Tokinao

Lalao : "aza ampijaliana ny tenintsika"
2008/03/29,22:15

 

Ho fandraisana anjara amin'ilay lalao "aza ampijaliana ny tenintsika" izay fariparitan'i lapino, dia hosoratako eto ambany eto ireo fahadisoana mateti-pitranga rehefa manoratra. Marihiko fa ny teny ofisialy lazaiko eto dia marina tamin'i Tokinao nianatra malagasy farany (taona 1998). (mety ho resadresahiko eto ihany ny antony anamarihako an'io daty io, na dia efa natsipitsipiko tatsy amin'ny blaogin'i Pissoa aza). Izay no ela fa ireto avy izany :

1°- (napetraka androany zoma faha-28 martsa 2008):

*toy ny fa tsy toin'ny no fanoratra ofisialy.
*tahaka ny fa tsy tahakan'ny no fanoratra ofisialy.
*sahala ny
fa tsy sahalan'ny no fanoratra ofisialy.
*ohatra ny fa tsy ohatran'ny no fanoratra ofisialy.
--> Raha fintinina dia tsy azo tovanana ireo teny ireo, ary tsy  azo ovaina ho -y ny -a faran-teny.

2°- (napetraka androany asabotsy faha-29 martsa 2008):

*"sns." na koa "sy ny sisa" na koa "..." no ofisialy fa tsy "sns..." na koa "sy ny sisa..."("pléonasme" moa iantsoan'ny vazaha an'io fahadisoana io).
*Manao ahoana fa tsy manaôna, na koa manaona, sns.

- Aza ampifamadihana koa ireto : manatona sy manantona.

*manatona = Approach (uk) = s'approcher (fç). ohatra : manatòna aty fa horohiko ise, manatona dokotera i Bema fa marary, sns. Ny fototeny moa dia "hatona", ary milatsaka ny "h" rehefa asiana tovona [préfixe].
*manantona = to hang (uk) = suspendre (fç). ohatra : ahantòny ny akanjonao fa mafana ny andro, Nahanton-doha ilay mpangalatra rehefa tratra. Ny foto-teny dia "hantona", ary milatsakany "h" rehefa misy tovona.

- Fomba ahafantarana raha tokony hisy "h" na tsia ny fototenin'ny teny iray : karohy ny teny rehetra avy aminy (ataovy miverindroa, asio tovona [préfixe], sns.) na koa asio teny iray eo alohany mba hifampitohy aminy,  ka raha misy "k" mipoitra ao dia misy "h" izany ilay fototeny.

ohatra :

*aingo sa haingo ? valiny : haingo no fanoratra satria fiteny ny hoe : "haingonkaingon-javatra"
*aina
sa haina ? valiny : aina no fanoratra satria tsy fiteny ny hoe :  fanomezan-kaina. fanomezan'aina no fiteny.
*ena sa hena ? valiny : hena no fanoratra satria toto-kena no fiteny fa tsy toton'ena. Mitadiava teny maro sao voafitaky ny hoe mopivarotr'ena izay diso Smile. Mpivarotra hena no marina

Miala tsiny amin'i Hery fa  efa voasoratro ity vao hitako ny azy izay mitovitovy amin'ny ahy Smile. Tsy sahala anefa ny resakay fa mifameno.

([Lisitra mbola hiampy. Lainga lainga fa tsy mora ny teny malagasy :-) ].

Te hahita vazah manambola ve ?
2008/03/27,21:08

 

 Mahagaga tokoa, asa raha tsikaritrareo fa dia betsaka ireo vehivavy mora voasinton'ny vazaha! Misy amin'izy ireny ny tena avy amin'ny fitiavana madio, fa tsy io tranga io no horesahiko eto.

Misy ankizivavy roa izay any Mkara any, ary mazoto manoratra aty amiko 'zareo. Ny tena antony hanoratany moa dia ny hoe : mba hitadiavako vady hono Embarassed. Ka dia nalefa ny sary, matetika koa dia lavalava ny taratasy satria nofariparitany tsara ilay olona tadiaviny, izay ahitàna ny hoe : "vazaha tsy dia reraka loatra fa mba manam-bola".

Dia tena vaka mihitsy aho isaky ny mahazo taratasy satria sarotra ho ahy ny hitady an'izany, ary tsy sahiko ny hampifandray azy amin'olona sao hiteraka fijaliana ho azy, ary izaho indray no homeny tsiny any aoriana. Manaraka izany dia talanjona aho,... dia ny resa-bola ve no hifantenana izay ho andefomandry e, sa koa ny lokon-koditra...sa ilay hoe hankaty an-dafy no tena lasa nofinofy tian-ko tanterahina ... asa loatra re.

Tena izany tokoa no amin'ilay lazain'ny hainteny hoe : "ny an-karo-misarona toa ho inona ihany". Ataon-draFahantrana mikaikaika ny malagasy, ka dia mitady izay fomba rehetra ialàna amin'izany. Koa dia heveriny ho tsara daholo izay fomba rehetra ahafahana miala amin'izany fahantrana izany, na koa izay fomba rehetra hanadinoana izay fahadisoam-panantenana mety ho nahazo azy fahiny.

Koa eto dia aleo mba hampatsiahiviko antsika zazavavy malagasy ny zava-dratsy mety hahazo anareo raha "miroboka tsy am-pieritreretana" ao anatin'izany fitiavana vazaha izany isika. Ny tsy fitovizam-pomba fijery eo amin'ny kolo-tsaina malagasy sy tandrefana (occidental) no tena hasiako resaka.

Aty an-dafy dia samy maka ho azy ny olona (individualiste), koa ho anao maniry hanambady vazaha sy te hanaraka azy aty an-dafy dia adinoy ny fomba fiainana arahina vangivangy sy serasera isan-takariva mampalaza antsika malagasy (marihiko moa fa i Tokinao rehefa miteny hoe malagasy dia ny tantsaha izay no tiany teneniny voalohany, ireo no maro an'isa tsinona ). manaraka izany dia tsy mitovy ny fomba fijery ny fanambadiana. Somary ho lalao ihany no handraisain'ny vazaha azy (fisaikaizàna na fi-sipàna) raha mbola tanora. Fa rehefa manomboka mahatratra ny faha-28 sy faha-30 taona any vao tena vonona hanorin-tokantrano ny ankamaroan'ny vazaha! jereo ato ny statistika.

Ka ny teniko dia ny hoe "diniho tsara ihany fa sao hanenenana". Lazaiko ary tsindrìko eto am-pamaranana koa anefa fa misy fanambadiana vazaha-gasy tena mahomby, sy miaina amim-pitiavana hatrany. Deraiko manokana ireny satria mahay mifampizatra sy mifandefitra tokoa na dia eo aza ny fomba fitaiza tsy nitovizana! Lehibe tokoa ny fitiavana ka mahavita zavatra maro Smile.

*Ny iray amin'ireo ankizivavy roa lazaiko etsy ambony moa, rehefa tsy nahìtako izay notadiaviny, dia mifankatia amina vazaha iray izy izao, ka irìko mba hahasambatra azy hatramin'ny farany izany.  Ilay tovovavy moa dia havana ihany fa noho ny fanajàko ny fiainany manokana dia tsy lazaiko eto ny rohy misy aminay.

Farany dia misaotra an'i Helisoa nanome aingam-panahy,  hevitra no marimarina kokoa Smile, tatsy. Mba tsidiho koa ange ny tranonkalany fa mahafinaritra e : http://rahelys.unblog.fr

Vohikala fitadiavan'olontiana
2008/03/21,20:13

          Zavatra nampiomehy iray! Tsy inona fa ny resaka fanalàna andro ataonay (zah sy ny vazaha namako) rehefa miara-misakafo.
          Voalohany, ny tenanay moa dia tsy mba tia misarisary  zoro na mikaoty an'ireny vazaha vavy ireny (safidiko manokana io Smile) na dia mbola mpitovo aza. Fanampin'izany, eto amin'ny aterineto no matetika ahitan'ny ireo vazaha namako ahy : ny vohikala amin'ny teny malagasy no tena famakiko amin'izany (izany hoe amin'ny teny tsy hain'ireto namako). Tsikaritry ny namako izany ka dia nanaovan'ilay vazah fanalàna mampiomehy zah :

 

Olana @ fametrahan-kafatra
2008/03/15,16:33
 
 
                  Betsaka isika manana blaogy eto amin'ny blaogy.com no nahatsikaritra ity olana lazaiko manaraka ity. Matetika rehefa mametraka fanamarihana (antsointsika koa hoe hafatra, "comment", "commentaire", sns.) amin'ny blaogin'olona isika dia tsy mety mipetraka izany, eny fa na dia nadìka tsara aza ny tarehimarika fanamarinana (authentification code).Koa ho antsika tompona blaogy dia jereo ao amin'ny blaogintsika ireo fanamarihana voasakana ireo, ary esory izany sakana izany (raha tianao hipoitra ny fanamarihan'ilay olona mazava ho azy Smile). Izany hoe araho ity torolalana kely ity :
  1. Midira ao amin'ny toerana fandrindrana ny blaoginao (mampidira solonanarana sy tenimiafina ao amin'ny toerana sahaza izany).
  2. Tsindrio ilay hoe "hevitra". Hisy toerana fisafidianana hipoitra ao (optionnel), koa dia :
  3. Fidio ilay hoe "comment_status_spam", ary tsindrio ilay hoe "montrer". Dia ho hitanao ao daholo ireo fanamarihan'olona voasakana tsy hay hoe nahoana Smile.
  4. Farany dia tsindrio ilay bokotra fanalàna sakana ery amin'ny sisiny ankavanana. Dia izay Smile.
Ho hitantsika ao amin'ny blaoginao amin'izay ireo hafatra ireo Smile.

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype