izay tsy “ampoizina”. “Tsy ampoizina” satria anaty lohasaha iray no misy azy, ka raha tsy manantona akaiky ianao dia tsy hahita azy. Tsy ampoizina koa satria rehefa tafidina ao anatin’ity lohasaha ity ianao dia ho talanjona tokoa :
Voalohany, dia hanaitra anao ny fisasasasan’ny rano tsy an-kitsahatra, izay ateraky ny fianjeran’ny rano. Mahatratra  40 metatra eo ho eo izany fidoboky ny rano izany ka tsy mahagaga raha hankarenin-tsofina ny feo avoakany. Etsy ambany kosa dia misy rano tony, izay mangatsakatsaka, ary mitoetra eo ambonina fasika. Iza no tsy haniry hikasika izany rano izany raha vao mahita fangatsakatsahany. Eo afovoan-drano koa dia misy tany kely (nosy) anirian’ny bozaka. Ka na iza na iza mitsidika ny Ria-dranon’I Lilia dia  haniry ny ho eo amin'ity tany kely ity avokoa. Tsy sarotra loatra anefa ny mankeny satria tsy lalina ny rano. Ka dia firobohan-drano ambonikelin’ny lohalika no tsy maintsy atao mba ahatongavana eny. Tandremo anefa fa na dia tony aza ny rano dia mikorina ihany ka mety handavo ny ankizy, ny vato moa malama izay tsy izy.


Fa iza aloha ireo amin'ny sary e hihihi :  Tamin’ny 28 novambra 2003, teo afovoan’ny nosikelin’ny riadranon’I Lilia no nakanay io sary lehibe etsy ambony io. Izahay 15 mianadahy ao amin’ny sampana “indostria ara-pambolena sy ara-tsakafo” ( na “ Industries agricoles et Alimentaires” ) ao amin’ny “Agro” izay niaraka amin’ny mpampianatra anay no tany.


Mahalasa saina : na dia toerana mahafinaritra aok’izany aza ity ria-dranon’i Lilia ity dia zara raha fantatry ny olona. Maro ny olona izay monina ao ampefy ao na ao Analavory ao no tsy mahalala akory ny fisian’ity toerana ity. Araka ny resaka natao amin’ny tompon-tany moa dia tena vitsy mpitsidika izy izy ity; ary ny an-kamaroan’ny mpitsidika dia vahiny avokoa. Koa lasa ihany ny eritreritra hanao hoe : mba fantatsika Malagasy tsara ve ny haren’ity tanintsika ity sa dia ho ambakain’ny vahiny isika amin’ny fahafantarana izany ? Mampalahelo sy mahatalanjona ihany izany zava-misy izany satria ny vazaha indray ve no avelantsika haka tombony voalohany amin’izany harena izany. Etsy an-daniny kosa anefa dia tsy omen-tsiny ramalagasy satria mbola tsy mibahan-toerana lehibe loatra eo aminy izany fialam-boly izany. Ny fitadiavam-bola aloha no laharam-pahamehana araka ilay fiteny hoe : “ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra”. Fa dia voatery ho samy hafa tokoa ve anefa ity mahasoa sy mahafinaritra ity ?

“Tsia” avy hatrany no tonga ato an-tsaiko raha mahita ny ria-dranon’i Lilia aho. Toerana heveriko fa azo ampidiram-bola tokoa ity ria-drano ity raha trandrahina, ohatra avadika ho toeram-pitsangatsanganana andoavam-bola (“espace touristique payant ) toy ireo toeran-kafa maro eto amin’ny nosy ( Joffre ville any Antsiranana na koa Tsimbazaza ao Imerina, sns. ). Sitrany ahay mba vola miditra kely, na dia ho an’ireto tantsaha vitsivitsy monina eo akaikin’ny rano aza. Ekeko anefa fa tsy mora izany satria mitaky zavatra maromaro : fiaraha-miasa amin’ny tompon’andraiki-panjakana ( fokontany, firaisana, sns. ) satria moa dia harem-pirenena izy ity fa tsy an’olo-tokana, fananana vola ho enti-miainga ( mba hamefena sy hanolokoloana ny toerana ohatra ), ary zavatra hafa koa.


 Ny lahatsoratra hiseho manaraka dia :  

hitondrany lohateny hoe : "Fambolem-bary tsy ao anaty rano hoe?" Dia ahoana izany ilay ohabolana manao hoe : “vary sy rano, an-tsaha tsy mifanary …” : lahatsoratra miresaka ny fomba fambolem-bary tsy anaty rano izay ampiharina any Ampefy sy faritra hafa mahalana eto amin’ny nosy.

 (nivadibadika ny taona, fa dia tsy vita io lahatsoratra io hihihi. ialàn-tsiny e hihihi). ra6Toky moa dia izay ihany : be ny tiana atao fa ny hoza-pe no tsy ampy Laughing.

Resaka teny malagasy hatrany.
2008/10/19,12:34

 

Mandehandeha ratsy Cool ny zavatra ataoko ka dia mangala-potoana hiblaogy aho na dia efa nilaza ho "sahirana aza". Izany moa dia noho i finoanaranoray ihany hihihi : naveriny napetraka mantsy ilay lahatsorany mitondra ny lohateny hoe " afaka 50 taona ... foana ny teny gasy, hoy di ...". Nokitihiny ilay kilemako (resa-pitiavana teny malagasy) ka dia tsy naharay lamba tsy fidiny RaToky Wink. Novaliako sy nanaovako fanamarihana io lahatsorany io. Lasa lavalava anefa ny resako tao, ka mba tiako hotahirizina ato amin'ny blaogiko koa. Izay no ela, fa dia ndao hatao ady vomangan'Ikirijavola e, ka ny voamasony no 'ndeha hopotserina avy hatrany :

Raha fintinina ny zava-dresahan'i finoanaranoray ao dia ny hoe : aza mihevi-tena ho mpindrana na mpangalatra isika rehefa miteny ireo teny vahiny nogasiana izay efa ofisialy sy ny hoe mitenena teny gasy raha mbola azo atao.

Mitovy hevitra tanteraka aminy aho, ary ho fanohanako ny heviny dia notsahiviko ireto manaraka ireto :

Ny teny dia mivoatra. "Ary ny teny tsy mivoatra dia ho faty" : tenina mpandinika iray io. Raha mandinika ny teny vahiny matanjaka isika dia hita fa tsy mitovy ny fahiny sy ankehitriny. Ary nisy fivoarana im-betsaka vao tody tamin'izao ry 'zareo. Ary na dia amin'ireo teny vahiny matanjaka ireo aza, dia tsy ny voasoratra loatra intsony no resahina amin'ny andavanandro (izany dia ahafahana milaza fa eo an-dalam-pivoarana hatrany ny teny iray). 

Ohatra : Amin'ny teny anglisy, ny teny hoe "you" (adika hoe ianao na ianareo) dia vao haingana mihitsy ; ary efa teny ho amam-polony no nampiasaina talohan'izany : jereo ato. Ohatra fotsiny io fa midira ato raha te hahita ny lisitra fenon'ireo teny anglisy fahiny : http://wandership.ca/projects/eow/.

Ireo fiovoarana ireo moa dia vao tsy ela satria tamin'ny taonjato faha-VIII tany ho any. (jereo  A T O ny tantaran'ny teny anglisy). "Vao tsy ela" raha oharina amin'ny maridrefin'ny tantaran'ny zanak'olombelona.

Ohatra hafa amin'ny teny frantsay : "je ne suis pas malade" no fanoratra. Rehefa miteny anefa dia tsy misy frantsay hiteny an'io fa "suis pas malade" hoy izy. Ao koa ny "il y a ..." izay lasa "y a ..." fotsiny.

Toy izany koa ny teny hafa marobe : ny italiana, ny frantsay, ny alemà, sns. Ny nampiavaka ireo teny ireo fotsiny dia noho ny fananan'ny tompony finiavana handrindra (initiative de rationnalisation) azy. Izany fandrindràna izany dia niainga amin'ny dingana maro :
---------------
1°- fanoratana an-tsoratra ireo teny fampiasa amin'ny andavanandro. Tsy tokony hiala lavitra amin'ny fampiasa andavanandro ny teny soratan'ny akademia, raha tsy izany manko dia tsy hisy hampiasa akory.
---------------
2°- fampidirana ireo teny vahiny (ny teny rômana tamin'izany fotoana no niandohana, izay fototry ny teny erôpeana rehetra). Io findraman-teny io no mahatonga ny teny rômana, grika ary arabo ho betsaka amin'ny teny erôpeana sy ny tenin'izao tontolo izao. Rehefa novainy hifanaraka amin'ny fiteniny avy anefa izany dia lasa teniny. ohatra :ny hoe psychology (teny anglisy), sy psychologie (teny frantsay), dia samy nalaina avy tamin'ny teny latina "psychologia" (taonjato xvi), izany moa dia nalain'ny latina tamin'ny grika "ψυχή « fanahy » sy λόγος « fahaiza-miteny ». Fototra : jereo http://www.cnrtl.fr/etymologie/psychologie.
(ato misy lisitra feno ho an'izay liana amin'ny etimolojian'ny teny frantsay : http://www.cnrtl.fr/etymologie/)

-------------
3°- fikarohana ny lalàna izay mifehy izany teny vaovao izany : ny fitsipi-pitenenana, sns.

Ireo rehetra ireo dia tokony hitarika antsika :
- hiteny ny tenin-drazantsika hatrany.
- tsy hihevi-tena ho mpangalatra na mpindrana rehefa mampiditra teny vahiny ho gasiana.
- handinika ny lalànan'ny tenintsika : ireo mpandinika ny teny sy ny akademia moa no tena tompon'andraikitra mivantana amin'ity farany ity. Nefa tokony ho ampiasaintsika koa izany voka-pikarohan-dry zareo izany ho fandrisihina azy hatrany.

Tsy ny tenintsika no tsy ampy, fa maro amintsika no tsy dia mbola miezaka hampivoatra azy.


 "Andrianiko ny teniko , ny an'ny hafa koa feheziko".

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype