« Lalao : "aza ampijaliana ny tenintsika" | Main
Ry sampikely mahay raha,
vatakely ahafantaran-javatra,
omeo ahy ity, dia nomenao,
lazao ahy itsy, dia nolazainao.
Tonga anefa ity ny fotoana,
hiatòn'ny fanompoako anao sesehena.
Ry paoma eo an'ivon'i edena,
izay indrisy fa saba-droa lela,
ialàko ianao, isintahako,
satria maro ireo voly,
mbola miantso ahy ao an-tsahako.
mandrapihaona kely ry aterineto sakaiza hatrizay,
satria injao ny andraikitro, ny havako, sy ny ho aviko
izay miantso mafy anay.
Noho ny ny adidy aman'andraikitra, dia tsy afaka hanao aterineto sy hiblaogy i Tokinao atoato. Misaotra anareo namana sy mpitsidika hatrany anefa. "Internet on stand by" hoy ny vazaha
.
Ialàn-tsiny koa ny fikorontanan'ny blaogy fa misy ny olana ny CSS-ny.
maztoo amin'izay atao rehetra e :)
Ohatran'ny hafa be ilay blaogy rehefa naked hi hi.
tssssssssssssssssssssssss
Eny ary e!
ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra!
velominay eto ihany ny tontolo ny blaogy ratoky a!
matoa i Tokinao misinda kely dia misy karakarainy ho antsika é!
Ataovy tsara razandry ô! miandry izahay
soava dia e!!!!
veloma mbola hihaona ihany
vloum vetivet o !
mandram-pihaona vetivety eto @ tontolon'ny blaogasifera aza e!
:)
adios amigos
hapi b-day!!
je sais je sais
hapi b-day!!
hapi b-day!!hapi b-day!!hapi b-day!!hapi b-day!!hapi b-day!!hapi b-day!!hapi b-day!!hapi b-day!!
Dia lasa tokoa ianareo nirimorimo
Nanandram-peo
e, e, e,
Manaraka indray ary e !
news2dago, DadaRabe, sipagasy, ikalamako, maintikely, simp, Helisoa : mandrapanoratra 'ndray e :-).
pissoa, jogany: misaotra tsy nanadino tamin'io andro io e :-).
sendra mandalo dia mamela rangotra ;-)
| « | Mey 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | ||||
| 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
| 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
| 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
| 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |