« Inona 'zany hainteny ? | Main | Augmentation de salaire »
Fitia voatavo
Tiako hianao,
sanatria ho fitia vola,
ka raha noana dia hatakalo hanina,
na koa fitia varavarana,
tiana nefa atositosika,
tsy ataoko tahaky ny paraky,
tiana nefa ombàna rora,
tsy ohariko amin'ny jiafotsy,
intelo tafina,
ka mievotra ihany,
tsy hampitahaiko amin'ny lambamena,
ka rehefa maty vao ihaonana
Hmmm, mahafinaritra izy izany. Misaotra mizara zavatra tsara toy izao.
Faly ery zao ze bandy mandalo eto fa misy paika hikaotiana sipa, hihihi.
Hihihi, neveriko fa "Fitia Voalavo" le titre de taitsa be zah, lol
Danzz be raha izao kle! Diso ve ny bandy gasy raha misy macho ... ? Ny sasany anefa vao mahita an'le izy tonga dia noana! Hihihi
Tiako hianao,
No comment
tiako tahaky ny voatavo,
Hmm, bory tongotra aman-tanana, tsy manan-tsafidy fa afaka akodiadia etsy sy eroa
lena hianao haniko,
Lena hono, mando no dikan'zany e? :-p Hihihihi
maina hianao ataoko zinga,
Hisotroana ny hamaminy ve? Hihihi
vaky hianao ataoko toham-baliha,
Vaky izay moa izy, karakory moa izay? Mba inona angah no valiha hotohanana aminy e? Hmmmm
hotendreko eroa amoron-dalana,
Eny amoron-dalana ... Mahonena ihany ilay indoneziana raha fisainana nolovaintsika avy any izany an!
izay olo-mandalo mandreny avokoa.
Tsy valahara koa zany kle! Moramora ihany na de zany aza! Hihihi
Tena mahay " fanadihadiana lahatsoratra " anie i Lapino izany e. hahaha
Miarahaba anao, mahafinaritra ery izany mahita ny hakanton'ny kolotsaina malagasy izany.
Misy fanontaniana kely mba tiako ifampizarana. Amin'ny teny malagasy dia manahirana ahy ny mampiasa "ianao" sa "hianao" satria raha mamaky soratra masina ohatra na boky misy hain-teny dia "hianao" hatrany no hita.
Rehefa inona moa izany ny "ianao" no ampiasaina? Manitikitika ahy hatry ny ela izy io e.Misaotra.
Ho an'i Aiky : misy namako mpandinika ny teny malagasy izay nametrahako io fanontaniana io. ka izao no noteneniny :
Mitovy ihany ny "Ianao" sy "Hianao" fa ny Hianao hono mananja kokoa, ( en français : vous )izany hoe manaja ilay olona resahinao, ary ianao "tu" kosa ampiasaina @ olona efa tena fatatrao (intime)
matetika ao anaty Baiboly no ahitana Hianao.
Tsaroako mitsy io lesonanay t@ zany andro zany t@ nanao Malagasy fa tsy ratsy annn!
misaotra nitsidika sy nametra-kafatra r'zareo a.
| « | Septambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | ||||