Tokinao

Tahirintsary

Musée des invalides

Ny "Musée des invalides" dia trano fitahirizam-bakoka ao Parisy. Trano natao hitsaboana sy ikarakarana an'ireo miaramila maratra an'ady sy efa antitra izy ity fahiny ( tamin'ny faha-mpanjaka frantsay : taonjato faha-17, 18, ary 19 ). Ankehitriny kosa, dia natao itahirizana ireo fitaovan'ny miaramila fahiny, izay lasa vakoka. Hita ao ohatra : ny akanjo, ny basin'i Napoleon ( taona 1799 teo ho eo ), De gaule ( 1950 ), sns. Fa ny sary izay tena nanintona sy nahaontsa ahy dia ireo sary maneho ny fatin'ny jiosy novonoin'i Hitler tamin'ny ady lehibe faharoa.

 
Parent

Parent

Ity no musée des invalides aminy. Tsara be aloha ilay zaridaina e :-)

musée des invalides.JPG

31 KB

480 x 360

Jiosy mizotra ho any amin'ny trano fanasemporana (chanbre à gaz).

antijuif11.jpg

102 KB

762 x 825

Tao Alemaina moa dia nofefena tao anatina tanàna iray ny jiosy rehetra (ghetto).  Tsy navela hifandray amin'ny vahoaka hafa,  eny fa na dia ny hitady sakafo fotsiny aza. Izay tratra mivoaka izany faritra izany dia efa mitady an-drafahafatesana satria dia misy miaramila almà natao hisahana an'izany.

antijuif12.jpg

96 KB

741 x 633

Moa tsy taolana sisa. Mampahatsiaro ahy ny kerentsika re izy ity a! Mampalahelo e.

antijuif13.jpg

39 KB

436 x 572

Toy izao ny akanjon'ny gadra jiosy tamin'izany. Misoratsoratra, ary misy ny nomeraony eo ankavian'ny tratrany. Io nlaharana io moa no lasa anarana niantsoana ny olona fa tsy ny tena anarany intsony. Ny lahasan'ny gadra jiosy tamin'izany dia ny nanao fanompoana : manao làlana, trano, sns na koa anaovana fikarohana ara-medikaly, na koa dia miandry izay hamonoana azy fotsiny.

antijuif14.jpg

41 KB

480 x 511

no comment

fatin-jiosy2.jpg

35 KB

480 x 585

Miala tsiny raha mampiseho an'ity sary mahery ity ho an'izay tsy dia mahatanty. Natao ho toy ny fako tokoa ny fatin-jiosy tamin'izany ka dia avangongo amin'izao. Nisy moa ny ozinina almà natao hanodina ny tavy ho menaka. Ary ny volon'ireo maty dia tsy nariana fa natao sesi-kidoro. Habibiana tsy misy toy izany. Sarotra inoana nefa dia tsy mbola ampy 100taona akory no nitrangan'izany, eny fa na dia efa aman-jato taona vitsivitsy talohan'ity tranga ity aza ny fidradradradrana ny zon'olombelona.
Amiko manokana dia tokony haparitaka sy ampahalalaina ny taranaka ny zava-nisy toy izao mba ahafahana misoroka azy. Satria ...mbola mety hitranga mantsy.

fatin-jiosy1.jpg

43 KB

480 x 525

 
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype