« Torkia sy ny U.E. | Main | raharaha Saddam: mety ho loza ity finoana ity a! »
Ireto misy teknika fanomezan'endrika ( fanaovana "mise en forme" ) ny hevitra ato amin’ny blaogy :
- Teny tianao hatevina :
Raha misy teny tianao hatevina ( “bold script” na “caractère gras” ) dia ataovy ao anatin’ireto balizy roa ireto : Rehefa tafapetraka moa ny hafatrao dia toy izao no hiseho : soratra tiana hatevina.
- Teny misompirana :
Raha misy teny tianao hisompirana ( “italic script” na “caractère en italic” ) dia ataovy ao anatin’ireto balizy roa ireto :. Rehefa tafapetraka moa ny hafatrao dia toy izao no hiseho : soratra tiana hisompirana.
- Fomba fidìnana andàlana :
Raha te-hidina an-dàlana moa dia soraty ny hoe .
- Raha te-hametraka rohy ianao :
Raha te hametraka rohy ianao amin'ny alalan'ny fanindriana teny iray dia manorata toy izao : Ireo aloha no hitako fa azo ampiharina eto amin’ny blaogy. Fa raha mahita teknika hafa ianao dia isaorana mialoha mampahalala izany antsika. Raha sanatria ka misy tsy fihetezana kosa ireto nolazaiko ireo dia lazao anay koa
.
misaotra an' Tokinao
hay ilay izy fa ny ahy manko [ ] no nampiasako dia gaga aho fa tsy nety nivoaka
andrana: misaotra Tompoko
io eny fa nety...hihihi
isaky manoratra ato @ blaogin'i Tokinao za dia tsy maintsy mamerina in2 foana fa kay le votoatiny no asiako anarana fa adinoko foana...bedy njay za teo..ouin!!
Meci kitjo a! zao 'reto hafatrao ireto vô hitako fa tsy de afaka mi-serfa za ato ato! joyeux noel e
Ho anao mpitsidika : Arabaina fa nahatratra ny 2007 ô Alisoa :) :
Tsara kosa aloha le blaoginao iray io e! :) Fa ilay izy tô tsy mety ametrahana hafatra fotsiny raha tsy efa mpikambana e ?!!!
Voaray Rase.. a! hihihi ( saika voasoratro koa ny tena anaran'i jentilisa marina :) :) )
andraso ary aho hanao fanazarantena kely any @ blaogy-ko.
tratry ny taona dol aloha e..hihihi
fa ngah tsy Z ndray ny an jentilisa?hihihi
Tokinao> ary ahoana ny fametrahana video na audio ato @ blaogy?
lasa tsy maintsy atao ary @ le anankiray ary manko..
Tena ts haiko oe tsy azo ametrahana hafatra znay el izy..zany hoe hizarana ireo hira sy video ko alo no tena nanaovako an'io ny marina e.hihihih
fa blaogy aleo ato ihany
Momba ny fametrahana vidéo na audio dia toy izao kitjo a : -1 Mila ampiantranoanao amina site natokana ho amin'izany aloha ilay video na audio. Site fanaovana "uploading" na "hosting" no tiko tenenina. Maro moa no tsy andoavam-bola "hono" : www.daylimotion.com , www.youtube.com.
-2 Matetika ireny site fampiantranoana fichier ireny dia manome "code html" fametrahana izany ao @ blog. Ka io "code html" mifanaraka amin'io fichier-nao (vidéo na audio) io no adikanao ao @ fametrahana "code html" ato @ blaogy.
Fa ity aloha dia tsoriko momba ilay -1°: Zah tena mbola tsy nahavita nametraka vidéo na audio t@'ireo site nolazaiko ireo, na dia efa nanandrana im-be de be aza. Tsy haiko na noho ny fahaosan'ny connexion-ko angamba sa aôna loatra. Ka théorie ihany zany io -1° natoroko anao io.
Ny efa nataoko kosa dia ny mampiasa ireo vidéo-n'olona efa tafapetraka ao @'ireo site fampiantranoana ireo. Ary dia ireny efa hitanareo ao @ blaogiko ireny le izy.
Ho antsika tsy mahalala : ny "code html" moa dia tsy inona fa "soratra hafahafa" ;) toy iretsy miloko mena natoroko etsy ambony iretsy.
misaotra Tokinao an!
Za ko efa manandrana mampiditra youtube foana fa tsy mety vita h@ farany fa ela be..tsy haiko na resaka connexion-ko marina na be lotra ny olona mampiasa azy..
Aleo fa andramako ihany aloha...
De mba teneno zahay ra mahita vahaolana kitjo a!
Jereo ao @ blaogy ho anao ry Tokinao fa misy toromarika nomen'ny mpandrindra ao...
Ary nankaiza ilay tarehimarika fanamarinana toa tsy misy ato aminao?
Hitako tokoa io blaogy io fa misaotra indrindra kitjo a! Zao koa vao tadidiko fa kay ny antony tsy nahatonga ahy hametraka "vidéo" tao dia ity : ny vidéo-ko dia .MOV sy .exe . Ka tsy raisin'ny youtube.com sy dailymotion.com . Mbola mila mitady laozisiela hamadika an'le vidéo ho .mpeg4 kay moa zah! hihihi
Momba io tarehimarika fanamarinana io ndray dia izao : ho fitsinjovako ny mpitsidika ny blaogiko dia no-désactiver-ko le izy. (mahakamo mantsy le mametraka an'azy iny e). Izany hoe vonona hahazo sy hamafa "spam" zany za :) . Fa rehefa tsy afaka mi-surf matetika zah, zay vao activer-ko le izy ( mba tsy hivangongo be ao ny spam, raha misy ).
Diso tsipelina ilay rohy nosoratako etsy ambony ( hafatra "Posted by: Tokinao at 2007/01/07, 11:4"2 ).
koa "http://www.dailymotion.com/fr" no izy fa tsy "www.daylimotion.com"n akory.
hihi..lasa mifandiso foana ty ry Tokinao an!
le tarehimarika aza efa lasa mahazatra ho an'izay mpitsidika fa ty votoatiny sy anarana ty no tena manahirana..tena mbo marina nge zany eee
dia rehefa tsisy tokoa dia tena misy spam tkou ve ry Tokinao dia oh aona ny fisehony?
se-mx.info
[url=http://se-mx.info/]se-mx.info[/url]
italy-find.info
[url=http://italy-find.info/]italy-find.info[/url]
mx-find.info
[url=http://mx-find.info/]mx-find.info[/url]
http://search-its.info/ search-its.info
http://mxseo.info/ mxseo.info
http://italy-find.info/ italy-find.info
kitjo a! : Tsara fipetraka koa le fanontanianao a! hihihi
Toy io hitanao eo ambony io no atao hoe "spam" . Be da be no efa nalefan'olona teto fa efa nofafà ko ny sasany. Fa io iray io sisa no navelako mba hahitan'ny olona azy ary mba ho aingom-blaogy. hihihi
Raha io spam iray io zao de mikendry fotsiny ny hamangianao an'io site "italy.found.info" io. Mety mampidi-bola ho an'ny mpandefa azy, mazava ho azy, izany. Ao @ blaogin'i lapino moa dia nohazavainy tsara io resaka “spam� io sy ny fomba isorohana an'izany.
- Momba an'ilay votoatiny sy anarana mifamadika de tena marina miits ny anao. Na za aza mampifandimpatra an'io matetika. Tsy haiko anefa raha afaka soloina izy ity na ahoana fa mbola hojereko manokana io rehefa manam-potoana za.
| « | Jiona 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 |
| 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 |
| 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 |
| 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 |
| 29 | 30 | |||||