Tokinao

Sendra ny tiako ( TIF A TIF )
2007/06/03,08:08

 

Mba nanindritsindry teto amin'ny aterineto teto raToky ka sendra an'ity video ity e:  

 

 

Hira malagasy : RVG
2006/10/24,22:45

Vao vitan'i Hery vao haingana ity "player" ahafahana mihaino hirahira malagasy avy ao @ RADIOVAZOGASY ity. Ka de izao atolotra anareo izao. Ny rohy ahafahana mahalala bebe kokoa ity "radio" ity moa dia ny www.radiovazogasy.com .

Mozika klasika
2006/09/02,10:19

    Ankoatra ny mozika malagasy dia isan'ny mpankafy an'ireny mozika klasika ireny aho. Fahiny ( tamin'ny mbola tany Mkara ) moa dia nihira tao amin'ny CNEM sy ny chorale "Fac. Sciences" aho ary dia isan'ny bàn-kira fihiranay izy io. Eto ary dia indro atolotro anareo ireo hira fihiranay tamin'izany (araho ny toro làlana etsy ambany ).

Torolàlana ahafahana mihaino mozika klasika vitsivitsy eto amin'ny blaogy "Tokinao" :

1- midira ao @ "radioblogclub", izany hoe tsindrio eto , ( hisy fenêtre hisokatra noho izany ),

2- mankanesa any amin'io "fenêtre" vao nisokatra io ary sokafy ny kaontin'n'i Tokinao. Izany hoe :

  • ampidiro ao @  toeran'ny username  ny hoe " tokinao "
  • ampidiro ao amin'ny toeran'ny "password" ny hoe " tokinao ", ary
  • tsindrio ilay bokotra "SUBMIT",

3- Tsindrio ilay hoe "JUKE BLOG", miandrasa kely, ary farany dia

4- mifidiana an'izay hira tianao henoina.

De izay   !

(jereo eto @ sary ny toerana misy an'io "JUKE BLOG" sy io lohatenina hira io)

 

Toriny
2006/08/09,11:52

 

Hira mahafinaritra ahy iray, avy any atsimotsimo any izy ity! Mankafiza fa kanto ny hira malagasy e :

 

Etsy ange
2006/08/09,08:06
Etsy ange, vizaky ny mieritreritra ny fiainana ve ianao, . . . 
Manasa anao hankafy sy hihaino ity "Clip"-n'ny antokompihira "Ny Atema" ity. Maharitra 5min izy io, ary ba-kira tena malagasy tokoa. Henoy tsara koa ny toniny fa mifono fahendrena . ( tsindrio ny sary )
 
Misaotra nihaino ô
«Mialoha   1 2
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype