« Ombay* manampy "Mariarano Fanantenana" | Main | sms tsy andoavam-bola azo alefa n'aiza n'aiza* ( resaka matotra* ) »
Voalohany dia miarahaba antsika nahatratra ny 26 jona lasa teo. Aleo hono tara toy izay tsisy
. Raha izaho manokana dia tsy afaka nandeha tamin'ireny fety na takariva fanaon'ny diaspora malagasy tamin'io andro io. Na dia izany aza anefa dia nahatsiaro tsara an'i Madagasikara aho io andro io.
Noho ny embona, voalohany indrindra dia lasa niditra tamin'irony efitra famakiam-boky irony ny tenako, ary namaky sy nindrana an'ireo boky rehetra miresaka momba an'i Madagasikara. Fanampin'izany dia nihaino mozika gasy : nataoko ampoton-tsofina mihitsy satria nampiasa "écouteurs" aho
. Tsy inona moa ireo boky nolazaiko tetsy ambony fa ireto avy :

Ny tanjoko voalohany moa tamin'izany dia ny mba hahalala hoe : "raha misy vazaha iray te hahalala an'i Madagasikara amin'ny alalan'ny boky dia endrika inona no ho azony". Faharoa dia tiako ny mahalala ireo fahasamihafàna ara-ekôlôjika sy ara-olona ao Madagasikara. Na dia mpandehandeha manko aho tany fahiny dia betsaka ny mbola tsy haiko momba an'io tany be harena io. ( Harena manko hono ny fahasamihafàna ).
Akory anefa ny hafaliako fa misy zava-tsarobidy maro tokoa 'kay ao amin'ireo boky ireo. Izany dia ho hitantsika amin'ilay boky mitondra ny lohateny hoe :"Madagascar" ( 1964, 192pejy, nosoratan'i Claude janicot, edisiona "Rencontre" ). Io boky io dia ahitàna :
Koa dia mazotoa mamaky ny lahatsoratra manaraka izay hivoaka tsy ho ela e
.
Misaotra fa mba handeha hitady ity bokin'i Claude Janicot ity aho fa toa mahaliana tokoa izy izany.
Efa elaela ihany aho no tsy nitsidika teto. Lasa aiza ilay soavaly mena?
Tsara io boky io, indrindra ho an'izay tia mitrandraka tantara. Fa boky efa tranainy fotsiny aloha e. Ilay ato nindramiko izao dia efa miongotrongotra daholo ny pejiny.
Momba ilay soavaly indray : raha "internet explorer" ny fitaovam-pilomanosanao ( navigateur :-) ) dia tokony hahita azy i Su 'ka.
Waaow, Impressive!
miandry izahay ry tokinao fa dia misaotra.
Salama e!! arabaina iany koa na aty aoriana aza. Efa akaiky ny 14 jolay.... Nanao ahoana ny fety taty Marseille sy ny manodidina. Ny teto Paris dia nafinaritra
http://badouda.blaogy.com
http://badouda.blaogy.org
http://badouda.gasykamanja.com
Veloma indray!!!
| « | Jolay 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | ||
| 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 |
| 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 |
| 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 |
| 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | ||