Il me semble que ce n'est pas compliqué :) !
Pour rendre une femme heureuse, "il vous suffit" d'être:
1. ami
2. compagnon
3. amant
4. frère
5. père
6. maître
7. éducateur
8. cuisinier
9. charpentier
10. plombier
11. mécanicien
12. décorateur
13. styliste
14. sexologue
15. gynécologue/obstétricien
16. psychologue
18. psychiatre
19. thérapeute
20. audacieux
21. organisateur
22. bon père
23. très propre
24. sympathique
25. athlétique
26. doux
27. attentionné
28. galant
29. intelligent
30. drôle
31. créatif
32. tendre
33. fort
34. compréhensif
35. tolérant
36. prudent
37. ambitieux
38. capable
39. courageux
40. détermine
41. fiable
42. respectueux
43. passionné
SANS OUBLIER DE:
44. faire souvent des compliments
45. adorer le shopping
46. ne pas faire des histoires
47. être très riche
48. ne pas la stresser
49. ne pas regarder les autres filles
ET EN MEME TEMPS, IL FAUT AUSSI:
50. faire très attention à elle, sans pour autant être jaloux
51. bien s'entendre avec sa famille, mais tout en lui accordant toujours autant de temps pour elle
52. lui donner de l'espace, tout en se montrant soucieux de la où elle va
IL EST TRES IMPORTANT DE:
53. jamais oublier :
* anniversaires
* fiançailles
* mariages
Et c'est tout :) !
ary zavatra hafa hahaliana anao :
Saika adino , azonao atao ny mametraka hevitra eny ambanin'ny lahatsoratra. Raha hamela hafatra ho ahy kosa dia mandrosoa ato. Dia misaotra indrindra ô!!
I-
Ry Tanindrazanay malala ô
Ry Madagasikara soa.
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.
Fiverenana :
Tahionao ry Zanahary
'Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He sambatra tokoa izahay.
II-
Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo fanahy anananay
'zay sarobidy sy mendrika tokoa.
--->Fiverenana
III-
Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hitahiana anao,
Ka Ilay Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan'ny satanao.
--->Fiverenana
Mpamorona : Pasteur Rahajason tamin'ny taona 1958.
Mpandrindra : Norbert Raharisoa
Fandìkana ho teny frantsay : jereo wikipedia
Tsy tsipolitra ery an-tany ngazana,
ka hihatsampy amin’ny olo-mandalo,
tsy maniry fanambatambazana,
fa fitiavana tsy atakalo
‘Zany elatra no ento mikopaka,
làlan-kafa no ‘ndeha mba hizory,
fa ny aty tsy mba taitra koropaka
toa voahirana anaty kamory
Tsy hiraraka mantsy ny kintana,
na (dia)* ho reraka foana (aza)* ny maso,
ny anjara voatendrin’ny vintana,
( tsy handositra anao fa andraso ) x2
Fototra : Ity hainteny ity dia nohirain’i Bodo, amina ngadon-kira ( rythme ) « kalon’ny fahiny ». Ny tena nanoratra azy kosa dia nokarohiko ihany fa tsy hitako. Koa raha mba fantatrao mpitsidika dia dia isaorana mialoha ianao milaza izany ao amin’ny fametrahan-kafatra.
Ny zavatra resahina ao : mirakitra ny fandàvan’ny vehivavy iray ny fitoriam-pitiavana nataona lehilahy iray izy ity. Ary tahaka ny hainteny rehetra dia ahitàna sarin-teny maro ao. Ary izany indrindra no mahatonga azy haha-te hihaino. Ireo fanoharana maro ireo dia nalaina avokoa avy amin’ny zava-boahary : tsipolitra, elatra, voahirana, kamory, kintana, …
Ny tsara no tahafo
Aza atao tera-piso,
ka taranaka velon-kanao " omeo " mandra-pahafaty ;
fa ataovy tera-pangaraka,
ka na kely andilana aza mahalevin-dreny ;
Aza atao tera-balala,
ka mpianakavy iray hevitra hamafy mosary amin’ny tany !
fa ataovy tera-dandy
ka sady mahafono tena tsy misy mpanampy
no mbola mahatafy sy mahafono olombelona
hatramin’ny fara aman-dimbiny.
Aza atao tera-tsahona,
ka sady sima vava no be taria,
no mitsipitsipika tsy valala ;
fa ataovy tera-tàna tsy matoky tena
ka mandinika ny eo aloha
sy mibanjina ny aoriana
vao mandingana indray mandeha.
Aza atao tera-jorery,
ka lany andro am-pitomaniana ;
fa ataovy tera-bitsika zatra miasa,
ka ny votry itoerana miezinezina,
ny hanin-ko hanina feno sompitra ;
Ny reni-manditra kamovelona ihany
no maty an-davaka velomin’ny bitika noho izy.
Charlotte A. RAZAFINIAINA
Voulez vous avoir une augmentation de salaire!
Vous n'avez qu'à cliquer ici ( une nouvelle fenêtre apparaîtra ).
Fitia voatavo
Tiako hianao,
sanatria ho fitia vola,
ka raha noana dia hatakalo hanina,
na koa fitia varavarana,
tiana nefa atositosika,
tsy ataoko tahaky ny paraky,
tiana nefa ombàna rora,
tsy ohariko amin'ny jiafotsy,
intelo tafina,
ka mievotra ihany,
tsy hampitahaiko amin'ny lambamena,
ka rehefa maty vao ihaonana
Ho hitantsika ato :
Famaritana :
Ny hainteny dia endrika literatiora mampiavaka antsika Malagasy. Mampiasa ”sarin-teny” matetika izy io, sahala amin’ny ”ankamantatra”, ary manana andàlana (lignes) sy andininy (paragraphes) maromaro toy ny tononkalo. Ny mampiavaka azy amin’ny tononkalo anefa dia ireto :- tsy voatery hiady rima ny hainteny,
- tsy voatery hitovy koa ny vaninteny isan’andàlana, ary
- tsy ny isan’ny andàlana ao anatin’ny andininy tsirairay.
Manakaiky ny kabary koa anefa ny hain-teny satria feno ohabolana, sy fomba fiteny maro, ary mety hisy fifamalian’olona maro ( dialogues, ... )
Zavatra resahiny :
Resa-pitiavana no raketin'ny hainteny maro. Ankoatra io anefa dia miresaka zavatra hafa eo amin’ny fiainana an-davanandro koa ny hainteny : ny fiainana, ny fananarana, ny fahafatesana, ny namana, ny fianakaviana, ny tanindrazana, sns..
Ara-tantara :
Ny fotoana tena nampalaza ny hainteny dia tamin’ny vanim-potoana ”embona sy hanina” ( voalohandohan’ny taon-jato 1900 ). Izany hoe tao anatin’ny fotoana nampijalian’ireo mpanjanaka ny mpitolona malagasy. Rehefa natao sesin-tany ( exil ) tany ampitan-dranomasina manko ireo mpitolona ireo dia tsy nanan-katao firy loatra afa-tsy ny hanoratra. Koa nasehony indrindra tamin’izany asa sorany izany ny embona, ny alahelo, ary ny hanina* an’ireo zavatra niraiketany fahiny : ny olon-tiany, ny fianakaviany ary i Madagasikara. Io no antony lehibe mahatonga ny hainteny hiresaka fitiavana matetika.
Hanina* : teny malagasy fampiasa fahiny izy ity. Io no fototeny nahatonga ny hoe “manina”, na koa “manimanina”. Koa ny ”olona manana hanina” izany, dia ny ”olona manimanina
Antom-pisian’ny hainteny eto amin’ny blaogy Tokinao :
Voalohany, ny tenako izay miseho amin’ity solon’anarana Tokinao ity dia tsy ao an-tanindrazana fa aty am-pita. Tsapako tokoa aty fa vitsy ( mba tsy hilazàna hoe tsy misy ) mpahala ny zava-kanto, na koa ny literatiora malagasy. Ireo zavatra roa ireo anefa rehefa dinihana dia hitako ho tsy latsa-danja na koa ho mena-mitahy amin’ny an-dry zareo aty ivelany. Mifono fomba fisainana ambony tokoa amiko ny literatiora malagasy, ohatra amin’izany :
- ny maha-zava-dehibe ny fihavanana raha oharina amin’ny zavatra maro ( aleo hono very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-bola, ary aleo koa hono halam-andriana toy izay halan’bahoaka, sns)
- ny maha-zava-dehibe ny fananam-panahy ( Ny fanahy mantsy no maha-olona,...)
- ny fahatahorana an’Andriamanitra, ny tody, ary ny tsiny ( Aza ny lohasahy mangina hono mantsy no jerena fa andriamanitra ao antampon’ny loha, sns.
Ekeko fa mety ho vato misakana amin’ny fandrosoana ny fanarahana ambokony an’ireo fomba fisainana ireo. Nefa kosa, ataoko fa tsy iadian’kevitra ny voka-tsoany marobe eo amin’ny fiaraha-monina : na eo filaminana izany, na eo fifanajana, sns…. Koa io no amin’ilay hoe : “Ataovy voankazo an’ala e, ny mamy atelemo, ny mangidy aloavo”.
Farany, Tsy misy olona tapi-pahalalàna hoy ny fitenenana, ary ny fiainana dia fianarana hatrany. Koa raha misy fanakianana na fanontaniana tianao apetraka momba ny teny sarotra ao amin’ny hainteny, dia vonona isika ( ny mpitsidika hafa sy i Tokinao ) hamaly izany. Ny isan’ny tanjona moa dia ny fianarana ny teny Malagasy, indrindra fa ireo izay efa mitady ho very.
1 - Lahatsoratra iray hitako tao amina "forum" iray ity resahiko anareo ity : Ny lohahevitr'ilay forum moa dia ny hoe : fahadisoana ve ny mangetotra ? Koa nisy mpandray anjara iray nitantara ity zavatra mampiomehy ity :
" Za zany ry reto nivory niaraka tamin'ny lehibenay, tena efa mitady lalana ilay rivotra fa tazomiiko fotsiny ( ilay hetotra io ), efa tsy andriko izay hahavitan'ilay fivoriana, ny resaka mandeha efa tsy miditra amin'ny lohako intsony, efa eo ambavany eo ilay izy no kendaiko dia miverina indray fa ny loza rehefa miverina iny ilay izy dia maneno mafy be ny kibo, mijerijery ahy daholo ny olona eo akaikiko eo,
Tampoka teo, nanontanian'ilay chef-ko aho, za nefa tena tsy à la page amin'ilay fivoriana intsony, rahoviana ilay AG hoy izy, taitra tampoka aho, tonga dia bouik hoy ilay izy, nijery ahy daholo ny olona sady niomehy, loza fa tapatsinay koa aho niomehy teo, inona hoy nareo isaky ny miomehy aho dia manao kik kik kik kik koa lay etotra, ary tsy nety tapitra mihintsy fa manaraka ilay fiomehezako, tsy vita intsony fa tonga dia nivoaka aho, hatreny ambaravarana mbola bouik boik hoy lay etotra, tsy niverina tao amin'ny salle de réunion tsony aho fa menatra, fa tena tsy fanahy iniako ah, nandritra ny herinandro tsy te hifanena amin'ilay chef aho "
hahahaha
Raha te-hametraka fanamarihana na tantara mampiomehy koa ianao dia azonao apetraka ho eto ambany izany.
« | Jiona 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | ||||
4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |