Tokinao

« Ahoana ny hevitrao ? | Main | Nofinofy revirevy I : ny zanako :). »

Ny tokony hiblaogevana momba an'i Afrika ve ?
2008/11/27,19:48

Tsotra ny fijeriko :)  :

Afrika dia kontinanta

- isan'ny lehibe,

- fahiny indrindra satria nahitàna ny dian'ny olombelona voalohany indrindra (araka ny fijerin'ny siantifika),

- mbola sahirana : noho ny antony anatiny (tsy fahaiza-mitantana, ady an-trano, sns.), sy noho ny antony hafa tsy azo idovirana : ny fanatontoloana.

 Noho ireo dia tsy tokony ho latsa-danja amin'ny sehatry ny blaogy, sy ny sehatra iraisam-pirenena hafa io Kontinanta io.

Afaka adidy aho ô :). Maimaika ka dia tsy dia nataoko be resaka. tsy dia ho afaka hamaly ara-potoana izay hafatrareo koa satria sahirana kely :).

 Mazotoa daholo ô ;). Ny mpiblaogy ho tagevana dia ialan-tsiny fa tsy mahita. Tsy maintsy mitety ireo blaogy isan-karazany mantsy vao hahita hoe : iza no efa nanao sy ny hoe iza no mbola tsy nanao). Ny tenako anef tsy dia afa-miserasera ato ato :(.

 Mandrapiblaogy e :)!

Hevitra

Comment Icon

misaotra nahafoy fotoana nanefa adidy e !
Eto ihany izahay manao valala mpiandry fasana.
(Oups, antony tokony tsy handripahana ny valala tokoa izay araka ny lahatsoratr'i finoanaranoray atsy k'ty ! :-P)

Posted by: ikalamako at 2008/11/27, 20:48
Comment Icon

latsaka ny n letia e :P

Posted by: simp at 2008/11/27, 20:59
Comment Icon

mandra-piblaogy :)

Posted by: simp at 2008/11/27, 21:00
Comment Icon

Miandry anao eto an-tranon-kala izahay.
Tsara endrika ity blaogin'i Tokinao ity.

Posted by: mangamaso at 2008/11/27, 21:53
Comment Icon

Miserana fotsiny marina!

Posted by: news2dago at 2008/11/28, 08:01
Comment Icon

>tsy tokony ho latsa-danja amin'ny sehatry ny blaogy, sy ny sehatra iraisam-pirenena hafa io Kontinanta io

Marina izany fa ampiakaro avo ho re ny feony

Posted by: tomavana at 2008/11/28, 09:10
Comment Icon

Misaotra namaly ny antso
Miandry ny fiverenan'i tokinao miserasera eto @ tontolon'ny blaogy indray :)
mirary soa e

Posted by: maintikely at 2008/11/28, 21:15
Comment Icon mahatoky

mahatoky anao zany AFRICA

Posted by: Mitia at 2008/11/29, 22:22
Comment Icon ok

ikalamako, simp, mangamaso, n2d, tomavana, maintikely, Mitia : Misaotra anareo rehetra รด :).

Mazotoa hatrany e!

Posted by: Tokinao at 2008/12/02, 18:09
Hampiditra hevitra









 authimage
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype