« Izao indray vao tafa-blaogy e | Main | Sendra ny tiako ( TIF A TIF ) »
Ela izay tsy nahitana ambanivohitra malagasy izay ka dia mba tapa-kevitra aho hitsidika an'ireo tantsaha akaikin'ny tanàna ipetrahako. Toerana fiompiana ondry no nofidiako tamin'izany : ondry natao halain-taviny. Tsy dia misy ho resahina fa dia ankafizo ny sary e :

Fombako, amin'ny maha-injeniera ny tenako angamba, rehefa mamangy toeram-piompiana na fambolena toy itony ny mandinika ireo teknika ampiasain'ny olona. Ity fomba fanomezana sakafo ity izao dia ahafahana mitsitsy ny ahitra, ary koa tsy mampiondrika loatra ny ondry rehefa hihinana azy :

Ity indray dia ahafahana manome sakafo ny ondrikely :

dia tena atavezina tokoa ireto ondry ka tsy mba avela na dia hiondrika akory aza, lalina lahy izany!
Isaorana ny reporter o!
Ity fiompiana ondry notsidihiko ity aza mbola tsy ilay àry fomba akory, fa majinijinika ihany.
mandehandeha mitsy nge tokinao zany e, musee de avy eo ondry :-D
| « | Jiona 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 |
| 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 |
| 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 |
| 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 |
| 29 | 30 | |||||