« Augmentation de salaire | Main | Tsy tsipolitra »
Ny tsara no tahafo
Aza atao tera-piso,
ka taranaka velon-kanao " omeo " mandra-pahafaty ;
fa ataovy tera-pangaraka,
ka na kely andilana aza mahalevin-dreny ;
Aza atao tera-balala,
ka mpianakavy iray hevitra hamafy mosary amin’ny tany !
fa ataovy tera-dandy
ka sady mahafono tena tsy misy mpanampy
no mbola mahatafy sy mahafono olombelona
hatramin’ny fara aman-dimbiny.
Aza atao tera-tsahona,
ka sady sima vava no be taria,
no mitsipitsipika tsy valala ;
fa ataovy tera-tàna tsy matoky tena
ka mandinika ny eo aloha
sy mibanjina ny aoriana
vao mandingana indray mandeha.
Aza atao tera-jorery,
ka lany andro am-pitomaniana ;
fa ataovy tera-bitsika zatra miasa,
ka ny votry itoerana miezinezina,
ny hanin-ko hanina feno sompitra ;
Ny reni-manditra kamovelona ihany
no maty an-davaka velomin’ny bitika noho izy.
Charlotte A. RAZAFINIAINA
Tena miketriketrika mihitsy anie ra Tokinao izany e. Tsara fa tohizo e. Ahoana ity soavaly mena mitrifana b ity? Manja kah.
Miala any izany ny hainteny an. Tena mahafinaritra fa tohizo.
Aza atao tera-piso ony kle, hihihi.
Be de be tera- tera- le izy fa mba tsy nisy tera-bitro :-D
pissoa, hihihihi
lapino, eo de faly eo nefa ny tera-bitro efa iaraha-mahalala de tsy resahina intsony kou, hihihi
tena adinoko tokoa ry Lapino a, ity mbola misy tohin'io hainteny io :
Aza atao tera-bitro,
ka tsy mana-tanjona afa-tsy ny hameno ny tany.
hahaha
Hihihi, tena mameno tany marina mihitsy ireny bitro ireny an. Ny sasany eny an-tany karaoty, ny sasany eny an-tanin-tsalady, ny sasany mitsok'ovy, sns ... tssssss ;)
aza atao tera-tadio, ka tsy manan-katao afa-tsy ny handrava tanĂ na.
Tadion-drivotra io resahako io fa tsy Tadiom-pitiavana akory a.
hahaha
| « | Septambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | ||||