« Nofinofy revirevy I : ny zanako :). | Main | Война является ускорение истории »
Eny, misy fomba mahomby mety ho ilain'ny mpiandry omby ity arosoko anareo ity; koa dia mazotoa mamaky daholo e! Tsoriko eto am-boalohany aloha fa betsaka ny tsaho miely ankehitriny, ary mba tsaho foroniko koa ity manaraka ity hihihi. Ady ankehitriny izany milaza vaovao izany, koa iangaviako ianao izay marary fo tsy hamaky izay soratako manaraka eto.
Hiditra amin'ny votoatiny isika. Ny tanjoko amin'iretsy teny fampidirana etsy ambony iretsy moa dia ny hamakianao ny redirediko hihihi. Mahomby kosa a?!! hehehe
Izao àry: nandritra ilay fotoana nifanarahana fa hitsaharan'ny tolona (na "niatòn'ny tolona" raha izay no tianao kokoa), dia niely ny filazàna fa nisy olo-malaza telo izay tapa-kevitra fa hiara-hiala sasatra kely, ka mba nankany atsimon'i Madagasikara. Tsy iza moa izany fa i "valo", i "roa", ary i "iray" (iray monja) :
Dia roso àry ny dia. Ireny fiara 4x4 ireny moa no notaingenana.
Rehefa tonga tao Isalo (any akaikin-dry Kitjo hihihi. namana mpiblaogy izay efa tranainy) ry 'zareo dia nisy omby marobe nibahana ny arabe. Niandry ka niandry ry zareo, fa dia tena nibodo arabe ny anao biby.
Farany dia velom-pitenenana i "valo" :
- "Ry roa a! Ndehana leiroa mba roahy ireo fa toa ho tapitra eto ampiandrasana eto ny fialan-tsasatra a!"
Dia nidina ny fiara i Roa ary nanao izay ho afany tao mba androahina ilay omby marobe.
Indrisy anefa fa dia nitokona hatrany ireo omby. Nobahanany hatrany ny làlana. Ary dia niverina tao amin'ny 4x4 i Roa.
- "Fa dia ahoana loatra no nataon'ialahy no tsy nahavoaroaka an'ireo biby ireo ialahy e?!" hoy i Valo.
- "very hevitra aho" hoy Roa. Hoy ihany izy nanohy : "Betsaka ny tetika nampiasaiko fa tsy nahomby avokoa" "Efa nampitahoriko mihitsy ry 'zareo hoe : Manome baiko aho ... euh ...toromarika mantsy e! mialà eto amin'ny arabe ianareo raha tsy izany dia asaiko doran'olona ... fa dia tsy nampiala azy ireo izany". tsss
Koa dia hoy i Valo : "ialahy koa tena tsy ampy tetika mihitsy". "Ao hanaovako azy" hoy izy. Dia nidina avy tao amin'ny fiara i Valo, ary nanao tetika isan-karazany.
Fa dia eeee
Nitokona hatrany ireo omby. Nobahanany hatrany ny làlana. Ary dia niverina nankao amin'ny 4x4 i Valo.
- "Zah ange l'ty efa nilaza tamin'ialahy fa sarotra roahina ireo omby ireo e!" hoy i Roa.
- "very hevitra aho" hoy Valo. Hoy ihany izy : "betsaka ny tetika nampiasaiko fa tsy nahomby avokoa" "Efa nampitahoriko mihitsy ry 'zareo hoe : ataoko tery omby tokoa ange ny nononareo izay mbola mijanona eo e!. Hanaovako aorta boara tsaratsara mihitsy". Ny omby vavy mazava ho azy no tena mampitahoriko tamin'io hoy i Valo hihihi". Fa dia eeee
Koa dia nifanakiana teo izy roalahy. "Izaho no lazain'ialahy ho izao sy izao, nefa kay ialahy tsy mahay akory, sns."
Farany dia niteny i Ray : "mangiana ialahy isany, ary aleo anaovako azy". Dia nivoaka avy tao amin'ny fiara i Ray.
Inona tokoa hoy 'nareo!! "Fehezanteny iray monja" no noteneniny, ary avy hatrany dia nitsoaka, tsy hita popoaka ireto omby.
Rehefa tafaverina tao anaty 4x4 moa izy dia tsy andrin'i Roa sy Valo mihitsy ny hahafantatra ilay fehezanteny mahomby amin'ny fandroahana omby.
Inona hoy 'nareo ilay fehezanteny?
.
.
.
.
(etsy ambanimbany ny valiny. Mba mikaroha aloha
)
.
.
.
.
(etsy ambanimbany kokoa e
)
.
.
.
.
Tsy inona akory ilay fehezanteny fa ny hoe :
"Iza aminareo no mazoto hataoko minisitra?" hehehehehe
Tapitra.
Tapitra ho'ahy ô! Ny hany ampahatsiahiviko dia ny hoe :ato amin'ny sokajin-dahatsoratra "hatsikana" ity lahatsoratra vakianao ity ;).
hihihihihihih tsy ratsy kannnn, hevitra mety tokoa izany fandroahana omby à fomba moderna izany annnn
Fa iza ilay ray? raibemananjara ve? sa raindefo?
Mitovy @ ilay fahiny hoe : 'ampidiriko AREMA ialahy' dia nitsoaka toy ny tsy teo ireo omby
Fa matoa tsy nahomby ny hevitr'i 8 diasatria omby lahy ireo fa tsy nisy vavy, hi hi hi !
kdaomba : iny mihtsy no tsaroako - hahahaha (ry même promotion indray ireo - lol)
tokinao : nataoko dia hozy i ray hoe "antsoiko eo i kitjo dia tantarainy any @ blaogy daholo izao fa izy efa ela tsy niblaogy izao hahita holazaina mihitsy an" - hihihi
kay,
tena poinsa ho sekreteran'ny Haute autorite de la transition ndriko ry ikalamako ra izao no mitohy a
oe oe
oe oe
tapaka ny tsinaiko woa
>>>>sipagasy : misaotra namaky rediredy e :).
>>>>finoanaranoray : tsy dia haiko hoe iza mihitsy io Ray io. Ianareo any an-toarena any no tokony hahalala azy satria any Madagasikara izy : izay no azo antoka :). Ny tsy isalasalako koa aloha dia tsy filohan'ny "antoko OLP" izy e :P.
>>>>ikalamako : mampihomehy mihitsy ny valiny narosonao hihihi. Ireny resaka "isalo, kitjo, 4x4, omby vavy sy lahy" ireny dia pitsopitsony nentiko hanaingòna fotsiny ilay tsaho :). Mievona" zao i kitjo any noho Ikalamako hihihi.
>>>>simp: mahery mihitsy io Ikalamako io 'ka. Fa na izany aza, aza ampitahorina izy sao hitsaoka eo koa :P.
>>>>sylvania : tsara be izany :). Impiry ho tapa-tsinay moa e :).
angaha ary ikalamako maninona indray e ? Toa hoe miafanafana daholo ny mpitoraka blaogy na pro valo na pro roa, dia izay no nahalasa ny saiko tany hoe raha vao entina eto @ blaogy ny resaka dia mety hatahotra hatramin'ny omby koh. Sady misy mihaino ange ny blaogy e, cf. news nangataka PDS indraika andro iry...
Ary angaha moa le CV tsy hoe hanamafisana ny zelônera hanao kreseteran'i tokinao fa toa mety hiakatra grady indray aho zany raha poinsa any @ Transition kle. Saika mba hametraka domandy ao @ OLP koa manko aho io. On sait jamais...
Mahay my dessiner be i Tokinao izany.
Tiko ny endriky ny blaoginao.
:-).
>>>>>Ikalamako : Tena misy mijery tokoa ny blaogy.com amin'izao fotoana izao e!
Ary misaotra anao nanoro an'io fomba fampitahorana vaovao io. Dia ilay hoe : "apoitrako blaogy eo fa!!!!" :). Ndeh handramako amin'ny ombinay io hihihi.
Ilay resaka CV 'ndray : izay ianarahanareo sy ny DRH io e! (i Mr Simp). Ny OLP ndray ... fadio fa toa tsy mba hitondra ny firenena io antoko iray io hihihi (tsy tezitra i finoana a! hahaha).
>>>>Mangamaso: misaotra amin'ny fankasitrahana na dia tsy mahay sary aza raToky hihihi. Raha nisy majinika aloha taty dia efa nahazo i mangamaso e hehehe.
Sa ndraso tokoa hoe savaiko ny paosiko virtoaly!!
.
.
[misava paosy vitoaly aho io a :)]
.
.
oaaay! kay ireto misy majinika virtoaly :
keta moa sa kodiny hihihi,
zaza hehehe,
gala :).
hehehe
izy ndray alou de mahita zavatra mampime foana, ary le nofonofy faharoa zao no mbola andrasana :-D
@ finoanaranoray : misy volo toa an'i Monja Roindefo ange ilay sary nataon'i Toky fa tsy sola tahaka an'i Charles Rabemanajara akory e :).
hahahahaha
tapa tsinay aho; aleo ampiako mintsy ndry ry Sylvania a.mampiome marina kah!
fa mahay manao sary alo i Toky e.
fa aôna eh!marary fo @ aôna ndray???
hay mo Tokinao kah mahay hatsikana.?
mety Tokinao ra antsoina hanao hatsikana aty aminay?
ambanivohitra misy omby ko alo ny aty eh.
sao tsy zatra fa avy an-dafy kano!!
sali sali dol
tokinao: feno be chambre tao aminay tamin iny d gaga b za kay omby dol, neveriko oe nisy nanatitra any am ferme omby ravalo za, hahaha
>>>>cutie : msotra namaky e!
fa le resaka nofinofy II ndray no tsy nampoiziko hihihi. ka efa ity rediredy II ity ange ny tohin'ny nofinofy revirevy I e hehehe. Ary ny tohiny dia mety ho "cutiecutie III" hihihi. Mety ho'ahy fa tsy voatery a! :)
>>>>toran'ny hehy : misaotra nametraka an'ireo rohy ireo e :).
>>>>lulu: mety ho avy tokoa za 'ka, fa tsy hanao hatsikana aloha e :). alefaso ny adiresy feno na/sy mail na/sy telefona hihihi
Mba nokarohiko tokoa ange ny blaogin'i lulu ka dia ity nohitako e:
>>>>kitjo: hihihihihi. Gravy be koa zany! Inoako fa nandoa chambre izy ireo na dia izany aza hihihi
(ho an'ny tsy mahafantatra : i kitjo dia mitazona hotel [fampiantranoana fa tsy fisakafoanana fotsiny] any Isalo).
hay tsara ho fantatra zany kitjo any isalo zany, sao de mba ho lasa any manko ndray androany. Zay no nofinofiko 1 ry tokinao lol.
Aza atao pub kosa le cutiecutie e lol.
ho any amoko i tokinao sy i cutie?
iiihihih
tongava fa karakaraiko tsara
tokinao: in le bibikely mandende io?masosotra b mjery azy
>>>>>kitjo: inona tokoa re io parasy io e :).
Ny marina ... tsy hitako tsony re izay hanaovako ny blaogiko a hihihi.
Ao fa hosoloko zavatra hafa io sao mitsaoka eo i kitjo.
Fa ny mahagaga ange : hatramin'izay nahatongavan'i kitjo teto @ blaogy teto indray, dia lasa nisy parasy ny blaogiko e hihihihi. (mananihany za a llooll).
saliii!!
zah alo gaga ian ra vao nanoratra de nis bibikel eto alohako eto.Kay "parasy"...?? sa ..."hao" io ry Toky an!ra parasy mantsy tokny itsambikina fa tô tsy mataotra ny ho azoko ty iz?? hihihihiihi
jere tsy mety azoko mintsy
>>>>Kitjo:hay i kitjo miasa any isalo?mety ho any aho an ,fa ez tsara no misy anareo?lafo ve ny saran-dalana?
>>>>Tokinao:azafady ry toky ra manontany an'i kitjo eto aho a.fa tsara ho fantatra mantsy zany oe "nisy chambre saika hidiran'ny omby any Isalo any".
tsy manana rohy eto@ blaogy i lulu ry toky a.fa ny mahfinaritra ahy dia ny miblaogy miaraka aminareo eto fotsiny.Sad tsy manana roh-pifandraisana aho.
>>>lulu: mampihomehy mihitsy 'zany;
i kitjo indray dia, araka io voalazako io, mitantana hotely any isalo.
Raha te hifanoratra amin dia tsindritsindrio ao @ blaoginy ao (http://kitjo.blaogy.com). Raha tsy diso aho dia misy laharana finday any ho any, na koa adiresy mailaka. Na koa amin'izao maha-ao tanà azy izao, dia afaka anoratanao izy ao @ http://namana.serasera.org.
Sa ahoana ry kitjo. Mbô manao pib-n'ny hotelintsika re za a :).
ok
hay ve misy an'io parasin'omby io koa eto e ? Ary tsy teo io t@ zah nandalo teto voalohany fa toa vao nandalo i kitjo dia nisy an'io. Tavela tao @ chambre taoa ngaha akia le parasin'ireo omby tsy nety noroahina ? mouahahahaha
hahaha$nareo ko mampme ttsss
tokinao:h@nandalovanao tany amiko naie d feno parasy antokotaninay e,hihihi
fa ts mankany am chambre an,haha
lulu: tongava fa raisiko tsara fa teneno mialoha za, anorato hafatra am serasera
merci tokinao amle pib ah,hihi
biz dol am rediredy mahfinaritra
| « | Martsa 2010 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||