« Malgachoscopie* | Main | Fisaorana »
Ny tia resy
Fandrotrarana* anie aho ka fandrotrarana*,
tsy hamingana anao ho lavo,
fa manasa anao mba hidinidinika,
ny hazo tokana hono tsy mba ala,
ary ny fiainana, lakan-tsy voizin-tsy olon-droa
koa lazalazao re ry Rasoamandimandinandrandrain'i foko,
ambarambarao raha ianao no Rasoanandrasakohatriniela,
tongotra mby an-dàkana ny ahy,
ary fitia vokatry ny hanina,
ny tia tokoa hono mantsy resy,
ka dia lavonao izany tenako
Tokinao
* Ny fandrotrarana moa, ho antsika tsy mahalala dia karazana bozaka fahita eny an-tanety, na koa eny an-tany haolo eny. Izy io dia mandady be rehefa maniry, hany ka mila hamingana hatrany ny mpandeha an-tongotra.
Tena mpanao hainteny ianao sa hitanao teny ho eny izy io? Mahafinaritra fa ireny koa no tena mahagasy e!
Izy ireny koa mila setriny izay fa tsy haiko ny manome ny setriny.
Tahatahaka izao no mety hamaliako azy raha nahay azy aho.
Mody resy ianao fa nandavo ahy Rafandrotraranamiladinidinika milamaka etoana. Efa hafiriana re no niandrasanao ahy izay. Mbola maika re aho anio fa aleo andro manaraka fa handalovako eto ihany ianao rahatrizay...
Marina ny anao fa misy setriny tokoa ny hainteny matetika. Izaho moa dia tsy mpanao hainteny matihanina araka ny voalazanao. Ary araka ny fahalalàko dia tsy misy izany atao hoe "mpanao hainteny matihanina" izany. Ireo olona manoratra hainteny sendra ahy mantsy hatramin'izay dia milaza ho "mpandinika" hatrany. Ary ny boky hainteny rehetra hitako dia mitahiry ireo hainteny fahiny avokoa ( recueil ), eny fa na dia ilay mitondra ny lohateny hoe "hainteny ankehitriny" nosoratan'i RAKOTONAIVO aza. Asa ... "ankehitriny" tamin'izany fotoana izany tokoa angamba hihihi. isaorana azy mihitsy aloha e! Ny fanaovana hainteny madiodio ( tsy misy fangarony ) moa dia tsy mampidi-bola toy ny kabary e.
Koa ireo hainteny soniaviko ato amin'ity blaogy "Tokinao" ity dia noforoniko, ary vokatr'ireo "hany mba fandinihako" ny firafitry ny hainteny hatrizay.
Tsy misy hisaorana :) Ianao no hisaorana mizara zavatra mahafinaritra.
Fa saingy hoe, hatramin'izao aho mbola mieritreritra hoe ohatra ny ahoana tokoa moa izany fandrotrarana. Raha misy sary dia mba omeo fa tena tsy mety tadidiko nefa efa misy ilay fanamarihana :( (lol).
hitan'i pissoa : bozaka mandady be izy io. maitsomaitso izy matetika, ary feno azy ao ambanivohitr'Antananarivo. na dia eny an-tanimbary aza dia mety ahitàna azy indraindray : eny antsisin'ny valam-parihy ( ilay midongona natao fandehanana iny ). Zah mahazo antoka fa efa fahitanao io fa tsy hainao fotsiny ny anarany! Raha mahita ny sarin'izy io moa za dia hapetrako eto fa aza matahotra i pissoa. Ny olako fotsiny dia izao : tsy haiko raha mba misy azy io aty lafrantsa hihihi
Misaotra mialoha e !
Zah anie mahafantatra valam-parihy e, ary haiko ny fandrotrarana tany Dago, fa zao toa tsy tadidiko tsony fotsiny :( Sao ilay mitovitovy amin'ny gazon fa izy mafy be ? hihihi
Hay ve efa hainao le izy taloha e :) . Fa mba te hahita ny sarin'le izy fotsiny zany a! hihihiAo fa hapetrako ato rehefa mahita ary za e.
Hihihi - OK !
zao vao hitako itony....
tena miaiky za e....
| « | Martsa 2010 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||