Tokinao

Vaovaon'ny fandehandehanako
2007/08/04,10:25

Miarahaba antsika indray aloha. Nisinisy ihany izay tany hita tao anatin'ity volana jolay ity ka izay no mba vaovaoko androany. Tany Russie ( môsko, saint peterboro, vladivôstôka ), Japana aho. Ary aty Mkara ankehitriny. Raha asesiko ny fitantarana fohy an'ireo diako ireo dia toy izao :

  • ROSIA

tany midadasika be izy io satria mipàka hatrany eropa ka hatrany amin'ny pasifika ( i Vladivostoka moa dia tanana faran'ny atsinanan'i Rosia ka mifanakaiky amin'i Japana mihitsy ).

Voalohany dia hafa mihitsy ny tontolo any satria hafa ny teniny, syny fomba fanorany. . Koa rehefa eny an-dàlana dia sahirana amin'ny fitadiavana toerana na mpivarotra.

Raha mankatsy alemana mantsy ohatra dia mitovyamin'ny fampiasantsika ihany ny abidia ao.

Betsaka mozea sy toerana manantantara any satria nisy ny fanjakana rosiana izay natanjaka be fahiny. Ahitana olona maro fiaviana koa : eropena, ny avy ao "moyen orient", "extrême orient", aryireo tena teratany. Fa ny tsikaritro dia vitsy afrikana.

Zavatra nanamarika ahy koa dia ny fanavakavaham-bolon-koditra ao. Maro ny foko mifandrafy ao Rosia. Ary ilay foko atao hoe "kôkaziana" dia halan-dry zareo rehetra rehetra mihitsy. Tonga dia darohin-dry zareo rehefa hita eny an-dalana. Raha izaho manokana dia mbola tsy nahita toerana ka ahitana fanavakavaham-bolon-koditra toy izany, fa dia mampalahelo. Izaho aza moa tamin'ny tany dia noheverin-dry zareo ho kôkaziana dia tratran'ny daroka indray mandeha izay : teny an-dàlana izy io, ary harivariva mbola misy masoandro. Tonga dia daka sidina be izao no azoko avy ao amin'ny lamosiko : tsy misy antony hoe nahoana akory. Olona ampolony zareo no tao aorinako, ka dia lasa nitsoaka haingana aho, soa fa tsy alavitra ny hotely nipetrahako ary tsy naninona aho.

  • Tany Japana indray

 Amin'ny maha-tatsinana koa dia miavaka ny tontolo any. Vao maika tena hafa ny eny an-dàlana syny soratsoratra rehetra eny an-dàlana.Fa zareo kosa dia betsaka ny mahay teny anglisy. Fanampin'izany : fatra-panaja olona be ry zareo : asiany an'ilay miondrikondrika toy ny"saôlina mivavaka" iny foana rehefa raisiny ao amin'ny trano fisakafoanana iray ianao.

Mahatalanjona koa ny haavon'ny teknolojia, sy ny hamoran'ny zavatra elektronika. Kapoakany tokoa moa io katsy mahagaga. Na ry zareo namako eropeana aza moa dia nitondra fitaovana elektronika ho voandalana avokoa : ipod, finday,sns.

  •  Aty an-tanindrazana :

Vao tsy ela aho no tonga ka tsy dia mbola nahita tany firy. Ny efa tsikaritro anefa dia ity : tsy niova ny fahantran'ny gasy. Betsaka koa ireo ezaka fanatsarana tanàna noho ny fikarakarana ny lalaon'ny nosy. Marihiko moa fa 2 taona izay no tsy naha teto Mkara ahy.

Momba ny fari-piainana dia "lafo" : noheveriko ho afa-manao izay tiako ery aho amin'ny euro izay nentiko kay inona akory Wink. Ny frais bus : 300A na 1500f, ny lasantsy : 2000A na 10.000f/litatra. Ny frais tanà-diego : 350.000f ny olona iray mandroso fotsiny ( mikasa ny hamangy havana any mantsy e ). Tena mila hitovy amin'ny any an-dafy ny vidin'entana majinika aty, ny fidirambolan'ny olona anefa ambany dia ambany.

Na izany na tsy izany anefa dia mahatsiaro sambatra aho aty: hafa ihany ny Tanindrazantsika e : tsy mba misy fanavakavaham-bolon-koditra toa ny any amin'izay tany rehetra efa hitako. (ekeko fa misy ihany izy io, ary resahina matetika, nefa kosa maivana raha oharina amin'ny any eropa sy rosia. Ny fijeriko aza dia olom-bitsy mpanan-korontana ihany no matetika mpivoy azy io).

Aleo aloha ho izay ny androany fa misaotra anareo namaky. Ialàna tsiny fa tsy afa-nametraka sary satria ambany be ny "connexion" e.

Veloma sy masìna daholo isika ô
2007/07/13,01:16

 

                    Zavatra maro no hamamarika ity volana jolay ity amiko.

Voalohany dia nifindra trano androany aho, ary tsy misy aterineto intsony ny tranoko. Ho vokany dia tsy ho afa-manao serasera sy blaogy matetika intsony izany.

Manaraka izany dia hanao fialantsasatra kely ivelan'i laFrantsa ka tsy ho hita tabilao eto amin'ny aterinet mihitsy atoato. Toa malahelo sahady anareo namana rehetra aho izany :(. Etsy andaniny dia ho any Madagasikarara kely koa moa aho, ka toa tsy andriko koa izay ahatongavako any hihihi. Tsy hita e :).

Pitsony iray farany : alaheloviko koa ny voninkazokeliko izay tsy maintsy halazo amin'izany fandehanako miala sasatra izany. maro ny eny an-tsena fa hafa ihany ilay efa nokarakaraiko hatrizay.

Eto koa dia ialàko tsiny isika satria raha ny nampanantenaiko tatsy ambadika dia tokony ho tatitry ny vaky boky nataoko tamin'ny 26jona no lahatsoratro manaraka. Mety tsy ho vitako anefa izany ka dia miala tsiny indrindra zareo a.

sms tsy andoavam-bola azo alefa n'aiza n'aiza* ( resaka matotra* )
2007/07/12,09:50

      

                Mety efa ho be ny nahita ity fomba fandefasana hafatra kely tsy andoavam-bola ity  ( SMS na koa short message system ). Na dia izany aza dia zaraiko ihany ho an'izay mbola tsy nahatsikaritra.

1° mampidira skype ao amin'ny solosainanao. Izany hoe :midira ao amin'ny  www. skype . com ary manaova "téléchargement".

2° sokafy io "skype" io avy eo. Tokony hipetraka eo amin'ny desktop ( na biraon'ny solosainanao ) ny rohy "S"izay mankany amin'ny "skype"

3° mamorona kaonty ao : araho fotsiny izay teneniny ao. dia izay

4°  afaka mandefa sms 2 avy hatrany ianao. Ny antony dia izao : rehefa avy nanokatra kaonty ianao dia tonga dia omen'i skype "crédit" 0.14€. Io écredité io dia ahafahana mandefa sms 2 any Mkara : na "orange" io  na "celtel".

Raha te-handefa mihoatra ny sms 2 ianao dia mamorona kaonty hafa indray, ary dia hahazo crédit 0.14€ indray ianao. dia toy izay hatrany. marihiko fa ny ps-nao no ho hitan'ilay olona andefasanao sms, koa tokony hisy ifandraisany amin'ny anaranao izany izy io mba ahafantarany anao.

                         Ny tombontsoan'izy ity : Izy ity dia mandaitra foana, ary tsy misy fetrany ny isan'ny sms azo alefanao. Ny an'ny celtel mantsy dia 5 isan'andro ihany, ary tsy ahafahana mandefa any amin"ny "orange". Ny an'ny "orange" indray dia sms 5 isam-bolana ihany raha tsy diso aho. Farany dia tsy andoavam-bola izy ity, fa mila mampiasa io hafetsena kely io fotsiny.


* nataoko anaty fonosana ilay hoe "resaka matotra" sao dia heverinareo ho hatsikana tahaka ilay atsy ambadika atsy

* Ny marina dia firenena amam-polony maromaro fa tsy dia ny firenena rehetra akory.

* Marihiko fa efa nisy toy ity noresahin'i voromailala ao amin'ny blaoginy, fa mikasika ny antso indray ny azy, ary efa tsy mandaitra intsony ankehitriny. Ity atoroko anareo ity kosa dia sms, ary mandaitra foana ( efa aman-taonany no nampiasako azy ).

 

Ny 26 jona-ko
2007/06/30,23:29

          Voalohany dia miarahaba antsika nahatratra ny 26 jona lasa teo. Aleo hono tara toy izay tsisy Smile. Raha izaho manokana dia tsy afaka nandeha tamin'ireny fety na takariva fanaon'ny diaspora malagasy tamin'io andro io. Na dia izany aza anefa dia nahatsiaro tsara an'i Madagasikara aho io andro io.

          Noho ny embona, voalohany indrindra dia lasa niditra tamin'irony efitra famakiam-boky irony ny tenako, ary namaky sy nindrana an'ireo boky rehetra miresaka momba an'i Madagasikara. Fanampin'izany dia nihaino mozika gasy : nataoko ampoton-tsofina mihitsy satria nampiasa "écouteurs" aho Smile. Tsy inona moa ireo boky  nolazaiko tetsy ambony fa ireto avy : 

  • Madagascar, l'île aux sorciers, 2001, 199pejy, nosoratan'i Nicole Vileteau, edisona "Arthaud",
  • Madagascar, 1964, 192pejy, nosoratan'i Claude janicot, edisiona "Rencontre",
  • à Madagascar, 1985, 172 pejy, nosoratan'i Bernard Planche & namany, edisiona "HACHETTE",
  • Madagascar, 2000, 270 pejy , nosoratan'i Pierre Vérin, edisiona "KATHALA", ary
  • à Madagascar, 1997, 175 pejy, nosoratan'i Geoffroy Morhain & namany, edisiona "HACHETTE".

 

Ny tanjoko voalohany moa tamin'izany dia ny mba hahalala hoe : "raha misy vazaha iray te hahalala an'i Madagasikara amin'ny alalan'ny boky dia endrika inona no ho azony". Faharoa dia tiako ny mahalala ireo fahasamihafàna ara-ekôlôjika sy ara-olona ao Madagasikara. Na dia mpandehandeha manko aho tany fahiny dia betsaka ny mbola tsy haiko momba an'io tany be harena io. ( Harena manko hono ny fahasamihafàna ).

Akory anefa ny hafaliako fa misy zava-tsarobidy maro tokoa 'kay ao amin'ireo boky ireo. Izany dia ho hitantsika amin'ilay boky mitondra ny lohateny hoe :"Madagascar" ( 1964, 192pejy, nosoratan'i Claude janicot, edisiona "Rencontre" ). Io boky io dia ahitàna :

  • ny tantaran'i Madagasikara, na koa tahiry maro momba ny tantaran'i Madagasikara,
  • ny fijerin'ny vazaha iray an'i Madagasikara sy ny foko 21,
  • sary tena izy maro tamin'ny faha-mpanjaka : ny rova, mahamasina fony tsisy "gradin", famonoan'olona tamin'ny andron-dRanavalona I, taratasy fitarainan'ny miaramila frantsay noho ny tsy fahombiazan'ny fanafihana voalohany, taratasy arabo iray nosoratana mpivarotra andevo iray, sns

Koa dia mazotoa mamaky ny lahatsoratra manaraka izay hivoaka tsy ho ela e Smile.

Ombay* manampy "Mariarano Fanantenana"
2007/06/22,01:35

       

        "Mariarano Fanantenana" dia fiangonana F.J.K.M. iray any Mariarano, ambanivohitr'i Maroantsetra, izany hoe any avaratra atsinanan'i Madagasikara. Ny mpitandrina an'izany fiangonana izany dia lehilahy niara-notaizana ( na koa nifampitaiza ) taminay tao anivon'ny skotisma protestanta. Ary ankehitriny dia tsy tapaka mifampilaza vaovao sy mifanoratra izahay. Ary izany fifanoratanay izany no nahalalàko ny olana sedrain'ny fiangonana ankehitriny.

        Olana inona moa izany ?

- Ny rivo-doza : Toerana fandalovan'ny rivo-doza isan-taona ny faritr'i Mariarano, . Vokatr'izany dia simban'ny rivotra avokoa izay trano ratsy orina rehetra mandritra ny fararano ( janoary - aprily ) ; sady misy tondra-drano no misy rivotra mahery mandritra izany fotoana izany. Rehefa ririnina kosa moa dia erika tsy mitsahatra  mila ho isan'andro.

 

- Marefo ny trano fiangonana "Mariarano Fanantenana" : 

  • trano hazo mitafo fanitso,
  • tsy misy varavarana ( tsy nasiana koa angamaba satria mafana loatra ny andro :) )

 

 

  • mirindrina zozoro amin'ny andaniny iray ilany : izany hoe tsy voaaro mihitsy amin'ny rivotra, orana na fotaka.
  • tsy milalotra ny gorodona 

 

 

- Mihamaro anefa ny mpiangona : Vao haingana izay, dia tsy mitsaha-mitombo ny mpiangona amin'iny faritra iny. Na ny katolika izany , na ny protestanta (noho ny fahasarotan'ny fiainana angamba hoy aho), na ireo fiangonana hafa koa. Misy dia olona mahavita mandeha an-tongotra lavitra be, avy any ambanivohitra any, mba hamonjy fiangonana isan-kalahady. Ny lakana koa moa dia tena miasa be any amin'iny faritra iny. Noho izany, dia  betsaka ny trano fiangonana  majinijinika naorina mba tsy  hanahirana an'ireo olona hamonjy fivavahana isan-kalahady.  Raha ny fiangonana FJKM fotsiny dia efa miisa ho 4 na 5 hono no misy ao Mariarano. Ary dia mpitandrina iray no nitarika izany fiangonana rehetra izany. Toa hoe : nifandimby tarihiny hono ireo rehetra ireo. Noho ny maha-majinika iazy izany dia tsy nataon-dry zareo ho mafy orina moa izany trano fiangonana izany. Vao tamin'ny rivo-doza nifanesisesy 2007 teo anefa dia potika daholo ireo tranomajinika ireo ka dia voatery mankany amin'ny fiangonana foibe ny mpiangona rehetra. na dia ity farany ity aza moa dia zara raha mafy orina  (jereo ny sary roa etsy ambony).

        Vahaolana

Mba hialana amin'izany olana izany dia tapa-kevitra ny mpiangona fa ny fiangonana foibe "FJKM Mariarano Fanantenana" no hatao mafy orina, mba ahafan'ny mpiangona mivory mandavan-taona. Trano "beton", milalotra simenitra, mitafo fanitso no kasain-dry zareo hatao. Koa ho entina manatanteraka izany dia betsaka ireo fitadiavam-bola karakarain'ny fiangonana : rindran-kira karakarain'ny mpanakanton'ny fiangonana, famokarana T-Shirt, sns, ary koa vokatra* izay anentanana an'ireo zanaky ny fiangonana. Raha ny fahalalàko azy manko, ny fiangonana FJKM dia tsy mba natao hahazo fanampiana avy amin'ny foibe FJKM, fa miankina tanteraka amin'ny olona miangona ao aminy. Ny fiangonana katolika toa tsy toy izany mantsy.

       Antso ho antsika ...

Koa ny antso atao amintsika, antso izay nasain'ny mpitandrina sy ny fiangonana mba aeliko eto amin'ny blaogiko eto, dia ny fanentanana "antsika" handray anjara amin'izany ezaka lehibe ataon'ny fiangonana "Mariarano fanantenana" izany. entanina manokana moa : 

  • ireo mponin'i Maroantsetra
  • ireo zanak'i Mariarano, na koa Maroantsetra izay mieli-patrana manerana ny nosy, na koa hatraty an-dafy.
  • ireo nahita soa tamin'ny finoana kristianina, sy malala-tànana tsy ankanavaka rehetra

Ireo izay aty an-dafy manokana, dia afaka mandray anjara mivantana amin'ny "vokatra" (rakitra alefa any am-piangonana).

Koa amin'izany dia :

  • antsoy ny ray amandreny Mpitandrina Atoa ABDINAGO Fanantenana : 00261 33.14.110.79 na koa
  • manorata any amin'i Tokinao ( RAJAONARISON Andrianandrianina M. ) : ajahiraim@yahoo.fr

Misaotra namaky ô Smile


*Momba ny teny hoe "ombay". Nisy nanontany ahy momba ny dikan'io teny io ka dia zaraiko eto ny kely mba haiko.

Ombay > teny mandidy [imperatif] na koa manentana avy amin'ny hoe : "momba". Ny dikany dia hoe "mombà anay" na koa "miaraha aminay", na koa hoe "ndao". Ohatra : ombay hilalao e = miaraha aminay hilalao e =ndao hiaraka hilalao aminay . Fiteny koa ny hoe : Mombà azy = miaraha aminy.

Izay manana rakibolana na diksionera malagasy dia angatahako mba hanazava bebe kokoa ô.

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype