Tokinao

Malgachoscopie*
2006/11/17,20:09

Noho ny fanentanan'i Tattum,  namana mpanao blaogy, dia androany no hamoahan'ireo mpanoratra blaogy malagasy ny fomba fijeriny ny tenany avy sy ireo malagasy manodidina azy. Koa dia indro araraotiko izany ilazàko ny fomba fijeriko ny malagasy aty ivelany. Ary ho resahako amin'izany ny malagasy ao Afrika (Tsady sy Kamerona) sy ny eto Frantsa, izay samy toerana efa nipetrahako.

Gasy any Afrika

Ny zavatra ho tantaraiko eto dia ny ampahan'ny zavatra niainako nandritra ny enim-bolana nanaovako fiofanana arak'asa tany "Tsady" sy "Kamerona". Firenena tsy dia ahitàna malagasy firy moa izy ireo. Ary ny sokajina malagasy hita any, dia ireo tonga mandrato fianarana, ireo irahin'ny asa aman-draharaha, ary ireo efa nipetraka naharitra tany ( ireo aloha no sokajy sendra ahy, fa mety hisy hafa ).

"Le blanc" : izany no anarambositra azoko tany. Eny fa na dia zarazara hoditra aza ny tenako dia "Lefotsy" hoy zareo. Toy ireny fandraisan'ny malagasy maro ny "vazaha" ireny no fandraisana ahy (sy ireo malagasy any an-toerana). Rehefa mankeny an-tsena ohatra dia itangoronan'ny mpangataka, ary any amin'ny izay toeram-panjakana aleha dia raisin'ny olona tsara. Rehefa any am-piangonana, na any am-pamonjena fety izany moa dia miady haka sary miaraka aminay daholo izy ireo. Mila mitandrina koa anefa rehefa eny an-dàlana fa matetika dia lasibatry ny mpangalatra ny "fotsy" any. Ohatra amin'izany dia tsy tsara andehanan'ny "fotsy" an-tongotra ny "avénue" ao Njamenà ( renivohitr'i Tsady" ). Ny tena atahorana amin'izany toerana izany moa dia ireo tsadiana silamo mahery fihetsika izay mivimbina antsy be hatrany any anaty akanjony, ary mankahala vahiny. Raha fintinina dia hajahajain'dry zareo tsara ny malagasy, ary heveriny ho mpanam-bola be hatrany . Raha izay ny fifandraisana aman'olona dia manao ahoana kosa ny fiainana ao an-tranon'ireo malagasy atsy Afrika.

Ara-tsakafo aloha dia tsy afa-miala tanteraka amin'ny vary ny fianakaviana malagasy. Fa ho fanampin'izany dia zatra mihinana ireo foto-tsakafon'ny tompon-tany 'zareo : voamanga, saonjo, akondro, ovy, voanjo, izay matetika miharo hena hatrany. Ry zareo tsadiana sy kamerone dia tsy mihevitra velively ireo sakafo ireo ho sakafon'ny "mafy ady" ; tahaka izay fihevitry ny maro ao Madagasikara. Hitako ho tsara halain-tahaka izany satria raha ireo sokajin-tsakafo notanisaiko ireo dia azo lazaina ho ampy ara-otrikaina ihany raha hay ny mikarakara azy. Etsy andanin'izany manko dia, efa iarahantsika mahalala ny olantsika amin'ity voly vary ity : dia ny tsy famokaran'ny tanimbary ho toy ny taloha intsony.

Fihaonan'ny samy malagasy : noho ny fahavitsian'ny malagasy any an-toerana dia malaza be ny malagasy raha vao tonga any, ary ezahin-dry zareo tompon-tany hampihaonana hatrany. "Misy malagasy mipetraka atsy sy aroa ka oviana ianao no ho entina any" hoy zareo,  ary dia entiny any tokoa. Hafaliana tokoa izany mahita mpiray tanindrazana any izany, satria tsy dia mpitranga matetika. Dia raikitra ny "teny malagasy". Raha izaho manokana dia nahatsiaro ho sambatra ery mampiasa ilay tenin-drazana satria efa ho amam-bolana no tsy nivolanana na dia teny malagasy iray aza.( telo volana eo hoe eo no tsy nahitako malagasy, sady tsy nitenenako malagasy noho ny fiofanana tsy namela ahy handeha lavitra loatra). Mahatsiaro ho maivamaivana ery ny saiko rehetra rehefa miteny satria tsy mila mikaroka teny lavitra intsony, tahaka ny fanaoko amin'ny teny vahiny ( frantsay sy anglisy ). Ny zava-nampiomehy ahy fotsiny dia izao : nony hariva hody iny ny tenako dia nila niditra "cybercafé" iray (fotoana tokony hijereko mailaka mantsy tamin'izay). Ary asa loatra fa dia tafa-teny gasy tampoka aho raha nanontany ny sarany fanaovana izany "internet" izany. Hoy aho mantsy ilay kamerone tompon'ny "cybercafé" hoe : "ôtrinona kay azafady ny manao internet e!" hihihi   . Gagagaga izy, izaho kosa tonga saina no sady te-hiomehy tany an-tsaiko, ka dia navadiko anglisy haingana ny fiteniko. Raha toy izany  ny tany amin'ny firenena afrikana dia manao ahoana kosa ireo gasy any amin'ny firenena matanjaka ( matanjaka noho i Madagasikara mazava ho azy   )

Gasy ao Frantsa


Frantsa, firenena mandroso : Zavatra iray manaitra sy mahatalanjona aoka izany, indrindra ho an'ny malagasy mbola tsy nandia tany mandroso toa ahy, ny fahitàna ireo "zava-tsara" maro eto Frantsa. Ho ahy, dia niatomboka tamin'ny fitaingenako ny fiaramanidina "air bus"-n'i "air France" izany. Avo lenta tokoa ny tolotra ( services ) hita mandritra izany sidina izany, raha tsy hilaza afa-tsy ireo  "écran tactil" isaky ny seza ( karazana fahitalavitra hary fomba )  ahafahana manao zavatra isan-karazany : fijerena "films"sy "dessins animés",  fihainoana mozika isan-karazany, lalao ( toy ny échec, sns ), ary zavatra hafa maro. Tsy lazaiko intsony ny fahagagàna mahita ireo trano manan-tantara sy drafitr'asa maro manerana an'i Paris : ny halehibiazan'ny aéroport "Charles de Gaulle", ny fijoalajoalan'ny trano, ny hadion'ny zaridaina sy toeram-pitsangatsanganana ( ny madio mantsy aloha no nitondràn'ny namako ahy voalohany   ). Fanampin'izany dia mba isan'ny mpivahiny malagasy tsara vintana ny tenako ( izay lazaiko am-panetren-tena ), ka dia voakarakara tsaran'ny toeram-piasàna mpandray ahy.

Frantsa be malagasy : Ankoatran'i Madagasikara dia i laFrantsa no firenena faharoa ahitana malagasy be indrindra. Ary eto dia sokajìko ho roa ny malagasy hita aty : ao ireo malagasy efa niaina naharitra tany Madagasikara vao nankaty Frantsa, ary ao kosa ireo izay lehibe taty Frantsa. Ao Paris moa dia ahitàna toby roa lehibe fonenan'ny malagasy : dia ilay ao "Cachan" sy ilay ao "Arago". Ireo immeubles roa ireo dia tsy ahitàna afa-tsy malagasy ny monina ao. Ny ankabeazan-dry zareo moa dia mpianatra avokoa. Maro koa ireo fiangonana malagasy ato frantsa ; ary izany dia saiky ho isaky ny tanàna lehibe ( Paris, Marseille, sns ). Ao Paris ohatra dia ahitàna ny fiangonana advantista malagasy, fiangonana katôlika malagasy, fiangonana loterana malagasy, fiangonana prôtestanta malagasy, fiangonan'ny vavolombelon'ny Jehovah malagasy, sns.  Ary dia maro mpanatrika hatrany ny fotoam-pivavahana isan-kerinandro amin'izany. Ny hira fanao sy ny fomba rehetra moa dia amin'ny tenin-drazana avokoa, afa-tsy ny mandritra ny fotoana sasany ihany. Hita eto Frantsa koa ireo karazam-pikambanana malagasy maro : "fikambanan'ny mpiray sekoly taloha" (toy ny "lycée" ohatra). Ary vao tafajoro vao tsy ela ny magazay "bazar be" ao paris : fivarotana sakafo malagasy.

Miavona hoe ny malagasy ao Paris ?
Valiny : Sady marina izy io no diso, ka enao no hitsara. Noho ny habetsahan'ny malagasy ao Paris, dia tsy afaka ny hifampanasa hisakafo daholo izay gasy rehetra sendra mifanena eny an-dàlana. Koa ny  matetika dia ny fiarahabana no atao rehefa mifanena amina gasy eny an-dàlana. Ny zava-misy koa anefa aloha dia misy ireo malagasy tsy miraharaha intsony izany arahaba izany : noho ny firotoroton'ny fiainana angaha sa noho ny fahaverezan'ilay toe-tsaina malagasy tia fihavanana ?!


"Ahoana no tetika atao ahazoako "papier" "? :
Noho ny haavon'ny fari-piainana aty Frantsa dia tsy vitsy ireo malagasy no alaim-panahy  tsy te-hody rehefa tonga aty Frantsa. Raha tsy diso aho dia mahery kelin'ny 1000 euros ny SMIG ( karama ambany indrindra ). Misy amin'izy ireo no tsy manana taratasy ara-dalàna hijanonana eto Frantsa intsony. Koa dia olana saro-bahàna miverina ao an-tsaina foana ny hoe "Ahoana no tetika atao ahazoako "papier" ? . Ny fomba fataon'ny maro moa mba entina hamahàna izany olana izany dia izao :  miezaky ny manao fisoratana anarana amin'ny sekoly hatrany ( ho an'ny mpianatra ), na koa miezaky ny mitady asa ara-dalàna ahafahana mijanona eto Frantsa, na koa manambady vazaha   !

Ady ny fiainana aty!
Lafo fiainana eto Frantsa. Koa na ny mpianatra na ny efa mpiasa dia mikolay daholo amin'izany, raha ratsy "situation". Ho an'ny malagasy mpandrato fianarana aty moa dia matetika zareo no voatery miasa, raha mahita. Ankehitriny tokoa mantsy dia ftafakatra ho ambony be ny salan'isan'ny tsy an'asa eto Frantsa ; tsy resahina intsony moa ny fanavakavaham-bolon-koditr'ireo tompon'orinasa sasany. Koa ho an'ny mpianatra mahita asa dia feno be ny fandaharam-potoana amin'izany fanenjehana bitro roa izany : ny mpianatra sasany ohatra dia miasa amin'ny alina, ary mianatra amin'ny atoandro. Ny sakafo moa amin'izany dia zara raha mahasalama. Raha ny hoe "sakafo ampy otrik'aina" aloha dia ekeko ihany fa izao : sakafo avy amin'ny vata fanpangatsiahana avokoa no hanina, ary sakafo masaka notahirizina ( conserves ) avokoa fa tsy avy nandrahoina.

Koa izay sy izay zareo no azoko lazaina fa dia misaotra anareo namaky .

*Malgachoscopie : teny nampiasain'i Tattum ilazana  ny fomba fijerin'ny malagasy iray ny tenany sy ireo malagasy hafa manodidina azy.

Lisitr'ireo mpanoratra blaogy hafa nandray anjara tamin'ny "malgachoscopie" :

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype