« Tsy tsipolitra | Main | Fandraisana »
I-
Ry Tanindrazanay malala ô
Ry Madagasikara soa.
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.
Fiverenana :
Tahionao ry Zanahary
'Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He sambatra tokoa izahay.
II-
Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo fanahy anananay
'zay sarobidy sy mendrika tokoa.
--->Fiverenana
III-
Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hitahiana anao,
Ka Ilay Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan'ny satanao.
--->Fiverenana
Mpamorona : Pasteur Rahajason tamin'ny taona 1958.
Mpandrindra : Norbert Raharisoa
Fandìkana ho teny frantsay : jereo wikipedia
| « | Jiona 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 |
| 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 |
| 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 |
| 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 |
| 29 | 30 | |||||