Tokinao

Hazaka ( mg )
2006/04/29,00:27

Hazakazaka : Fanatanjahantena tiako io mihazakazaka io. Isan-kerinandro aho dia miazakazaka mandritra ny 4 ora ro ho eo. Ny antony ifidianako azy io dia ireto :

 

  • taranja iray mora atao izy io satria tsy ilàna fitaovana manokana izy io, fa dia "short" sy kiraro "tennis" dia ampy.
  • fanatanjahantena tsy dia misy "risque"koa izy io raha oharina amin'ny "sport individuels" sasany toy ny arts martiaux, ny musculation, sns
  • ary farany dia heveriko fa fanatanjahatena ara-bohajanahary tena mahasalama izy io. "Voajanahary" na koa "fototra" satria efa nataon'ny olona hatrizay : vao kely ny olona iray dia nataon'andriamanitra hahay mihazakazaka. Ary na dia ny olona voalohany ( les hommes primitifs ) aza , izay mbola tsy nahalala izany atao hoe "fanatanjahantena" izany dia inoako tsara fa efa nihazakazaka.

Fa izao koa aloha e:  ny mahatsara ilay mihazakazaka koa dia ilay mihinana "chocolat" na akondro rehefa avy vizaka iny.

Ary tsy maintsy mba mi-kaly koa!.

Planeur
2006/03/31,18:31

Eto indray dia ny pilote namako ao aoriana no naka sary ahy.

        Aiza, iza, ary inona io : Sariko eny am-pitondrana “planeur” avokoa ireo roa ireo. Ny “planeur” moa, ho an’izay tsy mahalala, dia fiaramanidina kely tsy manana motera, fa tarihina fiaramanidina hafa izy mba hialany eo amin’ny tany. Rehefa  voatarika ambonimbony kosa izy dia avotsotra. Koa ny tena asan’ny mpanamory “planeur” izany, ankoatra ny familiana, dia ny fitadiavana rivotra mampiakatra (na “ascendance” ), mba hiakaran’ity fiaramanidina ity hatrany. Noho izany dia ilàna fahaizana toetr’andro sy fahafantarana ny rivotra ( na “meteorology” ) ny familiana ity fiaramanidina tsy misy motera ity. Ny tena ampiasaina ny “planeur” moa dia fialam-boly fotsiny ihany ho an’ny mahay azy. Natao hianarana mitondra ireo karazam-piaramanidina hafa koa anefa izy ity. 
      Izany mitaingina sy mitondra planeur izany ve ? :  Sady mahafinaritra no mamizaka : miankina amin’ny hatsaran’ny andro io. Rehefa tony ny rivotra, ary mahay tsara ny mpanamory dia toy ny tsy mihetsika ianao ao anatiny ao. Noho io fahatonian’ny rivotra io anefa dia tsy afaka miakatra matetika ny “planeur” ka tsy maharitra ela ny sidina. Rehefa ratsy kosa ny rivotra ( misy “turbulence” )dia mety hiontsankotsana ireo olona ao anatiny raha tsy mafy fatotra ny fehin-tsezany ( ceintures ). Marihina moa fa noho ny mahasarotra ny fitondrana ity karazam-piaramanidina ity, dia tsy maintsy manana helon’aina ( na “parachute” ) ny tsirairay ao anatiny mba hialana amin’ny patsa iray tsy omby vava. Ny “patsa iray” tiana ho tenenina dia ity : raha misy lozam-pifandonana, na fahasimbana ka tsy voabaiko eny am-panidinana intsony ity fiara-manidina ity dia ny fitsambikinana  avy ao anaty fiara-manidina no vahaolana.  Koa eo no ilàna ny elon’aina.

«Mialoha   1 2
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype