« Te hahita vazah manambola ve ? | Main | Apetrako kely ianao RaNety :-). »
Ho fandraisana anjara amin'ilay lalao "aza ampijaliana ny tenintsika" izay fariparitan'i lapino, dia hosoratako eto ambany eto ireo fahadisoana mateti-pitranga rehefa manoratra. Marihiko fa ny teny ofisialy lazaiko eto dia marina tamin'i Tokinao nianatra malagasy farany (taona 1998). (mety ho resadresahiko eto ihany ny antony anamarihako an'io daty io, na dia efa natsipitsipiko tatsy amin'ny blaogin'i Pissoa aza). Izay no ela fa ireto avy izany :
1°- (napetraka androany zoma faha-28 martsa 2008):
*toy ny fa tsy toin'ny no fanoratra ofisialy.
*tahaka ny fa tsy tahakan'ny no fanoratra ofisialy.
*sahala ny fa tsy sahalan'ny no fanoratra ofisialy.
*ohatra ny fa tsy ohatran'ny no fanoratra ofisialy.
--> Raha fintinina dia tsy azo tovanana ireo teny ireo, ary tsy azo ovaina ho -y ny -a faran-teny.
2°- (napetraka androany asabotsy faha-29 martsa 2008):
*"sns." na koa "sy ny sisa" na koa "..." no ofisialy fa tsy "sns..." na koa "sy ny sisa..."("pléonasme" moa iantsoan'ny vazaha an'io fahadisoana io).
*Manao ahoana fa tsy manaôna, na koa manaona, sns.
- Aza ampifamadihana koa ireto : manatona sy manantona.
*manatona = Approach (uk) = s'approcher (fç). ohatra : manatòna aty fa horohiko ise, manatona dokotera i Bema fa marary, sns. Ny fototeny moa dia "hatona", ary milatsaka ny "h" rehefa asiana tovona [préfixe].
*manantona = to hang (uk) = suspendre (fç). ohatra : ahantòny ny akanjonao fa mafana ny andro, Nahanton-doha ilay mpangalatra rehefa tratra. Ny foto-teny dia "hantona", ary milatsakany "h" rehefa misy tovona.
- Fomba ahafantarana raha tokony hisy "h" na tsia ny fototenin'ny teny iray : karohy ny teny rehetra avy aminy (ataovy miverindroa, asio tovona [préfixe], sns.) na koa asio teny iray eo alohany mba hifampitohy aminy, ka raha misy "k" mipoitra ao dia misy "h" izany ilay fototeny.
ohatra :
*aingo sa haingo ? valiny : haingo no fanoratra satria fiteny ny hoe : "haingonkaingon-javatra"
*aina sa haina ? valiny : aina no fanoratra satria tsy fiteny ny hoe : fanomezan-kaina. fanomezan'aina no fiteny.
*ena sa hena ? valiny : hena no fanoratra satria toto-kena no fiteny fa tsy toton'ena. Mitadiava teny maro sao voafitaky ny hoe mopivarotr'ena izay diso
. Mpivarotra hena no marina
Miala tsiny amin'i Hery fa efa voasoratro ity vao hitako ny azy izay mitovitovy amin'ny ahy
. Tsy sahala anefa ny resakay fa mifameno.
([Lisitra mbola hiampy. Lainga lainga fa tsy mora ny teny malagasy :-) ].
Ok, misaotra e ! malaky izy izany ... angamba azo anantenana lahatsoratra fanin-2 na fanin-3 e ? :-P
Ilay ohatran'ny farany somary diso kely ;-)
Ary ahoana no fipetrak'ilay "tahaky ny" na "ohatry ny" ?
Ingahy Rajoelisolo no tena nanamafy an'io fony izy nitana fandaharana momba ny fianarana ny teny malagasy tao amin'ny Radio Televiziona Malagasy ! Misaotra ry tokinao fa vao fanombohana izao moa o ?
Misaotra izay mamaly ny antso rehetra na dia amin'ny famakiana sy fampiharana fotsiny aza.
Aza hadinoina e !
ohatry ny an !
Marina e !
http://rahelys.unblog.fr
din dé efa misy manoratra sahady ny olona mbola any @ resaka jus de fruits sy daty....tssssss
lé "ohatran'ny" vé tsy mitovy?
ohatran'ny fa tsy ohatran'ny no fanoratra ofisialy.
mba manitany ny olona vonona hianatra lol
tss ra jogany avoahay haingana ny penina 4 loko (mainty, mena, manga, maitso), sy kahier 200 pejy, haingana injiko fa tsy ilaozana @ " zu dé friit" eo fotsiny aloha hihihi
"ohatran'ny" fa tsy "ohatran'ny" ? Manamafy ny voalazan'ny olona aho.Moa ve tafiditra ao @ ilay lalao ny fitsipika fampiasana ny , ; : ! . " - (Inona moa ilay fiteny azy ireny @ teny gasy ? )
Fa tsy teny gasy ihany no
tena mahavariana aminao fa ilay blaoginao mihitsy no favy be !!!!! Mba omeo toro-marika fanaovana ireo gifs gasy kely bdb sy ny fomba nadaharanao azy e !
Kdômbitah
Mari-piatoana ny fiantsoana ireny ry Kdaombaramita ! hi hi.
Tokinao > Mangalatsa an ! Efa nataoko famandrihana io hevitra io hi hi hi.
kdaombaramita : ilay blaogy milay be aza efa tsisy soavaly menamena manao "sweepstake de madagascar" intsony ! lol
Avereno amin'izay ilay soavaly ry tokinao fa aza hidina anaty tranony any a !
> lapino : Raha fintinina dia somary hentitra ny fanoratra ireo teny ireo. Satria dia diso daholo ny hafa noho ireo voalaza etsy ambony io. Ohatra diso : tahaky ny, ohatry ny.
Ny lahatsoratra fanindroany moa mety tsy hisy fa io lahatsoratro io ihany no ampitomboiko hatrany. Ny daty apetrako no ahafantaranareo ny lesontsika vaovao :-P.
> kidaombaramita : momba io gif io dia namboariko avy tamin'ny paint shop pro 7, na koa jasc software ( azo alaina maimaim-poana eto amin'ny aterineto izy ireo). Ny fomba nanaovako azy indray dia izao : nanao sary fito aho, ary nampifandimbiasiko izy fito ireo. Dia izay ihany. Izaho moa dia mikasa hanokatra sokan-dahatsoratra hizaràko amintsika ireo zavatra kely mba haiko : toy ny mason-tsokina hono ka izay kely ananako no hotantaraiko ao :-). Fa alohan'izany dia efa afaka mifanontanitany isika.
> pissoa : tena tsy hitako marina izany famandrihana nataonao izany e. mba eee (atsangako mihitsy ny tongotro ankavanana ato :-P ).
> helisoa, jogany, sipagasy : Misaotra antsika nitsidika sy nanamarika ny fahadisoana ô! Aza gaga moa nareo fa hahitsiko io fahadisoana etsy ambony io ka tsy ho hitanareo intsony :-).
> lapino & namany : raha fintinina dia hentitra ny teny ofisialy momba ireo teny ireo, satria diso avokoa ireto :
ohatry ny, tahaky ny, sns.
> ikalamako : ho fanomezana fahafaham-po anao dia havoaka hirao-kahitra ilay soavaly mandritra ny fotoana tsy voafaritra. Rehefa reraka izy tsy maintsy ampidirina indray tsinona :-). (izay mampiasa internet explorer ihany no hahita azy na dia izany anefa an). Matahotra an'ireny mozilla, sns. ireny izy :-)
ary mifamadika foana le mifanantona sy mifanatona tany antsaiko kle :P
misaotra eeee :)
:-P hery sa ery : loharanon-kery fa tsy loharanon'ery.
Ary ho voa indray ikalamako tsy hahita korsa sôvaly kle - oops hazakaza-tsoavaly - fa mozilla no ompian'ikalamako ato fa ny explorer nesorin'i sefo tanteraka, tssss.
manin ny ranon'i hery?
loharanon'ny hery force fa tsy loharanon'i hery sefo :-P
Tokinao > misy ahitsy kely fotsiny angamba :
"atona" fa tsy "hatona" ny fototenin'ny "manatona"; dia "ahantòny" fa tsy "antòny" ilay iray.
Fa hono hoa, ahoana no nanoratana an'ilay "ò" misy tsindrim-peo raha tsy mahadiso ?
simp, danz ihany zany hoe "manantona dokotera i Bema fa marary", tsy kibo angamba no marary @zany :-D
-->lap : "hatona" no fototeny 'ka, satria fiteny ny hoe : mifanatokatona (ohatra : Mifanatokatona ny ankizy fa hitantarain'i dadabe angano). Izany moa dia afaka amarinintsika any amin'ny rakibolana na koa ao amin'ny firaketana.org
Momba ilay "mandidy" kosa dia marina tokoa ny anao : "ahantòny" no izy fa tsy "antòny". Ilay iray hafa koa dia "hatòny" fa tsy "atòny".
Mikasika ilay tsindrim-peo eo amin'ny "o" dia araka ilay noteneninao : mba hanavahana teny roa mitovy dia apetraka ny tsindrimp-peo. ohatra :
*ahantony ny akanjony = he hangs his clothes
*ahantòny ny akanjonao! = hang your clothes!
*ny hatony = his neck
*hatòny ny mpitsabo = go to a doctor.
Ireo no fahafantarako azy fa isika manana rakibolana dia iangaviako hanampy ahy! Dia misaotra hatrany amin'ny filazàna ny diso e :-).
Momba ny diso nahitsinareo moa dia ahitsiko koa etsy ambony.
ok, misaotra fa za zany no diso tamin'ilay "atona". "hatona" no izy.
Fa ny tiako nanontaniana momba an'ilay tsindrim-peo, dia hoe ahoana no fomba nanoratana azy teo amin'ny clavier, satria tsy misy "o accent grave" eo amin'ny clavier.
lap > haay ve e :-). 'zao ary no fataoko e :
- miaraka tsindriko ny altGr sy ny 7 (tsy ilay ery @ "touches numériques" fa ilay milahatra amin'ny tsipi-panohizana sns.),
-avy eo dia tsindrìko ny "o".
Ny ahy ato moa dia clavier azerty frantsay! Fa raha clavier hafa dia mila karohina indray.
lap> Ny mandaitra foana koa dia ny manaraka ny voalaza ato
ohatra : fanoratana ò :
-tsindriana ny "Alt", tsy avotsotra io, ary
- tsindriana ny 0242 (touches numériques).
- avotsotra ny "Alt".
soa anay fa manana ò fa ny lita mampiasa ò be dia be koh ! fa qwerty ity an !
tokinao: rehefa inona no mampiasa ilay tsindrim-peo @o? Ilay "ò" no tiako ambara fa tsy haiko ny manavaka azy!
dia inona tokoa no anaran'ilay tsindrim-peo "accent grave" sy "accent tégu" @teny malagasy ofisialy?sa dia hoe tsindrim-peo dia samy vita?
Maintikely > jereo ny blaogin'i lapino fa izy no nanazava tsara momba ny hoe : rahoviana no apetraka na tsia ny tsindrim-peo iray.
Momba an'ilay accent grave sy aigü ( fa tsy tégu hihihi) ndray dia izao : "grave" daholo ny accent malagasy, ankoatran'ny "satroka" (circonflexe). "Tsindrim-peo" ihany no iantsoana ny "accent grave" noho izany.
lool - tpt be ilay tégu ! Mitovy amin'ireto ankizy mifampiantso hanao bandy sy rôla dia hoe "zahay bandy de nareo sirôla"
Ahitana karazana mampme mihtsy eto kah !
Sôtsa amin'ny hehy e.
dia ampahafantarina jiaby antsika fa i maintikely efa manao izay ho efany ao amin'ny bolongany an !
ikalamako > iny indray no tsy hitako marina hihihi
Ny anay indray dia izao : "adama sy eva" no noforonon'Atra voalohany. Ka noheverinay fa i "Seva" no anaran'ilay vehivavy hihihi
Felix sy Philipe dia ny malagasy moa ilay manao fanafohezana anarana ity,
ohatra: Tokinao dia lasa hoe Toky :)
dia lasa hoe Lix sy Lipo 8)
tokinao, ikalamako: hihihi tsy hita moa ity fahabadoana ity!lol
sotsa fa andeha hojereko ilay resaka tsindrim-peo
mazava tsara e!
misaotra t@ toro hevitra sy ny fampianarana kely! ny mampiasa azy sisa no ezaka manaraka
Variana tokoa aho nahita soavaly mena mirifatra saingy tsy mamindra raha tsy taritiko kely !!!!! dia nampifanakaikeziko tamin'ny omby sy ny gidro...
Na inona na inona soratako na teneniko, na vazivazy na tena izy dia miezaka aho hampiasa teny malagasy madio.
Sipagasy>efa mameno cahier 500p aho ato ka. Kely sisa dia vonona hoan'ilay examen sy dictée.
Tokinao, Maintikely>ary izaho nitady mafy an'io resaka tsindrim-peo sy tendro io (merci google)
Milay be ilay tips clavier !! ouf....
>simp : hihihi izao vao azoko ilay famihomehezana momba an'i lix sy lipo lol.
>Dadarabe : dia misaotra anao nanentana anay e :-).
>news : ezaka iombonana io e :-).
>Tsikisariaka : marina mihitsy ny anao. za moa dia mila miezaka be satria zatra mananihany loatra :-).
>jogany : raiso amin'izay ary ny penina sy ny kahie e! hanao sora-tononina isika izao :-P
Nanontany namana manana rakibolana aho, dia nolazainy fa tsy dia fiteny loatra 'kay hono ilay "hatòny", fa "manatòna" no izy.
Namantsika eto ihany io nanampy ahy io ka dia misaotra betsaka azy e :-).
Asio ezaka hatrany mba hanandratana ilay tenidrazana e !
Tenindrazana mantsy e !
Ary misy fampianarana code ASCII koa ato an ! misaotra e !
Handroso ity tenintsika ity noho isika tsirairay !
MAhavom-bolo !
MIsaotra an'i Toky
DadaRabe
| « | Jolay 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | ||
| 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 |
| 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 |
| 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 |
| 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | ||