Tokinao

Veloma sy masìna daholo isika ô
2007/07/13,01:16

 

                    Zavatra maro no hamamarika ity volana jolay ity amiko.

Voalohany dia nifindra trano androany aho, ary tsy misy aterineto intsony ny tranoko. Ho vokany dia tsy ho afa-manao serasera sy blaogy matetika intsony izany.

Manaraka izany dia hanao fialantsasatra kely ivelan'i laFrantsa ka tsy ho hita tabilao eto amin'ny aterinet mihitsy atoato. Toa malahelo sahady anareo namana rehetra aho izany :(. Etsy andaniny dia ho any Madagasikarara kely koa moa aho, ka toa tsy andriko koa izay ahatongavako any hihihi. Tsy hita e :).

Pitsony iray farany : alaheloviko koa ny voninkazokeliko izay tsy maintsy halazo amin'izany fandehanako miala sasatra izany. maro ny eny an-tsena fa hafa ihany ilay efa nokarakaraiko hatrizay.

Eto koa dia ialàko tsiny isika satria raha ny nampanantenaiko tatsy ambadika dia tokony ho tatitry ny vaky boky nataoko tamin'ny 26jona no lahatsoratro manaraka. Mety tsy ho vitako anefa izany ka dia miala tsiny indrindra zareo a.

sms tsy andoavam-bola azo alefa n'aiza n'aiza* ( resaka matotra* )
2007/07/12,09:50

      

                Mety efa ho be ny nahita ity fomba fandefasana hafatra kely tsy andoavam-bola ity  ( SMS na koa short message system ). Na dia izany aza dia zaraiko ihany ho an'izay mbola tsy nahatsikaritra.

1° mampidira skype ao amin'ny solosainanao. Izany hoe :midira ao amin'ny  www. skype . com ary manaova "téléchargement".

2° sokafy io "skype" io avy eo. Tokony hipetraka eo amin'ny desktop ( na biraon'ny solosainanao ) ny rohy "S"izay mankany amin'ny "skype"

3° mamorona kaonty ao : araho fotsiny izay teneniny ao. dia izay

4°  afaka mandefa sms 2 avy hatrany ianao. Ny antony dia izao : rehefa avy nanokatra kaonty ianao dia tonga dia omen'i skype "crédit" 0.14€. Io écredité io dia ahafahana mandefa sms 2 any Mkara : na "orange" io  na "celtel".

Raha te-handefa mihoatra ny sms 2 ianao dia mamorona kaonty hafa indray, ary dia hahazo crédit 0.14€ indray ianao. dia toy izay hatrany. marihiko fa ny ps-nao no ho hitan'ilay olona andefasanao sms, koa tokony hisy ifandraisany amin'ny anaranao izany izy io mba ahafantarany anao.

                         Ny tombontsoan'izy ity : Izy ity dia mandaitra foana, ary tsy misy fetrany ny isan'ny sms azo alefanao. Ny an'ny celtel mantsy dia 5 isan'andro ihany, ary tsy ahafahana mandefa any amin"ny "orange". Ny an'ny "orange" indray dia sms 5 isam-bolana ihany raha tsy diso aho. Farany dia tsy andoavam-bola izy ity, fa mila mampiasa io hafetsena kely io fotsiny.


* nataoko anaty fonosana ilay hoe "resaka matotra" sao dia heverinareo ho hatsikana tahaka ilay atsy ambadika atsy

* Ny marina dia firenena amam-polony maromaro fa tsy dia ny firenena rehetra akory.

* Marihiko fa efa nisy toy ity noresahin'i voromailala ao amin'ny blaoginy, fa mikasika ny antso indray ny azy, ary efa tsy mandaitra intsony ankehitriny. Ity atoroko anareo ity kosa dia sms, ary mandaitra foana ( efa aman-taonany no nampiasako azy ).

 

Ny 26 jona-ko
2007/06/30,23:29

          Voalohany dia miarahaba antsika nahatratra ny 26 jona lasa teo. Aleo hono tara toy izay tsisy Smile. Raha izaho manokana dia tsy afaka nandeha tamin'ireny fety na takariva fanaon'ny diaspora malagasy tamin'io andro io. Na dia izany aza anefa dia nahatsiaro tsara an'i Madagasikara aho io andro io.

          Noho ny embona, voalohany indrindra dia lasa niditra tamin'irony efitra famakiam-boky irony ny tenako, ary namaky sy nindrana an'ireo boky rehetra miresaka momba an'i Madagasikara. Fanampin'izany dia nihaino mozika gasy : nataoko ampoton-tsofina mihitsy satria nampiasa "écouteurs" aho Smile. Tsy inona moa ireo boky  nolazaiko tetsy ambony fa ireto avy : 

  • Madagascar, l'île aux sorciers, 2001, 199pejy, nosoratan'i Nicole Vileteau, edisona "Arthaud",
  • Madagascar, 1964, 192pejy, nosoratan'i Claude janicot, edisiona "Rencontre",
  • à Madagascar, 1985, 172 pejy, nosoratan'i Bernard Planche & namany, edisiona "HACHETTE",
  • Madagascar, 2000, 270 pejy , nosoratan'i Pierre Vérin, edisiona "KATHALA", ary
  • à Madagascar, 1997, 175 pejy, nosoratan'i Geoffroy Morhain & namany, edisiona "HACHETTE".

 

Ny tanjoko voalohany moa tamin'izany dia ny mba hahalala hoe : "raha misy vazaha iray te hahalala an'i Madagasikara amin'ny alalan'ny boky dia endrika inona no ho azony". Faharoa dia tiako ny mahalala ireo fahasamihafàna ara-ekôlôjika sy ara-olona ao Madagasikara. Na dia mpandehandeha manko aho tany fahiny dia betsaka ny mbola tsy haiko momba an'io tany be harena io. ( Harena manko hono ny fahasamihafàna ).

Akory anefa ny hafaliako fa misy zava-tsarobidy maro tokoa 'kay ao amin'ireo boky ireo. Izany dia ho hitantsika amin'ilay boky mitondra ny lohateny hoe :"Madagascar" ( 1964, 192pejy, nosoratan'i Claude janicot, edisiona "Rencontre" ). Io boky io dia ahitàna :

  • ny tantaran'i Madagasikara, na koa tahiry maro momba ny tantaran'i Madagasikara,
  • ny fijerin'ny vazaha iray an'i Madagasikara sy ny foko 21,
  • sary tena izy maro tamin'ny faha-mpanjaka : ny rova, mahamasina fony tsisy "gradin", famonoan'olona tamin'ny andron-dRanavalona I, taratasy fitarainan'ny miaramila frantsay noho ny tsy fahombiazan'ny fanafihana voalohany, taratasy arabo iray nosoratana mpivarotra andevo iray, sns

Koa dia mazotoa mamaky ny lahatsoratra manaraka izay hivoaka tsy ho ela e Smile.

Izao indray vao tafa-blaogy e
2007/04/26,02:43

 

 

                Elaela izay tsy nidirako blaogy izay. Tsy sanatria nanadino akory fa dia sahirankirana nivezivezy. Tany amin'izay nalehako rehetra kosa anefa aho dia nieritreritra lalandava izay zavatra hataoko anatin'ity blaogy ity hatrany. Io moa dia aretina ( sa "drogue" hihihi ) ikambanana amin'ny mpanao blaogy rehetra. Ny nampalaelo ahy dia nisy ny fotoana tena naniriako fatratra  hanaovana lahatsoratra nefa dia tratran'ny tsy fahafahana aho : dia ny tamin'ny 29 matsa izay andro lehibe ho antsika Malagasy. Ny manetsa be tokoa mbola ho avy hoy ny fitenenana e!

 

                Eto dia asaiko ianareo hijery ny sary izay nalaiko tany am-pandehandehanana tany. dia tsy iniona fa :

  1. ny sary tany ampanaovana ski, febroary 2007
  2. ny fitsidihako an'i Arles, tanana aty atsimon'i laFrantsa, izany hoe tsy lavitra an'i Marseille,
  3. ny fitsidihako an'i Air France ao Paris : ahtanao sarina fiaramanidina, sy ny ao anatin'ny efitra fibaikona izany (cokpit)
  4. ny fitsidihako ny Musée du Louvre : misy vakoka malagasy iray ao ka mba jereo ny sary raha tsy ho any iany ianao :-)
  5. ny fitsidihako ny " Musée de l'air et de l'espace" ao Paris. ahitana fiaramanidina isankarazany, ary
  6. ny " Musée des invalides".
                Dia mazotoa mijery sary fa ireo no voan-dàlana e Wink. Ny hevitra na fanamarihana aza adino Smile
fialàn-tsasatra desambra 2006
2007/01/13,11:01

 

           Nandalo tao Paris indray aho tamin'ny fialàn-tsasatra farany teo ka dia nanandrana an'ity atao hoe "patinage" ity. Gorisagorisa amin'ny ranomandry ("glace". Fa tsy oram-panala na "neige" akory) moa izy ity. Koa mba tsy araka ny nahiana, fa dia mba mora nahay aho, ary tsy nianjera mihitsy :). Asa noho izaho efa nanao "ski" angamba. 
          Tao "MontParnasse-bienvenue" (anaran-tanàna ao Paris io) moa no toerana nanaovako ity gorisagorisam-bazaha ity . 5€ isan'olona no fidirana ( io 'zany no ofan'ny kiraro ), ary tsy voafetra ny ora ahafahana milalao.
                                         

io ilay kiraro ra hi-paty an'azy nareo. hihihi

          Nisy radio frantsay iray izay koa nanasa ahy mba hiresadresaka momba ny kolo-tsaina malagasy, sy ny fomban'ny malagasy amin'ny andro fety toy izao ka dia nankany koa aho. Tsy ho lazaiko ny anaran'ilay radio, na koa ny anaran'ny fandaharana fa ny azoko tenenina dia ny hoe : ""radio parisienne" ilay izy ary mandefa mivantana  ny fandaharany amin'ny aterineto. Koa dia raikitra indray ny fakàna sary rehefa vita ny resadresaka e : toy ity 'zao ny toeran'ny teknisianina.eto no toeran'ny teknisianina! 
Ity kosa ny toeran'ny vahiny, mpanentana, na mpilaza vaovao :eto kosa ny toeran'ireo vahiny ampiresahina, na koa mpanentana.
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype