Tokinao

Voa-tagy ra-Toky
2008/02/19,21:42

         Voa-tagin'Ikalamako ra-Toky ka dia hilaza tsiambaratelo fito hono e :-). Tsy dia azoko moa ity lalao ity raha tsy namaky ny blaogin'i Ikalamako sy Ikalakely aho. Ka dia ireto 'zany ny toetoetra sy mombamomba an'i Tokinao e : 

- Tsy mba mpanaraka lalao baolina kitra raha tsy lalao famaranana. ( amin'io dia ilay lalao tapany faharoa no tena tiako jerena Wink ).
- Tia voninkazo sy zava-maniry, tia mandeha an-tongotra any anaty ala.
- Ra-Tia vao koa hono ny anarako (hoy ny reniko sy ny namana hafa): rehefa avy nahazo zavatra io a (sao dia ahodin'ny sasany ho resaka hafa Cool).
- Tia "crudités" ( ts'itako ny teny gasy mahalaza io. Ra "kridite" tô tsy ho azonareo tsin, sady mampme hihihi ).
- Tia mitsitsy I : mitaingina bisikileta raha mbola azo atao : tsy andaniana lasantsy io no sady mahasalama. 
- Tia mitsitsy II : rehefa miditra "supermarché" dia any amin'ny entana mora ny mason-dra-Toky hihihi. Entana mora sy tsotra nefa maha-afa-po azy an Smile. Ny sery vitan'anamalaho ny ahy tsy mba amonoako vantotr'akoho.
- "Lainga" hafafito sady farany Tongue out : 1° Haja, 2° Miarihaja, 3° Nandrianina : ireo no tena fiantso an'i Tokinao rehefa 1°ao an-trano, 2°any am-piangonana, ary 3°tany ampianarana. "Toky" moa no saika ataoko solonanarako tao amin'ny namana fa efa nisy nanana io ka dia tsy naka sarotra aho nanao hoe tokinao satria ny tanjoko dia ny hana-namana anao Smile.
 
         De 'zay. Fa 'zah re miala tsiny fa tsy hahita olona tagevana a!. sa ... Laughing hitako ny hevitra : ireo namantsika vaovao vao avy nisoratra anarana teto amin'ny blaogy ( anio amin'ny 11ora16 alina) no tagevako :
kakafotra , kalialie , timon007 , iaboba, goldfinger , vitroc , mahatsiaro
ok
2007 an-tsary
2008/01/11,16:19

Taona vaovao indray isika ity ... na dia tsy niova aza ny zava-drehetra. Izaho moa dia mbola hametraka ny sariko sasantsasany tamin'ny 2007 Cool. Tsy dia hita tsinona izay ho resahina ka dia io aloha no aroso e. Ka dia ankafizo e ... Sary efa nalaina tamin'ny fialan-tsasatra 2007 izy ireto. Mba nahita tany vitsivitsy aho, ary naka samy maromaro ( mba tsy ilazàna hoe : be dia be Wink ).

Ny dia natao moa dia : Marsey ->Môskoa ->St Petersboro ->Vladivôstôka ->Tokyo ->Marsey ->Ivato (via La Réunion) ->Marsey

 

Efa nolazalazaiko tatsy ambadika tatsy ambadika tatsy ihany ny momba izany.

 

--> Tsindrio eto dia ho hitanao ny tahirin-tsary tany Rosia.

Tao Petersboro moa dia maromaro koa ny sary azo ka dia nanaovako tahirin-tsary hafa mihitsy : tsindrio ange eto e.

 Ho hitanao koa :

  1. Tokinao an'habakabaka Japana-Frantsa (sary 37)
  2. Tokinao an'habakabaka Mkara-Frantsa via LaReunion
  3. Sidina LaReunion-Frantsa 2007 
  4. Sary 10 tany aminay (Mkara), ary
  5. Sary 17 nosambosamborina tao Imerina 2007.

Dia izay ny anio fa dia misaotra e.

Saika adino : niova fiaramanidina indray ny tenanay ka dia napetrako koa ny sary : jereo fiaramanidin'i Socota.

Fitsidihana valan'ondry
2007/05/04,20:37

 

        Ela izay tsy nahitana ambanivohitra malagasy izay ka dia mba tapa-kevitra aho hitsidika an'ireo tantsaha akaikin'ny tanàna ipetrahako. Toerana fiompiana ondry no nofidiako tamin'izany : ondry natao halain-taviny. Tsy dia misy ho resahina fa dia ankafizo ny sary e :

        Fombako, amin'ny maha-injeniera ny tenako angamba, rehefa mamangy toeram-piompiana na fambolena toy itony ny mandinika ireo teknika ampiasain'ny olona. Ity fomba fanomezana sakafo ity izao dia ahafahana mitsitsy ny ahitra, ary koa tsy mampiondrika loatra ny ondry rehefa hihinana azy :

        Ity indray dia ahafahana manome sakafo ny ondrikely :

        Farany dia tsy nanaiky moa ny tenanay raha tsy nitrotro ondro iray :

ski ( mg )
2006/05/12,01:57

Io t-shirt  io no loka azoko t@ fifaninanana ski nataonay tany ancelle.  Ary koa io kaskety anaovako io. Farany mantsy aho ka izany ny nahazoako io (hahaha).

Resa-t"ski" ihany ity e.

Io t-shirt  io no loka azoko t@ fifaninanana ski nataonay tany ancelle.  Ary koa io kaskety anaovako io. Farany mantsy aho ka izany ny nahazoako io (hahaha).

Ity t-shirt aderaderakio ity sy io « casquette » anaovako io dia loka azoko tamina fifaninanana « ski » ( antsoin’ny vazaha hoe “slaloum” ) nataonay.  Farany aho tamin’ny mpandray anjara miisa 50 eo ho eo ka dia nomena io loka manokana io. Hahaha. Zavatra mbola tsy nahazo ahy izany « farany » amina fifaninanana izany, nefa moa afaka haninona e: zavatra tsy ary natao hatr’izay naha-olona ity kilalao iray ity ka dia ekena ny faharesena. Ny fandraisana anjara hono no zava-dehibe hoy ny fitenenana izay. Fa na izany na tsy izany aloha dia nahaizan-javatra maro io fialan-tsasatra iray nataonay io.

misaotra nitsidika e!

Dia ataovy maro ny kiana e!

ski (en fç)
2006/05/01,11:58

mes collègues et moi, en stage de ski à Ancelle

C’est une photo prise lors des dernières vacances d’hiver ( qui, en France, a lieu soit en janvier , soit en février ).

mes collègues et moi, en stage de ski à Ancelle
     Vers la fin du janvier passé, nous ( des collègues d’école et moi ) étions à Ancelle pour faire une semaine de ski. Ancelle c'est une région montagneuse située dans le Sud Est de la France. Et c’est là-bas que nous avions pris cette photo parmi tant d’autres.

flamant tsipika

Dans la photo, vous pouvez voir, de droite à gauche :

Frederic : Il skie très bien. Seulement, dommage qu'il s'est blessé avant la fin des vacances.

Eugéne : Il adore skier. Imagine seulement, qu'il a skié pendant 2 semaines successives: de 8h à 12h puis de 14h à 17h. C'est pas facile hein!

Léonard, avec son bonnet rouge. Lui, c’est le plus court après moi, parmi nous tous.

Fokou : le plus jeune d’entre nous. Mais malgré cela, il skie très bien.

Gérald , le skieur béninois ( celui qui est marqué d’un grand éclat violet sur sa poitrine ).

Jean : Il aime beaucoup la vitesse, et cela dans beaucoup de choses. Notamment, il parle trop vite.

Issa : (avec son pantalon rayé de jaune, de rouge et de bleu ). Pour information, son prénom qui est en arabe, veut dire « Jésus ».

Abdoulaye le « malien » mais aussi le « malin ».

Sayade : celui qui me regarde. Il "gaze" bien. et

et moi.

flamant tsipika

Chers visiteurs francophones, merci de laisser vos remarques et critiques en bas. Pour cela, vous n'avez qu'à donner  :

 vos remarques ou critique dans "Lahatsoratra" 

 

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype