« Ria-drano Lilia, ao Ampefy. | Main | Ahoana ny hevitrao ? »
Ho fanomezako fahafaham-po an'ireo manontany ahy ny fomba fihiràna amin'ny solfa dia indro atoroko eto izany :
Raisintsika ohatra ilay solfa napetrak'i pkm atsy. Tsy ho hiraina manontolo anefa, fa ilay "refy" enina voalohany ihany no ampiharantsika izany. Ny "refy" iray moa dia manomboka amin'ny "fefy" iray ary mifarana amin'ny "fefy" manaraka (jereo ny sary etsy ambany). Noho Izany, ny refy enina tiako lazaina dia manomboka amin'ny voalohany ka hatramin'ilay hoe "tony ny fo" no hohiraintsika :
Izay no ela fa ireto no dingana raha hihira an'io solfa io :
1°- Fantarina ny gadona. Eto dia 6/4 ny "gadona" satria voazarazaran'ny ":" sy ny "!" ho enina ny refy iray (na koa fefy roa mifanaraka). Izany moa dia midika fa toy izao ny gadon'ity hira ity :alaivo ato ny fomba fanisana ny gadona 6/4. (Ny ankabeazan'ny hira tsotsotra moa dia marihiko fa 4/4)
2°- Manaraka izay dia jereo ireo pitsopitson'ny solfa hahafahanao mampitsatotsatoka ilay hira. Raha ny ohatra etsy ambony, dia ireto no ilaina ho fantatra (raha sarotra ny fanazavàko dia dingano fa ho hainao etsy ambany izany rehefa misy feony
) :
*6/4 no "gadona" : izany hoe mitovy faharetana @ "mainty" enina ny ao anatin'ny "fefy" ("|" na "barre" hoy ny vazaha) roa mifanesy.
-------------raha tsy azonao ireto dia tsy manakana anao hianatra an'ity hira ity-------------
[Niresaka "mainty" aho etsy ambony
. Izay mahay tain-dalitra (solfège) dia mahalala izany. Ho an'ny tsy mahay tain-dalitra dia izao : raha 6/4 ny hira iray dia misy mainty 6 (na feo mitovy faharetana amin'ny mainty enina) ao anatin'ny refy iray. Raha 4/4 ny hira iray dia misy mainty 4 (na feo mitovy faharetana amin'ny mainty 4) ao anatin'ny refy iray. Dia torak'izany hatrany ny 3/4, 12/4, sns]
Ohatra hafa : |d:r:m!f:s:l| : 6/4 io satria misy mainty enina ao. |d:r:m:m!f:t:s:l| : 8/4 io satria misy mainty valo ao.
Tsy atoroko kosa intsony angamba fa : d=dô, r = re, m=mi, f=fa, s=sô, l=la, t=ti. Raha te haheno ny feon'ireo tsirairay avy ianareo dia manendre zava-maneno iray. Ny ampatsiahiviko momba ny fanoratana solfa (na dia tsy hitantsika eto aza) dia ireto :
d' = dô ambony, r'=re ambony, sns
d1=dô ambany, r1=re ambany, sns
di=dô "misongasasaka" (sharp re=dô dièse), ri=re "misongasasaka" (sharp re=re dièse)=mi "mijotsosasaka" (flat re = re bémol), Sns. ary li=ta="la misongasasaka" (sharp la=la dièse)="ti mijotsosasaka" (flat ti = ti bémol).
Ho ahy, sy ny mpamoron-kira maro dia "ti", fa tsy "si" no fiteniko sy fampiasako mba tsy hampifangaro azy amin'ny si="so misongasasaka" (sharp so = so dièse)
------------------tapitra tamin'iny ilay resaka mety tsy ho azonao
-------------------
**ny "tsoraka" (!) dia manasaraka ny "refy" iray ho roa. Izany hoe ahitàna mainty telo eo anelanelan'ny "!" sy ny "fefy" (|). (satria 6/4 ny gadona eto)
***ny "teboka" roa (:) dia manasaraka ny fotoana mitovy faharetana amin'ny mainty tsirairay ho roa. Izany hoe misy ":" roa eo anelanelan'ny "fefy" (|) sy "tsoraka" (!) satria 6/4 ity hirantsika ity.
Oh: |d:d:d!r:m:s|
****ny "teboka" (.) dia manasaraka ny fotoana mitovy faharetana amin'ny mainty ho roa. Ahazoana "crochet" (♪) zany io. ohatra hafa : |d.d:d:d!d:d:d|
*****ny tsipi-panohizana (-) dia midìka fa ilay naoty farany teo aloha no taritina.
Raha ity hira ity 'zany dia manome toy izao (averiko adìka fotsiny ilay etsy ambony):
|s : s :-.s!s : f : m|l :s :-.m!m:f:m|r:-:-! : :r.m|
|f : f :-.f !f : m: r |f :- :f.s !l :s :f |m:-:-! : : |
3°- ianaro ilay fitsatoky ny "naoty" rehetra. Ny fanaovana izany dia : vakio ny naoty, aza asiana feony, ary araho ny fitsatotsatoky ny feo rehetra (araho ny ":", "!", sns). Raha sarotra azo io dia henoy ity (1SolfaTsisyFeony.MP3).
4°-Avy eo dia asio feony ilay solfa (naoty) tetsy ambony. Ary mba hahaizanao ny naoty marina (note juste) dia mampiasà zava-maneno iray. izaho moa dia tsy manana ka dia mety hisy diso ny feo ataoko :). henoy ato (2SolfaManarakaGadonasy Feony.MP3).
5°- eto dia soloy ho "la la la ..." ilay solfa etsy ambony. Hahazo an'ity ianao : henoy ity. (3lalalalaMisyFeonyMP3.MP3). Averimbereno io, ary ezaho tsy jerena ilay solfa, mba hahaizanao tsianjery an'ilay feon-kira. Farany dia (alohan'ny farany manko e
) :
6°- Aza atao "la la la" intsony fa ataovy tena "tonony" no hiraina. Hahazo an'ity ianao : henoy ity (4GadonaSyTononyAryFeony.MP3 ). Vitanao izay ilay hira
. Fa ho farany dia (izay vao tena farany hihihi) :
7°- Ampiharo ireo torolàlana nomen'ny mpamoron-kira. Amanjatony mahery ny torolàlana ampiasaina amin'ny mozika ka tsy ho vitako ho tanisaina eto! Raha ilay hoe "ad libitum" hita ao amin'ny refy alohan'ny faran'ilay "Hay teo foana Kristy" zao dia midika fa atao araka izay itiavana azy ny fiadanan'ny hira eo amin'io refy io. Ilay hoe "andante" atsy kosa dia midika fa atao mitomany (na misaona) ny fomba fihira ilay hira.
Dia izay tompoko ô!
Ny tiako marihina eto ampamaranana dia ity : "teny ofisialy malagasy ara-mozika" daholo ireo nataoko anaty farango sosona ireo fa tsy izaho akory no namorona. ohatra : refy (mesure), fefy (barre), songasasaka (dièse), sns.
(nofinofiko manaraka : ny hanazava na/sy handìka ireo "torolàlana ampiasaina amin'ny mozika rehetra". Tsy ny rehetra no nofisiko hadìka satria misy tsy ho voadìka mihitsy ireo izay amin'ny teny latina. "Nofinofy" :) satria tiako hatao be nefa tsy ho vitako hihihi).
Misaotra e
Vita ihany ity 'lah. Tsy ho sahirana hamaly an'izay mpanontany intsony aho fa dia alefako ato ny olona hihihi. Na izany aza anefa dia anontanio raha misy tsy azo, ary kiano izay diso : na tsipelina io, na fanazavan-diso, sns.
Nosoratana anio 03 nov 08 : Rehefa olona tsara feo moa no mihira ilay hira etsy ambony iry, dia izao no fivoakany :
Ny tonony moa dia :
Hay teo foana i Kristy
Taona sy taona nisesy nitadiavan - tsoa
Niodikodina anefa tsy nety nitony ny fo
Ireo izay nitokina nandao avokoa
Tany efitra sady nangina no niainako
Refrain :
Hay teo foana iKristy( X2)
Mitady ahy izay nania
Hay teo foana i Kristy
Foana izao ny fotoana izay laniko
Andro mirana soa lohataona 'zao ny androko
Tojo izay nantenaina ka dia afa-po
Ilay fiainako teo karakaina niova ho soa
Hay teo foana i Kristy ... (Ref:X3)
Raha te hihaino fotsiny kosa dia angataho atsy amin'ny radiovazogasy : "'hay teo foana i Kristy" - Chorale Fiderana.
Vao mainka ianao ra-Tokinao ho tototry ny fanontaniana fa dia miomàna. Indrindra fa raha doma be sahala amiko daholo no handeha hanomboka hianatra solfa amin'izay.
Sambany aho mba mitovy hevitra @ dotmg ratoky! lol
Misaotra rangahy amin'ny fandava-tena a !
Mankasitraka e
Misaotra ry tokinao fa dia manana finiavana tokoa ianao mampita aminay ity raharaha manga ity.
Tsara feo ilay rangahy knou ! hi hi hi !
>>>>Dot, n2d : amboariko sy miha-azavaiko izy ity isaky ny manao blaogy aho. Ka vangio matetika fa mety hihazava aminareo ilay izy e :). (tsy dokambarotra fa tena resaka marina).
!!! Fombako rehefa manoratra lahatsoratra, no tonga dia manoratra izay eritreretiko. Izany hoe tsy namerina namaky im-betsaka aho, fa mety ho in-1 fotsiny. Toy izany koa ireo feoko ireo : mety ho nohenoiko in-1 fotsiny. Fantatro fa "tsy tsara izany raha te hahazo zavatra tsara" toy ireny mpanoratra boky ireny. Nefa noho ny fitiavako te hahavita an'ilay izy haingana dia apetrako ihany. Raha tsy vitaiko haingana manko dia tsy ho vitako mandrakizay angamba hihihi (filôzôfian-draToky io fa tsy fomba tsara akory hihihi). Koa mba andefero ny diso kely e : fahadisoan-tsipelina, fahadisoana kely amin'ny naoty. Na izany aza, dia faly koa aho raha marihinao izany diso izany ka teneninao amiko. Dia hohatsaraina miandàlana e :).
>>>Rasoa : io ve ho tsara e :)! Efa tsy ho tsara feo ihany ka aleo ny hafa tsy mahay no ampianarina :) mba hahay lavitra noho ny tena e!
Tokinao,
Feo-mpampianatra izany ny anao,tohizo... :-D.
Tenidiso manatsara = critique constructive ?? Mbola miverina amin'nyteny gasy indray isika, hi hi hi !
Aleoko ihany ny nôty amin'ny teboka maintsy kah !
(mafy be vao tafiditra eto izany knou)
>>>>>Tritriva : voalazanao :). Mpampianatra ho an'ny tsy mahay nefa a! hihihi.
>>>>>Rasoa :
- tsy fiteny zany "teny diso manatsara" zany raha ny fahalalàko azy :). "Critique constructive" = "lesoka ho enti-manatsara" ...ngamba (tsy dia mahay mandìka teny aho).
- tsy hoe "miverina @ teny gasy" aho fa tena "tsy miala @ teny gasy" 'ka.
Maro ny antony mahatonga ny mpiblaogy iray hiblaogy : ny mba anehoana ny maha izy azy azy, ny itahirizana ny diariny, mba hanaovana dinidinika, mba hampielezana fomba fijery, sns.
Fa raha ny ahy manokana dia ny hanindraindra ny teny Malagasy sy ny hanehoako ny fitiavako an'i Madagasikara no tanjoko lehibe indrindra (ny 9/10). Ny 1/10 dia mba hitahirizako ny diarikeliko (sary, eritreritra sendra mandalo, sns izay tsy dia misy dikany : fanalàna azy daholo hihihi).
Samy manana ny safidiny ny olona, fa ny ahy dia izay hatramin'ny voalohany :).
sarotra be izy zany.
Kaloha hiantso ny fanahy masina :)
Hiverina @ teny gasy ary aho hanakiana manatsara, ho be ny ho tezitra (hi hi hi) fa tsy maninona :d :
- ampiharantsika = fototeny "araka" noho izany ampiarahintsika no fiteny; Tsy mety ohatra ny hoe miharaka fa miaraka no izy.
-intsony no fiteny fa tsy "tsony"
-tsy teny malagasy ny hoe "anatina" fa "anaty" dia ampy.
Ireo no itako aloha fa mbola ho avy i Rasoa sy ny ampogany higodogodona hanao kdaombaramita kdaombita !
Hay, mbola tsy adinoko ny tany an-tsekoly !
Hiverina @ teny gasy ary aho hanakiana manatsara, ho be ny ho tezitra (hi hi hi) fa tsy maninona :d :
- ampiharantsika = fototeny "araka" noho izany ampiarahintsika no fiteny; Tsy mety ohatra ny hoe miharaka fa miaraka no izy.
-intsony no fiteny fa tsy "tsony"
-tsy teny malagasy ny hoe "anatina" fa "anaty" dia ampy.
Ireo no itako aloha fa mbola ho avy i Rasoa sy ny ampogany higodogodona hanao kdaombaramita kdaombita !
Hay, mbola tsy adinoko ny tany an-tsekoly !
Aleo koa aloha Rasoa kianina kely fa bebe kiana
nôty amin'ny teboka mahitsy -> tain-dalitra
hahaha
>>>>Rasoa : ok! Misaotra e ;). Ny fahamehana no nahatonga ireny hihihi
>>>>Rasoa : ok! Misaotra e ;). Ny fahamehana no nahatonga ireny hihihi
Tokinao < Tsy fahaizana teny gasy mihitsy ireny fa tsy hoe fahamaizana ry nao a ! ha ha haaaaaaaaaaa :)) Manala azy Rasoa !
>>>>>Rasoa : ekena mba tsy ifandirana hono e :P
Manahoana i Toky! Inona ny vaovao? Maresaka? Mba mandalondalo eto @ blaogy eto indray de mba mi-spam ny akama rehetra e lol ;-) Azafady fa ohatran'ny hors sujet ity ah...Fa i Toky hoa toa "multi-talented" be e! Toa mahay mozika, mahay mitendry nefa @ sary kely toa mahay mitondra fiaramanidina (?) Mba resadresaka ny mpandalo ny ahy e fa mahereza dia mazotoa mi-post fa na dia tsy dia mi-spam matetitika aza, mazoto mandalo mitsidika foana e :-)
Mirana >>>misaotra mitsidika ô! Momba ilay "hors-sujet" : ka mba samy manana ny hainy ange ny olona rehetra e!
Fa na izany aza ... tsy mahay mitendry 'zah 'ka :).
Mba velomy ilay blaoginao mba ho spam-evanay e hihihi.
Mba mila doc pdf momba ny solfa iray manontolo rangah izay mba mahita.
Bjr
Efa mba mahay kely mamaky solfa aho ny olana dia tsy mahay hira aho raha tsy mijery solfa, koa iza no afaka mba hanampy ahy? Mitady solfa ny hira malaza ataon ny chorale aho? Aiza no mety ahitako an izany
misaotra mialoha
Misaotra indrindra tamin'ireo fampianarana ô!
Fa mba mangataka lesona pour une transcription amin'ny solfège ange raha mba mety e !
Mahafinaritra be ny blaogy-nao.
ndao aza hiraina @ zay le hira :-D
Voalohany dia miala tsiny raha variana ka tsy nahita ireo hafatrareo ireo raha tsy androany e!
Soleil >> mba nikaroka teto @ aterineto koa aho fa tsy nahita zavatra mikasika ny solfa mihitsy. Na izany aza dia betsaka ny boky malagasy mampianatra solfa : tsidio ohatra ny fivarotam-boky loterana ao Antaninarenina! (tsy haiko raha mbola ao izy io :).
rmh >>> i pkm 'zao no mety afaka manome fahafaham-po anao. jereo ny blaoginy ato
Tsomialy >>> Hevitra tsara tokoa io narosonao io, fa hataoko rehefa manam-potoana aho!
cutie >>> ndao e :). Sady lainga lainga fa isan'ny hirana "chorale" tiako izy io :).
Ankoatran'izay dia tratry ny taona daholo e!
Bonne année Toky ah!
Misaotra ry se t@ fandavantena fa mafinaritra a!!!
Raha izaho manokaa dia tena liana azy itony ary mba tena te ho matihanina ka mba mangataka ny fitohizan'ny fampianarana raha mety.
miandry an'le feo aza za io :)
salut vaovao ato @ ity zavatra ity.
METY VE RAHA MIFANAKALO SOLFA isika?
>>>fredhina: tsy dia misy zavatra betsaka ho zaraina koa ange fa ny kely hay ihany no ampitaina e! [Ianao manko milaza ho te matihanina 'ko :)].
>>>cutie: aleo tsy ho hiraiko hatramin'ny farany sao tsy hisy hitsidika intsony ny blaogiko hihihi
>>>AVO: indrisy fa tsy manana loatra aho 'ka.
mbô mitady mpampianatra clavier ange raha mba mahita nareo e! efa mitendry hira fihirana za efa ho herintaona izao fa te hahay ny logique n'ny hira
salut,
dia inona indray izany no azo atao aha hoe te hampianarina azy ity indray ny tenanay, ohatra hoe mihira amn'ny alalan'nby solfa, mitendrymiaraka amin'ny solfa... angamba tsy dia mahadiso e??? ny fitaovana misy aty amiko na micro na clavier. de mba anoraty ely amin'ity mal-ko ity zà raha mety hahazo fahafaham-po.
ylanaly@gmail.com
misaotra miloha
>>>Zoly : izaho aloha dia tsy mahay clavier fa ny mpitsidika sasany no tsy haiko :).
>>>ylan : miankina amin'ny toerana misy anao satria raha ny hifampianatra @ alalan'ny mailaka toa ho raharaha ihany 'ko. Mankasitraka e!
Ho lasa fanaovana "annonce" ihany ity blaogiko ity raha izao no mitohy hihihi.
Tsy maninona mihitsy aloha e :).
Misaotra ma fandraisana anjara amin'ny fampandrosoana ny fitiavana mozikan'ny gasy kely. fa na izany aza, hita ihany hoe mbola lavitra e. nga tsy azo atao ny manao blog en francais, tsy hoe tsy tia gasy ny tena fa tena gasy dia gasy tokoa, fa akaiky kokoa ny fandraisana mozika raha am teny baiko. mety hevitro samirery ny ahy, fa eto moa fanehoan-kevitra.
courage e.
Voalohany dia misaotra nametra-kafatra!
Ny antony mahatonga ny fanazavàko ho amin'ny teny malagasy dia satria hitako ho tsy dia misy fampianarana mozika amin'ny teny malagasy mihitsy "eto amin'ny aterineto".
Izany akory tsy midìka fa tsy azo ampianarina amin'ny teny malagasy ny mozika. Ho porofo dia jereo ireo boky marobe mampianatra mozika amin'ny teny malagasy, izay mameno ny trano fivarotam-boky isankarazany (ao analakely, antaninarenina, ary manerana ny faritany). Ny antony tsy hahaizantsika ireo voambolana malagasy ireo dia noho isika tsy zatra mamaky boky malagasy fotsiny. Heverintsika matetika fa raha vao teny malagasy dia tranainy, tonta sy sarotra azo. Toa efa milentika ao an-tsaintsika matetika fa ny boky malagasy dia tsy dia ahitàna zavatra vaovao intsony :). Mety hisy fahamarinany ihany io teniko farany io : fa amiko ... ny vahaolana dia tsy ny fanariana ny teny malagasy fa ny fampiasàna izany ho amin'ny teknolijia sy zava-baovao rehetra.
Ampahatsiahiviko ireo mpamoron-kira malagasy fahiny izay nanoratra ny hirany amin'ny fomba malagasy (solfa ombàna voambolana teknika malagasy) hatry ny nidiran'ny soratra tao madagasikara (1818), izy ireo dia nampianatra izany amin'ny teny malagasy, ary nanoratra boky maro amin'ny teny malagasy.
Hoy ianao hoe : maninona raha mamorona blaogy amin'ny teny frantsay, dia avy eo mampianatra mozika amin'ny teny frantsay ...
-->Raha manao izany aho dia heveriko ho tsy misy dikany sy tsy misy mampiavaka azy intsony ny blaogiko ... satria efa betsaka ireo blaogy frantsay mampianatra mozika.
Ampahatsiahiviko koa (ary ity no tena fototry ny fijeriko, izay efa fantatry ny mpahalala ahy rehetra) : afaka atao teny mahery sy matanjaka noho ny tenim-pirenena rehetra ny teny malagasy raha tiantsika ny hahatonga izany. Lavitr'ezaka tokoa izany fa tsy nofinofy akory, ary ny fanalahidy dia tsy misy afa-tsy ny fitiavantsika, ny fampiasàntsika, ary ny fanaparitahantsika azy.
Na ireo teny vitsivitsy matanjaka ankehitriny ireo aza ange ka vao haingana dia vao haingana e! Fa nanana finiavana hanitatra sy hampivoatra ny teniny izy, ary izany no antony mampahalaza ny teniny.
Efa nohazavaiko kely io fivoaran'ny teny anglisy sy frantsay io a t o . Iangaviako indrindra ianao hanokatra io ary hamaky ilay tapany faha-3. Dia mba lazao ny fijerinao raha tsy mahadiso ... fa izany no tena ilaintsika.
Misaotra hatrany!
Izaho izany efa ela no nitady mpampianatra na 'tutoriel' momba ny solfa t@ net fa tsy nisy, angamba kosa efa fotoanan ny fisaorana Andriamatoa Tokinao, izao dia misaotra leiretsy fa tongava amin'izay tanjona irina a !!
Misaotra betsaka e !
Ho tahian'ilay Ray be fitiavana anie ise !
| « | Jiona 2009 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | ||||