« Война является ускорение истории | Main | Valin-tagy tsy manalagy [efa misy anarana miisa 86] »
31/03/09 :
Ho fanohanako ilay lahatsoratr'i randria2009 : izay nilazany (na koa nampahatsiahiviny) ny vono moka nataon'ny frantsay tamin'ny 29 martsa 2009 dia indro apetrako eto ity horonantsary ity :
Raha tsy mandeha ny horonantsary etsy ambony dia midira ato mivantana.
29/03/09 :
Ela ny ela ka sendra olona tia mihira, sy tia ny gadon-kira tiako aho, nanomboka nihirahira izahay omaly hariva ary efa hira 6 sahady no voarakitra ho anaty solosaina. Na izany aza, dia aleo ho ity "Zanahary ô, tahio ny Tanindrazanay" ity ihany aloha no hozaraina amintsika anio : ny antony dia ho fahatsiarovana ny 29 martsa 1947 (62 taona lasa izay). (tsindrio ilay rohy etsy aloha : dia hisokatra ny varavarankely misy feo mp3 maharitra 1'55 ary milanja 400Ko) :
(->mba ilazao ange aho raha mandeha io player io azafady).
Tonony :
Zanahary ô tahio Ny Tanindrazanay
I- Zanahary ô tahio ny Tanindrazanay,
Handroso lalandava,
Handry fahizay.
Enga anie hanjaka ao
ny saina mahay miray,
Dia ho tany sambatra ilay Madagasikaranay
II- Ireo mpitondra anay arovy lalandava koa,
Toloro saina hendry, kinga sy mahay.
Ka ny marina anie no
mba hanjaka ao tokoa,
Dia ho tany sambatra
Ilay Madagasikaranay
III- Ny taranakay tahio ho
vanona tokoa ;
Ireo no solofo,
dimby rahatrizay.
Mba ho tena mahatoky,
feno fahendrena koa,
Dia ho tany sambatra
Ilay Madagasikaranay.
noforonina sy narindran'i G. Ramiarison.
Ara-tantara kosa :
Noforonin'i G. Ramiarison ity hira ity tamin'ny taona 1919 ary isan'ny saika hatao ho hiram-pirenena (miaraka amin'ilay "Ry Tanindrazanay malala ô"). Ara-lova-tsofina dia : tsy tapaky ny malagasy teto an-tanindrazana izay hatao hiram-pirenena amin'izy roa ireo. Ka ny depiote malagasy tany am-pita no nasaina nisafidy. Dia ilay "Ry Tanindrazanay malala ô" no lany. Misy moa no milaza fa lafrantsa no nanapa-kevitra. Ary naleony izay heveriny ho mitovitovy kokoa amin'ny "ilay vehivavy marseiezy". Amiko manokana dia tsy midika velively izany fa nalain-tahaka ny "Ry tanindrazanay malala ô". Ny tsara ho tsiahivina dia fahaleovan-tena sarintsariny no antsika tamin'izany fotoana : satria na dia i Philbert Tsiranana aza dia
napetraky ny frantsay fa tsy nofidiam-bahoka.
Ho fehiny dia olon-droa no nihira azy io. Ny manana sofina mozikaly dia hahita kilema majinijinika, nefa dia ataovy toy ny mihina-poza e : ankafizina na dia be faikany. Tsy nisy famerenana koa taloha'ny fandraisam-peo fa tonga dia natao ady vomangan'Ikirijavola ka ny voamasony no nopotsirina :). Aleo ho hatreo ny ohabilana sao hiteniteny foana ny hiafarako
.
Tsikeran-tena :
Apetrako ity mba hanakianako ny feonay. Izaho manko tsy mba mety afa-po izany mihitsy amin'ny hirako. Ngah hita fa ratsy feo nefa te hihira e
. Koa ireto àry ny hitako ho tsinin'ny feonay :
1°-tsy heno tsara ny feoko (basy sy tenor).
2°-misy vanineny diso kely ny an'i Noro : "fahizay" fa tsy "fehizay"
3°-msy naoty diso madinidinika kely.
dia miandry ny tsikera avy aminao koa e :).
bravo bravo nareo rehetra rehetra anankiroa e !
Hay ve izany ny feon'i tokinao e ! somary sexy ihany an - lololl
Vao nihira an'io hira io mihitsy aho teo. Dia indro nivoaka blaogy.
Ilay izy 29 martsa angamba eh!
http://www.masombahiny.com/ZANAHARY.mid
>>>>Ikalamako : sexy ihany sa tena sexy e !??? tezitra eo ange zah e ;). Misaotra kamboko e hihihi
>>>sitlo : nisy télépathie 'zany 'ko ;). Misaotra sitlo a!
tsy sahiko natao hoe tena sexy fa sao midigin-drambo toa io gidro kely etsy ankavanana io - lolollll
The sexiest ve mety ?
za marô ,tsy naheno ilay feo sexy fa tsary nisokatra e !!hihihi !
:)
milay ee
tena ilaina mintsy izany "zanahary o tahio ny tanindrazanay" zany @ zao ora izao
>>>ikalamako : mampme mits ;).
>>>fahamarinana : sokafy ato marô. ( fa mety tsy handeha tokoa aloha ilay izy raha tsy misy "
Adobe Flash Player" ny solosainanao, na koa raha tsy "configuré" tsara ny "navigatera"). Misaotra e!
>>>simp: misaotra nihaino e! milay
tokinao > mankasitraka e ! Zay vao henoko tsara be ilay feo e ! Merci!
Ary zah kou to tsy mety maheno le feo sexy :p , mety olana ara-teknika ngamba ,
Essaye-o sary sexy njay oe ry Toky fa so d mbo ho mety ihany :)
ary tsy haiko we aiza no cliquer-na ry tokinao nefa za mba te hihaino hira lol
ary tsy haiko we aiza no cliquer-na ry tokinao nefa za mba te hihaino hira lol
henoko ihany le izy e :)lol
still jealous :(
salama i cutie!
zafady fa zao vao tafamaly aho. Efa namaly ihany aho fa very ho azy le hafatro teto!
jealous @ aôna koa aza hihihi!
feom-behivavy ve dia haha-jealous hihihi. tongava aty dia hihira koa 'tsika e :)!
misaotra cutie a!
misy hira zay ato hiarahantsika 3 mihira aza e hihihi.
PS: tsy mahery alou le teknolojia fa niova toerana za, de tsy hainy ny misy ahy :-D:-D:-D
>>>>cutie : tsy olana mihitsy fa alefaso aty amiko àry e!
Ataovy tsara fotsiny ny fakàna feo, fa mahakamo be manko le mikitikitika laozisiela :).
Ny feon'i cutie 'ndray aloha ... atokisako e!
mankasitraka!
saika adinoko : i cutie kay ratsy fanahy a! miova adiresy dia tsy mba mampilaza an'i Mr teknolojia akory! llloolll
ito le hira de tonga de efa ianaro any alou :-P
http://www.dailymotion.com/relevance/search/hirako/video/x7r7j8_rija-nanie-tosy-fa-ny-hirako_music
cutie : in ndray no tsy nampoiziko!
@ fomba ahoana no hahaizan-draToky an'io hihihi. Lainga lainga fa tsy sahy mihira mihitsy ny hitan'i Rija aho : betsaka ny hirany tiko, fa noho izy tsara feo be dia tsy sahiko ny mihira ampahibemaso ny hirany :). tsy hahavita toa azy mihitsy raToky na hitsingolika tahaka ny ahoana aza :).
Efa nanandrana aho matoa miteny an'io :).
Ataovy hira hafa e :). Anoraty atsy ambadika za fa menatsa be eto :).
nga moa voatery we hanahaka an'i feo an'i rija e. Ndraso fa ataoko ny feon'i rija de halefako any :-D
hahaha
sali cutie sy tokinao
nareo 2 rery sisa no ato v,hihihi
za ko ts mahay mihira raha tsy izay mba ...
tokinao: olona tsara feo io ko matahotra aona aza;lol
fa nga refa tsy oh an rija d ratsy?
mazto d alefaso aty henoina hiranareo hanalana azy amzao crizy zao e
hhihihi
| « | Martsa 2010 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||