« Ry tanindrazanay Malala ô (Feo.mp3) | Main | CSS @ teny gasy II »
Vitsy amin'ny fanazavana informatika (vulgarisation) no amin'ny teny gasy. Noho izany dia ity mba apetrako eto ny css ampiasaiko amin'ity blaogiko ity, ary ataoko amin'ny teny gasy ny fanazavana tsotsotra.
Voalohany, ny CSS (Cascading Style Sheets, feuilles de style en cascade) dia teknika iray ahafahana manatsara endrika ny tranonkala iray, na blaogy iray. Isan'ny fomba fanoratra tsotra indrindra izy io raha oharina amin'ny html, javascript, sy ny sisa.
Ny tombotsoany lehibe dia ity : atao indray manoratra ny kaody css iray, ary dia mihatra amin'ny vohikala manontolo. Ohatra : Raha html 'zao no nampiasaina mba hampiseho an'ilay sariko etsy ambony sy ilay sary voninkazo dia mila manoratra kaody html isaky ny pejy aho. Soa ihany fa azo ampiasaina eto amin'ny blaogy.com ny css ka dia ahafahako manoratra kaody css iray monja :
#Title {
background:url(http://tokinao.blaogy.com/gallery/78/Toki1.jpg)
#fff no-repeat;
width : 770px;
height : 138px;
}
Ary dia mipoitra foana izy io isaky ny manokatra pejy ato amin'ny http://tokinao.blaogy.com (pejin'ny tahirintsary, sns.) ianao.
Izay no ela fa ireto nyampiasaiko :
Ny kaody | Fanazavana |
#Title { | Mampipoitra ilay sariko etsy ambony, sy ilay sary ravina. |
#Topmenu { | Mampipoitra ilay tapany ambany amin'ny sariko |
#topic { | background : Mampipoitra ilay sary maitso fanambanin'ny lohatenina lahatsoratra |
body { | background-image : Raha fafaina ilay hoe "FAFANA" dia hisy sary hipoitra ho fanambanin'ny blaogiko (image de fond). Mbola tsy nahita sary anefa aho ka avelako ho diso aloha ilay kaody mba tsy hipotràny. |
#Content { | background : io no fomba fanovana ilay sary mijadona ahitantsika ny sarin'i Mkara, sary gidro, ravinala, vorona. Ilay "repeat-y" no mahatonga azy hiverimberina amin'ny fangitra faharoa (y-axis, axe desordonnées) |
| #calendar_title {visibility: hidden;} #Title h1 {visibility: hidden;} #syndicate_title { visibility : hidden; } #Title h2 { visibility: hidden; } #Topmenu h1 {visibility : hidden; } #Recently {visibility: hidden;} #recently_title {visibility: hidden;} #links_title{visibility : hidden;} #Links {visibility : hidden;} #search_title {visibility: hidden;} #Search {visibility: hidden;} #archives_title {visibility: hidden;} #Nextpost {visibility: hidden;} | Ireto kosa no fomba fanovana, na fomba atao mba tsy hampipoitra ireo zavatra hafa maro ao amin'ny blaogy.
|
Ok! Raha nifidy ny endrika maitsokely (spring) ianao eto amin'ny blaogy.com dia mba andramo ampidirina ao amin'ny toeran'ny css ao amin'ny blaoginao ange reo e :). [izay blaogy nifidy ny endrika maitsokely ihany a! Mety tsy hety mantsy ny blaogy sasany raha tsy misy ovaina kely ireo kaody etsy ambony iretsy]. Ry news2dago zao afaka manandrana tsara hihihi
Azo jerena @ page source (CTRL +U na ->view->page source @ firefox) ny code html, dia hita ao ny source an'ny css. Matetika io en url ny par defaut eto @ blaogy ilay url ao arinan'ilay hoe type="text/css" iny. Iny zany sokafana any @ sisiny.
Dia jerena @ le page source teo ihany ny div id sy ny otran'zany dia ovaina any @ override css fotsiny ny mifandraika @ izay (jerena ao @ le url ilany ny valeur pardefaut ra ilaina)...
Dia otr'zay doly azo atao @ themes blaogy.com rehetra... ra manana insipiraka mety tena lasa manja be mintsy :)
teny sinoa be izy zany kle ! Efa nandalo teo ve jogany namaky an'io sy ny hevitr'i simp hatramin'ny farany ? :-P
Vazivazy fa hiverenana eto ihany ry tokinao sy simp rehefa mieritreritra hanao lifting blaogy ikalamako fa misaotra e.
(asa raha ho lasa ity hevitra ity fa toa tsy eo intsony le nomerao soratana alohan'ny handefasana hevitra, ilay atao hoe authimage ???)
Ny ahy izao OPER no navigateur ampiasaiko. Dia rehefa voasokatro io code source io dia ovako ny ao anatiny dia avy eo ve tsindrina fontsiny ilay bokotra "enregistrer" dia mety ? Izaho amin'izany tsy connécté amin'ny admistration-ko ka tsy loza be fa afaka hanova ny CSS amin'ny blog-ko daholo ny olona rehetra raha izay no fanaovana azy ? Ny ahy eo no tsy azoko fa efa bebe ihany izy tiako novana tato izay !
OPERA ilya navigateur fa tsy voasoratra h@ farany ilay izy, mitovy² amin'ny firefox ihany izy io.
kdaombaramita>
1- mi-login aloha
2- momba ny blaogy
3- fanovana CSS
4- soratana eo text field eo amin'izay ireo nosoratan'i tokinao ireo
5- tehirizo
Misaotra anareo mandray anjara e!
Saika adinokoa tokoa raha tsy i simp no nilaza : fanovana templeta na endrika (template) ireo kaody natoroko ireo, fa tsy famoronana "style css" akory. aafaka ovaina tanteraka mihitsy manko ny endriky ny blaogy (fa tsy ny sary tsirairay ihany akory no ovaina). Ary io natoron'i simp io ny fanaovana azy.
kdaomba>Raha izany no nataonao (na hataon'olon-kafa) dia tsy hisy fiantraikany eo @ blaoginao eto @ aterineto ny fanovana.
mila miditra ao @ blaogy, mampiditra tenimiafina, sns (araho io notenenin'i sitlo io) : 1,2,3,4,5
Andraso fa anandrana e!lol
miala tsiny fa tena tototra kely tato ato izay e!
Tena tsy mety atao amin'ny blog-ko ilay izy ry ilay Koto a ! Mila mitady fika hafa aho apetraka ao.
news2dago > misaotra mitsidika e! tsy voatery ange e! Mba manome ohatra fotsiny aho :).
dadarabe >misaotra e!
kdaombaramita > notohizako atsy ny resaka ho an'ny blaogy hafa endrika (tsy "maitsokely").
Efa natsipitsipin'i simplex etsy ambony etsy ihany ny fanaovana azy fa nororitoko ho lavalava kokoa fotsiny hihihi.
| « | Novambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | ||||||
| 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
| 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
| 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
| 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
| 30 | ||||||