« Hiram-pirenena gasy sy frantsay | Main | Ry tanindrazanay Malala ô (Feo.mp3) »
(Vita ny anjarako ô. Efa azo henoina ny feoko. Fa mandrapahatomombanan'ny "player" dia efa napetrako etsy ambany ny rohy ahafahana maka ny hira)
Taorian'ny ady hevitra vitsivitsy niresaka momba ny hiram-pirenena Malagasy dia nisy hevitra nitsiry tao an-tsaiko ; dia ny hoe : "Ndao mba hohiraina araka ny tokony ho izy io hira io e" ary hapetraka eto amin'ny aterineto.
Ny tiako tenenina dia ny hoe : "hohiraina araka ny nanoratan'ny Mpamorona azy. Atao manaraka "Solfège" sy "solfa".
Koa dia nanandrana àry ity RaToky. Hatao Akapela izy ity satria RaToky tsy dia havanana loatra amin'ny zava-maneno, sady tsy misy tsara toy ny akapela koa raha mbola hiram-pirenena atao "feo samihafa" (choeur) koa. Dia Namboarina ho tsaratsara àry ny "micro" fanaovana tsaty amin'ny andavanandro fa io ihany no hatao fakàna feo
. i Ra-Toky no saika hanao ny feo 4 satria tsy misy olona mazoto hanao izany any amin'ny toerana misy azy.
Olona iray hanao feo 4 a!? Ahoana izany hoy ianareo? hihihi Ny saika hanaovako azy dia ny laozisiela "Nero 7 Premium" izay afaka mampifanindry feo maro (hatramin'ny folo mahery). Izany hoe mihira in-4 aho ary maka feo in-4 (feo voalohany hatramin'ny feo faha-4, ary farany dia atambatro ireo).
Saika atomboka amin'ny feo voalohany ary ity raharaha manga
. Atao feo avy any an-doha ( "voix de tête") no hanaovana azy raha tsy izay dia tsy hety. Nety ihany ny andininy fa nony tonga teo amin'ny fiverenana (eo amin'ilay hoe "hiadana sy ho finaritra") vao sahirana ny anao lahy ; tsy takatro ka lasa ratsy be. Farany moa dia tapa-kevitra aho hanoratra an'ity lahatsoratra ity, ho an'izay vehivavy mba te hiara-hihira amiko. ( na lehilahy koa : vakio hatramin'ny farany ity lahatsoratra ity )
Ho an'izay mazoto dia izao : feo voalohany sy faharoa no mba iangaviako ataony. Atao format .mp3 na .wav. Momba ny "tempo" dia izao : manana "instrumentale" fotsiny aho ; .mp3 ilay izy. Ka rehefa mihira 'zany dia sady mihaino azy io amin'ny "écouteur" (Izay aloha no fanaoko fa tsy haiko raha misy fomba hafa). Dia avy eo atambatsika ilay izy. Afaka alefa aty amiko ary atambatro amin'ny "nero", na/sy atsaraiko amin'ny laozisiela "Magix Music editor". Raha manana fomba tsaratsara kokoa moa ianao dia ny feoko indray no alefako any.
Farany, raha misy lehilahy liana amin'ity resaka ity koa dia tsy mampaninona. Feo faha-3 sy faha-4 indray no ataony. Ka dia ho lasa lalao ara-mozika ilay resaka. Hahazo "combinaison" maro manko isika. Ohatra :
* Ikoto - Ikala
* Ndrema - Soa
* Ikoto - Soa
* Ndrema - Ikala
* Ndrema - Ikoto - Ikala - Soa
sns.
Ny mail-ko manokana dia ny ajahiraim [arobase] yahoo.fr.
Asa raha mba hahazo kil ra-Toky fa dia nalefa ihany aloha ilay resaka
.
Nosoratana androany alahady faha-10 / 08 / 08 :
Nosoratana androany faha-13 aogositra 2008 :
Nosoratana androany faha-14 / 08 / 08 :
Nomarihin'i kdaombaramita tamiko tamin'ny mailaka fa tsy mifanaraka tsara hono ny solfa sy ny mp3 hatao tempo. Ilay mp3 hono manomboka amin'ny ReBémol, ary ilay solfa manomboka amin'ny sol. Koa hoy aho hoe : izay ao anaty solfa no ndao harahina. Ny mp3 dia natao ho solon'ny mpibaiko ny fitsatotsatoky ny hira fotsiny ihany (chef d'orchestre).
Mandrapandehan'ny player dia azo alainareo eto ny hira vitako :
>>>>>>>>>>>>>>> HiraFeno(Tokinao)
Rehefa mandefa feo aty (fichier audio) amiko ianareo dia afaka ampiasainareo koa ny tranonkala http://dl.free.fr/ satria tena tsotra sy mora ampiasaina : tonga mivantana any amin'ny mailaka ny rohy. Ary ataovy .wave ange mba tsy hahasimba loatra an'ilay feo. Misaotra ô.
Nosoratana androany faha-16 / 08 / 08 :
Ankanitsy no namakiako azy fa azatsiny.
Mety manampy an'i Tokinao angamba ity tuto ity
http://audiotuts.com/production/how-to-make-one-vocal-sound-like-a-choir/
Mazotoa
Tena mamaly an'ilay tiako atao mihitsy io logiciel io raha araka ny voalazany ao, fa dia misaotra sitlo a!
Hianatra an'io 'ndray aloha 'zany 'ko. Ra-Toky moa sarotra mahay zavatra ka asa ra ho haiko ny hampiasa azy io :-).
Tsara be mihitsy ilay hevitr'i Tokinao.
Aleo tokoa handramana.
lehilahytsyresy> Mba mandraisa anjara e!
Indrisy fa mila vidiana eto amin'ny aterineto ilay "logiciel" natoron'i sitlo 'kay. Nefa izy io afaka manova ny feoko ho feom-behivavy.
Aleo ihany angamba ilay tena feon'olombelona e :-).
ahoana ny beso rakoto a? :)
Raha tsy manana "partition" simp dia afaka andefasako ny feoko (fichier .mp3). Tsy dia tena "fidèle" intsony anefa izay nefa ezahiko ho marina tsara ihany ny feoko.
Izay mazoto nefa manana olana tokoa dia manorata amiko a :-).
alefaso alou ny feon'i tokinao zay za vo manandrana lol
tena poussy be ikalamako ry tokinao fa tsa mahay mozika na kodiny aza ; tsa hainy izany hoe solfa sy solfège sy tonom-peo...izany fa ny azy rehefa mihira dia faly ny fony.
Mahavità be daholo dia miandry ny vokany eto izahay koh.
Zah koa mba hihira :-) fa ratsiratsy feo ihany.
Dia alefaso izany ny anjarako @ solfa na solfege (3e voix sy 4e voix) ary ilay mp3.
Ilay Audacity koa fitaovana tsara azo ampiasaina sady gratos.
Tokinao < te-hanandrana ilay feo voalohany aho. Fa nefa asa raha ho tsara ny enregistrement amin'ny micro fanaovana tsaty amin'ny rivotra mifofofo fa alefaso aty amiko ilay feonao hahitako ny tempo hihiranao azy, sy ny solfège.
zah dia mitehaka aloha izany fa be kil ny hirampirenena, maika ataoko anaty cahier de chant-ko fa haingana nareo :-)
-> ikalamako : tsy maninona fa dia ho hita eo tokoa izay havoakany e :).
-> hery : vao napetrako etsy ambony ny rohy misy ny solfa sy ny mp3. Na RaToky koa aza ange ka tena ratsy feo fa rehefa mitambatra ao ve ny feo 4 tsy ho takona ny haratsiam-peo e :). Ny aza mivalana fotsiny :). Misaotra nanoro an'ilay audacity.
->Kdaombaramita : Vao nampiako etsy ambony etsy ny rohy misy ny mp3 sy solfa. Ny feoko moa dia mbola tsy vita fa alefako rehefa vita :). Momba ilay resaka "micro" dia asio "filtre" vinaninany e ( toy ity ahy ity asiana "éponge" manify ho solon'ilay makarakara fampiasan'ny mpahay azy iny :-). Na koa fonosy spaonjy (éponge) kely fotsiny ilay lohany iny:-).
Mankasitraka amin'ny tetikasa dia mamporisika fa araka ny fitenin'izay nandre dia ratsy noho ny feon-kadradraka hono ny feoko, eny fa na dia rap aza no hiraina, maika fa hira mila solfa sy solfège ...
Ny fianakams any Ambanivohitra mahay mihira be ny anay sady tsara feo fa tsisy micro any, izay no olana.
Tsy manana an'ilay feo fahatelo nangatahin'i Tokinao t@ mail ihany koa fa manantena fa hahita azy ihany ianareo.
tsara,sady mahita zavatra atao mintsy ty tokinao ty an!
fa hono aho:tsy bedin'ny omda v alo eeh?sarotiny de sarotiny @ asa ataony mantsy ny olona amizao.zay fa de maereza daol ry zareo an!
zay tkoa alo de feo toy ny kalalao sy katsatsaka refa miira ,fa ataovy tsara ny eto.
Mba omeo santionany ny hira vita moa henoina kely dia avy eo fidiana indray izay hahazo ny voalohany @ ilay fifaninana! tsy aleo ny public no hitsara sa ahn
Aaaah zay za vao tena nanana fotoana namakiana blaogy dia zay vao azoko le resaka (tary ambadika hi hi)
tsy mahay solfejy aho :( fa kaloha henoiko le feo mp3 hi hi
Alefaso fa izahay manaraka hira eny ihany é
Mafinaritra ilay eritreritra, mba te handray anjara saingy tsy manana micro fanaovana tasty, tsy manana fitaovana fandraisam-peo :-( ilay feo voalohany sy faharoa anefa mba mety ho vitako iany (ilay voalohany raha tsy dia avo loatra ny naoty fa tsy mahatakatra feo an-doha mantsy)... mirary soa dia mahavità be e
liliane > Nampanontany tany amin'ny OMDA aho ka nolazainy fa ny Fanjakana Malagasy no tompon'ity hira ity. izany hoe nomen'ireo mpamorona azy sy ny mpandrindra azy ho an'ny fanjakana ilay hira. Koa raha ny fampielezana azy toa izao ataoko izao dia inoako fa tsy hahatezitra loatra izany Fanjakana izany.
Na izany aza anefa dia tsy haiko ny tsy hankasitraka indrindra an'Itompokolahy isany "Pasteur Rahajason" sy "RAHARISOA Norbert" izay angady nananana ity hira ity.
news2dago, pissoa > efa vita tokoa ny vakiraoka momba ny 1ere voix sy 2eme voix. Nataoko *.wav ary milanja 33Mo.
Fa ny olana dia ny hoe : sao mba mahita toerana ametrahana azy io ianareo ?
news2dago> efa noeritreretiko ihany ilay hoe asiana mpitsara. Izao anefa ny olana : raha ny fijeriko dia tokony ho olona mpahay mozika no ho vaomieran'ny mpitsara (commission des juges). Amin'ny fomba ahoana moa no hitsaràn'ny tsy mahay ilay hira ny hira iray raha tsy hainy akory aza izay tokony ho izy.
Raha ny tokony ho izy izany dia tokony ho nitsonga olona hitsara isika. 'Nefa raha hiditra amin'izay dia toa hipetraka indray ny hoe iza ary ? hihihi
Raha izaho manokana mantsy dia mbola tsy nahita olona nahavita nihira azy io araka ny tena solfa, afa-tsy izay fikambanana iray izay ihany. (Ny nihira ampahabe-maso no tiako tenenina a. Fantatro mantsy fa betsaka ny mahay fa tsy tia misehoseho, dia ireo mpahay mozika be dia be ao an-tanàna ao).
ari.malala> indrisy tokoa nefa tsara be raha mandray anjara daholo isika. Mba itadiavo hevitra ihany moa e :).
kdaombaramita> azafady fa dia voasakana im-betsaka ny hevitra napetraka. Tsy miankina amiko io fa tena zavatra mbola tsy voafehiko ao amin'ny blaogiko angamba.
Momba an'ilay resaka "éponge" ... : tsy aleo ve atao "ady gasy" fa efa lafo izao ny fiainana e :-). Mbola tsy reko indray io akondro atao menaka io 'kano hihihi
Misaotra e
pissoa, kdaombaramita > io vao napetrako etsy ambony io ny vakiraoka "feo voalohany sy faha-2. Tsy mahagaga raha hafahafa ny fahenontsika azy satria mbola tsy ao ny basy izay tena mitarika ny hira :).
fa ho avy tsy ho ela koa zany rehefa vita ... vakiraoka ;).
Kiiii ary mitovy amin'ny feoko aza ilay feo voalohany koa :))
"Tosaka" , "tsikeran-tena" : dadany tokoa ilay fanagasiana an ! Andraso fa mba hanao koa aho fa miandry ny WE kely izay manomboka rahampitso. Tsy haiko fa lasa mafy be ny mi-télécharger ity poste-nao ity nefa mba ambony "tosaka" ihany ny "netiko" ka mbola tsy reko ilay feo !
Natao t@ ilay micro misy éponge ve izany ry Tokinao ?
Avo ihany ilay hira aloha ka tena toy ny manao feon-jaza rehefa mihira azy, indd ny feo voalohany. Nefa mila tena dynamique tsara mihira azy satria fitiavan-tanindrazana no aseho. Ho sarotra ny raharaha !!!!!
Indrisy fa tsy mba mahay mamaky solfa na note aho. Sao dia mba misy mahay mamadika io amin'ny tain-dalitra na note ianareo. Tsy mahay afa-tsy mamaky note ny zanako kanefa tena mba tiany ny hitendry io hira io manokana rehefa tonga ny fotoana any am-pianarany hanehoany ny fireneny.
pissoa-> mampme mits ndry ty :). miandry ny feonao zahay e.
kdaombaramita-> ny mahaela ny fanokafana an'ity post iray ity dia noho izy misy hira mavesatra (fichiers wave). Mbola ho aiza rehefa tafapetrako ny vakiraoka 3 hafa (feo faha-3, faha-4) sy ny hira feno vitako (misy feo efatra).
Aza tsinontsinoavina ny micro mifono spaonjy fa tsy fantatra izay hahavita ny "Ry tanindrazanay e" hihih. Vita t@ "micro éponge" tokoa ireo.
Tena misyambony aloha ilay feo voalohany e. Efa nanakatra ny tsy takatra ange ra-Toky vao nahavita an'io :).
Mitah> Haiko ihany fa mety tsy ho vitako izao ny mamadika an'io. Fa hevitra koa ity : mijere fichier .mid eto @ aterineto e, dia sokafy @ logiciel "studio" (izay gratos eto @ net), fa tonga dia mivoaka ho azy ny tain-dalitra. Fa izao : tsy hitovy amin'io "orizinaly" io ny hitanao fa efa notsotsorina daholo.
Sady izao : samy hafa ange ny feo hiraina sy lalaovina amin'ny zava-maneno e.
Zaho aty tsy mahay afa-tsy ny mamaky teny ka akory moa atao amin'izany fa mampirisika anareo ihany.
Fanamarihana mampihomehy kely ity : rehefa mihaino ilay feo 1 sy 2 aho dia toy ny mahare ankizy manao fangalam-piery, tsy mahazo miteny mafy fa sao tratra :))
Izaho tsy miteny hoe diso ilay clé amin'ny mp3 fa tsy mitovy ny clé nitondrana azy mihoatra amin'ilay solfa : ilay solfa amin'ny Sol, ilay mp3 amin'ny Ré bémol
mbola mitady fem-bevavy ve sa efa ampy? 8)
jentilisa>Izay tsy mahay kapoaka hono mahay fatam-bary e. Tsy ho hary hay daholo koa anie ny rehetra e :).
Kdaomba> haay ve e! ok
Ilay feo faharoa sy fahatelo aloha tsy natao hohenoina mandeha irery e. Izay moa no antony nanaovako azy ho vakiraoka :). Raha ireo no henoina dia sanatrian'izany toy ny "hita mitoreo" ilay hira.
simp>zah angah moa mitady "fem-bevavy" hihihi. Fa ny feonareo ilaina foana ka. Na lahy io na vavy :).
mbola mitady fika foana hatramizao e hihihihi :)
Manomboka amin'ny Sol ilay solfa ary ilay hira mp3 manomboka amin'ny Ré dièse ka fa tsy Ré bémol fa diso kely aho !
Asa ho aho raha ho vita ihany izy ity fa tena tsy ni-reconnaître an'ilay micro-na webcam ilay Soundforge ry Tokinao. Mbola mieritreritra mafy aho hoe ahoana no hataoko ?
MAndroso ve izy izao ry Tokinao ô ?
cutie-> Mba itadiavo hevitra ao moa e :).
Kdaombaramita->Ny fahalalàko an'io soundforge io dia manamboatra izay "fichier audio" efa ao amin'ny ordinateur-nao fa tsy ahafahana maka feo (araka ny fikarohako teto @ net, fa zah aloha mbola tsy nampiasa a). Raha izaho enao mitady "logiciel" hafa, ohatra mikaroha a t o dia fidio izay ahafahana maka feo (enregistrement vocal). Sivano amin'ny "antivirus" daholo anefa izay alainao eto amin'ny aterineto a :).
dadarabe> ajanoko amin'io HiraFeno(Tokinao)Version1 aloha ny ahy 'ka. Na dia tena tsy afa-po mihitsy aza aho. Hitako vao omaly fa be diso be kay ny feoko ao (indrindra ny feo-1 sy feo faha-3). Ankoatra ireo dia "tsy mafy tsara ny feo voalohany" ary tsy midoboka tsara ny beso.
kdaombaramita> mikaroha ato ohatra : http://www.01net.com/telecharger/windows/Multimedia/edition_audio/
alefaso aty amiko alou le mp3 e :)
Aleo fa hojereko le izy. tamin'ny omaly angamba no nisy bleme de debit de connection
cutie> efa io amony io ny rohy e :). Alaivo dieny mbola tsy tapitra ny lalao lol.
rija > msôtra e
tsy mahavita mihaino za fa adin'ny zato ve miandry eo foana :-d
ao fa tsy maninona ary i cutie na dia tsy manaraka an'ilay tempo ary e :).
Dia misaotra mandray anjara e :).
Tsara be ilay hevitra !
Manaraka moramora eny ihany ny feo garanay e !
lay kdo ry tokinao lol
ie mahafinaritra be, te handray anjara mihitsy za fa tsy dia mahay mihira. Efa azoko ato lé "RyTanindrazanayFeoFenoTokinao.wav" sy lé "solfa "dia jereko izay mba azoko atao e !
->cutie : bonbon pecto bedabe e ;).
->istraky : ok!tsara be re zany a! Misaotra namaly ny antso e :).
zany ve ry tokinao tsy hankarary nify lasa tsy mihira eo tsony za :-D
Fa ny resaka resaka ihany fa izy ity ange ka tsy misy loka e :).
Lalao fanalàna azy fotsiny hihihi.
Hatao inona ao an-trano ao fotsiny io feonao ry Cutie a! Tsy aleo mba ho henoinay.
ka natao fanalana azy fotsiny ny feoko e lol
| « | Novambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | ||||||
| 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
| 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
| 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
| 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
| 30 | ||||||