Ria-dranon'i Lilia, ao Ampefy (« Chute d’eau de la Lili » ao Ampefy). (lahatsoratra tranainy nosoratako t@ 30/03/06. Noho ny tsy fisian'ny fanamarihana sy ny mpanao fanamarihana tamin'izany dia indro averiko avoaka hihihi. Ataoko fa azonareo 'zany ny zavatra andrasako aminareo a! )
Aiza tsara hoe e : Toerana iray any amin’ny faritr’i Soavinadriana ity hitantsika amin’ny sary ity, izany hoe eto Madagasikara fa tsy any ivelany akory. Sahabo ho antsasak’adiny tsy hidirana ao an-tanànan’Ampefy, raha mandeha fiara avy ao Antananarivo ianao, no misy azy ity. “Chute d’eau de la Lili” no anarana nomen’ny frantsay azy, ary nataon-dry zareo mpanjanaka ho toeram-pitsangatsanganana izy io fahiny. Tanàna kely ambanivohitra ny tanànan'i Riakan-dranon’i Lilia (io no andikàko ny anarany amin’ny teny Malagasy), zara raha ahitana tafo miisa 20 ao. Toy ny ambanivohitra rehetra ao afovoan’tanin’i Madagasikara dia trano bongo tafo bozaka no ipetrahan’ny mponina ao. Tongan’ny fiara tsara ity tanàna ity na dia misy lavadavaka maro aza ny arabe mankany.
Ria-drano toy inona : Ao antsimokelin’ny tanàna no ahitàna ny ria-drano ( na “chute d’eau” hoy ny frantsay ) izay tsy “ampoizina”. “Tsy ampoizina” satria anaty lohasaha iray no misy azy, ka raha tsy manantona akaiky ianao dia tsy hahita azy. Tsy ampoizina koa satria rehefa tafidina ao anatin’ity lohasaha ity ianao dia ho talanjona tokoa :
Voalohany, dia hanaitra anao ny fisasasasan’ny rano tsy an-kitsahatra, izay ateraky ny fianjeran’ny rano. Mahatratra 40 metatra eo ho eo izany fidoboky ny rano izany ka tsy mahagaga raha hankarenin-tsofina ny feo avoakany. Etsy ambany kosa dia misy rano tony, izay mangatsakatsaka, ary mitoetra eo ambonina fasika. Iza no tsy haniry hikasika izany rano izany raha vao mahita fangatsakatsahany. Eo afovoan-drano koa dia misy tany kely (nosy) anirian’ny bozaka. Ka na iza na iza mitsidika ny Ria-dranon’I Lilia dia haniry ny ho eo amin'ity tany kely ity avokoa. Tsy sarotra loatra anefa ny mankeny satria tsy lalina ny rano. Ka dia firobohan-drano ambonikelin’ny lohalika no tsy maintsy atao mba ahatongavana eny. Tandremo anefa fa na dia tony aza ny rano dia mikorina ihany ka mety handavo ny ankizy, ny vato moa malama izay tsy izy.
Fa iza aloha ireo amin'ny sary e hihihi : Tamin’ny 28 novambra 2003, teo afovoan’ny nosikelin’ny riadranon’I Lilia no nakanay io sary lehibe etsy ambony io. Izahay 15 mianadahy ao amin’ny sampana “indostria ara-pambolena sy ara-tsakafo” ( na “ Industries agricoles et Alimentaires” ) ao amin’ny “Agro” izay niaraka amin’ny mpampianatra anay no tany.
Mahalasa saina : na dia toerana mahafinaritra aok’izany aza ity ria-dranon’i Lilia ity dia zara raha fantatry ny olona. Maro ny olona izay monina ao ampefy ao na ao Analavory ao no tsy mahalala akory ny fisian’ity toerana ity. Araka ny resaka natao amin’ny tompon-tany moa dia tena vitsy mpitsidika izy izy ity; ary ny an-kamaroan’ny mpitsidika dia vahiny avokoa. Koa lasa ihany ny eritreritra hanao hoe : mba fantatsika Malagasy tsara ve ny haren’ity tanintsika ity sa dia ho ambakain’ny vahiny isika amin’ny fahafantarana izany ? Mampalahelo sy mahatalanjona ihany izany zava-misy izany satria ny vazaha indray ve no avelantsika haka tombony voalohany amin’izany harena izany. Etsy an-daniny kosa anefa dia tsy omen-tsiny ramalagasy satria mbola tsy mibahan-toerana lehibe loatra eo aminy izany fialam-boly izany. Ny fitadiavam-bola aloha no laharam-pahamehana araka ilay fiteny hoe : “ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra”. Fa dia voatery ho samy hafa tokoa ve anefa ity mahasoa sy mahafinaritra ity ?
“Tsia” avy hatrany no tonga ato an-tsaiko raha mahita ny ria-dranon’i Lilia aho. Toerana heveriko fa azo ampidiram-bola tokoa ity ria-drano ity raha trandrahina, ohatra avadika ho toeram-pitsangatsanganana andoavam-bola (“espace touristique payant ) toy ireo toeran-kafa maro eto amin’ny nosy ( Joffre ville any Antsiranana na koa Tsimbazaza ao Imerina, sns. ). Sitrany ahay mba vola miditra kely, na dia ho an’ireto tantsaha vitsivitsy monina eo akaikin’ny rano aza. Ekeko anefa fa tsy mora izany satria mitaky zavatra maromaro : fiaraha-miasa amin’ny tompon’andraiki-panjakana ( fokontany, firaisana, sns. ) satria moa dia harem-pirenena izy ity fa tsy an’olo-tokana, fananana vola ho enti-miainga ( mba hamefena sy hanolokoloana ny toerana ohatra ), ary zavatra hafa koa.
Ny lahatsoratra hiseho manaraka dia :
hitondrany lohateny hoe : "Fambolem-bary tsy ao anaty rano hoe?" Dia ahoana izany ilay ohabolana manao hoe : “vary sy rano, an-tsaha tsy mifanary …” : lahatsoratra miresaka ny fomba fambolem-bary tsy anaty rano izay ampiharina any Ampefy sy faritra hafa mahalana eto amin’ny nosy.
(nivadibadika ny taona, fa dia tsy vita io lahatsoratra io hihihi. ialàn-tsiny e hihihi). ra6Toky moa dia izay ihany : be ny tiana atao fa ny hoza-pe no tsy ampy .
« | Oktobra 2008 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | 4 | |||
5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 |
12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 |
19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 |
26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |