« Vohikala fitadiavan'olontiana | Main | Lalao : "aza ampijaliana ny tenintsika" »
Mahagaga tokoa, asa raha tsikaritrareo fa dia betsaka ireo vehivavy mora voasinton'ny vazaha! Misy amin'izy ireny ny tena avy amin'ny fitiavana madio, fa tsy io tranga io no horesahiko eto.
Misy ankizivavy roa izay any Mkara any, ary mazoto manoratra aty amiko 'zareo. Ny tena antony hanoratany moa dia ny hoe : mba hitadiavako vady hono
. Ka dia nalefa ny sary, matetika koa dia lavalava ny taratasy satria nofariparitany tsara ilay olona tadiaviny, izay ahitàna ny hoe : "vazaha tsy dia reraka loatra fa mba manam-bola".
Dia tena vaka mihitsy aho isaky ny mahazo taratasy satria sarotra ho ahy ny hitady an'izany, ary tsy sahiko ny hampifandray azy amin'olona sao hiteraka fijaliana ho azy, ary izaho indray no homeny tsiny any aoriana. Manaraka izany dia talanjona aho,... dia ny resa-bola ve no hifantenana izay ho andefomandry e, sa koa ny lokon-koditra...sa ilay hoe hankaty an-dafy no tena lasa nofinofy tian-ko tanterahina ... asa loatra re.
Tena izany tokoa no amin'ilay lazain'ny hainteny hoe : "ny an-karo-misarona toa ho inona ihany". Ataon-draFahantrana mikaikaika ny malagasy, ka dia mitady izay fomba rehetra ialàna amin'izany. Koa dia heveriny ho tsara daholo izay fomba rehetra ahafahana miala amin'izany fahantrana izany, na koa izay fomba rehetra hanadinoana izay fahadisoam-panantenana mety ho nahazo azy fahiny.
Koa eto dia aleo mba hampatsiahiviko antsika zazavavy malagasy ny zava-dratsy mety hahazo anareo raha "miroboka tsy am-pieritreretana" ao anatin'izany fitiavana vazaha izany isika. Ny tsy fitovizam-pomba fijery eo amin'ny kolo-tsaina malagasy sy tandrefana (occidental) no tena hasiako resaka.
Aty an-dafy dia samy maka ho azy ny olona (individualiste), koa ho anao maniry hanambady vazaha sy te hanaraka azy aty an-dafy dia adinoy ny fomba fiainana arahina vangivangy sy serasera isan-takariva mampalaza antsika malagasy (marihiko moa fa i Tokinao rehefa miteny hoe malagasy dia ny tantsaha izay no tiany teneniny voalohany, ireo no maro an'isa tsinona
). manaraka izany dia tsy mitovy ny fomba fijery ny fanambadiana. Somary ho lalao ihany no handraisain'ny vazaha azy (fisaikaizàna na fi-sipàna) raha mbola tanora. Fa rehefa manomboka mahatratra ny faha-28 sy faha-30 taona any vao tena vonona hanorin-tokantrano ny ankamaroan'ny vazaha! jereo ato ny statistika.
Ka ny teniko dia ny hoe "diniho tsara ihany fa sao hanenenana". Lazaiko ary tsindrìko eto am-pamaranana koa anefa fa misy fanambadiana vazaha-gasy tena mahomby, sy miaina amim-pitiavana hatrany. Deraiko manokana ireny satria mahay mifampizatra sy mifandefitra tokoa na dia eo aza ny fomba fitaiza tsy nitovizana! Lehibe tokoa ny fitiavana ka mahavita zavatra maro
.
*Ny iray amin'ireo ankizivavy roa lazaiko etsy ambony moa, rehefa tsy nahìtako izay notadiaviny, dia mifankatia amina vazaha iray izy izao, ka irìko mba hahasambatra azy hatramin'ny farany izany. Ilay tovovavy moa dia havana ihany fa noho ny fanajàko ny fiainany manokana dia tsy lazaiko eto ny rohy misy aminay.
Farany dia misaotra an'i Helisoa nanome aingam-panahy, hevitra no marimarina kokoa
, tatsy. Mba tsidiho koa ange ny tranonkalany fa mahafinaritra e : http://rahelys.unblog.fr
ozy ny voanjo hoe aza atao anaty harona iray doly ny atodinao fa ndrao mianjera ka tsy manana tsony enao...
Mety hoe mijery ny options rehetra izy fa tsy tena hoe mifantoka be @ iny ee :)
Marina kosa aloha fa le mythe hoe andafy/vazah dia tonga lafatra mintsy no mahatonga ny ol hanao an'le izy e. Omena tsiny kosa ve izy ra mikatsaka izay mahasoa azy?
za manokana tsy mahita olana @ zany fa efa lehibe izy manao izany. Ra manotany hevitra moa izy dia azo atao tsara ny manome azy torolalana fa fiainany io ary izy no responsable @ zany...
Fa ra za aloha ela tsy miditra @ zany pataloha tery zany ah klelika e. Sao d maharatsy fihavanana be zany :)
Ka izay mihitsy ange ho'ahy ry simp e :-)!
Raha sanatria tsy hahomby ilay fanambadian-dry zareo dia izaho no homeny tsiny any aoriana any.
Raha vazaha manko dia "bobaka" be araka ny fiteny. Tafihindry zalahy tsaratsara any ny ankizivavintsika, ampiderainy euros sy dollar, analany azy mandritra ny fialantsasatra fotsiny hihihi dia avy eo "mbay tery" hoy izy lol
Fa dia anjaran'ny tsirairay no mieritreritra tokoa e! Milaza ny fijeriko, sy mba saro-piaro fotsiny aho ;-). Fa olon-dehibe daholo tokoa isika.
misaotra simp a
hihihi
misy dia mitady ny tena ho azensa matrimonialy fotsiny tsotra izao.
Za aza misy namako efa zokinjokiny ihany no nangataka tamiko ranjekaky o ! Efa lehibe hono ny zanany dia manirery izy.
Ny bandy moa dia mikôzy fa alefaso aty ny vazahavavy vonona hirevy fa hokarakarain'ny bandy - aie aie aie.
Tsy hay akory atao...
ikalamako > hihihi Fa mahita angah ikalamako raha vehivavy vonona hirevy fotsiny ? hihihi (vazivazy)
Ny leilahy ndray tsy de maasaro-piaro an-draToky 'ka. hihihi Amintsika manko dia manana ny hasina manokana mampiavaka azy ny vehivavy :-).
Mahagaga tokoa fa ny vehivavy no tena maro mitady vazaha an! Tsy dé tena hoe fahantrana lé izy fa fanabeazana sy toe-tsaina koa angamba ! misy amin'ireo Sipa fantatro mianatra @ lycée français (miala tsiny manonona anaran-tsekoly)sy Alliance française ! Raha mbola misy vazah na Karana mikôty an-dry zareo dé aleony miaraka @iny toy izay hiaraka @ lah zé gasy kely ery (lol)! Tena mahagaga !!!
Tsy hoe mandiso ny hevitrareo aho akory ry zareo, na manamarina ny vehivavy malagasy te-hanambady vazaha (satria misy tokoa ny tsy mandinika vao miroboka ka tafiditra problèmes avy eo) fa jereo amin'ny fo tsy miangatra ange r'ireto ny toe-tsain'ny lehilahy malagasy e! Marina fa tsy ny rehetra tokoa, saingy tsy misy tandroka ny ratsy! Firifiry ny bevohoka tsy manambady, tsy asiana questions na "i" aza? Firifiry ny itsakitsahina sy ampirafesina fa mandefitra satria ho aiza intsony sy ny vavan'ny olona? Resaka fifandraisan'izy roa manokana fotsiny io. Ao atao hoe mivady ihany aza, firifiry no mamelona mitrongy ny vady aman-janany nefa voavono sy voadaroka lava izao? Firifiry no mitaiza irery ny zanany na eo aza ralehilahy vadiny? Firifiry ny lehilahy mikepoka irery ny vola miditra aminy nefa mbola mitaky fanajana sy fikarakarana satria loham-pianakaviana? Firifiry ny lehilahy milalao sentiments-n'olona fotsiny ka na efa miaraka 10 taona aza tsy mba mitsotra fa tsy hanambady anao anie izy? Tsy ho omby ity pejy ity raha hotanisaina eto daholo. Raha tianareo lehilahy malagasy hiverina aminareo ny fahatokisan'ny vehivavy malagasy, dia raiso ny responsabilités-nareo ary mahaiza manaja olona, mianara manaja olona. Mahari-pery ny vehivavy malagasy ka tsy vola fe vola ihany no antony itadiavany vazaha. Tsy fantatra ho vazaha iza sy manao ahoana no ho vady fa rehefa sanatria tsy maintsy hisaraka ihany, mba efa eo aloha ny vola sy efa manan-koraisina ihany (sécurité), fa raha lehilahy gasy, hianao sady voahosihosy no borona satria ny anao aza no takisenany sokirina ange!
lol ... sao tena tokoa lancer-na ihany le vohikala fitadiavana olon-tiana ry tokinao a ?
pissoa > mampihomehy mits njy 'ty. tapa-tsinay zah tato
Lalasoa > Misaotra anao nanazava! Tsy hasiako ady hevitra satria azoko tsara izao ilay antony 'kay. Fa araka ny voalazanao tetsy ambony (ary soa ihany fa nomarihinao io), tsy mitovy daholo ny lehilahy malagasy.
Izaho manokana dia notaizàna ray tsy nanao na dia ny iray amin'ireo voalazanao ireo, ka izay no mety nandiso ny fomba fijeriko. Noheveriko fa betsaka ny sahala azy mivady ray aman-dreniko (sanatria tsy fisehosehoana ny ilazàna izany akory fa fitanisàna ohatra iray fotsiny).
Misaotra hatrany e!
"Ny hevitra tokoa tsy azo tsy amin'olombelona!"
traduction : "De la discussion jaillit la Lumière"
tokinao: mampatsiaro ahy ilay hiran'ny olombelona iray izay hoe soanaly...
Fa io resaka io dia olana foana ho an'ny firenena andalampandrosoana hoatran'ny madagasikara.
Satria mibahana be ny resaka hoe fahantrana. Manaraka izany, miala tsiny @ity teniko ity, miala tsiny miala fondro, fa nareo lehilahy gasy anie ka betsaka no "tsy manjary" e!
sady vitsy no manaja vehivavy sy mahay manambitamby ny vadiny izany...
Tsy hidirako lalina iny fa dia mila ny toekarena sy ny fomba fisainana mihitsy no miova, ary koa tsy zatra solution de facilité hoe manambady vazaha dia hivaha ny olana, vao maika mifanohitra satria rehefa tonga aty olana hafa indray no atrehina (tsy fitovian'ny kolontsaina, resaka fianakaviana, ny samy maka ho azy eo anivon'ny fiaraha-monina, ny métro-boulot-dodo sns)
maintikely > Misaotra nilaza hevitra. Marina tokoa ny teninao : misy tokony harenina tokoa, na ny toetran'ny lehilahy na ny fisainan'ny vahivavy.
Koa raha dinihiko dia ny fitaizana ny ankizy hatramin'ny mbola kely mihitsy no tena fototra azo iadiana amin'ity olana ity. Ny hazo no vanon-ko lakana mantsy hono, ny tany naniriany no tsara.
Tafiditra tatsy amin'ny "spam" dia mba afaka napoitrako.
Tena ilaina tokoa ilay miresaka.
Momba ilay vohikala hatsangan'ny vehivavy indray ... tena tsy ratsy ilay hevitra 'ka :-).
Dia izahay indray hanao ny hoe : "ry vehivavy, tandremo ny fomba fisainanao :-)".
Izany no amin'ilay hoe : "mifanohatoha-tsy ho lavo e".
| « | Jolay 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | ||
| 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 |
| 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 |
| 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 |
| 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | ||