« fialàn-tsasatra desambra 2006 | Main | Izao indray vao tafa-blaogy e »
Kirin'ny te-hanan-tiana
- Diavolana am-batolampy,
mangoratsaka an-keniheny,
na dia hitampesona* aza ianao,
an'ny hafa ny foko fa tsy anao
- Fodilahy mena volo,
voro-mena fandia,
na maro aza ny lava volo, ianao ihany no foto-dia.
Raha tantely no homeko anao,
eny, mamy ihany iny,
fa misy faikany ;
raha voasary no homeko anao
eny, mamy ihany iny,
fa miendri-bato ;
raha fary no homeko anao
eny, mamy ihany iny
fa sary hazo ;
fa ny tiako homena sy atolotra
dia ny fifankatiavana tsy ho ritra
ary ny fisakaizana tsy ho lany ;
ary vavolombelon'izany :
iny ny lambako ho anao,
fa izaho hanao lamba rivotra,
iny ny peratro ho anao,
fa izaho hanao peratra ahitra
J.R.b.n.n.
( Nivoaka tao amin'ny gazety "vaovao frantsay-malagsy", ny23 marsa 1900 )
Misaotra mamerina ny rakitra maha-malagasy.
Tonga aho dia naka ny "rakibolana malagasy",
mitampesona = (ftt : tampesona) mangataka sesilany, mitambezo tsy miato ka manao hata-piso : oh : zatra nitampesona tamin-dreniny ka nanjary mpihantahanta.
Tena mazava fa misaotra ikalamako a! Tena ilaina tokoa ireny rakibolana malagasy ireny 'ka!
Voalohany, Tongasoa indray aloha i Tokinao miblaogy fa nanao sambo nilentika mihitsy ianao an!
manaraka, misaotra fa tsara tokoa ilay izy...ary mampitamberina ireo voambolana tsy fandre kanefa mahafinaritra....manaraka e..hihihihi
io zany lay lazaina @ fomba mahazatra hoe "mi-insiste" e! hihihi
tokinao a, variana mijery ilay takelaka feno gidro aho, maninona ianao (ilay "tokinao" etsy ankavanana) rehefa hohanin'ilay omby dia lasa menamena ? hahahahahahaha
esy e ry ikalamako e....
hahahhahhaha....
iny ndray no tsitako...za ndray maahfinaritra ahy mitondra an le soavalikely mandendeha mitety an' ilay pejy
Ikalamako : Hafa indray iny fanamarihana iny a! Mety tezitra angamba izy :) de lasa boramena e!
kitjo : tena nilentika tokoa aloha za teo e : lany lainga e :)
Misaotra Tokinao an ! Miandry ny manaraka indray e !
Tsy lanin'ny omby izany angamba no mampa-mena azy io, fa io ilay lazainy hoe
Fodilahy mena volo,
voro-mena fandia
lol.
andrana alou
refa veo za miverina :)
mampime ahy le titre fa ny fahitako azy ry tokinao ohtran'ny mifanohitra le titre sy ny votoatin'le hain-teny , sa za no tsy mahazo tsara :)
cutie : Tsy mifanohitra ka! ilay vehivavy ange efa tsy mila an'ilay lehilahy e, nefa ilay lehilahy mbola mikiry misisika ihany e. De izay no maha-hoe : "Kirin'ny te-hanan-tiana" azy :)
tokinao
hay moa le hain-teny resak'olon-droa mifamaly.
lalina zany :)
| « | Jolay 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | ||
| 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 |
| 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 |
| 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 |
| 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | ||