Ataoko ato ny hira tohin'ilay resaka tatsy.
Cutie-Tokinao* :
Tokinao : Miandry ny feonao io lisitra io ô .
(Vita ny anjarako ô. Efa azo henoina ny feoko. Fa mandrapahatomombanan'ny "player" dia efa napetrako etsy ambany ny rohy ahafahana maka ny hira)
Taorian'ny ady hevitra vitsivitsy niresaka momba ny hiram-pirenena Malagasy dia nisy hevitra nitsiry tao an-tsaiko ; dia ny hoe : "Ndao mba hohiraina araka ny tokony ho izy io hira io e" ary hapetraka eto amin'ny aterineto.
Ny tiako tenenina dia ny hoe : "hohiraina araka ny nanoratan'ny Mpamorona azy. Atao manaraka "Solfège" sy "solfa".
Koa dia nanandrana àry ity RaToky. Hatao Akapela izy ity satria RaToky tsy dia havanana loatra amin'ny zava-maneno, sady tsy misy tsara toy ny akapela koa raha mbola hiram-pirenena atao "feo samihafa" (choeur) koa. Dia Namboarina ho tsaratsara àry ny "micro" fanaovana tsaty amin'ny andavanandro fa io ihany no hatao fakàna feo . i Ra-Toky no saika hanao ny feo 4 satria tsy misy olona mazoto hanao izany any amin'ny toerana misy azy.
Olona iray hanao feo 4 a!? Ahoana izany hoy ianareo? hihihi Ny saika hanaovako azy dia ny laozisiela "Nero 7 Premium" izay afaka mampifanindry feo maro (hatramin'ny folo mahery). Izany hoe mihira in-4 aho ary maka feo in-4 (feo voalohany hatramin'ny feo faha-4, ary farany dia atambatro ireo).
Saika atomboka amin'ny feo voalohany ary ity raharaha manga . Atao feo avy any an-doha ( "voix de tête") no hanaovana azy raha tsy izay dia tsy hety. Nety ihany ny andininy fa nony tonga teo amin'ny fiverenana (eo amin'ilay hoe "hiadana sy ho finaritra") vao sahirana ny anao lahy ; tsy takatro ka lasa ratsy be. Farany moa dia tapa-kevitra aho hanoratra an'ity lahatsoratra ity, ho an'izay vehivavy mba te hiara-hihira amiko. ( na lehilahy koa : vakio hatramin'ny farany ity lahatsoratra ity )
Ho an'izay mazoto dia izao : feo voalohany sy faharoa no mba iangaviako ataony. Atao format .mp3 na .wav. Momba ny "tempo" dia izao : manana "instrumentale" fotsiny aho ; .mp3 ilay izy. Ka rehefa mihira 'zany dia sady mihaino azy io amin'ny "écouteur" (Izay aloha no fanaoko fa tsy haiko raha misy fomba hafa). Dia avy eo atambatsika ilay izy. Afaka alefa aty amiko ary atambatro amin'ny "nero", na/sy atsaraiko amin'ny laozisiela "Magix Music editor". Raha manana fomba tsaratsara kokoa moa ianao dia ny feoko indray no alefako any.
Farany, raha misy lehilahy liana amin'ity resaka ity koa dia tsy mampaninona. Feo faha-3 sy faha-4 indray no ataony. Ka dia ho lasa lalao ara-mozika ilay resaka. Hahazo "combinaison" maro manko isika. Ohatra :
* Ikoto - Ikala
* Ndrema - Soa
* Ikoto - Soa
* Ndrema - Ikala
* Ndrema - Ikoto - Ikala - Soa
sns.
Ny mail-ko manokana dia ny ajahiraim [arobase] yahoo.fr.
Asa raha mba hahazo kil ra-Toky fa dia nalefa ihany aloha ilay resaka .
Nosoratana androany alahady faha-10 / 08 / 08 :
Nosoratana androany faha-13 aogositra 2008 :
Nosoratana androany faha-14 / 08 / 08 :
Nomarihin'i kdaombaramita tamiko tamin'ny mailaka fa tsy mifanaraka tsara hono ny solfa sy ny mp3 hatao tempo. Ilay mp3 hono manomboka amin'ny ReBémol, ary ilay solfa manomboka amin'ny sol. Koa hoy aho hoe : izay ao anaty solfa no ndao harahina. Ny mp3 dia natao ho solon'ny mpibaiko ny fitsatotsatoky ny hira fotsiny ihany (chef d'orchestre).
Mandrapandehan'ny player dia azo alainareo eto ny hira vitako :
>>>>>>>>>>>>>>> HiraFeno(Tokinao)
Rehefa mandefa feo aty (fichier audio) amiko ianareo dia afaka ampiasainareo koa ny tranonkala http://dl.free.fr/ satria tena tsotra sy mora ampiasaina : tonga mivantana any amin'ny mailaka ny rohy. Ary ataovy .wave ange mba tsy hahasimba loatra an'ilay feo. Misaotra ô.
Nosoratana androany faha-16 / 08 / 08 :
« | Aogositra 2008 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |