Miala tsiny raha mampiseho an'ity sary mahery ity ho an'izay tsy dia mahatanty. Natao ho toy ny fako tokoa ny fatin-jiosy tamin'izany ka dia avangongo amin'izao. Nisy moa ny ozinina almà natao hanodina ny tavy ho menaka. Ary ny volon'ireo maty dia tsy nariana fa natao sesi-kidoro. Habibiana tsy misy toy izany. Sarotra inoana nefa dia tsy mbola ampy 100taona akory no nitrangan'izany, eny fa na dia efa aman-jato taona vitsivitsy talohan'ity tranga ity aza ny fidradradradrana ny zon'olombelona. Amiko manokana dia tokony haparitaka sy ampahalalaina ny taranaka ny zava-nisy toy izao mba ahafahana misoroka azy. Satria ...mbola mety hitranga mantsy.
| « | Septambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | ||||