Tokinao

« Voanio Toamasina | Main | Hazaka ( mg ) »

Planeur
2006/03/31,18:31

Eto indray dia ny pilote namako ao aoriana no naka sary ahy.

        Aiza, iza, ary inona io : Sariko eny am-pitondrana “planeur” avokoa ireo roa ireo. Ny “planeur” moa, ho an’izay tsy mahalala, dia fiaramanidina kely tsy manana motera, fa tarihina fiaramanidina hafa izy mba hialany eo amin’ny tany. Rehefa  voatarika ambonimbony kosa izy dia avotsotra. Koa ny tena asan’ny mpanamory “planeur” izany, ankoatra ny familiana, dia ny fitadiavana rivotra mampiakatra (na “ascendance” ), mba hiakaran’ity fiaramanidina ity hatrany. Noho izany dia ilàna fahaizana toetr’andro sy fahafantarana ny rivotra ( na “meteorology” ) ny familiana ity fiaramanidina tsy misy motera ity. Ny tena ampiasaina ny “planeur” moa dia fialam-boly fotsiny ihany ho an’ny mahay azy. Natao hianarana mitondra ireo karazam-piaramanidina hafa koa anefa izy ity. 
      Izany mitaingina sy mitondra planeur izany ve ? :  Sady mahafinaritra no mamizaka : miankina amin’ny hatsaran’ny andro io. Rehefa tony ny rivotra, ary mahay tsara ny mpanamory dia toy ny tsy mihetsika ianao ao anatiny ao. Noho io fahatonian’ny rivotra io anefa dia tsy afaka miakatra matetika ny “planeur” ka tsy maharitra ela ny sidina. Rehefa ratsy kosa ny rivotra ( misy “turbulence” )dia mety hiontsankotsana ireo olona ao anatiny raha tsy mafy fatotra ny fehin-tsezany ( ceintures ). Marihina moa fa noho ny mahasarotra ny fitondrana ity karazam-piaramanidina ity, dia tsy maintsy manana helon’aina ( na “parachute” ) ny tsirairay ao anatiny mba hialana amin’ny patsa iray tsy omby vava. Ny “patsa iray” tiana ho tenenina dia ity : raha misy lozam-pifandonana, na fahasimbana ka tsy voabaiko eny am-panidinana intsony ity fiara-manidina ity dia ny fitsambikinana  avy ao anaty fiara-manidina no vahaolana.  Koa eo no ilàna ny elon’aina.

Hevitra

Comment Icon Salut

Ary ianao, jejo be rehefa eny ambonin'ny planeur an

Posted by: RAKOTONIRINA Sisi at 2006/09/19, 12:10
Comment Icon marina ve!

Nefa de tsy fanahy iniako miits zany. hihihihihi

Posted by: Tokinao at 2006/09/19, 15:53
Comment Icon wow

sambatra enao..
zao no zavatra mba niriako fa eeee...
Fa toa mampatahotra ity anao ty ry Tokinao k! marina moa!
Tsy hianjera ho azy ve io?hihihi
dia ahoana rehefa hidina misy fomba fampidinana azy dia resaka rivotra fts koa ka hoe rehefa ts miakatra v eizy tsy hidina! hihihi

Posted by: kitjo at 2007/01/12, 04:16
Comment Icon lasa saina

Mahita fts ilay Tahiry etsy aho dia lasa ny saiko oe inona ary no mba nosoratan'i Tokinao t@ volana mars izany...ihhihiihi

Posted by: kitjo at 2007/01/12, 04:17
Comment Icon Ho an'i kitjo :

Andriamanitra re no mandahatra a : matoa tsy lasa "pilote" ndry de misy zavtra tsaratsara ho an-dry zany!
Rehefa tsy mety miakatra tokoa le izy de midina 'ka. hihihi De tsy maintsy mamonjy "aƩroport"! Ny tanjona moa dia ny ho tonga eo ambonin'ny aƩroport, "300 pieds" ( na 90 metatra eo ho eo ) ambonin'ny tany.

Misaotra mijery ny mba hany tahiriko e! :) :)

Posted by: Tokinao at 2007/01/12, 22:56
Comment Icon za zay!

zay ange mahasampotsampona ahy ty ry Tokinao nddray e...tsy mande @ lalan-kizorana fa manao marche arriere tampoka! hahahah

zay aloha marina e....mab eritreritro fts oe aoriana any ve afaka hianarana izy io ra oe manala azy fts...
mety refa president za amzay..hihihi

Posted by: kitjo at 2007/01/20, 06:20
Comment Icon ieeee! ka manin moa e!

Ny olona aty an-dafy aloha dia misy ny mianatra azy io na d efa lehibe aza e!
Ny tsy haiko fotsiny dia ny hoe : "mba hisy an'izy ity ve ao Mkara ao indray andro any! enga anie e! Ny azo antoka mantsy dia tsy laharam-pahamehana ho antsika ny zavatra toy ity e.

Posted by: Tokinao at 2007/01/21, 20:43
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype