Samala daholo,
Avy namaky ny lahatsoratr'i Jentilisa aho teo (izay mitondra ny lohateny hoe : Mbola Hiresaka Politika Ihany Ve?) , ka dia tafamaky indray ity tononkalon'i Rado ... izay zaraina ho antsika ity :
BOBOKA AHO RY TANINDRAZAKO
Boboka aho ry tanindrazako
Ka avela ianao ho eo
Ka izaho sy ny hazakazako
Handositra fa efa leo
‘Zato fahorianao
Sy ny fijalianao
‘Zay nanjary fahoriako
Ary lamba fitafiako.
Aiza ve k’izaho irery
Sisa no natao hijery
Izato endrikao mirava
Sy ny hasoanao voarava ?
Fa ny maro dia efa tola :
Ao ny lasa babom-bola
Tao ny reraky ny tolona
Ka nahazo famololona
Tao ‘reo lasana sahady
Fa trotraky ny lazon’ady
Tao ireo tsy nahasehaka
Resin’horaka sy tehaka
Nisy matin-kenamaso
Tamin-tsiri-tsaramaso
Tao ‘reo lavo tsy tafarina
Nivaro-bob’irony marina
O, mihidy izao ny vazako
K’eo hianao ry taninndrazako
Avela hianao ho potipotika
Avela hianao ho rotidrotika
Izay mianjera avela hianjera
Izay te-hitsetra anao : mitsera
Lasana aho, Veloma hianao
Izay mitranga : anao ny anao
RADO
Misaotra antsika
Salama daholo o!
Mba hanoratra indray aho anio. Tsy izany fa izao : nisy lahatsoratry ny namana iray izay tatsy novakiako satria nahaliana ahy. Dia avy eo novaliako. Dia avey eo ... hitako ho tsara tehiriziko ny zavatra nosoratako.
Ho vokatr'izany dia : tsaratsara raha vakianareo aloa (eny fa na dia ambangovangony fotsiny aza) ilay lahatsoratr'olona atsy :NY TSY MPINO SY I DARWIN Ary avy eo ianareo vao miverina mamaky eto, raha hamaky . Satria (indramiko ny tenin'izay olona iray izay hoe) : tsy natao loatra hovakian'olona no tanjoko, fa kosa ny hanana arsivan'ny zavatra noeritreretiko. Ny fanatsarana zavatra mivaingana mantsy dia tsy maintsy mianga amin'ny eritreritra. Raha tsy misy ny eritreritra dia tsy misy fanovàna sy fanatanterahana.
Rehefa novakianareo moa ilay lahatsoratra etsy ambony, dia izao no fijeriko (eto ambany eto ... dia miresaka amin'ilay mpiblaogy nanoratra ilay lahatsoratra aho) :
Tsy dia mahita hosoratana ka dia ny lahatsoratra farany no novaina dia averina aseho. Ny fanovana "goavana" dia : tsy "Madagasikara lomorina" intsony ny lohateny fa "Madagasikara tena lomorina" :).
Tamin'ity herinandro faran'ny volana jolay ity dia nila nikarakara "taratasy" teny amin'ny ministera iray aho. Tamin'ny talata aho no teny voalohany, koa dia nahazo ny toro marika rehetra, ny taratasy ilaina, sns , ary nasiany niverina omaly zoma (asabotsy 1 aogositra moa anio). Tamin'ny 8ora omaly ny fotoana nomeny, ary nasain'ilay tompon'andraikitra tonga alohaloha satria ho betsaka hono ny filaharana.
Koa dia tonga aho tamin'ny 7ora, tamin'izay anefa dia efa ho maromaro izahay no tao. "Tsy maninona" hoy aho tany an-tsaiko satria tiako ho faranana anio ilay taratasy amboariko. Koa dia nilahatra ampilaminana izahay.
Niandry ka niandry ... Tamin'ny 8ora sasany no tonga ny tompon'andraikitra. Nihabetsaka hatrany izahay
Niandry ka niandry ... Tamin'ny 8ora 30 teo ho eo no nisy olona nizara nomerao. Mba faly kely aho satria heveriko ho afaka miala kely aho rehefa avy nahazo nomerao, ary miverina rehefa akaiky ho anjarako ny miditra ao amin'ilay birao. Mba nampahery kely ny tenako aloha ny fisian'io fomba fitantanana mahafinaritra io, na dia tsy mba am-panajàna tanteraka aza ny nizàrana izany nomerao izany. Sanatrian'izany ... toy ny mizara taolana amin'ny alika ny fomba nanomezan'ilay rangahy motomototra ny nomeraonay : "'ty" "ty ny anao", sns...
Niandry ka niandry ... Tamin'ny 9ora mahery kely vao nanomboka nandray olona ilay tompon'andraikitra. Amin'io dia efa feno be ny efitra fiandrasana (salle d'attente), ny marimarina kokoa dia làlan-tsara fiandrasana. Feno olona ny manodidina ahy : aloha, sy aoriana, ankavia sy ankavanana ... toy ireny hifanisika hiakatra fiara fitanteram-bahoaka ireny. Fa izahay koa aloha tsy mifanosika satria mila ho in-1 isaky ny antsasak'adiny vao misy olona iray ampandrosoana ao amin'ity "fiara fitateram-bahoakanay" ity : laozan'ilay tompon'andraikitra mihodina ankavia sy ankavanana foana. Ny mahagaga ahy dia betsaka ireo namany manana birao eo akaikiny no tsy manao n'inon'inona akory nefa tsy mba manampy azy : ny sasany moa dia mahavita mivoaka matetika satria hifoka sigara, sady leon'ny mijery olona milahatra koa angamba.
Niandry ka niandry ... tonga ny amin'ny 12 ora dia noteneniny izahay fa hihidy kely aloha satria hisakafo, ary hisokatra amin'ny 2ora. Ny hakiviako amin'io efa tsy haiko intsony ny mitantara azy. Efa adin'ny 5 manko aho no nijoro teo. Betsaka koa moa no tsy nahandry dia nandeha, ka faly kely aho isaky ny misy mandeha satria mihavitsy 'zany izahay. Nefa izao dia tsy maintsy hiala kely indray.
Dia nanao kibo an-tsena aloha, satria ny toerana fodiako dia alavidavitra ihany, sahabo ho 10km miala eo Anosy, izany hoe adiny iray raha mitaingina fitanteram-bahoaka.
Tonga ny folakandro dia tafaverina indray ireo mpilahatra : dia ny tamin'ny maraina sy olona vaovao hafa maro be koa, olona nahazo fotoana (rdv) ny folakandro hono.
Dia niandry ka niandry hatrany. Mihamifanetiety hatrany izahay, satria tsy maintsy tazomina ny filaharana eo an-dalan-tsara (izay tsy hitako intsony izay maha filaharana azy). Ilay nomerao nozaraina koa manko toa tsy nampiasain'ilay tomponandraikitra intsony koa, ka izay tandrify ny varavarana dia ampidiriny. Izy amin'io dia misinda matetika any amin'ny biraon'ny namanay any : mety vizaka angamba na koa leo mandray olona.
Fa izany rehetra izany eo ihany fa ny tena tsy laitrako dia ny mahita olona mangata-dàlana aminay mba hiditra. Tamin'ny voalohany, dia tsy nomenay làlana satria tsy adala izahay milahatra eo. Rehefa hitan'ilay tompon'andraikitra anefa ilay olona mangata-dàlana dia "avelao izy handroso" hoy izy. Ny teny ratsy sisa no tsy mivoaka aminay mpilahatra.
Maromaro ny olona tonga dia nahazo niditra toy izany : ao ny zanaka karana, ao ny olona hita fa ho tsaratsara akanjo sy mihaja.
Marary mihitsy ny foko mahita ireo.
- "Andao ho'ahy isika tsy hanaiky izao zavatra izao" ho aho tamin'ireo mpilahatra namako.
- "Aoka ho izao ihany" hoy ilay iray izay. Voa maika tsy ho vita eo ny taratasintsika raha manao izany hoy izy. Ny sasany mody tsy maheno ahy daholo, na dia marary fo aza isaky ny mahita olona tsy nilahatra nefa tonga dia miditra. Betsaka taminay nilahatra teo no hitako ho olona tsotsotra (ratsy akanjo, sy toa avy any ambanivohitra koa aza).
Ny niafarako moa dia voaray ihany, efa ho tamin'ny 4ora hariva tany ho any. Tena olona tsy mahalala fomba ilay lehilahy tompon'andraikitra : na ny "arahaba" aza tsy ataony fa dia "inona ny anao?", "ny anarana?", sns fotsiny hoy izy sady mikitakita izy. Nanokatra "tiroir" kely izy dia navoakany avy tao ny taratasiko. Dia izay monja dia vita. Tsy misy "veloma" koa fa dia "ny manaraka" ho izy toa sady mandroaka.
Kivy aho. Marihiko fa tamin'ny fiantomboan'ny herinandro dia nisy namako izay efa nilazako fa hanao io taratasy io aho ; ary dia hoy izy : "miasa ao i dadatoanay, sao dia tianao ny hampifandraisako anareo?". Tonga dia azoko ny ny tiany ho tenenina. Toa niteny tamiko izy hoe : sarotra be ny manao zavatra ao amin'io ministera io, fa miresaha amin'i dadatoanay, dia mba omeo kely koa izy mazava ho azy.
"Aoka ho izao ihany" moa ny valin-teniko. Zavatra tsy tiako mihitsy izany manao risoriso izany.
Eto anefa dia iharan'ny risoriso ataon'ny hafa aho. Ka dia kivy sy lasa eritreritra :
Tena tsy misy dikany intsony ny maha malagasy ny olona maro : sady efa mahantra ara-materialy no mbola mahantra ara-panahy sy ara-tsaina koa. Raha mba mahantra ara-materialy fotsiny moa haninona : mbola mety ho eo ny haja sy rehareha fa tsy mbola mpangataka na koa mpangalatra. Fa ankehitriny dia simba sy lomorina tanteraka ny maha-olona azy. Ary dia ny gasy samy gasy no mifamely, sy mifamono.
Tsy mahagaga ahy mihitsy ny hanambanian'ny vazaha sasany antsika : na samy isika aza tsy mahay mifanaja. Izany tsy fahaizantsika miara-miaina izany koa moa dia manamora ny fanambaniana sy fanandevozan'ny vazaha antsika. Koa aza gaga mihitsy ianareo rehefa tsy asian'ny vazaha sira rehefa mila zavatra aminy.
Ka dia miala tsiny aminao aho raha hiteny fa : tsy mirehareha intsony amin'ny mahagasy ahy. Tsy hitako intsony izay ilàna ny toe-tsaina malagasy. Tena tsy hipetraka eto Madagasikara aho. Taloha aho rehefa miteny hoe "andeha hody, dia ny ao Madagasikara izay ny ao an-doha, fa ankehitriny dia ny tranoko any an-dafy no tena tranoko". Fialan-tsasatra ihany no tsara atao ao Madagasikara, ary fadio ny mikarakara taratasy raha tsy te hanimbasimba foana ny fialan-tsasatra.
Manomboka anio dia tsy gasy intsony aho. Aleoko ny zom-pirenena maha-vazaha ahy no asehoko olona. Ny gasy dia "sauvage", tsy mahalala fomba intsony koa : na ny arahaba aza tsy hain'ny mpitàna birao sy ny mpivarotra intsony.
Koa ny hafatro aminao izay any an-dafy dia ny hoe : "tena tsy misy fanafana intsony i dago! ... satria ny vahoaka mihitsy no lomorina toe-tsaina. Na ho i Obama, na ho iza na ho iza no ho filoha dia tsy hisy raharaha ho vanona eo. Adabohy izany tetik'asanao eto Madagasikara izany satria efa simba ny fomba fihariana eto. Tsy maintsy manao risoriso ianao amin'ny ambaratonga rehetra vao mahavita zavatra. Koa raha tsy kinga amin'ny fanaovana risoriso dia ho maty antoka fotsiny, eny fa na dia tsara paika aza ny tetik'asa. Ho lany fotoana arirariran'ny birao fotsiny ianao, arirarirany amin'ny lalàna izay tsy ampihariny intsony akory.
Ny hafatro aminao eto Madagasikara kosa dia ny hoe : "Tena ataovy izay hialàna eto. Ozinina famonoan'olona sisa i Madagasikara : famonoana ara-batana à "long terme", ary koa famonoana fanahy. Raha tafiditra ao amin'io ozinina io dia tsy maintsy manaraka ny kodiara "engrénage" ao raha tsy izany dia "maty haingana". Koa ataovy izay ivoahana : na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana.
A partir d'aujourd'hui, je ne reconnais plus mon pays. Car je deteste la corruption
Tapitra ny fitantaràna . Io nosoratako volomparasy io no zavatra notantarain'ny namako iray ahy vao omaly zoma hariva. Dia tanteriko eto koa. Anjaranao ankehitriny ny mitsara azy sy ny fomba fijeriny. Aza maika miaro, sy manadio tena fa diniho hoe : inona amin'ny noteneniny no marina sy zava-misy tokoa.
Misaotra anareo namaky i Tokinao.
PS: tsikaritrareo fa gasy manao fialan-tsasatra ao Madagasikara io olona nitantara tamiko io. Ny nambarako azy moa dia ny hoe : tsy vao izao no misy ireo zava-misy ireo ao Madagasikara, sy ny hoe : aza tsaraina loatra amin'ny fiainan'ny eny andrenivohitra ny momba ny malagasy rehetra.
Eny, nahateny vazaha mihitsy RaToky noho izao zava-miseho eo amin'ny firenena izao. Tsy noforoniko anefa io lohateny io fa tenin'i Lénine "Teorisianina sosialita malaza". ( nasosoko anio 8aprily2009 : Azoko antoka fa diso tsipelina izy io satria boky amin'ny teny malagasy no nangalàko azy, ary noezahiko navadika ho teny rosiana).
Raha resahina fohy ny fankasitrahako io teorisianina malaza io, dia izao : isan'ny nanandratra avo ny sosialisma izy tany am-panombohan'ity firehan-kevitra iray ity. (izay fomba fitondrana amim-piraisankina : miasa ho an'ny tanindrazana daholo ny tsirairay, ary avy eo dia zarain'ny fanjakana ny tombony). Na dia tsy nahomby aza io petraka nataony io dia hitako ho mifono fahamboniana tanteraka. Ny tsy nampahomby azy moa (araka ny fijeriko) dia noho ny antony maro :
- alaim-panahy hanararaotra ny mpitondra,- tsy mazoto loatra mba hivoatra ny mponina satria tsy ho azy mivantana ny tombontsoa.
- sns.
Hatrany am-boalohany anefa dia tsy ireo mihitsy no nokasain'i Lénine, fa ny mba hahavitana asa goavana (ny firaisan-kina mantsy no hery), ary ny mba hikarakaran'ny Fanjakana ny tsirairay.
Tsetsatsetsa tsy aritra ihany iny resaka "Lénine" iny. Fa hiverina amin'ilay fehezanteniny etsy amin'ny lohateny aho : rehefa nandinika ny fivoaran'ny tantaran'ny vahoaka maro maneran-tany i Lénine dia nahita fa "ny ady dia manafaingana ny tantara". (Izany hoe fahatsapana ihany no nataony fa tsy mamporisika velively ny olona hiady akory izy).
Izaho manokana dia mbola mahita fa tena marina io fehezanteny io, satria :
- raha tianao ny hampanan-javatra anao "haingana", dia mangalara, sy manaova fandrobàna. Mba tsy ahafahan'ny tompon-javatra hiteny fotsiny dia: mila matanjaka sy be sandry ianao.
- raha tianao ny ho lasa mpitondra ao anatin'ny fotoana fohy, dia mampiasà hery sy fanonganam-panjakana. Ary mba hahatonga izany hetsika izany hahomby dia entano sy fitaho ny vahoaka mba hanohana anao. Ataovy izay ahazoana ny fanohanan'ny firenena mikambana, eny fa na dia fanambaràna tsy ampiheverana aza izany.
Boribory tokoa ry 'zareo ny tany, ary na dia miova aza ny taon-jato iainana, na dia nivadibadika aza ny arivotaona maro, dia toa miova endrika fotsiny kosa ireo fomba fiainana ratsy : dia ny fomba fanaovana didin'ny be sandry, ny fomba fanararaotana, sns. Taloha manko raha mikasa hanitatra ny fanjakany ny mpanjaka iray, dia mila manafika ny foko manodidina azy. Ankehitriny kosa, raha te ho mpitondra ny olona iray, dia mila manongam-panjakana fotsiny : tsy misy foko havory sy hatambatra intsony fa tonga dia mandray vita :).
Tsy mahagaga, raha io no jerena, ny zava-misy ankehitriny ao Madagasikara. Ny mahagaga dia, ny tsy hisian'izany intsony any aoriana any : Tena ho fahagagana lehibe miposaka ao Madagasikara.
Kely fotsiny moa sisa no saika tsy anoratako ny votoatin'ity lahatsoratro ity amin'ny teny gasy. Ny tenim-pirenena iray manko dia reharehan'ny tompony. Io teny io no mampiseho fa vahoaka lehibe sy manana ny maha-izy azy ny vahoaka iray. Ankehitriny anefa dia tsapako fa resaka be fotsiny ireo heverina ho reharehan'ny Malagasy :
- ny fihavanana : resaka fotsiny io amiko, satria mbola misy ny fanavaham-poko ao Madagasikara. Disoy aho raha misy milaza ny mifanohitra amin'izany ireo mpandehandeha ao Madagasikara. Aleo koa hono very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola" hoy i Besapaka ao amin'ny bokin'ANDRIAMANGATAHIANA izay, satria "ny havana mandany vola"
- ny firaisan-kina : tena tsy hita taratra intsony, ankoatran'ireo mbola manao valin-tànana any ambanivohitra. Raha mba hita taratra ihany kosa, dia vao mainka ratsy satria: miray hina hiady sy hifamono fotsiny.
- ny fahaizana mandray vahiny : misy ihany izy ity ... fa ny fijeriko dia satria noho ny mampahantra ny Malagasy no antony mahasariaka azy amin'ny vahiny. Jereo ange ireny mpivaro-tena tsy mila gasy ireny e! Ny vola no tena tiana ho azo.
Aleo taperiko eo ny lisitra satria ...
te hatory aho :).
Mba tsy hampiakatrakatra ny tosi-drà amin'ny tsy antony amin'izao zava-manjo ny firenena izao dia tapa-kevitra aho ny hieritreritra zavatra hafa mihitsy :). Asa ... nofinofy ihany ve sa vinavina mba ho azo tanterahina. Miankina amin'ny fitantanan'Ilay Nahary daholo manko ny zava-drehetra.
Vinavina (sa nofinofy ) voalohany : Rehefa manan-janaka aho any aoriana any dia izao no eritreretiko hitaizàna azy [aza ihomehezana e ]:
- fomba fitaiza amin'ny alalan'ny fanomezan'andraikitra : satria ho zariko omena andraikitra izy raha vao manomboka ho lehibebe ka mahatsiaro tena. Miainga amin'ny fiainana keliny amin'ny andavanandro izany. Ohatra : rehefa avy milalao dia tsy maintsy alamina ny kilalao, rehefa avy misakafo dia izy ihany no mandroaka ny ota navelany, sns. Arakaraky ny taonan'ny ankizy koa dia ampanaovina raharaha sahaza azy izy, ary ampiharina amin'ny ankizy rehetra ao an-trano io. Rehefa feno 8 taona ohatra dia tokony handamina lovia isan'andro. Rehefa zokinjokiny kokoa indray dia asaina manadio trano sy ny sisa. Marihiko fa mitovy ny lahy sy ny vavy ao an-trano : rehefa anjaran'ny vehivavy ohatra ny manao zaridaina dia tokony handray angady izy, ary rehefa andraikitry ny lahy ny manasa lamba sy mipasoka dia tsisy an-kitaraina eo. Tsy ferako kosa ny fifanarahana satria tokony ho tsapany fa ilaina ny izany, sy ny fizaràna andraikitra araky ny manavanana ny tsirairay avy.
Ny tena tanjona amin'izay fanomezan'andraikitra izany moa dia ny hizàrana an-dry zareo hanara-dalàna eo amin'ny fiaraha-monina, mba ho tompon'andraikitra amin'izay atao, ary mba hahaleo tena. Antenaiko fa ahafahana misoroka ny toetran'ankizy "mihanta", sy "miankin-doha" amin'ny ray aman-dreniny io fomba fitaizàna io.
- fomba fitaiza hentitra : Rehefa nanome toky ny ankizy iray fa hanao raharaha iray dia tokony ho vitainy izany. Rehefa ifanarahana aminy fa tokony hody ao an-trano izy amin'ny ora voatondro iray dia tokony harahiny izany. Ny famitahana sy ny tsy fanarahan'anatra dia toetra tsy azo leferina velively, fa dia sazy no sahaza izany. Isan-tsokajiny ny sazy omena ny ankizy tsirairay arakaraka ny taonany sy ny fahatsiarovany tena. Raha ankizy eo ho eo amin'ny 2 na 3 taona ohatra no mianatry ny miteny ratsy dia ny kapoka kely no sazy sahaza. Tsy mbola mandray anatra am-bava loatra manko izy. Na izany aza anefa, ny kapoka dia tsy natao hampaharary fa ho endrika (symbolique) fotsiny. Ny manambitamby zaza avy nanao fahadisoana sy avy nokapohina moa dia fadïna, satria io no fomba fampihantàna zaza mahomby indrindra.
"Ny tahotra no voaloham-pahendrena" hoy ny baiboly sy ny fahendrena malagasy ... koa aza mitsitsy rotsa-kazo raha tianao hanam-pahendrena ny zanakao.
- am-pitiavana anefa : ireo fomba fitaiza voalaza etsy ambony moa dia "vokatry" ny fitiavana ary "atao am-pitiavana" hatrany. "Vokatry ny fitiavana" daholo ; eny fa ny sazy sy ny kapoka. Tiana izy ka tsy avela hivily ho amin'ny lalàn-dratsy. "Amim-pitiavana" koa fa tsy an-katezerana : tsy asïko resa-be satria inoako fa ananan'ny ray aman-dreny ho azy (tsy novolena) izany fitiavan-janaka izany.
- Ny ho fialamboliny ve : maro ankehitriny ireo zava-manintona ny ankizy, raha tsy hilaza afa-tsy izay hitantsika any an-dàlana rehefa fotoanan'ny noely : dia ny kilalao maro isan-karazany sy isan-tsokajiny. Na eo aza anefa ireo rehetra ireo, dia ireto ny ahy no kilalao sy fialam-boly hitako ho idealy :
# lalao mampiasa vatana, izay mahafaoka koa ny fanatanjahan-tena. Ankoatran'ny fampiasam-batana dia mitaiza ny saina izy io : ka hisy ohatra izany tsony!!! Ny fampiasam-batana dia ilain'ny ankizy fatratra (sy ny olombelona rehetra amin'ny ankapobeny) noho ny vatany mbola eo am-pitomboana tsara. Izany koa dia miaro azy mba ho salama lalandava : mandritra ny fahazazany sy mba tsy hanany areti-mitaiza rahatrizay. Ny ankabeazan'ny areti-mitaiza mantsy dia vokatry ny fahazaran-dratsy fony faha-tanora : fifohana sigara na zava-mahadomelina, fisotroana alikaola, tsy fihetsiketsehan'ny vatana, fahazarana mihinanana sakafo miteraka aretina, sns. Koa ny fampiasam-bantana dia fanafody sy fanefitra lehibe hialàna amin'ireo. Ankoatran'ireo moa dia tsy laviko fa eo koa ny areti-mitaiza manaranaka, sy ny areti-mitaiza mpahazo tsotra izao (tsy misy hoe nahoana). Hiverina amin'ny lohahevitra aho, dia ilay fampiasam-batana : betsaka ny lisitra raha hotanisaina : satria miainga amin'ny fanenjika, hazakazaka, sabaka, ka miafara amin'ny lomano, karaté :).. Tsy amporisihiko loatra kosa anefa izy ireo hanao "baodybaoldinina" satria fampijaliana ny vatana indray ireny amiko (mba hampihomehy anao ny tanjoko teto).
## fialamboly mampivelatra talenta. Ny tiako lazaina eto dia ny lalao izay, raha ampiroboroboina, dia hanjary talenta sy asa fiveloman'ilay ankizy (eny fa na dia hanome antoka ny ampahan'ny vola hiditra fotsiny aza). Ny ohatra ve hoy ianareo :### Ny famakiam-boky : Vao miresaka boky dia ny tantara foronina no matetika ho ao an-tsain'ny maro. Tsy fahadisoana izany nefa koa tsy azo fintinina amin'ny tantara foronina ny boky. Maro ireo karazam-boky izay hitako ho tsaratsara kokoa noho ny tantara foronina (hevitro manokana io ka zonao ny hanakiana azy) : ny boky fianaran'asa, ny boky manampy eo amin'ny olana andavanandro [olan'ny tanora, olan'ny vehivavy, sns], ny boky ara-teknika (fanaovana brikôlazy, zaitra, sakafo, ...), ny boky ara-pianarana. Ireo dia azo ampiharina mivantana eo amin'ny fiainana andavanandro. Ilay karazamboky kianiko etsy ambony kosa, na dia ahazoana misintona anatra aza (izay tsy laviko velively), dia mety hampanonofy koa, indrindra ho an'ny ny ankizivavy, raha diso tafahoatra.
Etsy andanin'ireo, dia tsara ezahina ampanalavirina ny ankizy ny fialamboly mampikombon-tsaina sy manasaraka azy amin'ny fiaraha-monina : dia itony ataon'ny tanora ankehitriny hoe : pilaisitasiônina , tsatitsaty, ary ny lalao harifomba lafo dia lafo nefa tsy mampivelatra akory. Ny fanomezana diso tafahoatra an'ireo lalao ireo ho an'ny ankizy dia sady hampikombona ny sainy, no mety hiteraka aretina ho azy [areti-maso, sns], ary mety hiteraka toetra mihanta sy zatra ampiadanina loatra koa : koa rehefa tonga ny andro tsy ahafahanao manome fahafaham-po azy dia tsy hahay hihonona izy ; ka na "hijaly" [frustré] izy, na hangalatra. Tsy manao be filaza aho fa tsy aleo ve maminavina ny ratsy mba hiavian'ny soa e. Ny fiainana manko haintsika ihany fa mivadibadika be ihany .
Aleo faranako amin'io ny resadresaka sy nofinofy androany . Izao tokoa angamba ny hoe : nofinofy ambony latabatra. Izay hevitry ny renin'ankizy tsinona tsy mbola hay, moa ny vola ho enti-mamelona an'izany ankizy izany koa tsy misy tokotaniny akory hihihi. Etsy ankilany : enga anie ka tsy ho momba RaTokinao . Raha sanatria moa ka izany dia efa "adie vô vasy kôsô kové" (adieu veau, vache, cochon, couvée).
Ireo fomba fijeriko ireo moa dia vokatry ny fandinihiko ny manodidina ahy, ary koa vokatry ny asa-soratra taoriam-pahalasàn'i Maurice Tièche (oeuvres posthumes de Maurice Tièche) izay hitako ho tena volamena tokoa satria tsy mba lany daty. Efa ho 5 na 6 taona izay no namakiako azy, nefa dia betsaka ireo fehezanteniny izay tsy miala ao an-dohako. Raha liana hikaroka izany boky izany ianao dia karohy any amin'ny fivarotam-boky tranainy :GUIDE PRATIQUE D'EDUCATION FAMILLIALE , L'EDUCATION PORTERA SES FRUITS, GUIDE PRATIQUE D EDUCATION FAMILLIALE
Isaorako mialoha ianareo izay hitondra fanakianana sy fanamarihana : na avy aminareo efa manan-janaka izany, na avy amin'ny tsy mbola. Asa ... mety ihany ve ry zareo ilay maminavina toy izao, sa dia izao tokoa no atao hoe manisy sira ny valala am-panidinana hihihi.
Araka ny maha "voalohany" ity revirevy ity moa dia kasaina havoaka amin'ny manaraka ny "revirevy faharoa".
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |
Tiako mihitsy ity lahatsoratrao ity satria milaza ny zavatra mba nanitikitika ny saiko hatry ny ela, sady milaza koa ny zavatra efa saika lazaiko.
Raha tsorina, dia efa ela koa aho no saika hanakiana an'ilay fomba fijerintsika gasy izay azo atao hoe : donton'ny fivavahana (izay manamarina ilay hoe : religion, opium du peuple. maherihery ihany io fiteny io, ka mangataka ny mpamaky aho mba hamaky hatramin'ny farany). Betsaka ny itovizantsika hevitra (ankoatran'izay ho lazaiko etsy ambany). Ny mba tsikaritro dia ity : betsaka ny malagasy no tsy mahay mandray ny fivavahana : lasa vato misakana amin'ny lafiny rehetra ilay izy matetika. Ohatra fotsiny :
- eo @ fomba fiakanjo, sy fihetsika : misy ny fomba fiakanjo lazaina fa tsy maontina ara-pivavahana. Ny marina anefa dia ny saina no tsy mahatanty ilay zavatra. (ny fiakanjo sexy no teneniko eto. Heverina manko matetika fa mpivaro-tena ihany no mpanao ireny).
- eo @ lafiny ara-politika, sy fiaraha-monina (tsy asiako ohatra eto satria tsy te hiresaka politika aho aloha).
- eo amin'ny resaka siantifika : indraindray dia lasa vato misakana tsy ahatakarana zavatra ilay finoana (zonareo ny tsy hitovy hevitra amiko amin'ity). Ohatra fotsiny : izaho manokana dia mahita fa mifanaraka tsara ny lazain'ny genesisy na genezy sy i Darwin. Jereo ange ilay filaharan'ny fipoiran'ny zava-manan'aina e : ny trondro aloha, izay vao ny vorona, izay vao ny biby an-tanety, ary farany ny olombelona: samy milaza an'io na i darwin na ny baiboly (jereo ny an'ny katolika na koa protestà). Fa ny mahasamihafa azy fotsiny dia ny fomba filazan-javatra : ny genesisy somary misarin'angano, fa ny iray kosa siantifika. (Mamaky an'ity zao ny olona sasany dia mety hilaza fa siansa koa ny finoana, na koa hoe : ny finoana dia ambony noho ny siansa rehetra. Ny hevitro amin'io dia aleoko tsy teneniko eto satria : ho lasa lava ny fanazavana. Ny azoko tenenina angaha dia ny hoe : sasanangy samihafa ireo, ka tsy azo ampitahaina, ary tsy mifanimba. Andriamanitra no nanome saina antsika hahay siansa). Ny matetika mpitranga dia : vao maheno fotsiny ny mpivavaka sasany hoe : "avy amin'ny gidro ny olona", tonga dia manidy ny varavaran-tsainy, satria mifanohitra amin'ilay hoe : "natao ho tahaka an'Andriamanitra isika". Ho ahy manokana dia ny fandraisako ny an'i Darwin dia hoe : ny gidro no nisy taloha, izay vao ny olona. Fa ny fomba nipoiran'ny olona kosa indray dia, avelako io ho misiterin'Andriamanitra. Mety ho nataony, "par mutation" haingana na miadam-piova (aman-tapitrisan-taonany), mety ho nataony niforona amin'ny alalan'ny tsy misy (io dia inoako fa hain'Atra, satria na ny olombelona aza dia nahita fa afaka mamboly mikroba avy amin'ny mololo : tamin'ny nahitàna ny mikroba voalohany. Mety ho nataon'Atra ho avy amin'ny reaction chimique-na matière minerales koa. Tsy voazavako io "partie fiforonan'olombelona io" no tena marina ka ao no ametrahaka ny finoana.
Ity "finoana lasa vato misakana" ity moa dia efa mpitranga hatramin'izay naha-tany ny tany. Fony faha-moyen age, dia tsy navelan'ny fivavahana (fa fady hono) ny mianatra ny ao anatin'ny fatin'olona. Izany dia nahatonga ny olona tsy hahay fitsaboana, sns. Taloha ela be koa dia fady ny izao sy izatsy raha tsy izany dia ilatsahan'ny andriamanitra "varatra", sns.
Ary izaho manokana dia mbola mieritreritra fa betsaka ny azo kianina amin'ny fomba fampiasantsika olombelona (izany hoe ny malagasy koa) ny resaka "finoana" ankehitriny. Ho sarotra amin'ny olona anefa ny hahatakatra izany satria : efa zatra an'ilay zavatra ilay olona, ary teraka tao anatin'izany fahazarana izany. Io no tahaka ilay tantaran'ny olona iray teraka tao anaty lava-bato, ary mbola tsy nivoaka tao : tsy fantany hoe anaty maizina izy satria mbola tsy nahita ny mazava (eto koa dia aza malaky mitsara ny mpamaky sasany hoe : ampitahaiko amin'ny haizina ny finoana. Tsy izany velively). Ny tiako tenenina dia ny hoe : tsy ho hain'ny olona iray velively ny hitsara ny tenany raha mbola tsy nahita ny hafa izy, na koa : tsy afaka atao mihitsy ny hamaritra ny zavatra iray raha tsy efa misy "reference, na koa répère".
Hiverina amin'ny resaka Darwin sy Andriamanitra aho. Izaho dia "mino" fa samy marina ireo. (Ampiako fotsiny hoe : mety somary hisy diso ny an'i Darwin, ary ny hoe :mety ho "imagée" ny an'Atra, ary koa "notsotsorina" mba ho takatry ny olombelona. Eto indray dia aza tenenin'ny sasany aho fa hoe manompo Andriamanitra 2. Tsy izany fa izao : ny iray Andriamanitro, ary ny iray Théorie. Heveriko fa ny théorie dia inoana na ekena no filaza azy satria tsy nisy vavolombelona nanatrika izany).
Tohizako ny resako : mitovy ireo hoy aho. Ny Genezy fotsiny no somary endrik'angano. Ary hitako ho rariny izany satria : ataon'ny olombelona fahiny ahoana moa no hahazo ny resak'Andriamanitra raha toa ka nataony ara-tsiantifika izany. tsy ho azon'ny olona mihitsy. Ary na dia ankehitriny aza, dia tsy ho azontsika olombelona mihitsy ny resak'Andriamanitra raha ataony fanazavana siantifika. Bitika sy kely ny fahaizan'olombelona na dia amin'izao fotoana izao aza (ampitahao fotsiny ny angezan'ny olona iray, sy ireo kintana aman-tapitrisany : na ny lalànan'ny kintana iray aza tsy voafehintsika) : izany fahabitihan'ny fahalalantsika izany anefa dia tsy takatry ny saintsika, satria efa zatra niaina tao isika. Eny, mety ho heverintsika ho goavana be aza isika satria ny tenantsika ihany no hitantsika hatramin'ny naha-isika antsika. Toy ilay olona ao anaty lava-bato maizina : na dia ao anaty maizina aza izy dia heveriko fa mety hanana ny "notion"-na hazavana ihany : ohatra hoe : heveriny ho hazavan'ny masoandro ny fanjelatry ny vaingam-pasika kely iray monja.
Raha fintinina dia izao :
- Ekeko tokoa ilay fijery hoe : tsara ny mifanaja fomba fijery, sy tsy malaky manakiana. Eny fa na dia ny hevitra mifanipaka tanteraka @'ny an'ny tena aza.
- Izaho manokana dia mino an'Atra, nefa koa dia manaiky sy manaja ireo hafa finoana rehetra, hatramin'ny tsy mino koa. Ary maniry aho mba hiparitaka izany fijery izany.
Mety tsy hazava ny resako satria filozofika, nefa ... io no mba takatro hanazavàna azy.
Ahoana ny hevitrao ?
Misaotra indrindra e!
Misaotra anareo mametraka fanakianana momba ity fijeriko ity (Eny fa na dia ny tsipelina, filazan-kevitra aza). Ny teny ratsy ihany no aza apetraka llooll.
PS : Aleo azavaiko fohy ilay hoe "donton'ny fivavahana", na koa ilay hoe "religion, opium du peuple" sao tsy mazava. Tsy sanatria ny fivavahana akory no hitako ho mahadonto, fa isika indraindray no manadonto ny saintsika. Ary tsy ny fivavahana akory no drogue, fa isika no lasa mandray azy ho "drogue". Aleo nazavaiko tsara io ... sao heverin'ny olona ho mpaniratsira fivavahana aho.
Tsy ny fivavahana no toheriko, fa ny fomba sasany hanarahana azy.
Raha nahaliana anao ity dia jereo koa ange ato e : How Darwinism and Faith Can Coexist