Tokinao

Ny tsara no tahafo
2006/06/13,05:41

 

Ny tsara no tahafo

Aza atao tera-piso,
ka taranaka velon-kanao " omeo " mandra-pahafaty ;
fa ataovy tera-pangaraka,
ka na kely andilana aza mahalevin-dreny ;
Aza atao tera-balala,
ka mpianakavy iray hevitra hamafy mosary amin’ny tany !
fa ataovy tera-dandy
ka sady mahafono tena tsy misy mpanampy
no mbola mahatafy sy mahafono olombelona
hatramin’ny fara aman-dimbiny.
Aza atao tera-tsahona,
ka sady sima vava no be taria,
no mitsipitsipika tsy valala ;
fa ataovy tera-tàna tsy matoky tena
ka mandinika ny eo aloha
sy mibanjina ny aoriana
vao mandingana indray mandeha.
Aza atao tera-jorery,
ka lany andro am-pitomaniana ;
fa ataovy tera-bitsika zatra miasa,
ka ny votry itoerana miezinezina,
ny hanin-ko hanina feno sompitra ;
Ny reni-manditra kamovelona ihany
no maty an-davaka velomin’ny bitika noho izy.

Charlotte A. RAZAFINIAINA

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype