Mba tsy hampiakatrakatra ny tosi-drà amin'ny tsy antony amin'izao zava-manjo ny firenena izao dia tapa-kevitra aho ny hieritreritra zavatra hafa mihitsy :). Asa ... nofinofy ihany ve sa vinavina mba ho azo tanterahina. Miankina amin'ny fitantanan'Ilay Nahary daholo manko ny zava-drehetra.
Vinavina (sa nofinofy ) voalohany : Rehefa manan-janaka aho any aoriana any dia izao no eritreretiko hitaizàna azy [aza ihomehezana e ]:
- fomba fitaiza amin'ny alalan'ny fanomezan'andraikitra : satria ho zariko omena andraikitra izy raha vao manomboka ho lehibebe ka mahatsiaro tena. Miainga amin'ny fiainana keliny amin'ny andavanandro izany. Ohatra : rehefa avy milalao dia tsy maintsy alamina ny kilalao, rehefa avy misakafo dia izy ihany no mandroaka ny ota navelany, sns. Arakaraky ny taonan'ny ankizy koa dia ampanaovina raharaha sahaza azy izy, ary ampiharina amin'ny ankizy rehetra ao an-trano io. Rehefa feno 8 taona ohatra dia tokony handamina lovia isan'andro. Rehefa zokinjokiny kokoa indray dia asaina manadio trano sy ny sisa. Marihiko fa mitovy ny lahy sy ny vavy ao an-trano : rehefa anjaran'ny vehivavy ohatra ny manao zaridaina dia tokony handray angady izy, ary rehefa andraikitry ny lahy ny manasa lamba sy mipasoka dia tsisy an-kitaraina eo. Tsy ferako kosa ny fifanarahana satria tokony ho tsapany fa ilaina ny izany, sy ny fizaràna andraikitra araky ny manavanana ny tsirairay avy.
Ny tena tanjona amin'izay fanomezan'andraikitra izany moa dia ny hizàrana an-dry zareo hanara-dalàna eo amin'ny fiaraha-monina, mba ho tompon'andraikitra amin'izay atao, ary mba hahaleo tena. Antenaiko fa ahafahana misoroka ny toetran'ankizy "mihanta", sy "miankin-doha" amin'ny ray aman-dreniny io fomba fitaizàna io.
- fomba fitaiza hentitra : Rehefa nanome toky ny ankizy iray fa hanao raharaha iray dia tokony ho vitainy izany. Rehefa ifanarahana aminy fa tokony hody ao an-trano izy amin'ny ora voatondro iray dia tokony harahiny izany. Ny famitahana sy ny tsy fanarahan'anatra dia toetra tsy azo leferina velively, fa dia sazy no sahaza izany. Isan-tsokajiny ny sazy omena ny ankizy tsirairay arakaraka ny taonany sy ny fahatsiarovany tena. Raha ankizy eo ho eo amin'ny 2 na 3 taona ohatra no mianatry ny miteny ratsy dia ny kapoka kely no sazy sahaza. Tsy mbola mandray anatra am-bava loatra manko izy. Na izany aza anefa, ny kapoka dia tsy natao hampaharary fa ho endrika (symbolique) fotsiny. Ny manambitamby zaza avy nanao fahadisoana sy avy nokapohina moa dia fadïna, satria io no fomba fampihantàna zaza mahomby indrindra.
"Ny tahotra no voaloham-pahendrena" hoy ny baiboly sy ny fahendrena malagasy ... koa aza mitsitsy rotsa-kazo raha tianao hanam-pahendrena ny zanakao.
- am-pitiavana anefa : ireo fomba fitaiza voalaza etsy ambony moa dia "vokatry" ny fitiavana ary "atao am-pitiavana" hatrany. "Vokatry ny fitiavana" daholo ; eny fa ny sazy sy ny kapoka. Tiana izy ka tsy avela hivily ho amin'ny lalàn-dratsy. "Amim-pitiavana" koa fa tsy an-katezerana : tsy asïko resa-be satria inoako fa ananan'ny ray aman-dreny ho azy (tsy novolena) izany fitiavan-janaka izany.
- Ny ho fialamboliny ve : maro ankehitriny ireo zava-manintona ny ankizy, raha tsy hilaza afa-tsy izay hitantsika any an-dàlana rehefa fotoanan'ny noely : dia ny kilalao maro isan-karazany sy isan-tsokajiny. Na eo aza anefa ireo rehetra ireo, dia ireto ny ahy no kilalao sy fialam-boly hitako ho idealy :
# lalao mampiasa vatana, izay mahafaoka koa ny fanatanjahan-tena. Ankoatran'ny fampiasam-batana dia mitaiza ny saina izy io : ka hisy ohatra izany tsony!!! Ny fampiasam-batana dia ilain'ny ankizy fatratra (sy ny olombelona rehetra amin'ny ankapobeny) noho ny vatany mbola eo am-pitomboana tsara. Izany koa dia miaro azy mba ho salama lalandava : mandritra ny fahazazany sy mba tsy hanany areti-mitaiza rahatrizay. Ny ankabeazan'ny areti-mitaiza mantsy dia vokatry ny fahazaran-dratsy fony faha-tanora : fifohana sigara na zava-mahadomelina, fisotroana alikaola, tsy fihetsiketsehan'ny vatana, fahazarana mihinanana sakafo miteraka aretina, sns. Koa ny fampiasam-bantana dia fanafody sy fanefitra lehibe hialàna amin'ireo. Ankoatran'ireo moa dia tsy laviko fa eo koa ny areti-mitaiza manaranaka, sy ny areti-mitaiza mpahazo tsotra izao (tsy misy hoe nahoana). Hiverina amin'ny lohahevitra aho, dia ilay fampiasam-batana : betsaka ny lisitra raha hotanisaina : satria miainga amin'ny fanenjika, hazakazaka, sabaka, ka miafara amin'ny lomano, karaté :).. Tsy amporisihiko loatra kosa anefa izy ireo hanao "baodybaoldinina" satria fampijaliana ny vatana indray ireny amiko (mba hampihomehy anao ny tanjoko teto).
## fialamboly mampivelatra talenta. Ny tiako lazaina eto dia ny lalao izay, raha ampiroboroboina, dia hanjary talenta sy asa fiveloman'ilay ankizy (eny fa na dia hanome antoka ny ampahan'ny vola hiditra fotsiny aza). Ny ohatra ve hoy ianareo :### Ny famakiam-boky : Vao miresaka boky dia ny tantara foronina no matetika ho ao an-tsain'ny maro. Tsy fahadisoana izany nefa koa tsy azo fintinina amin'ny tantara foronina ny boky. Maro ireo karazam-boky izay hitako ho tsaratsara kokoa noho ny tantara foronina (hevitro manokana io ka zonao ny hanakiana azy) : ny boky fianaran'asa, ny boky manampy eo amin'ny olana andavanandro [olan'ny tanora, olan'ny vehivavy, sns], ny boky ara-teknika (fanaovana brikôlazy, zaitra, sakafo, ...), ny boky ara-pianarana. Ireo dia azo ampiharina mivantana eo amin'ny fiainana andavanandro. Ilay karazamboky kianiko etsy ambony kosa, na dia ahazoana misintona anatra aza (izay tsy laviko velively), dia mety hampanonofy koa, indrindra ho an'ny ny ankizivavy, raha diso tafahoatra.
Etsy andanin'ireo, dia tsara ezahina ampanalavirina ny ankizy ny fialamboly mampikombon-tsaina sy manasaraka azy amin'ny fiaraha-monina : dia itony ataon'ny tanora ankehitriny hoe : pilaisitasiônina , tsatitsaty, ary ny lalao harifomba lafo dia lafo nefa tsy mampivelatra akory. Ny fanomezana diso tafahoatra an'ireo lalao ireo ho an'ny ankizy dia sady hampikombona ny sainy, no mety hiteraka aretina ho azy [areti-maso, sns], ary mety hiteraka toetra mihanta sy zatra ampiadanina loatra koa : koa rehefa tonga ny andro tsy ahafahanao manome fahafaham-po azy dia tsy hahay hihonona izy ; ka na "hijaly" [frustré] izy, na hangalatra. Tsy manao be filaza aho fa tsy aleo ve maminavina ny ratsy mba hiavian'ny soa e. Ny fiainana manko haintsika ihany fa mivadibadika be ihany .
Aleo faranako amin'io ny resadresaka sy nofinofy androany . Izao tokoa angamba ny hoe : nofinofy ambony latabatra. Izay hevitry ny renin'ankizy tsinona tsy mbola hay, moa ny vola ho enti-mamelona an'izany ankizy izany koa tsy misy tokotaniny akory hihihi. Etsy ankilany : enga anie ka tsy ho momba RaTokinao . Raha sanatria moa ka izany dia efa "adie vô vasy kôsô kové" (adieu veau, vache, cochon, couvée).
Ireo fomba fijeriko ireo moa dia vokatry ny fandinihiko ny manodidina ahy, ary koa vokatry ny asa-soratra taoriam-pahalasàn'i Maurice Tièche (oeuvres posthumes de Maurice Tièche) izay hitako ho tena volamena tokoa satria tsy mba lany daty. Efa ho 5 na 6 taona izay no namakiako azy, nefa dia betsaka ireo fehezanteniny izay tsy miala ao an-dohako. Raha liana hikaroka izany boky izany ianao dia karohy any amin'ny fivarotam-boky tranainy :GUIDE PRATIQUE D'EDUCATION FAMILLIALE , L'EDUCATION PORTERA SES FRUITS, GUIDE PRATIQUE D EDUCATION FAMILLIALE
Isaorako mialoha ianareo izay hitondra fanakianana sy fanamarihana : na avy aminareo efa manan-janaka izany, na avy amin'ny tsy mbola. Asa ... mety ihany ve ry zareo ilay maminavina toy izao, sa dia izao tokoa no atao hoe manisy sira ny valala am-panidinana hihihi.
Araka ny maha "voalohany" ity revirevy ity moa dia kasaina havoaka amin'ny manaraka ny "revirevy faharoa".
« | Febroary 2009 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 |
8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 |
15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 |
22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 |