Tokinao

Lalao : Mitady feom-behivavy :-) 14/08/08
2008/08/13,16:31

 

(Vita ny anjarako ô. Efa azo henoina ny feoko. Fa mandrapahatomombanan'ny "player" dia efa napetrako etsy ambany ny rohy ahafahana maka ny hira)

Taorian'ny ady hevitra vitsivitsy niresaka momba ny hiram-pirenena Malagasy dia nisy hevitra nitsiry tao an-tsaiko ;  dia ny hoe : "Ndao mba hohiraina araka ny tokony ho izy io hira io e" ary hapetraka eto amin'ny aterineto.

Ny tiako tenenina dia ny hoe : "hohiraina araka ny nanoratan'ny Mpamorona azy. Atao manaraka "Solfège" sy "solfa".

Koa dia nanandrana àry ity RaToky. Hatao Akapela izy ity satria RaToky tsy dia havanana loatra amin'ny zava-maneno, sady tsy misy tsara toy ny akapela koa raha mbola hiram-pirenena atao "feo samihafa" (choeur) koa. Dia Namboarina ho tsaratsara àry ny "micro" fanaovana tsaty amin'ny andavanandro fa io ihany no hatao fakàna feo Cool. i Ra-Toky no saika hanao ny feo 4 satria tsy misy olona mazoto hanao izany any amin'ny toerana misy azy.

Olona iray hanao feo 4 a!? Ahoana izany hoy ianareo? hihihi Ny saika hanaovako azy dia ny laozisiela "Nero 7  Premium" izay afaka mampifanindry feo maro (hatramin'ny folo mahery). Izany hoe mihira in-4 aho ary maka feo in-4 (feo voalohany hatramin'ny feo faha-4, ary farany dia atambatro ireo).

 Saika atomboka amin'ny feo voalohany ary ity raharaha manga Smile. Atao feo avy any an-doha ( "voix de tête") no hanaovana azy raha tsy izay dia tsy hety. Nety ihany ny andininy fa nony tonga teo amin'ny fiverenana (eo amin'ilay hoe "hiadana sy ho finaritra") vao sahirana ny anao lahy ; tsy takatro ka lasa ratsy be. Farany moa dia tapa-kevitra aho hanoratra an'ity lahatsoratra ity, ho an'izay vehivavy mba te hiara-hihira amiko. ( na lehilahy koa : vakio hatramin'ny farany ity lahatsoratra ity )

          Ho an'izay mazoto dia izao : feo voalohany sy faharoa no mba iangaviako ataony. Atao format .mp3 na .wav. Momba ny "tempo" dia izao : manana "instrumentale" fotsiny aho ; .mp3 ilay izy. Ka rehefa mihira 'zany dia sady mihaino azy io amin'ny "écouteur" (Izay aloha no fanaoko fa tsy haiko raha misy fomba hafa). Dia avy eo atambatsika ilay izy. Afaka alefa aty amiko ary atambatro amin'ny "nero", na/sy atsaraiko amin'ny laozisiela "Magix Music editor". Raha manana fomba tsaratsara kokoa moa ianao dia ny feoko indray no alefako any.
          Farany, raha misy lehilahy liana amin'ity resaka ity koa dia tsy mampaninona. Feo faha-3 sy faha-4 indray no ataony. Ka dia ho lasa lalao ara-mozika ilay resaka. Hahazo "combinaison" maro manko isika. Ohatra :

* Ikoto - Ikala
* Ndrema - Soa
* Ikoto - Soa
* Ndrema - Ikala
* Ndrema - Ikoto - Ikala - Soa
        sns.

Ny mail-ko manokana dia ny ajahiraim [arobase] yahoo.fr.

Asa raha mba hahazo kil ra-Toky fa dia nalefa ihany aloha ilay resaka Smile.

Nosoratana androany alahady faha-10 / 08 / 08 :

  • rohin'ilay .mp3 atao "tempo" : *tempo
  • rohin'ny solfa : *solfa
  • Ezahiko hatao fichier .mid koa ny feo efatra mba hahamora ny fianarantsika azy.
  • Raha mety dia alefaso alohan'ny faran'ny volana aogositra ny feonareo, satria tsy ho afaka hanao internet matetika i Tokinao aorian'io.
  • Ny fametrahana ny feo eto amin'ny aterineto dia teny ierana amin'ny tompony : izany hoe : atambatra aloha ilay feo, ary asaina henoin'ny tompony avy. Rehefa eken'ny mpiara-mihira vao apetraka amin'ny aterineto.
Misaotra ô Smile

Nosoratana androany faha-13 aogositra 2008 :

  • Vita ny vakiraoka ahitàna ny feo1 sy feo 2. Efa tsy naseho eto intsony satria betsaka ny tsikera tena hitako ka mahamenatra Embarassed. (hosoratako amin'ny manaraka etsy amin'ny fametrahan-kafatra izany).

Nosoratana androany faha-14 / 08 / 08 :

  • Vita koa ny vakiraoka feo fahatelo (ténor) sy fahaefatro (basy).
  • Rehefa natambatra ny feo efatra dia nahazoana an'ity :


ok. Ny tsikeran-tena dia hatambatro ary hapetrako ao amin'ny hafatra etsy ambany rehefa malaladalaka aho.

Nomarihin'i kdaombaramita tamiko tamin'ny mailaka fa tsy mifanaraka tsara hono ny solfa sy ny mp3 hatao tempo. Ilay mp3 hono manomboka amin'ny ReBémol, ary ilay solfa manomboka amin'ny sol. Koa hoy aho hoe : izay ao anaty solfa no ndao harahina. Ny mp3 dia natao ho solon'ny mpibaiko ny fitsatotsatoky ny hira fotsiny ihany (chef d'orchestre).

Mandrapandehan'ny player dia azo alainareo eto ny hira vitako :

>>>>>>>>>>>>>>> HiraFeno(Tokinao) 

 Rehefa mandefa feo aty (fichier audio) amiko ianareo dia afaka ampiasainareo koa ny tranonkala http://dl.free.fr/  satria tena tsotra sy mora ampiasaina : tonga mivantana any amin'ny mailaka ny rohy. Ary ataovy .wave ange mba tsy hahasimba loatra an'ilay feo. Misaotra ô.

Nosoratana androany faha-16 / 08 / 08 :

  • Androany aho vao nahita zava-maneno iray, ka namariniko ny feoko raha mifanandrify amin'ny tokony ho izy. Koa dia nipoitra teo daholo ny feo tsy ao tsara, feo tsy heno tsara, sns. Noho izany dia :
  • Aleo antsoina hoe "HiraFeno(Tokinao)Version1" io voalohany io.
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype