« Lalao : Mitady feom-behivavy :-) 14/08/08 | Main | CSS amin'ny teny gasy »
Ataoko ato ny hira tohin'ilay resaka tatsy.
Cutie-Tokinao* :
Tokinao : Miandry ny feonao io lisitra io ô
.
.
Araraotiko ataoko eto ny tsikeran'ilay hirako manokana :
- ratsy ilay feo an-doha, sady mampiomehy nefa mba hiram-pirenena ihany no hiraina. Ankoatran'ireo :
- tsy mifandanja tsara ny feo, sady miovaova daholo ny hamafiny. Aza omena tsiny fa sambany vao nahita "laozisiela" e :).
Tena ialako tsiny aloha ry zareo fa taolana ny nify ah. Fa tamin'ny voalohany ihany aho no nihomehy fa avy eo nandinika.
Misy hevitra kely omeko: tsy mety angaha ianareo raha mifanao fotoana dia amin'ny skype no miara-mihira?
Tohizo ilay izy fa mahafinaritra no tsy mbola nisy nanao.
:D
sitlo > tsisy tsiny fa na zah aza ange mihomehy amin'ny feoko e :). Nefa io moa no vitan'ny tena ka atao ahoana e :).
Ny olana amin'ny skype dia izao : vao mainka miharatsy ilay feo rehefa miampita amin'ny reseau (ny "fil" sy ny sisa). Sady raha "duo" ihany izy no mety fa raha ankoatra izay dia sarotra ny "coordination".
Fanamarihana hafa -> mety ho miankina @ "navigateur" (firefox na internet explorer, sns) angamba no mampipoitra na tsia an'ilay "player" esty ambony. Asa anefa ...
Firefox zao no ampiasaiko zao dia tsy hitako 'zareo :).
dadarabe> ao fa mbola hamboariko mihitsy izy io 'ka.
Tsy haiko mihitsy ny maka ilay mp3 e
tena te-handray anjara aho ...nefa mbola tsy ampiampy eo amin'ny fitaovana teknika...
ka dia mitohana...
mazotoa mandray anjara daholo e§
kay
otran'ny feo an-jazakely ny feon'i cutie an haha
sao dia mbola mila fanamboarana le mix less? :P
le hoe "NDRAZANA" tena maneno be mintsiny mihoatra @ hafa :)
news->ao fa ho vahàna zany olana zany atsy ambadika :).
finoanarano1->le micro, na haut-parleur zany no tsy anananao raha azoko tsara. Raha vao manana an'ireo manko dia tokony hety. Mampidira fotsiny an'ilay logiciel audacity.
(in tkoa moa zareo no dikan'ny "logiciel" @ teny gasy e? sa saoftoera? hihihi).
simplex->zah aloha mahita fa tena tsara feo cutie e. Ilay fitaovanay tsotsotra fotsiny no mampisy parazita an'ilay hira. Tena marina tanteraka fa ratsy mixage le hira.
Fa eritreritra mipoitra koa ity a : raha misy mazoto hanao mixage isika dia tsy olana mihitsy a.
Dia hapoitra etsy ambony ohatra hoe :
feo1 : cutie,
feo2 : pissoa,
feo3 : simplex,
feo4 : news2dago
mpanambatra feo : simplex
hihihi
Ohatra ho'ahy a :).
Ilay manambatra an'ilay izy mantsy mora rehefa manaraka tempo tsara ny feon'ny tsirairay. Fa ilay manamboatra ny hamafin'ny feon'ny tsirairay no sarotsarotra :). Mila an'ilay audacity koa io.
Mbola tsy nisy fotoana nihainoana azy hatramizao :)
ary ny ahy ihany no tena heno fa feon'ny sasany tsy heno mitsy kle :-D
i tokinao koa tsara feo ka hihihihi
ndao ndray aza averina raha mbola mazoto i tokinao fa efa nanaraka an'le tempo za :)
Tokinao a, nalefako ilay izy fa asa raha azonao !
Cutie-> msôtra mankatelina e :). Raha afaka i cutie dia ataovy mihitsy. Za koa hamerina hihira fa hitako ho ratsy mihitsy ny fomba fihirako : tsy mba midoboka sy mibetroka ilay beso fa mitretrena fotsiny :).
Kdaombaramita->tena voaray fa misaotra e! sady ao tsara mihitsy :).
Fanampin'izany, raha mba misy mpandray anjara mahavita mihira ny feo faha-2 sy faha-3 koa zao dia tsara. Ilaina moa ny manaraka solfa amin'io satria efa voafaritra tsara ireo, ary tsy faheno matetika koa.
Mbola misimisy moa no mikasa hihira ka tsy hofaranana ity lalao ity raha tsy afa-po ny rehetra :). Manao antso amin'izay mazoto hanao "fanambara-peo" (mixage) fotsiny e :). Ilay logiciel audacity natoron'i hery dia tena efa ampy tsara. Gratos io, ary tsy sarotra ampiasaina. Izay mazoto dia atorotoroko izay kômandy mba haiko amin'io.
ok!!
Tena danz be ilay Audacity fa tena madio tsara ny enregistrement vocale atao aminy. Afak'andro mihitsy ato knou.
Kdaomba> Mahery le izy 'kah. Afaka atao sary mihitsy aza ny onde mamaritra an'ilay feo 'ko (ilay "sinusoïde" mamaritra ny feo. Izany hoe : afaka faritana ny fréquences [ny haavon'ny feo], sy ny "ampilitude" [hamafiny]).
Zao vao azoazoko ny fomba fanaovana an'ireny feo artifisialy ireny.
atao ahona ny maka an'le audacity??
Cutie < Jereo misy sobika etsy andrefan-tsena etsy feno zavatra ao anatiny dia mividy iray eo fa Audacity daholo ireo varotany ireo ! hi hi hi !
lol ry raketaka :)
tsy ratsy ndray iny :-D
Ifanampianaay sy simplex zany manao fanambaram-peo :). Misaotra simp a
in koa ny dikan'zany fanambaram-peo lol
"mixage" re a! na ka "voice mixing" :).
Simplex and Tokinao are currently our mixers. hihihi
I keep singing then :-d
Vita ihany ve izy izao ry ilay Koto sa tsia ?
Kdômbitah
| « | Novambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | ||||||
| 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
| 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
| 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
| 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
| 30 | ||||||