« Fianarana Solfa voalohany eto @ aterineto! | Main | Ny tokony hiblaogevana momba an'i Afrika ve ? »
Raha misy olona milaza ny tenany ho "mpanetry tena sy tsy tia sehoseho" ary matetika averimberiny izany isaky ny miresaka izy. Tena manetry tena ve izany olona izany sa kosa tiany ho izany toetra izany no ahafantaran'ny olona azy ?
Raha sary vitsy no ananako momba ny morontsirak'i Madagasikara, satria avy ao afovoan-tany aho ... mpanavakavaka foko ve aho?
Raha lehibe tamina toerana iray aho, ary tsy mba nahita tany hafa. Midika ve izany fa tsy ampy fitaizana aho?
Betsaka ireo karazana dinika eto amin'ny aterineto, ary misy ny lohavevitra sasany no efa tranainy dia tranainy sy mampisara-bazana fotsiny ; Mampisara-bazana satria dia ompa sy teny ratsy no iafarany. Mampandroso ve ireny hoy 'nareo ?
Raha mba mizara izay hainy ny olona iray ... fireharehana ve izany ?
Ahoana ny hevitrao ?Ntsôôô, voadona tany ho any indray ny havana izany ! Ny mpanenjika ry toi tsy maintsy misy foana fa aza atao mankarary fo a ! Na tsy eto amin'ny internety ary fa eny an-dalana eny, na anivaonny fianakans koa, tsy afaka amin'ny olombelona sasany io, fa io no antom-piainany. Rehefa fantatrao fa tsara ny nataonao, dia avelao izy haneno any !
Nomen'andriamanitra sofina roa hono ny olombelona ny iray ampidirany ny hevitra heno (sy hita) ary ny iray amoahany izay hevitra taingina voarainy...
dia namorona Fable hono Lafontaine mikasika ny ampondra sy ireo mpianaka...
vavan'olona foana...
Misy indraindray ny olona milaza ny momba ny tenany ho izao sy izao, nefa tsy mifanaraka amin'izany akory ny ataony (mpitari-bato vilam-bava izy izay).
Misy ireo tsy milaza ny momba azy fa kosa anefa hitanao taratra eo @ fomba fihetsiny sy ny toetrany na ny firesany fa tsara alaina tahaka.
Misy aza olona tsy mahalala afa-tsy ny ao @ FKT misy azy fotsiny! Tsy hitsaràna azy akory izany hoe: manavaka ny hafa izy.
Ny ompa sy ny teny ratsy aloha dia hitako fa tsy mampandroso e! saingy maro tokoa no manana fahazarana amin'io ka toa tsy manja angamba ny resaka amin'izy ireo raha toa ka tsy asiana kely ilay ompa sns...
Ny fizaràna amin'ny hafa (amiko) dia tsy fireharehana velively, fa fanampiana. Ohatra i Tokinao izao mahay manidina eny ambony eny, dia mba mitantara aminay hoe: izao no no zavatra nianaranay teny am-panidinana.
"Le meunier son fils et l'âne" no lohatenin'ilay Fable...
Tena tsy aritro ny mametraka sombitsombiny :
«Je suis âne, il est vrai, j'en conviens, je l'avoue;
Mais que dorénavant on me blâme, on me loue,
Qu'on dise quelque chose ou qu'on ne dise rien,
J'en veux faire à ma tête». Il le fit, et fit bien.
Ny vakana dia hijanona ho vakana ihany ... na dia mihoso-potaka aza.
Ny kisoa indray dia ho kisoa hatrany ... na dia ampihaingoana fatratra aza.
Sao kosa isika indraindray manipy vakana amina kisoa ?
le chien aboie, la caravane passe.
Matoa i toi enjehina dia milay toi zany sady eo aloha.
joincidence fa misy ol mitatitra ahy mafy dia mafy hamaky baiboly sy hiara-hivavaka tato ho ato. Miady hevitra zahay dia tena otran'ny hoe lery mintsy ny tonga lafatra eto ambonin'ny tany, dia izaho no tsy mpirara an'A/tra... krizy ah ny farany dia noteneniko hoe tsy hande hivavaka tsony ah ra mbola taritin'i toi @ zao atsanga tsy aman'orana rehetra izao :)
chien battu refa otr'reny e: mbola mahazo miteny ve za? na hoe tokony hamono tena ve za? ;-)
an an an
i simp tena tokony hivavaka mihintsiny,
tena izaho no handray an-tànana ny fampivavahana azy
tokinao : la caravane aboie, le chien passe
Misaotra antsika rehetra naneho hevitra ô :).
- kdaombaramita : tsy hoe voadona aho 'ka. fa mandefa eritreritra fotsiny hihihi.
- finoanaranoray: misaotra amin'ilay tononkalo :). sady mbola tsy haiko mihitsy io tantara iray io.
- ni81: misaotra @ fankasitrahana ô :).
- tomavana: mifono zava-dalina ilay fanontanianao fa dia misaotra e :).
- ikalamako: tsy dia hoe enjehina fa nisy nanao fanamarihana 'ka :). Ary ianao elaela tsy nanoratra lahatsoratra a!!!
- simp: hafa ndray zany. Raha mpitarika mahay tokoa izy ... tsy tokony hi-"contrarier" anao tokoa :).
- rajiosy: misaotra e :).
rajiosy,
oui maitre ^:^
«Raha misy olona milaza ny tenany ho "mpanetry tena sy tsy tia sehoseho" ary matetika averimberiny izany isaky ny miresaka izy. Tena manetry tena ve izany olona izany sa kosa tiany ho izany toetra izany no ahafantaran'ny olona azy ?»
Ny eo anelanelan'ny faniriana sy ny zava-bita dia ny ASA.
«Raha sary vitsy no ananako momba ny morontsirak'i Madagasikara, satria avy ao afovoan-tany aho ... mpanavakavaka foko ve aho?»
Tsy ampy sary ianao ka araraoty izany hantevenana ny traikefa .
«Raha lehibe tamina toerana iray aho, ary tsy mba nahita tany hafa. Midika ve izany fa tsy ampy fitaizana aho?»
Tsy ampy fitaizan-tena ianao.Tsy mbola tara anefa .
mpandalo : momba an'le voalohany, ts'izy kosa aloha zany olona midera ny tenany oe tsy tia sehoseho 'zany e! Efa misehoseho izy matoa mandoka tena.
Momban'le hoe tsy ampy fitaizan-tena dia diso tanteraka. Ra ny evitrao zany dia tsy ampy fitezana daholy ny ankamaron'ny gasy? ny fonksionera sy karazana mpiasa sasany iany mankony no manalebe ny zanany @ faritra isankarazany.
Ny tsikaritra aza anie dia ny zanaka gasy avy any an-dafy no matetika mitondra ditra refa aty @ tanàna e, tsy izy retra aloe.
Ny fitaizan-tena tiana lazaina dia ilay saina tia karikaroka ,tsy mionona amin'ny zavatra atolotry ny haino aman-jery na ny resaky ny hafa etsy sy eroa. ny zavatra matetika fantatry ny olona an-tanan-dehibe ohatra dia ny resaka sy tantarain'ireo mpiavy .Misy olona ao an-drenivohitra ao mbola tsy nahita ny tanana manodidina azy akory.
Marina ny voalazanao fa tsy ampy fitaizan-tena ny akamaroan'ny malagasy nohon'ny antony samihafa ,fa ny tena misongadina dia ny tsy fananana enti-manao.
Mpandalo, ny hevitro : misaotra anareo nandroso fomba fijery.
Izy ity moa dia atao kabary tsy valiana satria ny hevitrareo no anontaniana :).
Manasa an'i Tokinao handray anjara @ ilay tohivakana (tag) mitondra ny lohahevitra hoe : inona no antony hiblaogiavana momba ny afrika (pourquoi bloguer sur l'afrique).
misaotra sahady @ fandraisana anjara :-)
Handray anjara i Tokinao fa dia misaotra maintikely a :)
| « | Martsa 2010 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||