Voa-tagin'Ikalamako ra-Toky ka dia hilaza
tsiambaratelo fito hono e :-). Tsy dia azoko moa ity lalao ity raha tsy
namaky ny blaogin'i Ikalamako sy Ikalakely aho. Ka dia ireto 'zany ny toetoetra sy mombamomba an'i Tokinao e :
- Tsy mba mpanaraka lalao baolina kitra raha tsy lalao famaranana. ( amin'io dia ilay lalao tapany faharoa no tena tiako jerena
).
- Tia voninkazo sy zava-maniry, tia mandeha an-tongotra any anaty ala.
- Ra-Tia vao koa hono ny anarako (hoy ny reniko sy ny namana hafa):
rehefa avy nahazo zavatra io a (sao dia ahodin'ny sasany ho resaka hafa
).
- Tia "crudités" ( ts'itako ny teny gasy mahalaza io. Ra "kridite" tô tsy ho azonareo tsin, sady mampme hihihi ).
- Tia mitsitsy I : mitaingina bisikileta raha mbola azo atao : tsy andaniana lasantsy io no sady mahasalama.
-
Tia mitsitsy II : rehefa miditra "supermarché" dia any amin'ny entana
mora ny mason-dra-Toky hihihi. Entana mora sy tsotra nefa maha-afa-po
azy an
. Ny sery vitan'anamalaho ny ahy tsy mba amonoako vantotr'akoho.
- "Lainga" hafafito sady farany
: 1° Haja, 2° Miarihaja, 3° Nandrianina : ireo no tena fiantso an'i
Tokinao rehefa 1°ao an-trano, 2°any am-piangonana, ary 3°tany
ampianarana. "Toky" moa no saika ataoko solonanarako tao amin'ny namana fa efa nisy nanana io ka dia tsy naka sarotra aho nanao hoe toki
nao satria ny tanjoko dia ny hana-namana
anao .
De 'zay. Fa 'zah re miala tsiny fa tsy hahita olona tagevana a!. sa ...
hitako ny hevitra : ireo namantsika vaovao vao avy nisoratra anarana teto amin'ny blaogy ( anio amin'ny 11ora16 alina) no tagevako :
ok