Tokinao

Madagasikara tena lomorina
2009/10/01,10:44

Tsy dia mahita hosoratana ka dia ny lahatsoratra farany no novaina dia averina aseho. Ny fanovana "goavana" dia : tsy "Madagasikara lomorina" intsony ny lohateny fa "Madagasikara tena lomorina" :).

Tamin'ity herinandro faran'ny volana jolay ity dia nila nikarakara "taratasy" teny amin'ny ministera iray aho. Tamin'ny talata aho no teny voalohany, koa dia nahazo ny toro marika rehetra, ny taratasy ilaina, sns , ary nasiany niverina omaly zoma (asabotsy 1 aogositra moa anio). Tamin'ny 8ora omaly ny fotoana nomeny, ary nasain'ilay tompon'andraikitra tonga alohaloha satria ho betsaka hono ny filaharana.

Koa dia tonga aho tamin'ny 7ora, tamin'izay anefa dia efa ho maromaro izahay no tao. "Tsy maninona" hoy aho tany an-tsaiko satria tiako ho faranana anio ilay taratasy amboariko. Koa dia nilahatra ampilaminana izahay.

Niandry ka niandry ... Tamin'ny 8ora sasany no tonga ny tompon'andraikitra. Nihabetsaka hatrany izahay

Niandry ka niandry ... Tamin'ny 8ora 30 teo ho eo no nisy olona nizara nomerao. Mba faly kely aho satria heveriko ho afaka miala kely aho rehefa avy nahazo nomerao, ary miverina rehefa akaiky ho anjarako ny miditra ao amin'ilay birao. Mba nampahery kely ny tenako aloha ny fisian'io fomba fitantanana mahafinaritra io, na dia tsy mba am-panajàna tanteraka aza ny nizàrana izany nomerao izany. Sanatrian'izany ... toy ny mizara taolana amin'ny alika ny fomba nanomezan'ilay rangahy motomototra ny nomeraonay : "'ty"  "ty ny anao", sns...

Niandry ka niandry ... Tamin'ny 9ora mahery kely vao nanomboka nandray olona ilay tompon'andraikitra. Amin'io dia efa feno be ny efitra fiandrasana (salle d'attente), ny marimarina kokoa dia làlan-tsara fiandrasana. Feno olona ny manodidina ahy : aloha, sy aoriana, ankavia sy ankavanana ... toy ireny hifanisika hiakatra fiara fitanteram-bahoaka ireny. Fa izahay koa aloha tsy mifanosika satria mila ho in-1 isaky ny antsasak'adiny vao misy olona iray ampandrosoana ao amin'ity "fiara fitateram-bahoakanay" ity : laozan'ilay tompon'andraikitra mihodina ankavia sy ankavanana foana. Ny mahagaga ahy dia betsaka ireo namany manana birao eo akaikiny no tsy manao n'inon'inona akory nefa tsy mba manampy azy : ny sasany moa dia mahavita mivoaka matetika satria hifoka sigara, sady leon'ny mijery olona milahatra koa angamba.

Niandry ka niandry ... tonga ny amin'ny 12 ora dia noteneniny izahay fa hihidy kely aloha satria hisakafo, ary hisokatra amin'ny 2ora. Ny hakiviako amin'io efa tsy haiko intsony ny mitantara azy. Efa adin'ny 5 manko aho no nijoro teo. Betsaka koa moa no tsy nahandry dia nandeha, ka faly kely aho isaky ny misy mandeha satria mihavitsy 'zany izahay. Nefa izao dia tsy maintsy hiala kely indray.

Dia nanao kibo an-tsena aloha, satria ny toerana fodiako dia alavidavitra ihany, sahabo ho 10km miala eo Anosy, izany hoe adiny iray raha mitaingina fitanteram-bahoaka.

Tonga ny folakandro dia tafaverina indray ireo mpilahatra : dia ny tamin'ny maraina sy olona vaovao hafa maro be koa, olona nahazo fotoana (rdv) ny folakandro hono.

Dia niandry ka niandry hatrany. Mihamifanetiety hatrany izahay, satria tsy maintsy tazomina ny filaharana eo an-dalan-tsara (izay tsy hitako intsony izay maha filaharana azy). Ilay nomerao nozaraina koa manko toa tsy nampiasain'ilay tomponandraikitra intsony koa, ka izay tandrify ny varavarana dia ampidiriny. Izy amin'io dia misinda matetika any amin'ny biraon'ny namanay any : mety vizaka angamba na koa leo mandray olona.

 Fa izany rehetra izany eo ihany fa ny tena tsy laitrako dia ny mahita olona mangata-dàlana aminay mba hiditra. Tamin'ny voalohany, dia tsy nomenay làlana satria tsy adala izahay milahatra eo. Rehefa hitan'ilay tompon'andraikitra anefa ilay olona mangata-dàlana dia "avelao izy handroso" hoy izy. Ny teny ratsy sisa no tsy mivoaka aminay mpilahatra.

Maromaro ny olona tonga dia nahazo niditra toy izany : ao ny zanaka karana, ao ny olona hita fa ho tsaratsara akanjo sy mihaja.

Marary mihitsy ny foko mahita ireo.

- "Andao ho'ahy isika tsy hanaiky izao zavatra izao" ho aho tamin'ireo mpilahatra namako.

- "Aoka ho izao ihany" hoy ilay iray izay. Voa maika tsy ho vita eo ny taratasintsika raha manao izany hoy izy. Ny sasany mody tsy maheno ahy daholo, na dia marary fo aza isaky ny mahita olona tsy nilahatra nefa tonga dia miditra. Betsaka taminay nilahatra teo no hitako ho olona tsotsotra (ratsy akanjo, sy toa avy any ambanivohitra koa aza).

Ny niafarako moa dia voaray ihany, efa ho tamin'ny 4ora hariva tany ho any. Tena olona tsy mahalala fomba ilay lehilahy tompon'andraikitra : na ny "arahaba" aza tsy ataony fa dia "inona ny anao?", "ny anarana?", sns fotsiny hoy izy sady mikitakita izy. Nanokatra "tiroir" kely izy dia navoakany avy tao ny taratasiko. Dia izay monja dia vita. Tsy misy "veloma" koa fa dia "ny manaraka" ho izy toa sady mandroaka.

Kivy aho. Marihiko fa tamin'ny fiantomboan'ny herinandro dia nisy namako izay efa nilazako fa hanao io taratasy io aho ; ary dia hoy izy : "miasa ao i dadatoanay, sao dia tianao ny hampifandraisako anareo?". Tonga dia azoko ny ny tiany ho tenenina. Toa niteny tamiko izy hoe : sarotra be ny manao zavatra ao amin'io ministera io, fa miresaha amin'i dadatoanay, dia mba omeo kely koa izy mazava ho azy.

"Aoka ho izao ihany" moa ny valin-teniko. Zavatra tsy tiako mihitsy izany manao risoriso izany.

Eto anefa dia iharan'ny risoriso ataon'ny hafa aho. Ka dia kivy sy lasa eritreritra :

Tena tsy misy dikany intsony ny maha malagasy ny olona maro : sady efa mahantra ara-materialy no mbola mahantra ara-panahy sy ara-tsaina koa. Raha mba mahantra ara-materialy fotsiny moa haninona : mbola mety ho eo ny haja sy rehareha fa tsy mbola mpangataka na koa mpangalatra. Fa ankehitriny dia simba sy lomorina tanteraka ny maha-olona azy. Ary dia ny gasy samy gasy no mifamely, sy mifamono.

Tsy mahagaga ahy mihitsy ny hanambanian'ny vazaha sasany antsika : na samy isika aza tsy mahay mifanaja. Izany tsy fahaizantsika miara-miaina izany koa moa dia manamora ny fanambaniana sy fanandevozan'ny vazaha antsika. Koa aza gaga mihitsy ianareo rehefa tsy asian'ny vazaha sira rehefa mila zavatra aminy.

Ka dia miala tsiny aminao aho raha hiteny fa : tsy mirehareha intsony amin'ny mahagasy ahy. Tsy hitako intsony izay ilàna ny toe-tsaina malagasy. Tena tsy hipetraka eto Madagasikara aho. Taloha aho rehefa miteny hoe "andeha hody, dia ny ao Madagasikara izay ny ao an-doha, fa ankehitriny dia ny tranoko any an-dafy no tena tranoko". Fialan-tsasatra ihany no tsara atao ao Madagasikara, ary fadio ny mikarakara taratasy raha tsy te hanimbasimba foana ny fialan-tsasatra.

Manomboka anio dia tsy gasy intsony aho. Aleoko ny zom-pirenena maha-vazaha ahy no asehoko olona. Ny gasy dia "sauvage", tsy mahalala fomba intsony koa : na ny arahaba aza tsy hain'ny mpitàna birao sy ny mpivarotra intsony.

Koa ny hafatro aminao izay any an-dafy dia ny hoe : "tena tsy misy fanafana intsony i dago! ... satria ny vahoaka mihitsy no lomorina toe-tsaina. Na ho i Obama, na ho iza na ho iza no ho filoha dia tsy hisy raharaha ho vanona eo. Adabohy izany tetik'asanao eto Madagasikara izany satria efa simba ny fomba fihariana eto. Tsy maintsy manao risoriso ianao amin'ny ambaratonga rehetra vao mahavita zavatra. Koa raha tsy kinga amin'ny fanaovana risoriso dia ho maty antoka fotsiny, eny fa na dia tsara paika aza ny tetik'asa. Ho lany fotoana arirariran'ny birao fotsiny ianao, arirarirany amin'ny lalàna izay tsy ampihariny intsony akory.

Ny hafatro aminao eto Madagasikara kosa dia ny hoe : "Tena ataovy izay hialàna eto. Ozinina famonoan'olona sisa i Madagasikara : famonoana ara-batana à "long terme", ary koa famonoana fanahy. Raha tafiditra ao amin'io ozinina io dia tsy maintsy manaraka ny kodiara "engrénage" ao raha tsy izany dia "maty haingana". Koa ataovy izay ivoahana : na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana.

A partir d'aujourd'hui, je ne reconnais plus mon pays. Car je deteste la corruption

Tapitra ny fitantaràna Wink. Io nosoratako volomparasy io no zavatra notantarain'ny namako iray ahy vao omaly zoma hariva. Dia tanteriko eto koa. Anjaranao ankehitriny ny mitsara azy sy ny fomba fijeriny. Aza maika miaro, sy manadio tena fa diniho hoe : inona amin'ny noteneniny no marina sy zava-misy tokoa.

Misaotra anareo namaky i Tokinao.

PS: tsikaritrareo fa gasy manao fialan-tsasatra ao Madagasikara io olona nitantara tamiko io. Ny nambarako azy moa dia ny hoe : tsy vao izao no misy ireo zava-misy ireo ao Madagasikara, sy ny hoe : aza tsaraina loatra amin'ny fiainan'ny eny andrenivohitra ny momba ny malagasy rehetra.

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype