Tokinao

Te hahita vazah manambola ve ?
2008/03/27,21:08

 

 Mahagaga tokoa, asa raha tsikaritrareo fa dia betsaka ireo vehivavy mora voasinton'ny vazaha! Misy amin'izy ireny ny tena avy amin'ny fitiavana madio, fa tsy io tranga io no horesahiko eto.

Misy ankizivavy roa izay any Mkara any, ary mazoto manoratra aty amiko 'zareo. Ny tena antony hanoratany moa dia ny hoe : mba hitadiavako vady hono Embarassed. Ka dia nalefa ny sary, matetika koa dia lavalava ny taratasy satria nofariparitany tsara ilay olona tadiaviny, izay ahitàna ny hoe : "vazaha tsy dia reraka loatra fa mba manam-bola".

Dia tena vaka mihitsy aho isaky ny mahazo taratasy satria sarotra ho ahy ny hitady an'izany, ary tsy sahiko ny hampifandray azy amin'olona sao hiteraka fijaliana ho azy, ary izaho indray no homeny tsiny any aoriana. Manaraka izany dia talanjona aho,... dia ny resa-bola ve no hifantenana izay ho andefomandry e, sa koa ny lokon-koditra...sa ilay hoe hankaty an-dafy no tena lasa nofinofy tian-ko tanterahina ... asa loatra re.

Tena izany tokoa no amin'ilay lazain'ny hainteny hoe : "ny an-karo-misarona toa ho inona ihany". Ataon-draFahantrana mikaikaika ny malagasy, ka dia mitady izay fomba rehetra ialàna amin'izany. Koa dia heveriny ho tsara daholo izay fomba rehetra ahafahana miala amin'izany fahantrana izany, na koa izay fomba rehetra hanadinoana izay fahadisoam-panantenana mety ho nahazo azy fahiny.

Koa eto dia aleo mba hampatsiahiviko antsika zazavavy malagasy ny zava-dratsy mety hahazo anareo raha "miroboka tsy am-pieritreretana" ao anatin'izany fitiavana vazaha izany isika. Ny tsy fitovizam-pomba fijery eo amin'ny kolo-tsaina malagasy sy tandrefana (occidental) no tena hasiako resaka.

Aty an-dafy dia samy maka ho azy ny olona (individualiste), koa ho anao maniry hanambady vazaha sy te hanaraka azy aty an-dafy dia adinoy ny fomba fiainana arahina vangivangy sy serasera isan-takariva mampalaza antsika malagasy (marihiko moa fa i Tokinao rehefa miteny hoe malagasy dia ny tantsaha izay no tiany teneniny voalohany, ireo no maro an'isa tsinona ). manaraka izany dia tsy mitovy ny fomba fijery ny fanambadiana. Somary ho lalao ihany no handraisain'ny vazaha azy (fisaikaizàna na fi-sipàna) raha mbola tanora. Fa rehefa manomboka mahatratra ny faha-28 sy faha-30 taona any vao tena vonona hanorin-tokantrano ny ankamaroan'ny vazaha! jereo ato ny statistika.

Ka ny teniko dia ny hoe "diniho tsara ihany fa sao hanenenana". Lazaiko ary tsindrìko eto am-pamaranana koa anefa fa misy fanambadiana vazaha-gasy tena mahomby, sy miaina amim-pitiavana hatrany. Deraiko manokana ireny satria mahay mifampizatra sy mifandefitra tokoa na dia eo aza ny fomba fitaiza tsy nitovizana! Lehibe tokoa ny fitiavana ka mahavita zavatra maro Smile.

*Ny iray amin'ireo ankizivavy roa lazaiko etsy ambony moa, rehefa tsy nahìtako izay notadiaviny, dia mifankatia amina vazaha iray izy izao, ka irìko mba hahasambatra azy hatramin'ny farany izany.  Ilay tovovavy moa dia havana ihany fa noho ny fanajàko ny fiainany manokana dia tsy lazaiko eto ny rohy misy aminay.

Farany dia misaotra an'i Helisoa nanome aingam-panahy,  hevitra no marimarina kokoa Smile, tatsy. Mba tsidiho koa ange ny tranonkalany fa mahafinaritra e : http://rahelys.unblog.fr

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype